Diniho ny Tsy Mivadika!
“Iza no tsy hatahotra anao tokoa, Jehovah ô, sy tsy hankalaza ny anaranao, satria ianao irery ihany no tsy mivadika?” — APOKALYPSY 15:4, NW.
1. Fanambarana inona no nataon’i J. F. Rutherford momba ny tsy fivadihan’i C. T. Russell, izay nodimbasany?
I JOSEPH F. RUTHERFORD, izay nandimby an’i C. T. Russell tamin’ny naha-prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’ny 1917, dia nanomboka toy izao ny fanamarihany tamin’ny fotoam-pandevenana an’i Russell: “I Charles Taze Russell dia tsy nivadika tamin’Andriamanitra, tsy nivadika tamin’i Kristy Jesosy, tsy nivadika tamin’ny raharaha momba ny fanjakan’ny Mesia. Tsy nivadika izy, hatrany anatiny indrindra amin’ny tenany — eny, tsy nivadika hatramin’ny fahafatesana mihitsy aza.” Izany ka filazam-pahamendrehana tsara dia tsara marina tokoa natao tamin’ny mpanompon’i Jehovah Andriamanitra nahatoky iray. Tsy misy filazam-pahamendrehana lehibe kokoa azontsika atao amin’olona na iza na iza, noho ny filazana fa nahomby izy tamin’ny fitsapana ny tsy fivadihana, fa tsy nivadika izy — tsy nivadika hatrany anatiny indrindra amin’ny tenany.
2, 3. a) Nahoana no zava-tsarotra ny tsy fivadihana? b) Iza no milahatra hanohitra ny Kristiana marina eo amin’ny ezaka ataony mba tsy hivadika?
2 Zava-tsarotra ny tsy fivadihana. Nahoana? Satria ny tsy fivadihana dia mifanohitra amin’ny fitadiavana tombontsoa ho an’ny tena manokana. Lohandohany amin’ireo mivadika amin’Andriamanitra ny klerjy ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Ary afa-tsy izany koa, dia mbola tsy nisy mihitsy fivadihana, toy ny amin’ny fifandraisan’ny mpivady amin’izao andro izao, niely patrana toy izao. Fahita ny fanitsakitsaham-bady. Miely patrana koa ny fivadihana eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana. Momba izany, dia izao no lazaina amintsika: “Mpitantan-draharaha maro sy mpiasa matihanina maro (...) no mino fa ny donendrina sy ny mora ambakaina ihany no tsy mivadika amin’ny orinasa misy azy amin’izao andro izao.” Hamavoina ny olona “tsy mivadika amin’ny fomba tafahoatra”. Ny fomba nilazan’ilay prezidàn’ny kompania mpanolo-tsaina eo amin’ny fitantanan-draharaha azy dia hoe: “Ny tsy fivadihanao voalohany sady tokana ihany, dia tokony ho amin’ny tenanao.” Kanefa ny fitenenana hoe tsy fivadihana amin’ny tena ihany dia fanimbana ny hevitr’ilay teny. Izany dia mampahatsiaro antsika ilay voalaza ao amin’ny Mika 7:2 toy izao: “Lany tsy misy amin’ny tany intsony ny [olona tsy mivadika, NW ]”.
3 Eo amin’ny ambaratonga mbola lehibe kokoa, dia milahatra hanohitra antsika i Satana sy ireo demoniany, tapa-kevitra ny hampivadika antsika amin’Andriamanitra. Izany no antony ilazana amin’ny Kristiana toy izao ao amin’ny Efesiana 6:12: “Isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra, fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra.” Eny, mila manaraka ilay fampitandremana toy izao isika: “Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany”. — 1 Petera 5:8.
4. Fironana inona avy no mahatonga ny tsy fivadihana ho sarotra aoka izany?
4 Mahatonga ny tsy fivadihana ho sarotra koa ireo fironana ho tia tena nolovantsika tamin’ireo ray aman-drenintsika, araka ny voalaza ao amin’ny Genesisy 8:21 toy izao: “Ny fisainan’ny fon’ny olona dia ratsy” — sady tia tena — “hatramin’ny fahazazany”. Isika rehetra dia samy manana ilay zava-manahirana izay neken’ny apostoly Paoly fa nananany: “Tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko.” — Romana 7:19.
Zavatra manokana ny tsy fivadihana
5, 6. Inona no azo lazaina ny amin’ny atao hoe tsy fivadihana, ary ahoana no namaritana azy io?
5 Teny manokana dia manokana ny hoe “tsy fivadihana”. Milaza toy izao ny Insight on the Scriptures: “Toa tsy misy teny anglisy, afa-tsy ny hoe ‘loyalty [tsy fivadihana]’ ihany, mahalaza marina tsara ny hevitra fenon’ireo teny hebreo sy grika izay mahatafiditra, toa azy io, ilay hevitra ny amin’ny fifikirana sy fahatokiana, ka rehefa ampiasaina mifandray amin’Andriamanitra sy ny fanompoana azy, dia manome heviny manakaiky ny tena izy.”a Izao no nolazain’ny Ny Tilikambo Fiambenana indray mandeha momba ny ‘tsy fivadihana’: “Fahatokiana, andraikitra, fitiavana, adidy, fifikirana. Inona no iombonan’ireo teny ireo? Izy ireo dia endriny samy hafa amin’ny tsy fivadihana.” Eny, hatsaran-toetra maro aoka izany no tsy inona fa endriny samy hafa amin’ny tsy fivadihana. Tsara homarihina tokoa fa matetika dia matetika no ampifandraisina ny tsy fivadihana sy ny fahamarinana ao amin’ny Soratra Masina.
6 Manampy koa ireto famaritana manaraka ireto: ‘Ny tsy fivadihana dia mety hanondro fahatokiana sy fifikirana mitohy sady azo ianteherana, voaro amin’ny fivadibadihan-kevitra na ny fakam-panahy.’ ‘Ny tsy fivadihana dia milaza tsy mivantana fahatokiana amin’ny fampanantenana nataon’ny tena, na fifikirana hatrany amin’ilay fikambanana na amin’ireo fotopoto-pitsipika izay heverin’ny tena fa ananana adidy ara-pitondran-tena; ilay teny dia toa tsy manondro firaiketana mafy fotsiny, fa fanoherana koa mba tsy ho voafandrika sy ho resy lahatra hiala amin’izany firaiketana mafy izany.’ Araka izany, ny olona izay mahatoky hatrany na dia eo aza ireo fitsapana sy fanoherana ary fanenjehana dia mendrika ny hantsoina hoe “tsy mivadika”.
7. Fanavahana inona no azo atao amin’ny tsy fivadihana sy ny fahatokiana?
7 Mahakasika azy io anefa, dia mety ho tsara ny hanazavana amin’ny ohatra ny fanavahana azo atao eo amin’ny tsy fivadihana sy ny fahatokiana. Any amin’ny faritra andrefan’i Etazonia, dia misy loharano mafana iray izay mifantsitsitra isaky ny adiny iray eo ho eo. Tsy miovaova aoka izany ilay izy, hany ka nanjary nantsoina hoe Ikaky Ramahatoky. Milaza an’ireo zavatra tsy manana aina, toy ny volana, ho mahatoky ny Baiboly, noho ilay izy azo ianteherana. Milaza ny volana ho “vavolombelona marina [“mahatoky”, NW ] any an-danitra”, ny Salamo 89:37. Lazaina fa mahatoky ny tenin’Andriamanitra. Hoy ny Apokalypsy 21:5: “Hoy Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.” Ireo rehetra ireo dia samy mahatoky, azo ianteherana, saingy tsy afaka maneho firaiketam-po na inona na inona, na afaka manana toetra ara-pitondran-tena toy ny tsy fivadihana.
Jehovah, ilay tsy mivadika miavaka indrindra
8. Fanambarana araka ny Soratra Masina inona no mampahafantatra an’ilay ohatra tsara indrindra amin’ny tsy fivadihana?
8 Azo antoka tanteraka fa i Jehovah Andriamanitra no ohatra tsara indrindra eo amin’ny tsy fivadihana. Tsy nivadika tamin’ny taranak’olombelona i Jehovah, ka nanome mihitsy ny Zanany mba hahafahan’ny olombelona mahazo fiainana mandrakizay. (Jaona 3:16). Izao no vakintsika ao amin’ny Jeremia 3:12: “Miverena hianao, ry Isiraely mpiodina, hoy Jehovah; tsy hampanjombona ny tavako aminareo Aho; fa [tsy mivadika, NW ] Aho”. Mbola manamarina kokoa ny tsy fivadihan’i Jehovah ireo teny voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Apokalypsy 16:5 (NW ) manao hoe: “Marina ianao, ry Ilay ankehitriny sy taloha, Ilay tsy mivadika”. Avy eo indray, dia izao no lazaina amintsika ao amin’ny Salamo 145:17: “Marina Jehovah amin’ny làlany rehetra, sady [tsy mivadika, NW ] amin’ny asany rehetra.” Raha ny marina, i Jehovah dia miavaka aoka izany eo amin’ny tsy fivadihany, hany ka milaza toy izao ny Apokalypsy 15:4 (NW ): “Iza no tsy hatahotra anao tokoa, Jehovah ô, sy tsy hankalaza ny anaranao, satria ianao irery ihany no tsy mivadika?” Tsy mivadika amin’ny ambaratonga fara tampony, i Jehovah Andriamanitra.
9, 10. Firaketana an-tsoratra momba ny tsy fivadihana inona no nataon’i Jehovah teo amin’ny fifampiraharahany tamin’ny firenen’ny Isiraely?
9 Mirakitra fanambarana maro be ny amin’ny tsy fivadihan’i Jehovah tamin’ny vahoakany ny tantaran’ny firenen’ny Isiraely manokana. Tamin’ny andron’ireo Mpitsara, dia lavo niala tamin’ny fanompoam-pivavahana marina imbetsaka ny Isiraely, kanefa dia nalahelo azy ireo i Jehovah ka namonjy azy imbetsaka. (Mpitsara 2:15-22). Nandritra ireo taonjato dimy manontolo nananan’ny Isiraely mpanjaka, dia naneho ny tsy fivadihany tamin’io firenena io, i Jehovah.
10 Ny tsy fivadihan’i Jehovah dia nahatonga azy haharitra tamin’ny vahoakany, araka ny voamarika ao amin’ny 2 Tantara 36:15, 16 toy izao: “Jehovah, Andriamanitry ny razany, nampitondra teny ny iraka izay nirahiny ho any aminy; eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka, fa namindra fo tamin’ny olony sy ny fonenany. Kanjo ny olona nihomehy ireny irak’Andriamanitra ireny sady nanazimba ny teniny sy namazivazy ny mpaminaniny mandra-pihatry ny fahatezeran’i Jehovah taminy, ka tsy nisy nahavonjy azy.”
11. Fanomezan-toky na fampiononana inona no omen’ny tsy fivadihan’i Jehovah antsika?
11 Noho i Jehovah faran’izay tsy mivadika, dia afaka nanoratra toy izao ny apostoly Paoly, araka ny voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Romana 8:38, 39: “Matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.” Eny, manome toky antsika toy izao i Jehovah: “Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory”. (Hebreo 13:5). Marina tokoa fa mampionona ny mahafantatra fa tsy mivadika mandrakariva i Jehovah Andriamanitra!
Jesosy Kristy, ilay Zanaka tsy mivadika
12, 13. Fanambarana inona no ananantsika raha ny amin’ny tsy fivadihan’ny Zanak’Andriamanitra?
12 I Jesosy Kristy no nanahaka sady mbola manahaka an’i Jehovah tamin’ny fomba tonga lafatra teo amin’ny fiatrehana ilay zava-tsarotra, dia ny tsy fivadihana. Afaka nanonona tsara ny Salamo 16:10 ny apostoly Petera ka nampihatra azy io tamin’i Jesosy Kristy ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:27: “Tsy ho foinao ho any amin’ny fiainan-tsi-hita ny aiko; ary tsy hamela [ilay tsy mivadikao, NW ] ho tratry ny lo Hianao.” Tondroina araka ny mendrika azy hoe ‘ilay tsy mivadika’, i Jesosy Kristy. Amin’ny lafiny rehetra, dia tsy mivadika amin’ny Rainy sy amin’ny Fanjakana nampanantenain’Andriamanitra izy. Nanandrana nanapotika ny tsy fivadihan’i Jesosy aloha i Satana tamin’ny fampiasana fakam-panahy, fanairana ny fitadiavana tombontsoa ho an’ny tena. Rehefa tsy nahomby tamin’izany ny Devoly, dia nampiasa fanenjehana, nahatonga ny fahafatesan’i Jesosy teo amin’ny hazo famonoana tamin’ny farany. Tsy niala mihitsy tamin’ny tsy fivadihany tamin’i Jehovah Andriamanitra, Rainy any an-danitra, i Jesosy. — Matio 4:1-11.
13 Tsy nivadika tamin’ireo mpanara-dia azy i Jesosy Kristy, mifanaraka amin’ilay fampanantenana voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Matio 28:20 toy izao: “Indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.” Ho fanatanterahana io fampanantenana io, dia naneho tsy fivadihana izy tamin’ny fampiharana fitarihana tamin’ny kongregasionany, nanomboka tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i. ka hatramin’izao fotoana izao.
Olombelona tsy lavorary izay tsy nivadika
14. Ohatra ny amin’ny tsy fivadihana inona no navelan’i Joba?
14 Ahoana izao ny amin’ny olombelona tsy lavorary? Afaka ny tsy hivadika amin’Andriamanitra ve izy ireo? Manana ilay ohatra miavaka ny amin’i Joba isika. Nataon’i Satana mazava tsara ny raharaha niadian-kevitra momba azy. Tsy nivadika tamin’i Jehovah Andriamanitra ve i Joba, sa nanompo azy noho ny fitadiavana tombontsoa ho an’ny tenany fotsiny? Nidoka tena i Satana fa ho afaka hampiala an’i Joba amin’i Jehovah, amin’ny fitondrana zava-manahirana amin’i Joba. Rehefa namoy ny fananany rehetra sy ny zanany rehetra, ary na dia ny fahasalamany mihitsy aza i Joba, dia nampirisika mafy azy toy izao ny vadiny: “Mahafoiza an’Andriamanitra hianao, dia aoka ho faty.” Tsy nivadika anefa i Joba, satria hoy izy taminy: “Tahaka ny tenin’ny anankiray amin’ny vehivavy adala ny teninao. Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin’Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa? Tamin’izany rehetra izany dia tsy nanota tamin’ny molony Joba.” (Joba 2:9, 10). Raha ny marina, dia hoy i Joba tamin’ireo izay nihambo ho mpampionona azy: “Na dia hamono ahy aza Izy [Andriamanitra], mbola hanantena Azy ihany aho”. (Joba 13:15). Tsy mahagaga raha nahazo ny fankasitrahan’i Jehovah, i Joba! Noho izany dia nilaza tamin’i Elifaza Temanita toy izao, i Jehovah: “Mirehitra aminao sy ny sakaizanao roa lahy ny fahatezerako, satria tsy mba marina tahaka ny filàzan’i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy.” — Joba 42:7, 10-16; Jakoba 5:11.
15. Fanambarana araka ny Soratra Masina inona no ananantsika momba ny tsy fivadihan’ny mpanompon’i Jehovah Andriamanitra maro?
15 Ireo lehilahy sy vehivavy rehetra nanam-pinoana voalazalaza ao amin’ny Hebreo toko faha-11 dia azo lazaina ho tsy nivadika. Tsy vitan’ny hoe nahatoky izy ireo, fa tsy nivadika koa teo anatrehan’ny fanerena. Noho izany no amakiantsika ny amin’ireo izay “tamin’ny finoana (...) [dia] nanakombona ny vavan’ny liona, namono ny fidedadedan’ny afo, afaka tamin’ny lelan-tsabatra, (...) ny sasany niaritra fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy trano-maizina koa; notoraham-bato izy, notsofana, nalaim-panahy, novonoina tamin’ny sabatra, dia nirenireny nitafy hoditr’ondry sy hoditr’osy; efa lao, ory, fadiranovana”. — Hebreo 11:33-37.
16. Ohatra ny amin’ny tsy fivadihana inona no nomen’ny apostoly Paoly?
16 Ny Soratra Grika Kristiana koa dia manome ilay ohatra manaitran’ny apostoly Paoly. Afaka nilaza tsara ny amin’ny fanompoany toy izao tamin’ireo Kristiana tesaloniana, izy: “Hianareo no vavolombelona ary Andriamanitra koa fa masina sy marina ary tsy nanan-tsiny tokoa ny fitondrantenanay teo imasonareo izay mino”. (1 Tesaloniana 2:10). Manana porofo fanampiny momba ny tsy fivadihan’i Paoly isika ao amin’ireo teniny voarakitra an-tsoratra ao amin’ny 2 Korintiana 6:4, 5, izay amakiantsika toy izao: “Amin’ny zavatra rehetra dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon’Andriamanitra izahay, dia amin’ny faharetana be, amin’ny fahoriana, amin’ny fahaterena, amin’ny fahantrana, amin’ny kapoka, amin’ny fatorana, amin’ny tabataba, amin’ny fisasarana, amin’ny tsy fahitan-tory, amin’ny fifadian-kanina”. Izany rehetra izany dia manamarina fa nanana ny hajan’ny tenany ny apostoly Paoly noho izy tsy nivadika.
Ireo tsy mivadika amin’ny andro maoderina
17. Teny inona avy, nataon’i J. F. Rutherford, no nampiseho ny fahatapahan-keviny tsy hivadika?
17 Raha ny amin’ny andro maoderina, dia ananantsika ilay ohatra tsara dia tsara efa nodinihina tetsy amin’ny fampidiran-dresatsika. Mariho izay voalaza ao amin’ilay boky hoe Sécurité universelle sous le Règne du “Prince de Paix”, pejy faha-146, eo ambanin’ilay lohateny kely hoe “Tsy mivadika na dia any an-tranomaizina aza”. Izao no voalaza ao: ‘Raha nampiseho tsy fivadihana tamin’ny fandaminan’i Jehovah nandritra ny fotoana nanaovana azy an-tranomaizina i Joseph F. Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower, tamin’ny 25 Desambra 1918, dia nanoratra izao manaraka izao: “Noho ny tsy netezako hanaiky lembenana an’i Babylona, fa niezaka tamim-pahatokiana kosa ny hanompo ny Tompoko, dia atỳ an-tranomaizina aho, ka velom-pisaorana ny amin’izany aho. (...) Aleoko lavitra ny tsikim-pankasitrahany ary dia ho atỳ an-tranomaizina, toy izay hanaiky lembenana sy hilavo lefona eo anoloan’ny Biby ary dia ho afaka sy hahazo ny fankasitrahana mafana avy amin’izao tontolo izao manontolo.” ’b
18, 19. Inona avy ireo ohatra ambony dia ambony ananantsika momba ny tsy fivadihana amin’ny andro maoderina?
18 Manana ohatra faran’izay tsara ny amin’ny tsy fivadihana isika ao amin’ireo Kristiana maro hafa izay niaritra fanenjehana. Anisan’ny olona tsy nivadika toy izany ireo Vavolombelon’i Jehovah alemanina nandritra ny fitondrana nazia, araka ny hita sary ao amin’ilay vidéo hoe Purple Triangles, miely patrana amin’ny fiteny anglisy. Tsara homarihina koa ireo Vavolombelon’i Jehovah afrikana maro tsy mivadika, toy ireo any Malawi. Tany, dia nanamarina ny tsy fivadihan’ireo Vavolombelona ny mpiambina tranomaizina iray tamin’ny filazana hoe: “Tsy hanaiky lembenana mihitsy izy ireo. Vao mainka mitombo aza izy ireo.”
19 Raha mamaky ireo Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah faramparany ny tena, dia tsy afaka ny tsy ho voatohina noho ny tsy fivadihana nasehon’ireo Kristiana marina, toy ireo tany Gresy sy i Mozambika ary i Polonina. Maro tamin’izy ireo no nijaly noho ny fampijalijaliana izaitsizy; ny hafa novonoina ho faty. Ny pejy faha-177 amin’ny Diary 1992 (frantsay) dia mampiseho sarin-dehilahy kristiana sivy tany Etiopia izay niatrika ilay zava-tsarotra, dia ny tsy fivadihana, ka tonga hatramin’ny fanekena hovonoina ho faty. Amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah antsika, moa ve tsy faly isika manana ohatra tsara dia tsara maro aoka izany mba handrisihana antsika hiatrika ilay zava-tsarotra, dia ny tsy fivadihana?
20. Inona no mitranga raha mitoetra ho tsy mivadika isika?
20 Amin’ny fanehoana tsy fivadihana eo amin’ny fanoherana ireo fakam-panahy sy fanerena, dia mampitombo tsikelikely ny fananan’ny tenantsika haja isika. Koa amin’ny andaniny aiza ao amin’ilay raharaha iadian-kevitra àry no irintsika hahitana ny tenantsika? Amin’ny fiatrehana ilay zava-tsarotra, dia ny tsy fivadihana, dia maka ny andaniny misy an’i Jehovah Andriamanitra amin’ilay raharaha iadian-kevitra isika, ary manaporofo ny maha-mpandainga maharikoriko sy miharihary an’i Satana Devoly! Amin’izany no hahazoantsika ny fankasitrahan’ilay Mpanao antsika, dia i Jehovah Andriamanitra, sy ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny fahasambarana ho valisoa. (Salamo 37:29; 144:15b). Hodinihina manaraka izay takin’ny fiatrehana ilay zava-tsarotra, dia ny tsy fivadihana.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Encyclopédie momba ny Baiboly, misy boky roa, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
b Navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
Ahoana no Havalinao?
◻ Nahoana no zava-tsarotra ny tsy fivadihana?
◻ Nahoana no azo lazaina fa teny manokana dia manokana ny hoe “tsy fivadihana”?
◻ Ohatra araka ny Soratra Masina inona avy no ananantsika momba ireo olombelona tsy lavorary tsy nivadika?
◻ Ohatra maoderina tsara dia tsara inona avy no ananantsika momba ny tsy fivadihana?
[Sary, pejy 11]
Charles Taze Russell
[Sary, pejy 12]
‘Ilay tsy mivadika’ marina tokoa i Jesosy ho an’i Jehovah
[Sary, pejy 13]
Na dia tsy lavorary aza i Joba, dia nanaporofo fa tsy nivadika tamin’Andriamanitra
[Sary, pejy 14]
Namela ohatra tsara dia tsara ny amin’ny tsy fivadihana amin’i Jehovah, i Paoly