Nanao ny Sitrapon’i Jehovah Izy Ireo
Nitory i Petera, Tamin’ny Pentekosta
MARAINAN-DOHATAONA antonontonona tamin’izay, tamin’ny taona 33 am.f.i. Feno fahataitairana ny rivo-piainana tao an-tanàna! Nisy vahoaka nisomebiseby, voaforona Jiosy sy proselyta, nanenika ireo araben’i Jerosalema. Tonga avy tany amin’ny toerana toa an’i Elama, Mezopotamia, Kapadokia, Egypta sy Roma izy ireo. Nahasondriana toy inona moa ny nahita azy ireo nanao fitafiana araka ny tany niaviany, sy ny nandre ny fiteniny samihafa! Nanao dia lavitra maherin’ny roa arivo kilaometatra ny sasany mba hanatrehana io fotoana manokana io. Inona izany? Ny Pentekosta — andro firavoravoana jiosy nahafaly, nanamarika ny faran’ny fijinjana ny vary hordea. — Levitikosy 23:15-21.
Nidona-tsetroka ireo fanatitra teo amin’ny alitaran’ny tempoly, ary nihira ny Hallel (Salamo faha-113 ka hatramin’ny faha-118), ireo Levita. Taloha kelin’ny tamin’ny 9 ora maraina, dia nisy zavatra nampitolagaga nitranga. Avy tany an-danitra, dia nisy ‘feo toy ny rivotra mahery nifofofofo’. Nameno ilay trano manontolo izay nivorian’ny mpianatr’i Jesosy Kristy tokony ho 120, ilay izy. Hoy ny fitantaran’ny Soratra Masina: “Nisy lela maro mitarehin’afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin’izy rehetra isan-olona izany. Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin’ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy.” — Asan’ny Apostoly 2:1-4.
Samy nandre ny fiteniny avy ny tsirairay
Tsy ela, dia mpianatra maro no nitanjozotra nivoaka ilay trano. Nahagaga fa afaka niteny tamin’ireo fiteny samihafan’ilay vahoaka, izy ireo! Alao sary an-tsaina ny fahatairana rehefa nandre Galiliana niteny tamin’ny fiteniny manokana avy, ny mpitsidika iray avy tany Persia sy ny teratany egyptiana iray. Takatra mora foana fa talanjona ny vahoaka. “Ahoana no tokony ho hevitr’izany?”, hoy ny fanontanian’izy ireo. Nisy nanomboka nanaraby ny mpianatra, ka nanao hoe: “Leon-divay mamy ireo.” — Asan’ny Apostoly 2:12, 13.
Nanaraka izany, dia nitsangana ny apostoly Petera ka niteny tamin’ny vahoaka. Nohazavainy fa io fahaiza-niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra nahagaga io dia fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Joela mpaminany nanao hoe: ‘Handatsaka ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra aho’. (Asan’ny Apostoly 2:14-21; Joela 3:1-5). Eny, vao avy nandatsaka ny fanahiny masina teo amin’ireo mpianatr’i Jesosy, Andriamanitra. Izany dia porofo mazava fa efa natsangana tamin’ny maty i Jesosy, ary izao izy dia any an-danitra eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra. Hoy i Petera: “Koa aoka ho fantatry ny taranak’Isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin’ny hazofijaliana iny dia efa nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.” — Asan’ny Apostoly 2:22-36.
Nanao ahoana ny fihetsik’ireo mpihaino? “Voatsindrona tam-pony [izy ireo]”, hoy ilay fitantarana, “ka nanao tamin’i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay?” Namaly toy izao i Petera: “Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa (...) hianareo rehetra”. Izany indrindra no nataon’ny olona tokony ho 3 000! Taorian’izay, “izy ireo [dia] naharitra tamin’ny fampianaran’ny Apostoly”. — Asan’ny Apostoly 2:37-42.
Tamin’ny fandraisana ny fitenenana voalohany tamin’io fotoan-dehibe io, i Petera dia nampiasa ny voalohany tamin’ireo “fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra” izay nampanantenain’i Jesosy homena azy. (Matio 16:19). Ireny fanalahidy ireny dia nanokatra tombontsoa manokana ho an’ny antokon’olona samy hafa. Io fanalahidy voalohany io dia nahatonga ny Jiosy hanana fahafahana ho tonga Kristiana voahosotry ny fanahy. Tatỳ aoriana, ny fanalahidy faharoa sy ny fahatelo dia nahatonga io fahafahana io ho azon’ny Samaritana sy ny Jentilisa avy. — Asan’ny Apostoly 8:14-17; 10:44-48.
Fianarana ho antsika
Na dia nizaka andraikitra iombonana aza io vahoaka jiosy sy proselyta io, noho ny nahafatesan’ny Zanak’Andriamanitra, dia niteny tamin’izy ireo tamim-panajana i Petera, niantso azy hoe “rahalahy”. (Asan’ny Apostoly 2:29). Ny zava-nokendreny dia ny hanosika azy ireo hibebaka, fa tsy ny hanameloka azy ireo. Noho izany, dia nanorina ny tari-dresaka nataony. Nasehony ny zava-misy, ary notohanany tamin’ny fanononana andinin-teny ny heviny.
Tsara raha manaraka ny ohatr’i Petera ireo izay mitory ny vaovao tsara amin’izao andro izao. Tokony hiezaka hanorina marimaritra iraisana amin’ireo mpihaino azy izy ireo, ary avy eo dia hanjohy hevitra avy amin’ny Soratra Masina miaraka amin’izy ireo, amim-pahaiza-mandanjalanja. Rehefa aseho amin’ny fomba manorina ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, dia handray tsara ny olona mahitsy fo. — Asan’ny Apostoly 13:48.
Ny zotom-po sy ny fahasahian’i Petera tamin’ny andro Pentekosta dia nisongadina tamin’ny fomba nifanohitra tanteraka tamin’ilay nandavany an’i Jesosy, fito herinandro teo ho eo talohan’izay. Tamin’izay fotoana izay i Petera dia voagejan’ny tahotra olona. (Matio 26:69-75). Efa nangataka ho an’i Petera anefa i Jesosy. (Lioka 22:31, 32). Tsy isalasalana fa nanatanjaka an’i Petera ny nisehoan’i Jesosy tamin’ilay apostoly taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. (1 Korintiana 15:5). Ho vokatr’izany, dia tsy rava ny finoan’i Petera. Tao anatin’ny fotoana fohy, dia nitory tamim-pahasahiana izy. Koa nitory àry izy, tsy tamin’ny Pentekosta ihany, fa nandritra ny andro sisa niainany koa.
Ahoana raha nanao fahadisoana tamin’ny fomba sasany isika, tsy misy hafa amin’ny nataon’i Petera? Aoka isika haneho fibebahana, hangataka famelan-keloka ao amin’ny vavaka, ary hanao dingana mba hahazoana fanampiana ara-panahy. (Jakoba 5:14-16). Amin’izay isika dia afaka mandroso amin’ny fatokiana fa ny fanompoana masina ataontsika dia azo ekena eo imason’i Jehovah, ilay Raintsika mamindra fo, any an-danitra. — Eksodosy 34:6.