FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w96 1/8 p. 10-14
  • ‘Tsy Maintsy Masina Ianareo Satria Masina Aho’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Tsy Maintsy Masina Ianareo Satria Masina Aho’
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fomba nifandraisan’ny Isiraely tamin’ilay loharanon’ny fahamasinana
  • Ny antony niampangan’i Jehovah ny Isiraely
  • Mitarika ho amin’ny fanompoam-pivavahana madio ny fo madio
  • Ilay zava-tsarotra — Miatrika ireo fahalementsika
  • Ahoana no ahafahantsika mitoetra ho masina?
  • ‘Aoka mba ho Masina Ianareo Amin’ny Fitondran-tena Rehetra’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • “Masina, Masina, Masina i Jehovah”
    Manatòna An’i Jehovah
  • Fahamasinana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • “Aoka ho Masina Ianareo”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
w96 1/8 p. 10-14

‘Tsy Maintsy Masina Ianareo Satria Masina Aho’

“Aoka ho masina hianareo, satria masina Aho, Jehovah Andriamanitrareo.” — LEVITIKOSY 19:2.

1. Iza avy ireo olona sasany izay heverin’izao tontolo izao ho masina?

NY ANKAMAROAN’IREO fivavahana lehibe eo amin’izao tontolo izao dia manana ireo izay heverin’izy ireo ho masina. Matetika dia heverina ho masina i Mère Teresa izay nalaza tany Inde noho ny fanokanany tena ho an’ny mahantra. Ny papa dia antsoina hoe ny “Ray Masina”. Heverin’ny Katolika sasany ho “modelin’ny fahamasinana” i José María Escrivá, ilay mpanorina ny fihetsiketsehana katolika maoderina Opus Dei. Ny Hindoisma dia manana ireo swamis, na lehilahy masina eo aminy. Nankamasinina toy ny lehilahy masina i Gandhi. Manana ny moanina masina eo aminy ny Bodisma, ary ny Silamo dia manana ny mpaminaniny masina. Fa inona marina moa no dikan’ny hoe masina?

2, 3. a) Inona no dikan’ny teny hoe “masina” sy “fahamasinana”? b) Inona avy ireo fanontaniana sasany izay mila hovaliana?

2 Ilay teny hoe “masina” dia nofaritana ho “1. (...) mifandray amin’ny hery araka an’Andriamanitra; masina. 2. Heverina ho na mendrika ny hotolorana fanompoam-pivavahana na fankamasinana (...) 3. Miaina mifanaraka amin’ny rafitra ara-pivavahana na ara-panahy hentitra na ambony dia ambony ara-pitondran-tena (...) 4. Voafaritra tsara na voatokana ho amin’ny fikasana ara-pivavahana.” Ao amin’ny faritry ny Baiboly, ny fahamasinana dia midika hoe “fahadiovana ara-pivavahana na tsy fisian’ny loto; fahamasinana”. Araka ilay boky fakan-teny momba ny Baiboly hoe Insight on the Scriptures, “ilay [teny] hebreo tany am-boalohany hoe qoʹdhesh dia mampita hevitra hoe tafasaraka, tsy mizarazara, na masina ho an’Andriamanitra, (...) toetran’izay voatokana ho an’ny fanompoana an’Andriamanitra”.a

3 Nodidiana mba ho masina ny firenen’ny Isiraely. Nilaza toy izao ny Lalàn’Andriamanitra: “Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, dia manamasìna ny tenanareo, ka dia ho masina hianareo, satria masina Aho”. Iza moa ilay Loharanon’ny fahamasinana? Ahoana no ahafahan’ireo Isiraelita tsy lavorary ho tonga masina? Ary fianarana inona avy no mety ho hitantsika amin’izao andro izao amin’ilay antson’i Jehovah ho amin’ny fahamasinana? — Levitikosy 11:44.

Ny fomba nifandraisan’ny Isiraely tamin’ilay loharanon’ny fahamasinana

4. Ahoana no nanehoana tamin’ny ohatra ny fahamasinan’i Jehovah teo amin’ny Isiraely?

4 Izay zavatra rehetra nifandray tamin’ny fanompoam-pivavahana natolotry ny Isiraely ho an’i Jehovah Andriamanitra dia tokony ho noheverina ho masina ka ho nentina toy izany. Nahoana no izany? Satria ny tenan’i Jehovah mihitsy no ilay niandohan’ny fahamasinana sy loharanon’izy io. Ny fitantarana nataon’i Mosesy momba ny fanomanana ilay tabernakely masina mbamin’ireo fitafiana sy fampihaingoana dia mifarana amin’izao teny izao: “Ary ny takelaka ho eo amin’ny diadema masina dia nataony volamena tsara, ary nasiany soratra, araka ny fanoratana amin’ny fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN’I JEHOVAH [“An’i Jehovah ny fahamasinana”, NW ].” Io takelaka volamena tsara namirapiratra io dia napetaka teo amin’ny hamaman’ilay mpisoronabe, ary izy io dia nidika fa voatokana ho amin’ny fanompoana nisy fahamasinana manokana izy. Rehefa nahita maso io famantarana nisy soratra nanjelatra tamin’ny fahazavan’ny masoandro io ireo Isiraelita, dia nampahatsiahivina tsy tapaka ny amin’ny fahamasinan’i Jehovah. — Eksodosy 28:36; 29:6; 39:30.

5. Ahoana no azo niheverana an’ireo Isiraelita tsy lavorary ho masina?

5 Ahoana anefa no ahafahan’ireo Isiraelita ho tonga masina? Tamin’ny fifandraisany akaiky tamin’i Jehovah sy ny fanompoam-pivavahana madio nataony taminy ihany. Nila fahalalana araka ny marina momba ny “Iray Masina” izy ireo mba hanompoana azy tamin’ny fahamasinana, tamin’ny fahadiovana ara-batana sy ara-panahy. (Ohabolana 2:1-6; 9:10). Noho izany, ireo Isiraelita dia tsy maintsy nanolotra fanompoam-pivavahana tamin’Andriamanitra noho ny antony manosika madio sy tamin’ny fo madio. Ho naharikoriko an’i Jehovah izay nety ho endri-panompoam-pivavahana nisy fihatsarambelatsihy. — Ohabolana 21:27.

Ny antony niampangan’i Jehovah ny Isiraely

6. Ahoana no niheveran’ireo Jiosy tamin’ny andron’i Malakia ny latabatr’i Jehovah?

6 Izany dia nohazavaina tamin’ny ohatra mazava tsara fony ireo Isiraelita tsy rototra akory nitondra fanatitra tsizarizary sy nisy tsininy tany amin’ny tempoly. Tamin’ny alalan’i Malakia mpaminaniny, dia niampanga ny fanatitra tsizarizarin’izy ireo i Jehovah: “Tsy hankasitraka anareo Aho, na ta-handray fanatitra amin’ny tànanareo (...). Fa hianareo kosa manamavo izany amin’ny fanaovanareo hoe: Voaloto ny latabatr’i Jehovah, ary ny haniny aterina eo dia tsinontsinona. Hoy koa hianareo: Tsy mba hasasarana lahy! ary [ataonareo izay hanamavoana, NW ] izany, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, entinareo ny nalaina an-keriny sy ny mandringa sy ny marary, ka dia aterinareo ho fanatitra; moa ta-handray izany amin’ny tànanareo va Aho? hoy Jehovah.” — Malakia 1:10, 12, 13.

7. Fanaovan-javatra tsy masina inona no nataon’ireo Jiosy tamin’ny taonjato fahadimy al.f.i.?

7 Nampiasain’Andriamanitra i Malakia mba hiampanga ireo fanao diso teo amin’ny Jiosy, azo inoana fa nandritra ny taonjato fahadimy al.f.i. Namela ohatra ratsy ireo mpisorona, ary tsy masina velively ny fitondran-tenan’izy ireo. Ilay vahoaka nanaraka izany fitarihana izany dia nigoragora teo amin’ny fotopoto-pitsipiny, ka tonga hatramin’ny fisarahana tamin’ny vadiny mihitsy aza, angamba mba hahafahany haka vady mpanompo sampy tanora kokoa. Nanoratra toy izao i Malakia: “Jehovah no vavolombelona ny aminao sy ny vadin’ny fahatanoranao izay nofitahinao,b na dia namanao sady vady efa vita fanekena taminao aza izy. (...) Koa dia tandremo ny fanahinareo, ary aoka tsy hisy hamitaka ny vadin’ny fahatanorany. Fa halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely”. — Malakia 2:14-16.

8. Ahoana no fiantraikan’ilay fomba fiheverana maoderina momba ny fisaraham-panambadiana eo amin’ny sasany ao amin’ny kongregasiona kristiana?

8 Amin’ny andro maoderina, dia miakatra be ny tahan’ny fisaraham-panambadiana any amin’ny tany maro izay ahazoana mora foana ny fisaraham-panambadiana. Na dia ny kongregasiona kristiana aza dia voakasika. Tsy nitady ny fanampian’ireo loholona mba handresena ireo vato misakana, na niezaka mba hahombiazan’ny fanambadiany ny sasany fa nanilika azy io haingana loatra kosa. Matetika ireo ankizy no avela handoa vidiny ara-pihetseham-po lafo dia lafo. — Matio 19:8, 9.

9, 10. Ahoana no tokony hieritreretantsika ny fanompoam-pivavahantsika amin’i Jehovah?

9 Araka ny hitantsika teo aloha, noho ny toe-piainana ara-panahy nampahonena tamin’ny andron’i Malakia, dia nanameloka tsy niolakolaka ny fanompoam-pivavahana tsy lasa lalina nataon’ny Joda i Jehovah, ary nasehony fa tsy hanaiky afa-tsy fanompoam-pivavahana madio izy. Tsy tokony hahatonga antsika hieritreritra ny amin’ny toetran’ny fanompoam-pivavahantsika amin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Tompo Manam-piandrianana eo amin’izao rehetra izao, ilay Loharanon’ny tena fahamasinana, ve izany? Tena manolotra fanompoana masina ho an’Andriamanitra tokoa ve isika? Mihazona ny tenantsika ho ao anatin’ny toe-piainana madio ara-panahy ve isika?

10 Tsy midika akory izany hoe tsy maintsy tonga lavorary isika, dia zavatra tsy ho azo atao, na hoe tokony hifampitaha amin’ny hafa isika. Midika kosa anefa izany fa ny Kristiana tsirairay dia tokony hanolotra ho an’Andriamanitra fanompoam-pivavahana izay ny tsara indrindra vitany ao anatin’ny toe-javatra misy azy avy. Izany dia manisy fitenenana ny amin’ny toetran’ny fanompoam-pivavahantsika. Ny fanompoana masina ataontsika dia tokony ho ny tsara indrindra — fanompoana masina. Ahoana no anatanterahana izany? — Lioka 16:10; Galatiana 6:3, 4.

Mitarika ho amin’ny fanompoam-pivavahana madio ny fo madio

11, 12. Avy aiza no iavian’ny fitondran-tena tsy masina?

11 Nampianatra mazava tsara i Jesosy fa hanjary hiharihary ny ao am-po amin’izay lazain’ny olona iray sy amin’ny ataony. Hoy i Jesosy tamin’ny Fariseo nanamarin-tena kanefa tsy masina: “Ry taranaky ny menarana! hataonareo, izay ratsy fanahy, ahoana no fahay miteny zavatra tsara? fa avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava.” Tatỳ aoriana dia nasehony fa ireo asa ratsy dia mipoitra avy amin’ny eritreri-dratsy ao amin’ny fo, izany hoe ilay olona anaty. Hoy izy: “Izay mivoaka avy amin’ny vava kosa dia avy amin’ny fo, ka izany no mahaloto ny olona. Fa avy amin’ny fo no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny vonoan-olona, ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy; izany no mahaloto ny olona”. — Matio 12:34; 15:18-20.

12 Izany dia manampy antsika hahatakatra fa ireo asa tsy masina dia tsy mandeha ho azy fotsiny, na hoe tsy misy fototra iorenany mialoha. Izy ireo dia vokatry ny eritreritra mandoto izay namitsaka tao am-po — faniriana miafina sy nofinofy angamba. Izany no nahafahan’i Jesosy nilaza hoe: “Efa renareo fa voalaza hoe: ‘Aza mijangajanga’. Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.” Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny fijangajangana sy ny fanitsakitsaham-bady dia efa namaka sahady tao am-po talohan’ny hitrangan’izay mety ho fanaovan-javatra. Avy eo, rehefa miseho ny toe-javatra mety ho amin’izany, dia tonga fitondran-tena tsy masina ny eritreritra tsy masina. Tonga sasany amin’ireo vokany miharihary ny fijangajangana, ny fanitsakitsaham-bady, ny sodomia, ny halatra, ny fitenenan-dratsy sy ny fivadiham-pinoana. — Matio 5:27, 28; Galatiana 5:19-21.

13. Inona avy ireo ohatra sasany ny amin’ny hoe mety hitarika ho amin’ny asa tsy masina ny eritreritra tsy masina?

13 Azo hazavaina amin’ny ohatra amin’ny fomba maro samihafa io toe-javatra io. Any amin’ny tany sasany, dia maniry ohatry ny ahitra ny toeram-pilokana, ka mampitombo amin’izany ny fahafahana hiloka. Mety halaim-panahy ny tena hampiasa io toa vahaolana io mba hanandramana handaminana ireo zava-manahirana ny tena ara-bola. Ny fanjohian-kevitra mamitaka dia mety hitaona rahalahy iray handa na hanatsatso ireo fotopoto-pitsipiny ara-baiboly.c Amin’ny toe-javatra hafa, ny fahafahana hahita mora foana sary na soratra vetaveta amin’ny alalan’ny televiziona na vidéo, na ordinatera na boky, dia afaka mitarika Kristiana iray ho amin’ny fitondran-tena tsy masina. Tsy mila afa-tsy ny manao tsirambina ny fiadiany ara-panahy fotsiny izy, ary alohan’ny hahafantarany izany, dia efa latsaka ao anatin’ny fahalotoam-pitondran-tena izy. Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra anefa, dia manomboka ao an-tsaina ilay fikororosiana mankamin’ny ota. Eny, ny toe-javatra toy ireny no ahatanterahan’ny tenin’i Jakoba manao hoe: “Samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin’ny filany sy fitahiny izy. Ary ny filana, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.” — Jakoba 1:14, 15; Efesiana 6:11-18.

14. Ahoana no nahatafarina olona maro tamin’ny fitondran-tenany tsy masina?

14 Soa ihany fa Kristiana maro izay manota noho ny fahalemena no mampiseho tena fibebahana, ary afaka manarina ara-panahy ny olona toy izany, ireo loholona. Na dia ireo olona maro izay voaroaka noho ny tsy fisian’ny fibebahana aza, amin’ny farany dia mahatsapa tena ka tafaverina indray ao anatin’ny kongregasiona. Manjary mahatakatra izy ireo fa mora aoka izany ny nahazoan’i Satana azy ireo rehefa namela eritreritra tsy masina hamaka tao am-pony izy ireo. — Galatiana 6:1; 2 Timoty 2:24-26; 1 Petera 5:8, 9.

Ilay zava-tsarotra — Miatrika ireo fahalementsika

15. a) Nahoana isika no tsy maintsy mifanandrina amin’ireo fahalementsika? b) Inona no afaka manampy antsika hiaiky fa manana ireo fahalementsika?

15 Tsy maintsy manao ezaka isika mba hahafantarana ny fontsika manokana amin’ny fijerena ny tena zava-misy. Vonona ny hifanandrina amin’ireo fahalementsika ve isika, hiaiky fa manana azy ireny, ary avy eo dia hiezaka handresy azy ireny? Vonona hanontany namana tso-po iray ny amin’ny fomba azontsika ihatsarana ve isika, ary avy eo dia hihaino ilay torohevitra? Mba hitoerana ho masina, dia tsy maintsy mandresy ny kilemantsika isika. Nahoana? Satria fantatr’i Satana ny fahalementsika. Hampiasa ireo teti-dratsiny feno hafetsen-dratsy izy, mba hanosehana antsika ho amin’ny ota sy ny fitondran-tena tsy masina. Amin’ireo asany feno hafetsen-dratsy, dia manandrana mampisaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izy mba hahatonga antsika ho tsy masina intsony sy tsy hilaina intsony ao amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah. — Jeremia 17:9; Efesiana 6:11; Jakoba 1:19.

16. Nanana ady inona i Paoly?

16 Nanana ny fisedrana sy ny fitsapana nanjo azy manokana ny apostoly Paoly, araka ny noporofoiny tao amin’ny taratasiny ho an’ny Romana manao hoe: “Fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin’ny nofoko; fa ato anatiko ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ato. Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko. (...) Mankasitraka ny lalàn’Andriamanitra aho araka ny toetra anaty; nefa mahita lalàna hafa amin’ny momba ny tenako aho, miady amin’ny lalàn’ny saiko ka mamabo ahy ho an’ny lalàn’ny ota izay ao amin’ny momba ny tenako.” — Romana 7:18-23.

17. Ahoana no nivoahan’i Paoly ho mpandresy tamin’ilay ady mafy nataony tamin’ireo fahalemena?

17 Ny hevitra tena lehibe tamin’izay nanjo an’i Paoly dia hoe niaiky ireo fahalemeny izy. Na dia teo aza izy ireny, dia afaka nilaza izy hoe: “Mankasitraka ny lalàn’Andriamanitra aho araka ny toetra [ara-panahy] anaty”. Tia izay tsara ary nankahala izay ratsy i Paoly. Kanefa dia mbola nanana ady natao izy, dia ady mitovy amin’ilay ataontsika rehetra — ady amin’i Satana sy amin’izao tontolo izao ary amin’ny nofo. Koa ahoana àry no ahafahantsika mandresy amin’ny ady mba hitoerana ho masina, tafasaraka amin’itỳ tontolo itỳ sy ny fisainany? — 2 Korintiana 4:4; Efesiana 6:12.

Ahoana no ahafahantsika mitoetra ho masina?

18. Ahoana no ahafahantsika mitoetra ho masina?

18 Ny fahamasinana dia tsy tontosa amin’ny fizorana amin’ny lalana mora indrindra na amin’ny famelana ny tena hanaram-po. Izany karazan’olona izany dia hanala tsiny foana ny fitondran-tenany ary hanandrana hanilika foana ny fahadisoana any an-toeran-kafa. Angamba isika mila mianatra ny hahay handray andraikitra amin’izay ataontsika fa tsy ho sahala amin’ny sasany izay milaza ho niangaran’ny vintana noho ny fiaviany ara-pianakaviana na noho ireo toetoetra nolovany. Any am-pon’ilay olona no misy ny fototr’ilay zava-manahirana. Tia ny fahitsiana ve izy? maniry fatratra fahamasinana? maniry ny fitahian’Andriamanitra? Nataon’ny mpanao salamo mazava tsara ny ilana fahamasinana rehefa nilaza izy hoe: “Halaviro ny ratsy, ka manaova soa; mitadiava fihavanana, ka araho izany.” Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Aoka ny fitiavana ho amin’ny tsi-fihatsarambelatsihy; mankahalà ny ratsy; mifikira amin’ny tsara.” — Salamo 34:14; 97:10; Romana 12:9.

19, 20. a) Ahoana no ahazoantsika manatanjaka ny saintsika? b) Mahafaoka inona ny fanaovana fianarana manokana misy vokany?

19 Afaka ‘mifikitra amin’ny tsara’ isika raha mijery zavatra araka ny fomba fijerin’i Jehovah, sy manana ny sain’i Kristy. (1 Korintiana 2:16). Ahoana no anatanterahana izany? Amin’ny fianarana sy fisaintsainana tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra. Impiry impiry moa no efa nanomezana io torohevitra io! Kanefa moa ve isika mihevitra azy io ho tena zava-dehibe tokoa? Ohatra, moa ve ianao tena mianatra itỳ gazety itỳ, mijery ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly, alohan’ny hahatongavanao any amin’ny fivoriana? Amin’ny filazana hoe mianatra, dia tsy te hilaza akory izahay hoe manipika fehezanteny vitsivitsy isaky ny fehintsoratra fotsiny. Ny lahatsoratra natao hianarana iray dia azo vakina maimaika sy tsipihina ao anatin’ny 15 minitra eo ho eo. Midika ve izany fa nianatra ilay lahatsoratra isika? Raha ny tena izy, dia mety haka adiny iray na roa ny fianarana sy ny fandraisana ny soa ara-panahy asehon’ny lahatsoratra tsirairay.

20 Angamba isika mila mifehy ny tenantsika mba hiala tsy ho eo amin’ny televiziona mandritra ny ora vitsivitsy isan-kerinandro ary tena hifantoka amin’ny fahamasinan’ny tenantsika manokana. Ny fianarantsika tsy tapaka dia manatanjaka antsika ara-panahy, manetsika ny saintsika mba hanao fanapahan-kevitra mety — fanapahan-kevitra izay mitarika ho amin’ny “fitondran-tena masina”. — 2 Petera 3:11; Efesiana 4:23; 5:15, 16.

21. Fanontaniana inona avy no mbola tokony hovaliana?

21 Ny fanontaniana izao dia hoe: Amin’ny sahan’asa sy fitondran-tena fanampiny inona avy isika no afaka ny ho masina amin’ny maha-Kristiana, toy ny maha-masina an’i Jehovah? Ny lahatsoratra manaraka dia hanolotra foto-dresaka mendrika ny hodinihina amim-pitandremana.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Io boky fakan-teny misy boky roa io dia navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.

b Mba hanaovana fandinihana feno kokoa ny amin’izay tiana holazaina amin’ny hoe ‘mamitaka’, dia jereo ny Réveillez-vous! tamin’ny 8 Febroary 1994, pejy faha-21, “Quelle genre de divorce Dieu hait-il?”

c Mba hahazoana fanazavana bebe kokoa momba ny antony maha-fitondran-tena tsy masina ny filokana, dia jereo ny Mifohaza! Janoary-Martsa 1995, pejy faha-14-15, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

Tadidinao Ve?

◻ Ahoana no nampahafantarana ilay Loharanon’ny fahamasinana teo amin’ny Isiraely?

◻ Tamin’ny fomba ahoana avy ny fanompoam-pivavahan’ny Isiraelita no tsy masina tamin’ny andron’i Malakia?

◻ Aiza no miantomboka ny fitondran-tena tsy masina?

◻ Mba ho masina, dia inona no tsy maintsy ekentsika?

◻ Ahoana no ahafahantsika mitoetra ho masina?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara