FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w96 1/4 p. 6-8
  • Ankalazao Amin’ny Fomba Mendrika ny Fahatsiarovana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ankalazao Amin’ny Fomba Mendrika ny Fahatsiarovana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Amin’ny fomba mendrika — Ahoana?
  • Ilaina ny fahaiza-mamantatra
  • Nahoana Isika no Mankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Midika ho Inona ho Anao ny Sakafo Harivan’ny Tompo?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Ny Antony Mahatonga ny Sakafo Harivan’ny Tompo Hisy Heviny ho Anao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Ahoana no Hankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
w96 1/4 p. 6-8

Ankalazao Amin’ny Fomba Mendrika ny Fahatsiarovana

TAMIN’NY takarivan’ny 14 Nisana 33 am.f.i. no nanorenan’i Jesosy ny Fahatsiarovana.a Vao avy nitandrina ny fankalazana ny Paska niaraka tamin’ireo apostoliny 12 izy, koa afaka mahazo antoka ny amin’ilay daty isika. Rehefa avy nampandeha an’i Jodasy mpamadika i Jesosy, dia “nandray mofo; ka nony efa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy ary nataony hoe: Raiso, ity no tenako. Dia nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy; ka dia nisotroan’izy rehetra izany. Ary hoy Izy taminy: Ity no rako amin’ny fanekena, izay alatsaka hamonjy ny maro”. — Marka 14:22-24.

Nandidy ireo mpianany mba hahatsiaro ny nahafatesany i Jesosy noho ny maha-zava-dehibe azy io. (Lioka 22:19; 1 Korintiana 11:23-26). Izy no hany sorona afaka nanavotra ny taranak’olombelona tamin’ny ozona noho ny ota sy ny fahafatesana nolovana. (Romana 5:12; 6:23). Ilay mofo sy divay nampiasainy dia famantarana nampiseho ny vatany lavorary sy ny rany. Noho ny fahafantarana ilay daty tany am-boalohany, dia afaka mankalaza ilay fisehoan-javatra isika amin’ilay andro mifanitsy amin’izany isan-taona, toy ny natao tamin’ny Paska jiosy. Tsy maintsy manao izany amin’ny fomba mendrika anefa isika. Nahoana?

Nilaza ny apostoly Paoly fa ireo izay mandray anjara amin’ireo marika mofo sy divay, dia “[tsy mitsahatra, NW ] manambara ny fahafatesan’ny Tompo (...) mandra-pihaviny”. (1 Korintiana 11:26, izahay no manao sora-mandry.) Araka izany, dia ny fahafatesan’i Jesosy sy ny dikan’izany ho an’ny taranak’olombelona no ifantohan’ilay fankalazana. Ho feno fahamaotinana ilay fisehoan-javatra, ho fotoam-pisaintsainana ny amin’ny hatsaram-pon’Andriamanitra sy ny fankasitrahana tokony hasehontsika amin’i Jehovah sy ny Zanany. (Romana 5:8; Titosy 2:14; 1 Jaona 4:9, 10). Noho izany, dia nampitandrina toy izao i Paoly: “Koa na zovy na zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin’ny kapoaky ny Tompo amin’ny fanahy tsy mendrika, dia ho meloka ny amin’ny tena sy ny ran’ny Tompo izy.” — 1 Korintiana 11:27.

Amin’ny fomba mendrika — Ahoana?

Miharihary fa tsy hahafaly an’Andriamanitra raha manazimbazimba ilay fisehoan-javatra isika amin’ny fandraisana anjara amin’ireo fanao mampiahiahy na amin’ny fandraisana ireo fomban’ny mpanompo sampy. (Jakoba 1:27; 4:3, 4). Izany dia hanilika ireo fisehoan-javatra tiam-bahoaka amin’ny fotoan’ny Paka. Ho fanarahana ny toromarik’i Jesosy mba ‘tsy hitsahatra hanao izao ho fahatsiarovana azy’, dia maniry hitandrina ny Fahatsiarovana toy ilay naoriny isika. (Lioka 22:19, NW; 1 Korintiana 11:24, 25). Izany dia hanilika ireo haingokaingony nanampian’ireo fiangonana ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana an’ilay fankalazana. Miaiky ny New Catholic Encyclopedia fa “ny Lamesa amin’izao andro izao dia tsy mitovy be dia be amin’ilay fombafomba tena tsotra narahin’i Kristy sy ny Apostoliny”. Ary tamin’ny fitandremana matetika, isan’andro mihitsy aza, ny Lamesa na ny Fandraisana, ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia nivaona tamin’izay nokasain’i Jesosy, ary nanao azy io ho fisehoan-javatra mahazatra.

Nanoratra tamin’ireo Kristiana tany Korinto ny amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanahy tsy mendrika i Paoly satria nisy zava-nanahirana iray nipoitra tao amin’ilay kongregasiona nahakasika ny Fanasan’ny Tompo. Tsy nanaja ny fahamasinan’izy io ny sasany. Nitondra ny sakafony hariva niaraka taminy izy ireo ka nihinana izany taloha na nandritra ilay fivoriana. Matetika izy ireo dia nihinana sy nisotro tafahoatra. Izany dia nahatonga azy ireo ho rendremana sy ho domelina. Noho izy ireo tsy mailo ara-tsaina sy ara-panahy, dia tsy afaka ‘namantatra ny tena’ izy ireo ka noho izany dia “meloka ny amin’ny tena sy ny ran’ny Tompo”. Tamin’izay fotoana izay koa, ireo izay tsy nanana sakafo hariva dia noana ka nanjary niriorio saina koa. Saiky tsy nisy tamin’izy ireo mihitsy vonona tsara mba handray anjara amin’ireo marika tamim-pankasitrahana sy tamim-pahatakarana tanteraka ny naha-zava-dehibe an’ilay fisehoan-javatra — dia ny hoe, ho fahatsiarovana ny nahafatesan’ny Tompo ilay fankalazana. Nahatonga fanamelohana azy ireo izany, noho izy ireo naneho tsy fanajana, fanamavoana mihitsy aza, azy io. — 1 Korintiana 11:27-34.

Ilaina ny fahaiza-mamantatra

Nisy sasany efa nandray anjara tamin’ireo marika amin’ny Fahatsiarovana, na dia takany aza tatỳ aoriana fa tsy tokony ho nanao izany izy. Ireo izay manana zo ara-dalàna handray anjara amin’ireo marika amin’ny Fahatsiarovana dia nofidin’Andriamanitra ary nahazo fanambarana avy tamin’ny fanahin’Andriamanitra ny amin’izany. (Romana 8:15-17; 2 Korintiana 1:21, 22). Tsy ny fanapahan-kevitra na ny fahatapahan-kevitr’izy ireo manokana no mahatonga azy ireo ho mendrika. Noferan’Andriamanitra ho 144 000 ny isan’ireo izay hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra, dia isa somary kely ihany raha ampitahaina amin’ireo rehetra mandray soa avy amin’ny avotr’i Kristy. (Apokalypsy 14:1, 3). Nanomboka tamin’ny andron’i Jesosy ilay fifantenana, koa noho izany dia vitsy ihany sisa no mpandray anjara amin’izao andro izao. Ary arakaraka ny hindaosan’ny fahafatesana ny sasany amin’izy ireo, dia tokony hihena izany isa izany.

Nahoana no mety handray anjara amin’ny fomba diso amin’ireo marika ny tena? Izany dia mety ho avy amin’ireo fomba fiheverana ara-pivavahana teo aloha — dia ny hoe hankany an-danitra avokoa ireo mahatoky rehetra. Na mety ho noho ny fanirian-daza na fitiavan-tena izany — dia fiheveran-tena ho mendrika kokoa noho ny hafa — ary noho ny faniriana hisongadina. Angamba izany vokatry ny fihetseham-po mahery nentin’ny zava-manahirana lehibe na loza mahatsiravina iray izay nahatonga ny tena hamoy ny fahalianana amin’ny fiainana an-tany. Izany koa dia mety ho noho ny fisakaizana akaiky amin’olona iray izay nahazo fiantsoana ho any an-danitra. Isika rehetra dia mila mitadidy fa an’Andriamanitra irery ihany ny fanapahan-kevitra, fa tsy antsika. (Romana 9:16). Koa raha toa ny olona iray “avy nandinika” ka mahita fa tena tsy tokony ho nandray anjara tamin’ireo marika ny tenany, dia tokony tsy hanao izany izy izao. — 1 Korintiana 11:28, NW.

Ny fanantenana atolotr’Andriamanitra ny ankamaroan’ny olombelona, dia fiainana mandrakizay eo amin’ny tany zary paradisa. Fitahiana lehibe andrandraina izany, dia fanantenana izay mahasintona antsika mora foana. (Genesisy 1:28; Salamo 37:9, 11). Eto an-tany no hampiraisana ireo olona mahatoky amin’ireo olon-tiany ho tafatsangana amin’ny maty sy hihaonan’izy ireo amin’olo-marina fahiny toa an-dry Abrahama, Saraha, Mosesy, Rahaba, Davida ary Jaona Mpanao Batisa — dia ireo rehetra izay maty talohan’ny nanokafan’i Jesosy ny lalana ho amin’ny fiainana any an-danitra. — Matio 11:11; ampitahao amin’ny 1 Korintiana 15:20-23.

Ireo manana fanantenana ho eto an-tany dia mankalaza ny Fanasan’ny Tompo amin’ny fomba mendrika, amin’ny fanatrehany sy amin’ny fihainoany amim-panajana, na dia tsy mandray anjara amin’ny mofo sy ny divay aza izy ireo. Izy ireo koa dia mandray soa avy amin’ny soron’i Kristy, izay mahatonga azy ireo hanana toeram-pankasitrahana eo anatrehan’Andriamanitra. (Apokalypsy 7:14, 15). Rehefa mihaino ilay lahateny atao izy ireo, dia hatanjahina ny fankasitrahany ireo zavatra masina, ary mitombo ny faniriany hitoetra ho tafaray amin’ny vahoakan’Andriamanitra na aiza na aiza.

Amin’itỳ taona itỳ, aorian’ny filentehan’ny masoandro ny talata 2 Aprily, dia hankalazaina ny Fahatsiarovana any amin’ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 78 000 maneran-tany. Hanatrika izany ve ianao?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Nanomboka ny takariva ny andro jiosy. Araka ny kalandrie ampiasaintsika, io 14 Nisana io dia nanomboka tamin’ny takarivan’ny alarobia 31 Martsa ka hatramin’ny filentehan’ny masoandro tamin’ny takarivan’ny alakamisy 1 Aprily. Ny Fahatsiarovana dia naorina tamin’ny alarobia takariva, ary nitranga ny fahafatesan’i Jesosy ny alakamisy tolakandro, tamin’iny andro jiosy iny ihany. Natsangana tamin’ny maty izy ny andro fahatelo, vao maraina be tamin’ny alahady maraina.

[Sary, pejy 8]

Mankalaza ny Fahatsiarovana indray mandeha isan-taona ny Vavolombelon’i Jehovah

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara