Tsy Mety Maty ve ny Fanahy?
NITANJOZOTRA mangina ho eo amin’ilay vatam-paty nisokatra ireo namana sy fianakaviana. Nibanjina ilay vatana mangatsiaka, izay tovolahy 17 taona, izy ireo. Saiky tsy nahafantatra azy ny namany avy tany an-tsekoly. Nampihintsana ny volony ny fitsaboana tamin’ny zavatra simika; nahatonga ny lanjany hihena be ny kansera. Tena io ve ilay naman’izy ireo? Herinandro vitsivitsy monja talohan’izay tokoa mantsy izy dia nanana hevitra sy fanontaniana be dia be sy feno hery — tena feno aina! Ny renin’ilay tovolahy dia namerimberina tamin-dranomaso hoe: “Sambatra kokoa i Tommy izao. Tian’Andriamanitra hiaraka aminy any an-danitra i Tommy.”
Nanana fanantenana sy fiononana kely io reny vonton’alahelo io noho ilay hevitra hoe mbola misy lafiny maha-velona ny zanany. Tany am-piangonana izy dia nampianarina fa tsy mety maty ny fanahy (âme), ary koa fa izy io no foiben’ny maha-izy ny tena, ny eritreritra, ny fitadidiana — ny “maha-ianao anao”. Tsy maty mihitsy, araka ny finoany, ny fanahin’ny zanany; zavamiaina ara-panahy izy io ka nandao ny vatany teo amin’ny fotoana nahafatesany ary nankany an-danitra hiaraka amin’Andriamanitra sy ireo anjely.
Amin’ny fotoan’ny loza, ny fon’olombelona dia mifikitra amim-pamoizam-po amin’izay rehetra mety ho tsirim-panantenana, koa tsy sarotra ny mahita ny antony mahatonga an’io zavatra inoana io ho manintona aoka izany. Diniho, ohatra, izao fomba ilazan’ilay teolojiana atao hoe J. Paterson-Smyth azy izao, ao amin’ny The Gospel of the Hereafter: “Zavatra kely dia kely ny Fahafatesana raha oharina amin’izay mitranga aoriany — ilay tontolo mahatalanjona, mahatalanjona, mahatalanjona izay ampidiran’ny Fahafatesana antsika.”
Maneran-tany sy any amin’ny fivavahana sy ny kolontsaina maro, dia mino ny olona fa manana fanahy (âme) tsy mety maty ao anatiny ny olombelona, fanahy mahatsiaro tena izay manohy miaina aorian’ny ahafatesan’ny vatana. Saika hita hatraiza hatraiza ao amin’ireo fivavahana sy antokom-pinoana an’arivony maro ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, io zavatra inoana io. Foto-pampianarana ofisialy ao amin’ny Jodaisma koa izy io. Mino ny Hindoa fa ny atman, na fanahy (âme), dia noforonina tamin’ny fiandohan’ny fotoana, voagadra ao anatin’ny vatana amin’ny fotoana ahaterahana, ary mifindra any amin’ny vatana hafa amin’ny fotoana ahafatesana, ka amin’izany dia misy fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao amin’ny fomba miverimberina hatrany. Mino ny Silamo fa miara-misy amin’ny vatana ny fanahy (âme) ary mbola velona aorian’ny hahafatesan’ny vatana. Ny finoana hafa — ny animista afrikana sy ny Shinto ary na dia ny Bodista aza, raha jerena amin’ny lafiny iray — dia mampianatra endriny samihafa amin’io foto-kevitra io ihany.
Fanontaniana sasany manahiran-tsaina
Na dia tsy azo lavina sy saika hita hatraiza hatraiza aza ny fanintonan’ilay hevitra ny amin’ny fanahy (âme) tsy mety maty, dia mampipoitra fanontaniana sasany mampikorontan-tsaina izy io na dia izany aza. Ohatra, manontany tena ny olona hoe mankaiza ny fanahin’ny olo-malalany iray raha toa izy io ka tsy nanana fiainana fakan-tahaka. Ho teraka indray ao amin’ny vatana iray vaovao ve izy ka ho endri-piainana ambany kokoa? Sa halefa any amin’ny afo fandiovana ka hodiovina amin’ny afo any mandra-pitsara azy ho mendrika ho any an-danitra? Ny mbola ratsy kokoa aza dia hoe: Hampijalijalina mandrakizay any amin’ny afobe ve izy? Sa fanahy tsy maintsy ampitonena, araka ny ampianarin’ny fivavahana animista maro?
Izany hevitra izany dia mahatonga fahatsinjovan-javatra mampahory ho an’ny velona. Tokony hampitony ireo fanahin’ny olo-malalantsika maty ve isika fandrao mamaly faty antsika izy ireny? Antenaina hanampy azy ireny hivoaka avy ao amin’ny afo fandiovana mampihoron-koditra ve isika? Sa tokony hangovitra fotsiny ao anatin’ny horohoro tsy ahafaha-manoatra, eo am-pieritreretana ny fahorian’izy ireo any amin’ny afobe? Sa tokony hoentintsika toy ny hoe nitondra ireo fanahin’ny olona nody mandry ny biby velona sasany?
Tsy hoe mampionona kokoa velively ireo fanontaniana mipoitra momba an’Andriamanitra mihitsy. Ohatra, eo am-boalohany dia ray aman-dreny maro, toy ilay reny voatonona erỳ am-piandohana, no mahazo fampiononana amin’ilay hevitra hoe “naka” ny fanahy (âme) tsy mety matin’ny zanak’izy ireo hiaraka aminy any an-danitra Andriamanitra. Ho an’ny maro anefa, tsy ela izy ireo dia manomboka manontany tena hoe karazan’Andriamanitra manao ahoana no hamely ankizy tsy manan-tsiny iray amin’ny aretina maharikoriko, ka hampiala iny olona sarobidy iny amin’ny ray aman-dreny vonton’alahelo mba hamindrana fotsiny an’ilay zaza ho any an-danitra alohan’ny fotoana. Aiza ny rariny sy ny fitiavana ary ny famindram-po ao amin’izany Andriamanitra izany? Misalasala ny amin’ny fahendren’izany Andriamanitra izany mihitsy aza ny sasany. Nahoana, hoy ny fanontanian’izy ireo, ny Andriamanitra hendry iray no nametraka ireny fanahy (âme) rehetra ireny teto an-tany tamin’ny voalohany raha antenaina hiafara any an-danitra ihany izy rehetra? Tsy hidika ve izany fa tena fatiantoka iray lavaka ny namoronana ny tany? — Ampitahao amin’ny Deoteronomia 32:4; Salamo 103:8; Isaia 45:18; 1 Jaona 4:8.
Mazava àry fa ny foto-pampianarana ny amin’ny tsy fetezan-ko fatin’ny fanahy (âme) olombelona, na amin’ny endriny inona na amin’ny endriny inona no ampianarana ilay foto-pampianarana, dia mampisy fanontaniana saro-baliana, hevitra tsy mifanaraka mihitsy aza. Nahoana? Ny ankabeazan’ilay olana dia misy ifandraisana amin’ireo loharano nipoiran’io fampianarana io. Mety ho hitanao fa hahalalan-javatra ny mamotopototra fohy momba ireo faka nipoirany ireo; ary mety ho gaga ianao hahafantatra izay lazain’ny Baiboly momba ny fanahy (âme). Manolotra fanantenana tsara lavitra noho izay ampianarin’ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao izy io raha ny amin’ny fiainana aorian’ny fahafatesana.