Ny taranaky ny Menarana — Hatraiza Izy io no Nalana Sarona?
“Hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany”. — GENESISY 3:15.
1. a) Nahoana i Jehovah no Andriamanitra sambatra? b) Inona no nataony mba hahatonga antsika ho afaka hiombom-pifaliana aminy?
I JEHOVAH no ilay Andriamanitra sambatra, ary misy antony marim-pototra ny amin’izany. Izy no ilay Mpanome lehibe indrindra sy voalohany indrindra an’ireo zava-tsoa, ary tsy misy na inona na inona afaka manakana ny fahatanterahan’ny fikasany. (Isaia 55:10, 11; 1 Timoty 1:11, NW; Jakoba 1:17). Iriny hiombom-pifaliana aminy ireo mpanompony, ary omeny azy ireo ny antony marim-pototra hanaovana izany. Araka izany, tao anatin’ireo fotoana maizina indrindra tamin’ny tantaran’olombelona — ny fikomiana tao Edena — dia nomeny ny fototra mba hahafahantsika hijery ny hoavy amim-panantenana. — Romana 8:19-21.
2. Rehefa nanonona didim-pitsarana tamin’ireo mpikomy tao Edena i Jehovah, ahoana no nanomezany fototra iorenan’ny fanantenana ho an’ny taranak’i Adama sy i Eva?
2 Vao avy nanao ny tenany ho Satana Devoly ny fanahy iray zanak’i Jehovah tamin’ny fanoherana sy tamin’ny fanendrikendrehana an’Andriamanitra. Lavo teo ambanin’ny fitaomany ka nandika ny lalàn’i Jehovah voalaza mazava tsara ireo olombelona voalohany, i Eva ary avy eo i Adama. Voaheloka ara-drariny ho faty izy ireo. (Genesisy 3:1-24). Kanefa, rehefa nanonona ny didim-pitsarana tamin’ireo mpikomy ireo i Jehovah dia nanome fototra iorenan’ny fanantenana ho an’ireo taranak’i Adama sy i Eva. Tamin’ny fomba ahoana? Araka ny voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Genesisy 3:15, dia hoy i Jehovah: “Hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy [hahatoro, NW ] ny lohanao, ary hianao kosa [hahatoro, NW ] ny ombelahin-tongony.” Io faminaniana io no fanalahidin’ny fahatakarana ny hevitry ny Baiboly iray manontolo ary koa ireo zava-nitranga tamin’ny lasa sy ankehitriny izay mahatafiditra an’izao tontolo izao sy ireo mpanompon’i Jehovah.
Ny dikan’ilay faminaniana
3. Araka ny asiana fitenenana ao amin’ny Genesisy 3:15, dia ampahafantaro hoe iza a) ny Menarana, b) “ny vehivavy”, d) ilay ‘taranaky’ ny Menarana, e) ny ‘taranaky’ ny vehivavy.
3 Mba hahatakarana ny heviny, dia diniho ireo foto-javatra samihafa amin’io faminaniana io ihany. Ilay iresahana ao amin’ny Genesisy 3:15 dia ny Menarana — tsy ilay bibilava ambany karazana akory, fa ilay nampiasa azy io. (Apokalypsy 12:9). Tsy i Eva akory “ny vehivavy”, fa ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra, ny renin’ireo mpanompony voahosotry ny fanahy eto an-tany. (Galatiana 4:26). Ny ‘taranaky’ ny Menarana dia taranak’i Satana, ny zanany — ireo demonia sy ireo olombelona ary koa fandaminan’olombelona izay mampiseho ny lafin-toetran’i Satana sady mandrafy ny ‘taranaky’ ny vehivavy. (Jaona 15:19; 17:15). Ny ‘taranaky’ ny vehivavy voalohany indrindra dia i Jesosy Kristy, izay voahosotra tamin’ny fanahy masina tamin’ny 29 am.f.i. Tapany manarakaraka amin’io taranaka nampanantenaina io ireo 144 000 izay ‘nateraka indray tamin’ny rano sy ny fanahy’ sady mpiara-mandova ny fanjakana any an-danitra amin’i Kristy. Izy ireo dia nanomboka nanampy ho anisan’ny taranaky ny vehivavy, nanomboka tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i. — Jaona 3:3, 5; Galatiana 3:16, 29.
4. Amin’ny ahoana ny Genesisy 3:15 no mifandray amin’ny fahatongavan’ny tany ho paradisa feno olona afaka amin’ny fahotana sy ny fahafatesana?
4 Ilay menarana ara-bakiteny tany Edena dia toy ny fitaovana fitenenana nampiasain’ilay nanao ilay fitaka izay nitarika ny famoizan’ny olona ny Paradisa. Manondro mialoha ny fotoana hahatorotoro an’ilay nampiasa io menarana io araka izay tiany, ny Genesisy 3:15. Avy eo, dia hosokafana indray ny lalana ho an’ny olombelona mpanompon’Andriamanitra mba hipetrahany ao amin’ny Paradisa, afaka amin’ny ota sy ny fahafatesana. Fotoana hahafaly toy inona moa izany! — Apokalypsy 20:1-3; 21:1-5.
5. Lafin-toetra inona avy no mampiavaka ny taranaka ara-panahin’ny Devoly?
5 Taorian’ny fikomiana tany Edena, dia nisy olona sy fikambanana nanomboka niseho, izay nampiseho lafin-toetra sahala amin’ny an’i Satana Devoly — fikomiana, lainga, fanendrikendrehana, sy famonoana olona, arahin’ny fanoherana ny sitrapon’i Jehovah sy ireo izay manolotra fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah. Ireo lafin-toetra ireo dia mampahafantatra ny taranaka, ny zanaka ara-panahin’ny Devoly. Anisan’ireny i Kaina izay namono nahafaty an’i Abela rehefa nankasitrahan’i Jehovah kokoa ny fanompoam-pivavahan’i Abela noho ny an’i Kaina. (1 Jaona 3:10-12). I Nimroda dia olona iray izay ny anarany mihitsy aza dia nampahafantatra azy ho mpikomy ary tonga mpihaza mahery sy mpanapaka nanohitra an’i Jehovah. (Genesisy 10:9, NW ). Ho fanampin’izany, dia nisy fifandimbasana fanjakana fahiny, anisan’izany i Babylona, niaraka tamin’ireo fivavahany notohanam-panjakana niorina tamin’ny lainga, ary ireny dia nampahory tamin-kabibiana ireo mpivavaka tamin’i Jehovah. — Jeremia 50:29.
“Hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy”
6. Tamin’ny fomba ahoana avy no nandrafian’i Satana an’ilay vehivavy vadin’i Jehovah?
6 Nandritra izany fotoana rehetra izany, dia nisy fifandrafiana teo amin’ny Menarana sy ilay vehivavy vadin’i Jehovah, dia teo amin’i Satana Devoly sy ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra voaforon’ny zavaboariny ara-panahy tsy mivadika. Niseho ny fandrafian’i Satana raha nihaika an’i Jehovah izy ka nitady hanakorontana ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra, tamin’ny fitaomana ireo anjely mba handao ny toerana tokony hisy azy. (Ohabolana 27:11; Joda 6). Niharihary izany rehefa nampiasa ireo demoniany i Satana mba hanandramana hisakana ireo anjely mpitondra hafatra nirahin’i Jehovah haingana. (Daniela 10:13, 14, 20, 21). Niharihary tamin’ny fomba niavaka izany tamin’izao taonjato faha-20 izao rehefa nitady hanapotika ilay Fanjakana Mesianika teo am-pahaterahany, i Satana. — Apokalypsy 12:1-4.
7. Nahoana ireo anjelin’i Jehovah mahatoky no mahatsapa fandrafiana an’ilay Menarana ara-panoharana, kanefa nahatana tena tsy haninona izy ireo?
7 Teo koa ny fandrafiana avy amin’ilay vehivavy vadin’i Jehovah, dia ny fitambaran’ireo anjely mahatoky, an’ilay Menarana ara-panoharana. Nendrikendrehin’i Satana ny laza tsaran’Andriamanitra; nataony koa izay hahatonga fisalasalana ny amin’ny tsy fivadihan’ny tsirairay amin’ireo zavaboarin’Andriamanitra manan-tsaina, anisan’izany ireo anjely rehetra, ary nandramany tamim-paharisihana nosimbana ny tsy fivadihan’izy ireo tamin’Andriamanitra. (Apokalypsy 12:4a). Azo antoka tanteraka fa nahatsapa rikoriko tamin’ilay nanao ny tenany ho Satana Devoly, ireo anjely sy kerobima ary serafima nahatoky. Na dia izany aza, dia niandry an’i Jehovah mba hikarakara ny raharaha amin’ny fotoany manokana sy ny fombany manokana, izy ireo. — Ampitahao amin’ny Joda 9.
Fankahalana an’ilay taranaky ny vehivavy vadin’Andriamanitra
8. Nanao andry maso an’iza i Satana?
8 Teo anelanelan’izay i Satana dia nanao andry maso tamim-pitandremana an’ilay Taranaky ny vehivavy nambara mialoha, dia ilay nolazain’i Jehovah fa hahatoro ny lohan’ilay Menarana. Rehefa nambaran’ilay anjely avy tany an-danitra fa i Jesosy izay teraka tany Betlehema no ilay ‘Mpamonjy, dia Kristy Tompo’, izany dia fanamafisana mahery fa izy io no ho tonga ilay Taranaky ny vehivavy nambara mialoha. — Lioka 2:10, 11.
9. Taorian’ny nahaterahan’i Jesosy, ahoana no nampisehoan’i Satana fandrafiana feno fahasiahana?
9 Tsy ela dia niseho ny fandrafian’i Satana feno fahasiahana rehefa nofitahiny ireo mpanandro mpanompo sampy mba hamita iraka izay nitondra azy ireo tany amin’i Heroda Mpanjaka tany Jerosalema aloha, ary avy eo dia tany amin’ilay trano tany Betlehema nahitan’izy ireo an’i Jesosy, zazalahy kely sy i Maria reniny. Fotoana fohy taorian’izay, dia nandidy ny hamonoana ireo zazalahikely rehetra roa taona no ho midina tany Betlehema sy ny manodidina, i Heroda Mpanjaka. Tamin’izany no nanehoan’i Heroda fankahalana araka an’i Satana tamin’ilay Taranaka. niharihary fa fantatr’i Heroda tsara hoe nanandrana namono ilay tokony ho tonga Mesia, ny tenany. (Matio 2:1-6, 16). Hamarinin’ny tantara fa maty eritreritra sy fetsy ratsy ary mpamono olona, i Heroda Mpanjaka — tena iray amin’ny taranaky ny Menarana tokoa.
10. a) Taorian’ny batisan’i Jesosy, ahoana no nanandraman’i Satana manokana hanakanana ny fikasan’i Jehovah momba ilay Taranaka nampanantenaina? b) Ahoana no nampiasan’i Satana ireo mpitondra fivavahana jiosy mba hanatratrarana ny zava-kendreny?
10 Rehefa voahosotra tamin’ny fanahy masina i Jesosy tamin’ny 29 am.f.i. ka niteny avy tany an-danitra i Jehovah, nanaiky azy ho ny Zanany, dia nanandrana imbetsaka nanao izay hahalavo azy tamin’ny fakam-panahy i Satana, ka tamin’izany dia nitady hisakana ny fikasan’i Jehovah momba ny Zanany. (Matio 4:1-10). Noho izy tsy nahomby tamin’izany, dia nampiasa masoivoho olombelona indray izy mba hanatanterahana ny zava-kendreny. Anisan’ireo nampiasainy mba hanandramana hanala baraka an’i Jesosy, ireo mpitondra fivavahana nihatsaravelatsihy. Nampiasa lainga sy fanendrikendrehana izy ireo, dia ny karazana hafetsena nampiasain’i Satana mihitsy. Rehefa nilaza tamin’ny lehilahy nalemy iray i Jesosy hoe: “Matokia (...) voavela ny helokao”, dia tsy niandry akory ireo mpanora-dalàna mba hahitana raha sitrana tokoa ilay lehilahy na tsia, fa dia nitsara an’i Jesosy ho mpanao blasfemia. (Matio 9:2-7). Rehefa nanasitrana olona tamin’ny Sabata i Jesosy, dia niampanga azy ho mpandika ny lalàna momba ny Sabata ny Fariseo ka niara-nisaina mba hahafaty azy. (Matio 12:9-14; Jaona 5:1-18). Rehefa namoaka demonia i Jesosy, dia niampanga azy ho niara-niasa tamin’i “Belzeboba lohan’ny demonia”, ny Fariseo. (Matio 12:22-24). Taorian’ny nitsanganan’i Lazarosy tamin’ny maty, dia olona maro no nino an’i Jesosy, kanefa ireo lohan’ny mpisorona sy ny Fariseo dia nihendry ny hahafaty azy indray. — Jaona 11:47-53.
11. Telo andro talohan’ny nahafatesan’i Jesosy, dia iza no nampahafantariny ho anisan’ny taranaky ny Menarana, ary nahoana?
11 Tamin’ny 11 Nisana 33 am.f.i., na dia fantatr’i Jesosy tsara aza izay notetehin’izy ireo, dia nivantana tsy nisy tahotra nankao amin’ny faritry ny tempoly tany Jerosalema izy, ary tao dia nanonona fanamelohana azy ireo. Tamin’ny naha-antokon’olona azy, ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo dia nampiseho matetika hoe karazana olona nanao ahoana izy ireo; koa hoy i Jesosy: “Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa arindrinareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra; fa hianareo tsy miditra, ary izay miditra dia tsy avelanareo hiditra.” Nambaran’i Jesosy tamin’ny fomba mifanentana tsara fa anisan’ny taranaky ny Menarana izy ireo, tamin’ny filazana hoe: “Ry bibilava, taranaky ny menarana, hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin’ny helo?” (Matio 23:13, 33). Ny teniny dia mampahatsiaro ilay faminaniana ao amin’ny Genesisy 3:15.
12, 13. a) Ahoana no nanomezan’ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna porofo fanampiny ny amin’ny hoe iza no rain’izy ireo ara-panahy? b) Iza no nanatevin-daharana azy ireo? d) Ho fahatanterahan’ny Genesisy 3:15 àry, dia ahoana no nahatoro ny ombelahin-tongotry ny Taranaky ny vehivavy?
12 Rehefa nandre ny tenin’i Jesosy izy ireo, moa ve nanenina ka nitalaho famindram-po tamin’Andriamanitra izy ireo? Nibebaka tamin’ny faharatsiany ve izy ireo? Tsia! Nanao tatitra ny Marka 14:1 fa ny ampitson’iny indrindra, tamin’ny fivoriana iray teo amin’ny kianjan’ny mpisoronabe, dia “nitady hisambotra an’i Jesosy tamin’ny fitaka ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna mba hamonoany Azy”. Izy ireo dia nanohy nampiseho ilay toe-tsaina tia mamono olona ananan’i Satana izay nolazalazain’i Jesosy tany aloha ho mpamono olona. (Jaona 8:44). Tsy ela dia nanatevin-daharana azy ireo i Jodasy Isikariota izay notaomin’i Satana mba ho tonga mpivadi-pinoana. Nandao ilay Taranaky ny vehivavy vadin’Andriamanitra izay tsy nanan-tsiny i Jodasy ary nanatevin-daharana ny taranaky ny Menarana.
13 Vao maraina be ny 14 Nisana, ireo anisan’ny fitsarana ara-pivavahana jiosy dia nitondra an’i Jesosy toy ny mpigadra tany amin’ny governora romana. Teto dia ny lohan’ny mpisorona no nitari-dalana tamin’ny fiantsoantsoana ny hanomboana azy. Rehefa nanontany i Pilato hoe: “Hohomboako amin’ny hazofijaliana va ny Mpanjakanareo?”, dia ny lohan’ny mpisorona no namaly hoe: “Tsy manana mpanjaka afa-tsy i Kaisara izahay.” (Jaona 19:6, 15). Tsy azo lavina fa noporofoin’izy ireo tamin’ny fomba rehetra hoe anisan’ny taranaky ny Menarana izy ireo. Azo antoka anefa fa tsy irery izy ireo. Ilay firaketana an-tsoratra ara-tsindrimandry ao amin’ny Matio 27:24, 25 dia manao izao tatitra izao: “Naka rano izy [i Pilato] ka nanasa tànana teo anatrehan’ny vahoaka”. Tamin’izay ny olona rehetra dia niteny hoe: “Aoka ny rany ho aminay mbamin’ny zanakay.” Araka izany, dia Jiosy maro tamin’io taranaka io no nampahafantatra ny tenany ho anisan’ilay taranaky ny Menarana. Talohan’ny nifaranan’io andro io, dia maty i Jesosy. Tamin’ny fampiasana ny taranany hita maso, dia nahatoro ny ombelahin-tongotr’ilay Taranaky ny vehivavy vadin’Andriamanitra, i Satana.
14. Nahoana ny fahatoroan’ny ombelahin-tongotry ny Taranaky ny vehivavy no tsy nidika ho fandresen’i Satana?
14 Nandresy ve i Satana? Sanatria! Efa naharesy izao tontolo izao sady nandresy ilay andrianany, i Jesosy Kristy. (Jaona 14:30, 31; 16:33). Nitana ny tsy fivadihany tamin’i Jehovah hatramin’ny fahafatesana izy. Ny fahafatesany tamin’ny naha-olombelona lavorary dia nanome ilay vidin’ny avotra nilaina mba hanavotana ilay zo hiaina izay nafoin’i Adama. Koa nosokafany àry ny lalana ho amin’ny fiainana mandrakizay ho an’izay haneho finoana an’io fandaharana io ka hankato ny didin’Andriamanitra. (Matio 20:28; Jaona 3:16). Nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty ho amin’ny fiainana tsy ahitam-pahafatesana any an-danitra, i Jehovah. Amin’ny fotoana mety amin’i Jehovah, dia hanorotoro an’i Satana tsy hisy intsony, i Jesosy. Voalazan’ny faminaniana, ao amin’ny Genesisy 22:16-18, fa i Jehovah dia hanome tombontsoa manokana ny fianakaviana rehetra eto an-tany izay manao izay ilaina mba handraisana fitahiana avy amin’io Taranaka tsy mivadika io.
15. a) Taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, ahoana no nanohizan’ireo apostoliny nanala sarona ny taranaky ny Menarana? b) Fankahalana fanampiny inona no nasehon’ny taranaky ny Menarana hatramin’izao androntsika izao?
15 Taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, dia nanohy nanala sarona ny taranaky ny Menarana toy ny nataon’ny Tompony, ireo Kristiana voahosotry ny fanahy. Natosiky ny fanahy masina ny apostoly Paoly ka nampitandrina ny amin’ilay “lehilahin’ota” izay ho “araka ny fiasan’i Satana” ny fiaviny. (2 Tesaloniana 2:3-10). Io ‘lehilahy’ izay fitambaran’olona io dia voaporofo fa ny klerjin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Ny taranaky ny Menarana kosa, dia nanenjika tamim-pahasiahana ireo mpanara-dia an’i Jesosy Kristy, ho setrin’izany. Ao amin’ilay faminaniana voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Apokalypsy 12:17, dia nambaran’ny apostoly Jaona mialoha fa hanohy hiady amin’ny sisa amin’ny taranaky ny vehivavy vadin’Andriamanitra hatramin’izao androntsika izao i Satana. Izany indrindra no nitranga. Tany amin’ny tany maro ny Vavolombelon’i Jehovah dia norarana, norotahan’ny vahoaka, natao an-tranomaizina, nalefa tany amin’ny toby fitanana noho ny fombàn’izy ireo mafy ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny lalany marina.
Fanalana sarona ny taranaky ny Menarana amin’ny andro maoderina
16. Amin’ny andro maoderina, iza no voala sarona ho anisan’ny taranaky ny Menarana, ary tamin’ny fomba ahoana?
16 Ho fanahafana an’i Jesosy Kristy, ny Kristiana marina dia tsy nampihena ny fanalany sarona tsy amin-tahotra ny taranaky ny Menarana. Tamin’ny 1917, ny Mpianatra ny Baiboly, araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany, dia namoaka ilay boky hoe Le mystère accompli, izay nisy fampihanjahanjan’izy ireo ny fihatsarambelatsihin’ny klerjin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Izy io dia narahin’ny fehin-kevitra vita pirinty iray nitondra ny lohateny hoe Ampangaina Ireo Anisan’ny Klerjy, tamin’ny 1924. Dimampolo tapitrisa no nozaraina naneran-tany. Tamin’ny 1937, i J. F. Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izany, dia nanala sarona tamin-kery ny taranak’i Satana tao amin’ny lahateny nitondra ny lohateny hoe “Voala Sarona” sy hoe “Fivavahana sy Kristianisma”. Ny taona nanaraka, raha nihaino azy ny mpanatrika tao amin’ny fivoriambe 50 tany amin’ny tany samihafa, dia nanao ilay lahateny hoe “Atreho ny Zava-misy”, tamin’ny alalan’ny radio-telefaonina avy tany Londres, Angletera, izy. Iray volana tatỳ aoriana, dia nampita ilay lahateny hoe “Fasisma sa Fahafahana” ny fampifandraisana tamin’ny radio niitatra iray tany Etazonia. Ireo dia nampiana ny fanalana sarona tamin-kery tao amin’ny boky toy ny hoe Enemies sy Religion ary koa tao amin’ilay bokikely hoe Dévoilées. Mifanaraka amin’izay efa navoaka hatramin’ireo taona 1920, ilay boky hoe Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza!,a vita pirinty amin’ny fiteny 65 izao, dia mampahafantatra ireo mpanapaka ara-politika mandray kolikoly sy ireo mpanao varo-maizina mpierina sy maty eritreritra ho anisan’ireo mpikambana loha laharana amin’ny taranaka hita mason’ny Menarana. Rehefa ataon’ireo mpitarika ara-politika ho fanao ny mampiasa lainga mba hamitahana ireo olom-peheziny, sy mba tsy hiraharahana ny fahamasinan’ny ra, ary mba hampahoriana ireo mpanompon’i Jehovah (ka mampiseho amin’izany ny fankahalany an’ilay taranaky ny vehivavy vadin’Andriamanitra), dia azo antoka fa mampahafantatra ny tenany ho anisan’ny taranaky ny Menarana izy ireo. Marina koa izany ny amin’ireo mpanao varo-maizina izay tsy enjehin’ny eritreriny akory fa mandainga mba hahazoam-bola sady manamboatra na mivarotra entana izay fantatra fa mahatonga aretina.
17. Fahafahana hanao inona no mbola misokatra ho an’ny olona ambony tsirairay izay mety hiala avy amin’ny fandehan-javatr’izao tontolo izao?
17 Tsy ny isam-batan’olona rehetra izay voaloton’ny fivavahana, na politika, na varotra eo amin’izao tontolo izao akory no hoheverina ho anisan’ny taranaky ny Menarana, amin’ny farany. Ny sasany amin’ireny lehilahy sy vehivavy ireny dia manjary midera ny Vavolombelon’i Jehovah. Mampiasa ny fahefany mba hanampiana ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, ary rehefa mandeha ny fotoana, dia manaiky ny fanompoam-pivavahana marina. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 13:7, 12; 17:32-34.) Ho an’ny olona rehetra toy izany, dia nalefa izao antso izao: “Hendre hianareo, ry mpanjaka; minoa anatra hianareo, ry mpitsaran’ny tany. Manompoa an’i Jehovah amin’ny fahatahorana, ary mifalia amin’ny fangovitana. Manoroha ny Zanaka fandrao ho tezitra Izy, ka ho very eny an-dalàna hianareo; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy.” (Salamo 2:10-12). Tsy azo lavina fa tena zava-dehibe ho an’ny olona rehetra maniry hahazo sitraka amin’i Jehovah ny manao zavatra dieny izao, alohan’ny hanakatonan’ilay Mpitsara any an-danitra ny varavaran’ny fahafahana hanao zavatra.
18. Iza moa ireo mpivavaka amin’i Jehovah na dia tsy anisan’ny taranaky ny vehivavy aza?
18 Ireo izay hahaforona ny Fanjakana any an-danitra ihany no ho anisan’ny taranaky ny vehivavy. Vitsy an’isa izy ireo. (Apokalypsy 7:4, 9). Kanefa dia misy olona betsaka hafa, eny, an-tapitrisany maro, manantena fiainana mandrakizay eo amin’ny tany zary paradisa, amin’ny maha-mpivavaka amin’i Jehovah azy ireo. Amin’ny teny sy amin’ny atao, izy ireo dia milaza amin’ireo voahosotr’i Jehovah hoe: “Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.” — Zakaria 8:23.
19. a) Safidy inona no tsy maintsy ataon’ny olona rehetra? b) Amin’iza indrindra indrindra moa no anaovana antso lehibe mba hanao zavatra amim-pahendrena dieny mbola misy fahafahana hanao zavatra?
19 Izao no fotoana tsy maintsy anaovan’ny taranak’olombelona iray manontolo safidy. Maniry hanolotra fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah ve izy ireo ka hanohana ny fiandrianany, sa izy ireo hamela an’i Satana ho mpanapaka azy ireo amin’ny fanaovana ireo zavatra izay mampifaly azy? Olona dimy tapitrisa eo ho eo avy amin’ny firenena rehetra no efa miandany amin’i Jehovah miaraka amin’ny sisa amin’ilay taranaky ny vehivavy, dia ireo mpandova ilay Fanjakana. Olona valo tapitrisa hafa no maneho fahalianana amin’ny fianarana ny Baiboly miaraka amin’izy ireo, na amin’ny fanatrehana ireo fivoriany. Hoy ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ireny rehetra ireny: Mbola mivoha ny varavaran’ny fahafahana hanao zavatra. Miandania mazava tsara amin’i Jehovah. Ekeo ho ilay Taranaka nampanantenaina i Kristy Jesosy. Miaraha amim-pifaliana amin’ny fandaminan’i Jehovah hita maso. Enga anie ianao hahazo anjara amin’ny fitahiana rehetra izay homeny amin’ny alalan’ilay fanapahan’i Kristy Jesosy, Mpanjaka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
Tadidinao Ve?
◻ Iza moa ny Menarana, araka ny asiana fitenenana ao amin’ny Genesisy 3:15? Ary iza ilay vehivavy?
◻ Toetra inona avy no mampiavaka ny taranaky ny Menarana?
◻ Ahoana no nanalan’i Jesosy sarona ny taranaky ny Menarana?
◻ Iza no voala sarona ho anisan’ny taranaky ny Menarana amin’ny andro maoderina?
◻ Fanaovan-javatra mahadodona inona no takina mba hanalavirana ny hoheverina ho anisan’ny taranaky ny Menarana?
[Sary, pejy 10]
Nanala sarona an’ireo mpitondra fivavahana mpihatsaravelatsihy ho anisan’ny taranaky ny Menarana, i Jesosy