FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w96 15/3 p. 4-6
  • Afaka Mifaly Amin’ny Fisakaizana Maharitra Ianao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Afaka Mifaly Amin’ny Fisakaizana Maharitra Ianao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Oha-pisakaizana tamin’ny andron’ny Baiboly
  • Ny fomba ambolena fisakaizana
  • Fihazonana ny fisakaizana ho tsy voatohina
  • Mpinamana Foana eo Amin’ny Tontolo Iray Tsy Manam-pitiavana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Nahoana Aho no Tsy Mahazona Namana?
    Mifohaza!—1996
  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Namana?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Fidio Tsara ny Namanao
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
w96 15/3 p. 4-6

Afaka Mifaly Amin’ny Fisakaizana Maharitra Ianao

MISY fefy manakana ny fisakaizana. Raha ny marina, ny Baiboly dia nanambara mialoha fa amin’izao “andro farany” izao, dia ho hita ny tsy fisiam-pitiavana, ny tsy fisian’ny firaiketam-po voajanahary, sy ny tsy fisian’ny tsy fivadihana. (2 Timoty 3:1-5, NW; Matio 24:12). Ireo toe-piainana ireo dia niteraka fihanahan’ny fahatsiarovan-tena ho manirery mbola tsy nisy toy izany. Hoy ny vehivavy iray: “Sahala amin’ny sambo fiaran’i Noa ny eo amin’ny manodidina ahy. Raha tsy olon-droa mpivady ianareo dia ailika.” Tsy azo raisina ho tompon’andraikitra tanteraka ny amin’izany ny olona manirery tsirairay. Any amin’ny faritra sasany eo amin’izao tontolo izao, ireo zava-manahirana mikasika ny fisakaizana dia mahatafiditra zavatra toy ny fifindran’ny olona trano matetika kokoa, ny faharavan’ny fianakaviana, ireo tanàna tsy misy olona sariaka sady mampidi-doza, sy ny fihenana miharihary eo amin’ny fotoam-pialam-boly.

Ny mponina an-tanàn-dehibe amin’ny andro maoderina dia mety hifandray amin’olona maro kokoa mandritra ny herinandro, noho izay hitan’ny mponina tany amin’ny tanàna kely tamin’ny taonjato faha-18, nandritra ny herintaona na nandritra ny androm-piainany mihitsy aza! Kanefa, dia matetika no tsy lalina ny fifandraisana amin’izao andro izao. Maro no manjary revo tanteraka amin’ny fiarahana amin’ny hafa sy ny fanandramana hampifalifaly tena tsy an-kijanona. Tsy maintsy manaiky anefa isika, fa ny fotoam-pifaliana poaka aty iarahana amin’ny olona tsy voafidy tsara, dia sahala amin’ny fampiasana tsilo ho fandrehitra. Hoy ny Mpitoriteny 7:5, 6 hoe: “Tsara ny mihaino ny anatra mafy ataon’ny hendry noho ny mihaino ny hiran’ny adala. Toy ny firefodrefotry ny tsilo eo ambanin’ny vilany, dia tahaka izany ny fihomehezan’ny adala; zava-poana koa izany.” Manome afo mamirapiratra sy mirefodrefotra vetivety ny tsilo, kanefa tsy manana foto-javatra ampy izy io mba hampahafana antsika. Sahala amin’izany koa, ireo namana mitabataba sy mihomehy dia mety hampiala voly antsika mandritra ny fotoana mihelina ihany, kanefa izy ireo dia tsy hanafoana velively ny fahatsiarovan-tena ho manirery ka hanome fahafaham-po ny filantsika tena sakaiza.

Tsy mitovy amin’ny fahatsiarovan-tena ho manirery ny fitoerana ho irery. Tena ilaintsika ny fitoerana ho irery indraindray mba hamelombelomantsika tena, ka amin’izany dia hanan-javatra betsaka kokoa hatolotra isika amin’ny maha-sakaiza. Rehefa mifanandrina amin’ny fahatsiarovan-tena ho manirery ny olona, dia maro no mitodika avy hatrany any amin’ny endrika fialam-boly elektronika. Ny fandinihana iray natao dia nahitana fa iray amin’ireo fihetsika fahita indrindra manoloana ny fahatsiarovan-tena ho manirery ny fijerena televiziona. Nanatsoaka hevitra anefa ny mpikaroka fa ny fijerena televiziona maharitra ela be dia iray amin’ireo zavatra ratsy indrindra azontsika atao rehefa manirery isika. Izy io dia mampirisika ho amin’ny fidonanaham-poana, ny fahasorisorena, sy ny fanonofinofisana, ary manjary mpisolo toerana tsy dia manao ahoana loatra ho an’ny fifandraisana amin’ny olon-kafa.

Raha ny marina, ny fitoerana ho irery dia afaka ny ho tena sarobidy raha ampiasaintsika amin’ny fomba manorina ny fotoana maha-irery antsika. Azontsika atao izany amin’ny famakiana teny, fanoratana taratasy, fanaovan-javatra, sy fialan-tsasatra. Tafiditra amin’ny fitoerana ho irery manorina ny fanaovana vavaka amin’Andriamanitra, ny fianarana ny Baiboly sy ny fisaintsainana izany. (Salamo 63:6). Fomba hanatonantsika akaiky kokoa an’i Jehovah Andriamanitra, ilay ho Sakaizantsika lehibe indrindra, izany.

Oha-pisakaizana tamin’ny andron’ny Baiboly

Na dia tsara aza ny ho sariaka amin’ny olona maro, ny Baiboly dia mampahatsiaro antsika fa “misy sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza”. (Ohabolana 18:24). Isika rehetra dia samy mila sakaiza akaiky vitsivitsy izay miahy marina antsika, ka ny fisakaizan’izy ireny dia manome antsika fifaliana sy hery ary fiadanana. Na dia mety ho tsy fahita amin’izao andro izao aza ny tena fisakaizana toy izany, dia voamarika manokana ao amin’ny Baiboly ny ohatra fahiny sasany. Teo, ohatra, ny fisakaizana niavaka teo amin’i Davida sy i Jonatana. Inona no azontsika ianarana avy amin’izy io? Nahoana no naharitra ny fisakaizan’izy ireo?

Voalohany aloha, i Davida sy i Jonatana dia nanan-javatra nahaliana lehibe niombonana. Ambonin’ny zavatra rehetra, dia niara-nanana fifikirana lalina tamin’i Jehovah Andriamanitra izy ireo. Rehefa nomarihiny ny finoan’i Davida an’Andriamanitra sy ny asa nataony hiarovana ny vahoakan’i Jehovah, dia “raiki-pitia tamin’i Davida ny fanahin’i Jonatana, ka tia azy hoatra ny tenany mihitsy izy”. (1 Samoela 18:1). Ny fitiavana an’Andriamanitra iombonana àry, dia manampy mba hampiraiki-po an’ireo mpisakaiza.

Lehilahy natanjaka izay niaina nifanaraka tamin’ireo fotopoto-pitsipika araka an’Andriamanitra i Jonatana sy i Davida. Noho izany, dia afaka nifanaja izy ireo. (1 Samoela 19:1-7; 20:9-14; 24:6). Tena mandray fitahiana isika raha manana sakaiza tia an’Andriamanitra sy tarihin’ireo fotopoto-pitsipika araka ny Soratra Masina.

Nisy anton-javatra hafa nandray anjara tamin’ny fampiorenana ny fisakaizan’i Davida sy i Jonatana. Tsy nisy fitaka sady feno fahatsorana ny fifandraisan’izy ireo, ary nifaneho fatokiana izy ireo. Tamin’ny fomba nampiseho tsy fivadihana no nametrahan’i Jonatana ny tombontsoan’i Davida teo amin’ny toerana alohan’ny azy manokana. Tsy nialona izy satria hoe nampanantenaina an’i Davida ny fanjakana; nanohana azy ara-pihetseham-po sy ara-panahy kosa aza i Jonatana. Ary nanaiky ny fanampiany i Davida. (1 Samoela 23:16-18). Tamin’ny fomba nety araka ny Soratra Masina, dia samy nampahafantatra ny fihetseham-pony tamin’ny andaniny avy i Davida sy i Jonatana. Niorina tamin’ny fankasitrahana sy ny firaiketam-po marina ny fisakaizana araka an’Andriamanitra nisy teo amin’izy ireo. (1 Samoela 20:41; 2 Samoela 1:26). Tsy nety rava ilay izy satria samy nitoetra ho nahatoky tamin’Andriamanitra izy roa lahy. Afaka manampy antsika hanorina sy hihazona tena fisakaizana ny fampiharana fotopoto-pitsipika toy ireo.

Ny fomba ambolena fisakaizana

Eo am-pitadiavana tena sakaiza ve ianao? Mety tsy ho voatery hitady lavitra ianao. Mety ho tonga sakaizanao ny sasany amin’ireo olona ifaneraseranao tsy tapaka, ary mety hila ny fisakaizanao izy ireo. Mikasika indrindra ireo Kristiana tahaka anao, dia ho fahendrena ny hampiharana ny torohevitry ny apostoly Paoly mba ‘hihamalalaka’. (2 Korintiana 6:11-13). Kanefa, aza sorena raha tsy miafara amin’ny fifamatorana lalina ny fanandramana rehetra natao mba hahazoana sakaiza. Mitaky fotoana mazàna ny fampitomboana fisakaizana, ary tsy ho lasa lalina amin’ny fomba mitovy avokoa akory ny fifandraisana rehetra. (Mpitoriteny 11:1, 2, 6). Mazava ho azy, fa mba hifaliana amin’ny tena fisakaizana, dia tsy maintsy ho tsy tia tena isika, ary mila manaraka izao torohevitr’i Jesosy izao: “Koa amin’izany na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany”. — Matio 7:12.

Iza no mila ny fisakaizanao? Ankoatra ireo mitovy taona aminao, ahoana ny amin’ireo tanora kokoa na ireo be taona kokoa? Samy nahatafiditra taona tsy nitovy ny fisakaizana teo amin’i Davida sy i Jonatana, i Rota sy i Naomy, i Paoly sy i Timoty. (Rota 1:16, 17; 1 Korintiana 4:17). Afaka manitatra ny fisakaizanao amin’ireo vehivavy maty vady sy ireo hafa tsy manambady ve ianao? Diniho koa ny amin’ireo vaovao eo amin’ny faritra manodidina anao. Izy ireo dia mety ho efa namela ny fifaneraserana tamin’ny ankamaroan’ireo sakaizany na ireo sakaizany rehetra mihitsy aza rehefa nifindra trano, na niova fomba fiaina. Aza miandry ny hafa hanatona anao. Raha Kristiana ianao dia manorena fisakaizana maharitra amin’ny fampiharana izao torohevitr’i Paoly izao: “Mifankatiava araka ny fifankatiavan’ny mpirahalahy; mitariha làlana amin’ny fifanomezam-boninahitra.” — Romana 12:10.

Azontsika heverina ho toy ny endrika fanomezana ny fisakaizana. Nilaza i Jesosy fa raha zatra manome isika, dia hanome antsika ny olona. Nohazavainy koa fa mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray. (Lioka 6:38; Asan’ny Apostoly 20:35). Efa nihaona tamin’ny olona samy hafa fiaviana ve ianao? Ny fivoriambe iraisam-pirenena nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanaporofo fa ireo olona avy amin’ny kolontsaina maro samihafa, dia afaka mahaforona tena fisakaizana marina sy maharitra rehefa miombona ao amin’ny fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra izy ireo.

Fihazonana ny fisakaizana ho tsy voatohina

Mampalahelo fa indraindray dia mahatonga fanaintainana amin’ny andaniny avy ireo noheverina ho sakaiza. Ny resadresa-poana manimba, ny fivadihana amin’ny fitokiana sy ny tsy fahampiam-pankasitrahana — ireo no anisan’ny zavatra tena mampanaintaina rehefa avy amin’ny olona iray noheverinao ho tena sakaiza. Inona no azo atao amin’ny tarehin-javatra toy izany?

Manomeza ohatra tsara. Ataovy izay azonao atao mba hanalavirana izay mety hiteraka fanaintainana tsy ilaina. Any amin’ny toerana sasany, dia tian’ireo mpisakaiza ny manao ny kileman-toetran’izy samy izy ho fihomehezana. Ny fifampitondrana amin’ny fomba henjana, na ny fitaka anefa dia tsy hampifanatona ny mpisakaiza na dia heverina ho ‘manao vosobosotra’ aza izy ireo. — Ohabolana 26:18, 19.

Miezaha mafy mba hihazonana hatrany ny fisakaizana. Mipoitra indraindray ny tsy fifankahazoan-kevitra rehefa mitaky be loatra amin’ny andaniny avy ireo mpisakaiza. Ny sakaiza iray izay marary na sahiran-tsaina noho ny zava-manahirana lehibe, dia azo inoana fa tsy ho afaka hampiseho hafanana be toy ny mahazatra. Amin’ny fotoana toy ireny àry, dia miezaha hahay hipetraka eo amin’ny toerany sy hanohana azy.

Alamino haingana sy amin-katsaram-panahy ireo zava-manahirana. Ataovy manokana izany raha azo atao. (Matio 5:23, 24; 18:15). Ataovy izay hahazoana antoka fa fantatr’ilay sakaizanao fa irinao ny hihazona fifandraisana tsara hatrany. Mifamela heloka ny mpisakaiza feno fahatsoram-po. (Kolosiana 3:13). Ho izany karazana sakaiza izany — dia ilay mifikitra noho ny rahalahy — ve ianao?

Vao fanombohana fotsiny ny famakiana sy ny fandinihana momba ny fisakaizana. Raha eo am-pandalovana fotoam-pahatsiarovan-tena ho manirery isika, dia aoka hanao izay zavatra mifanentana ary dia tsy ho irery intsony mandritra ny fotoana maharitra isika. Raha mikely aina isika, dia afaka mahazo tena sakaiza. Hanorina fifamatorana manokana amin’ny sasany amin’izy ireny isika. Tsy misy na iza na iza anefa afaka maka ny toeran’Andriamanitra, ilay Sakaiza lehibe indrindra. I Jehovah irery ihany no afaka mahalala antsika sy mahazo ny fihevitsika ary manohana antsika amin’ny fomba feno. (Salamo 139:1-4, 23, 24). Ambonin’izany, ny Teniny dia manolotra fanantenana mahatalanjona ho an’ny hoavy — tontolo vaovao iray izay mety hananana tena sakaiza ho mandrakizay. — 2 Petera 3:13.

[Sary, pejy 5]

Nifaly tamin’ny tena fisakaizana i Davida sy i Jonatana, ary afaka manao toy izany koa isika

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara