Iza moa i Théophile avy any Antiokia?
“IANAREO miantso ahy hoe Kristiana, toy ny hoe anarana voaozona izy io, izaho kosa manambara tsy amin-kenatra fa Kristiana aho, ary mitondra io anarana io mba ho tonga tian’Andriamanitra, ka manantena ny ho azon’Andriamanitra ampiasaina.”
Tamin’izany fomba izany no nampidiran’i Théophile ny asa sorany misy fizarana telo mitondra ny lohateny hoe Théophile à Autolycus. Fiantombohan’ny fiarovan-tenany tamin’ny fivadiham-pinoana tamin’ny taonjato faharoa izy io. Nampahafantatra ny tenany tamin-kasahiana ho mpanara-dia an’i Kristy i Théophile. Hita ho tapa-kevitra hitondra ny raharahany mba ho tonga “tian’Andriamanitra” izy, mifanaraka amin’ny hevitry ny anarany amin’ny teny grika. Iza marina moa i Théophile? Oviana izy no niaina? Ary inona no notanterahiny?
Tantara manokana
Zavatra kely no fantatra momba ny tantaran’i Théophile manokana. Notezain’ny ray aman-dreny tsy Kristiana izy. Niova finoana ho amin’ny Kristianisma i Théophile tatỳ aoriana, nefa tsy nanao izany izy raha tsy taorian’ny nanaovana fianarana tamim-pitandremana ny Soratra Masina. Tonga evekan’ny kongregasionan’i Antiokia tany Syria, fantatra amin’izao andro izao ho Antakya, any Torkia, izy.
Mifanaraka amin’ny didy nomen’i Jesosy, dia nitory teo amin’ny mponin’i Antiokia ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany. Nirakitra an-tsoratra ny fahombiazan’izy ireo i Lioka, ka nilaza toy izao: “Ny tànan’ny Tompo nomba azy ireo, ka maro no isan’izay nino sy niverina ho amin’ny Tompo.” (Asan’ny Apostoly 11:20, 21). Araka ny toro lalana avy tamin’Andriamanitra, dia nanjary fantatra hoe Kristiana ireo mpanara-dia an’i Jesosy Kristy. Nampiharina voalohany tao Antiokia tany Syria io teny io. (Asan’ny Apostoly 11:26). Tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., dia nanao dia nankany Antiokia tany Syria ny apostoly Paoly, ary nanjary toerana fiaingany izy io. Avy tao Antiokia i Paoly sy i Barnabasy, niaraka tamin’i Jaona Marka, no niondrana tamin’ny diany misionera voalohany.
Tsy maintsy ho nampaherezin’ny fitsidihan’ny apostoly tany amin’ny tanànany aoka izany ireo Kristiana tany am-boalohany tao Antiokia. Tsy isalasalana fa ny fihetsika feno hafanam-po nasehon’izy ireo teo anoloan’ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra, dia vokatr’ireo fitsidihana nanatanjaka finoana nataon’ireo solontenan’ny fitambara-mpitantana, tamin’ny ampahany. (Asan’ny Apostoly 11:22, 23). Tsy maintsy ho nampahery toy inona ho azy ireo moa ny nahita mponin’i Antiokia maro aoka izany nanokana ny fiainany ho an’i Jehovah Andriamanitra! Kanefa, maherin’ny 100 taona tatỳ aoriana vao niaina tao Antiokia i Théophile.
Nambaran’ilay mpanoratra tantara atao hoe Eusèbe fa i Théophile no eveka fahenina tao Antiokia, nisaina nanomboka tamin’ny andron’ireo apostolin’i Kristy. Nitana an-tsoratra ny maro be tamin’ireo ady hevitra sy fanaporofoana am-bava nanohitra ny herezia, i Théophile. Izy dia anisan’ireo Kristiana mpiaro ny finoana am-polony mahery tamin’ny androny.
Topy maso amin’ny asa sorany
Rehefa namaly ny resaka nifanaovana tany aloha i Théophile, dia nanoratra ho an’i Autolycus mpanompo sampy izao teny fanokafana izao: “Ho an’ireo olona tsy misy vidiny izay simba amin’ny sainy, dia manome fahafinaretana ny lela misosa tsara sy ny fomba fitenenana kanto, ary maharavoravo ny fiderana toy izany, izay firehareham-poana.” Nanazava i Théophile, ka nilaza toy izao: “Ny olona tia ny fahamarinana dia tsy mihevitra ny lahateny feno haingon-teny, fa mandinika kosa ny ventiny amin’ilay lahateny (...). Mamely ahy amin’ny teny tsy misy heviny ianao, mieboebo momba ireo andriamanitrao vita amin’ny hazo sy vato, voavolavola amin’ny tantanana sy notefena, voasokitra, izay tsy mahita sady tsy mandre, satria sampy izy ireo, ary asan’ny tanan’olona.” — Ampitahao amin’ny Salamo 115:4-8.
Manala sarona ny maha-diso ny fanompoan-tsampy i Théophile. Amin’ny fomba fanoratany mahazatra dia miezaka izy manambara amim-pahaiza-mandahatra, na dia amin’ny fomba miverimberina aza, ny tena toetran’ilay Andriamanitra marina. Nanome izao fanazavana izao izy: “Ny fisehoan’Andriamanitra dia tsy hay lazaina, ary tsy mety ho hitan’ny mason’ny olombelona. Fa amin’ny voninahitra Izy dia tsy azo takarina, amin’ny halehibiazana, tsy hay refesina, amin’ny haavo, tsy takatry ny saina, amin’ny hery, tsy misy tahaka azy, amin’ny fahendrena, tsy manam-paharoa, amin’ny hatsaram-po, tsy manan-tsahala, amin’ny hatsaram-panahy, tsy hay lazaina.”
Ho fanampin’io filazalazana momba an’Andriamanitra io, dia nanohy toy izao i Théophile: “Nefa Tompo izy, satria Izy manapaka eo amin’izao rehetra izao; Ray izy, satria talohan’ny zavatra rehetra; Mpamolavola sy Mpanao, satria Izy no namorona sy nanao izao rehetra izao; ilay Avo Indrindra, noho ny fisiany ambonin’ny rehetra; ary Tsitoha, satria Izy Mihitsy no manapaka sy mampiasa ny zava-drehetra.”
Manaraka izany, amin’ny fifantohana amin’ireo zavatra voafaritra vitan’Andriamanitra, dia nanohy tamin’ny fomba fanoratany amim-pitandremana sy saika miverimberina mahazatra i Théophile, ka nilaza toy izao: “Satria asan[’Andriamanitra] ny lanitra, zavatra noforoniny ny tany, asa tanany ny ranomasina; noforoniny sy endriny ny olombelona; zavatra noforoniny ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, natao ho famantarana, sy fizaran-taona, sy andro, sy taona, mba hahafahan’izy ireny hanompo sy ho tonga mpanompon’ny olombelona; ary avy tamin’ny zavatra tsy nisy no nanaovan’Andriamanitra ny zava-drehetra, mba ho fantatra sy ho takatra amin’ny alalan’ny asany ny halehibiazany.”
Azo dinihina amin’ireto teny manaraka ho an’i Autolycus ireto ny santionany fanampiny amin’ny famelezan’i Théophile ireo andriamani-diso tamin’ny androny: “Ny anaran’ireo izay lazainao fa toloranao fanompoam-pivavahana, dia anaran’olona efa maty. (...) Ary karazan’olona nanao ahoana moa izy ireny? Moa ve i Satiorna tsy hita ho mpihinan’olona, nandringana sy nandrapaka ny zanany ihany? Ary raha manonona an’i Jopitera zanany lahy ianao, (...) itỳ fomba nampinonoan’ny osy iray azy iky. (...) Ary ny asany hafa, — ny firaisany tamin’ny olom-pady, sy ny fanitsakitsahany vady ary ny filan-dratsiny.”
Nanampy ny hevitra arosony i Théophile, ka nanamafy ny toerana tanany, izay manohitra ny fanompoan-tsampy. Izao no nosoratany: “Tokony mbola hotantaraiko amin’ny an-tsipiriany indray ve ny amin’ireo biby sesehena toloran’ny Egyptiana fanompoam-pivavahana, biby mandady, sy biby fiompy, sy biby dia, sy vorona, sy trondron-drenirano (...) Ny Grika sy ny firenena hafa, dia manolotra fanompoam-pivavahana amin’ny vato aman-kazo, sy amin’ny karazan-draha hafa azo tsapaina.” “Izaho anefa manolotra fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra, ilay Andriamanitra velona sady marina”, hoy i Théophile. — Ampitahao amin’ny 2 Samoela 22:47; Asan’ny Apostoly 14:15; Romana 1:22, 23.
Teny fanamarinana sarobidy
Ny fananarana sy fampirisihana mafy ao amin’ny asa soratra misy fizarana telo nataon’i Théophile nanoherana an’i Autolycus dia misy lafiny maro ary be tsipiriany. Nosoratana mba hanoherana an’i Hermogène sy i Marcion ireo asa soratra hafa nataon’i Théophile. Nanoratra boky fianarana sy fanazavana koa izy, nanampy fanazavana momba ny Filazantsara. Kanefa, tsy nisy afa-tsy ireo boky telo ho an’i Autolycus ihany no voatahiry tamin’ny sora-tanana tokana iray.
Ny boky voalohany dia fanamarinana nosoratana ho an’i Autolycus, ka tao izy dia niaro ny fivavahana kristiana. Ny boky faharoa ho an’i Autolycus dia manome fanaporofoan-kevitra manohitra ny fivavahan’ny mpanompo sampy tiam-bahoaka, ny fanombantombanana sy ireo filozofa ary ireo poety. Ampitahaina amin’ny Soratra Masina ny haisoratry ny mpanompo sampy ao amin’ny boky fahatelon’i Théophile.
Teo am-piantombohan’ny boky fahatelon’i Théophile, dia toa tsy niala tamin’ilay hevitra i Autolycus fa angano ny Tenin’ny fahamarinana. Manakiana an’i Autolycus i Théophile, ka milaza marimarina hoe: “Vonona erỳ ianao handefitra amin’ny adala. Raha tsy izany ianao tsy ho voatosik’ireo olona adala hotaomin’ny teny tsy misy heviny, sy hino ilay tsaho miely.”
Inona io “tsaho miely” io? Nasehon’i Théophile ny loharanony. Ireo olona mpanaratsy “mana-molotra tsy matahotra an’Andriamanitra dia miampanga amin’ny fomba diso anay, [izahay] izay manolotra fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra, ary antsoina hoe Kristiana, manambara tsy misy porofo akory fa hoe iombonanay ao amin’ny firaisana ny vadinay; ary fa hoe miray amin’ny anabavinay mihitsy aza izahay, ary, ny tena ratsy indrindra sy baribariàna amin’ny rehetra, fa hoe mihinana olona izahay”. Nikely aina fatratra i Théophile mba hanoherana io fomba fihevitry ny mpanompo sampy izay niharihary ho tsy araka ny marina io momba ireo nilaza tena ho Kristiana tamin’ny taonjato faharoa. Nampiasa ny fahazavan’ny fahamarinana tao amin’ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra izy. — Matio 5:11, 12.
Manaporofo ny fifankazaran’i Théophile tamin’ny Tenin’Andriamanitra ny fampiasany sy ny fakany teny matetika tao amin’ny soratra hebreo sy ny soratra grikan’ny Baiboly. Iray tamin’ireo mpivaofy teny tany am-boalohany indrindra ny amin’ny Filazantsara izy. Ireo fakan-teny maro tamin’ny Soratra Masina nataon’i Théophile dia manome fahatakarana hevi-dalina be dia be mahakasika ny fisainana nanapaka tamin’ny androny. Nampiasa ny fahalalany ireo asa soratra ara-tsindrimandry izy mba hanehoana ny fahamboniana faran’izay lehibe ananan’izy ireo, oharina amin’ny filozofian’ny mpanompo sampy.
Ny filaharan’ny fanazavana omen’i Théophile, ny fomba fitenenany mampita fianarana sy ny fomba fanoratany miverimberina dia mety tsy hanintona ny olona sasany. Tsy afaka milaza isika ankehitriny hoe hatraiza no nety ho nisy fiantraikany teo amin’ny maha-araka ny marina ny fomba fiheviny ny fivadiham-pinoana nambara mialoha. (2 Tesaloniana 2:3-12). Na dia izany aza, tamin’ny fotoana nahafatesany, tokony ho tamin’ny 182 am.f.i., dia niharihary ho mpiaro ny finoana tsy nitandro hasasarana i Théophile, izay ny asa sorany dia mahaliana an’ireo Kristiana marina amin’ny androntsika ankehitriny.
[Sary, pejy 30]
Noporofoin’i Théophile tamin-kasahiana fa diso ireo hevitra naroson’i Autolycus
[Sary nahazoan-dalana, pejy 28]
Ireo sary eo amin’ny pejy faha-28 sy faha-30 dia nalaina avy tamin’ny Illustrite Pracht - Bibel/Heilige Schrift des Alten und Neuen Testaments, nach der deutschen Uebersetzung D. Martin Luther’s