Ny “Taranak’i Davida” — Zava-nisy sa Tantara Noforonina?
I DAVIDA — ilay tovolahy mpiandry ondry izay lasa mpitendry mozika, poety, miaramila, mpaminany sy mpanjaka — dia miavaka amin’ny fomba misongadina ao amin’ny Baiboly. Voalaza in-1138 ny anarany; ilay fitenenana hoe “Taranak’i Davida” — matetika manisy firesahana ny amin’ny tarana-mpanjakan’i Davida — dia ampiasaina in-25. (1 Samoela 20:16). Tantara noforonina fotsiny ve i Davida Mpanjaka sy ny tarana-mpanjakany? Inona no asehon’ny arkeolojia? Ny zavatra mahavariana hita vao haingana tao amin’ny toeram-pamongarana arkeolojika tao Tel Dan, any amin’ny faritra avaratr’i Galilia dia voalaza fa manohana ny maha-ara-tantara ny nisian’i Davida sy ny tarana-mpanjakany.
Tamin’ny fahavaratra 1993, ny ekipa arkeolojika iray notarihin’ny Profesora Avraham Biran, dia nisava faritra iray tany ivelan’ny vavahady ivelan’i Dana fahiny. Nahita kianja lampivato iray izy ireo. Nesorina mora foana ny vato bazalta mainty iray izay nitranga teo amin’ny tany. Rehefa natodika tamin’ny masoandro tamin’ny tolakandro ilay vato, dia nisy tarehin-tsoratra hita mazava tsara. “Andriamanitro ô! misy soratra io!”, hoy ny Profesora Biran nihiaka.
Nanao tatitra siantifika haingana momba ilay soratra ny Profesora Biran sy ny Profesora Joseph Naveh mpiara-miasa aminy avy ao amin’ny Oniversite Hebreo ao Jerosalema. Miorina amin’io tatitra io, dia izao no novakina tao amin’ny lahatsoratra iray tao amin’ny gazetiboky Biblical Archaeology Review tamin’ny Martsa/Aprily 1994: “Tsy matetika ny zavatra iray misy vidiny arkeolojika no lasa matoam-baovao ao amin’ny New York Times (raha tsy hiresaka ny amin’ny gazety Time). Izany anefa no nitranga tamin’ny fahavaratra farany teo tamin’ny zavatra hita iray tao Tel Dan, havoana kely iray kanto any amin’ny faritra avaratr’i Galilia, eo am-pototry ny Tendrombohitra Hermona, akaikin’ny iray amin’ireo loharanon’ny Ony Jordana.
“Nahita soratra nahavariana tamin’ny taonjato fahasivy al.f.i. teo i Avraham Biran sy ny ekipana arkeology niaraka taminy, soratra izay manisy firesahana ny amin’ny ‘Taranak’i Davida’ sy ny amin’ilay ‘Mpanjakan’ny Isiraely’. Io no voalohany nahitana ny anaran’i Davida tao amin’izay mety ho soratra tranainy ivelan’ny Baiboly. Ny hoe tsy niresahan’ilay soratra momba ny ‘Davida’ iray fotsiny fa ny Taranak’i Davida, ilay tarana-mpanjakan’ilay mpanjaka isiraelita niavaka, dia vao mainka mahavariana.
“Ny hoe ‘Mpanjakan’ny Isiraely’ dia fitenenana iray hita matetika ao amin’ny Baiboly, indrindra ao amin’ny Bokin’ny Mpanjaka. Izy io anefa dia mety ho ny firesahana momba ny Isiraely tranainy indrindra ankoatra ny Baiboly, amin’ny soratra semitika. Raha tsy manaporofo na inona na inona io soratra io, dia mampiseho kosa fa ny Isiraely sy ny Joda, nifanohitra tamin’ny filazan’ireo manam-pahaizana manokana manamaivana ny Baiboly, dia fanjakana lehibe tamin’izany fotoana izany.”
Ny daty dia naorina tamin’ny endriky ny tarehin-tsoratra, ny fandinihana ny fitaovana vita tamin’ny tanimanga hita teo akaikin’ilay potipoti-bato, sy ny teo amin’ilay soratra. Ireo fomba fanaovan-javatra telo rehetra ireo dia samy manondro fe-potoana mitovy ihany, dia ny taonjato fahasivy al.f.i., maherin’ny zato taona teo ho eo taorian’i Davida Mpanjaka. Mino ireo manam-pahaizana manokana fa ilay soratra dia tapany tamin’ny tsangambatom-pandresena natsangan’ny fahavalo aramiana iray tao Dana, izay sady fahavalon’ny “Mpanjakan’ny Isiraely” no fahavalon’ny “[Mpanjaka] Taranak’i Davida”. Ny Aramiana izay nivavaka tamin’i Hadad, andriamanitra tafio-drivotra tiam-bahoaka, dia nonina tany atsinanan’ny Isiraely.
Nandritra ny fahavaratra tamin’ny 1994, dia nisy potipoti-javatra roa hafa tamin’io tsangambato io hita. Manao izao tatitra izao ny Profesora Biran: “Ahitana ny anaran’ilay andriamanitra aramiana hoe Hadad teo amin’ireo potipoti-javatra roa hafa ireo ary koa firesahana ny amin’ny ady iray teo amin’ny Isiraelita sy ny Aramiana.”
Ny potipoti-javatra lehibe indrindra hita tamin’ny 1993 dia nisy andalan-teny 13 voasoratra tamin’ny soratra hebreo tranainy, hita amin’ny tapatapany. Tamin’izany fotoana izany dia nampiasaina ho mpampizara teny ao anatin’ny andalan-tsoratra iray ny teboka. Kanefa, ny hoe “Taranak’i Davida” dia nosoratana ho toy ny teny iray tamin’ny litera hoe “bytdwd” (notononina tamin’ny litera romana), fa tsy tamin’ny hoe “byt” (taranaka), teboka, ary avy eo “dwd” (Davida). Mora ny mahazo fa napetraka ny fanontaniana momba ny fanazavana ny hevitry ny hoe “bytdwd”.
Manazava toy izao ny Profesora Anson Rainey, manam-pahaizana momba ny fiteny: “Tsy nanazava ilay soratra tamin’ny an-tsipiriany i Joseph Naveh sy i Avraham Biran, angamba noho izy ireo nihevitra fa fantatr’ireo mpamaky fa ny mpampizara teny eo anelanelan’ny foto-javatra roa ao amin’ny rafitra toy io dia matetika navela, indrindra raha anarana manokana voaporofo mazava ilay fitambaran-teny. Azo antoka fa ny ‘Taranak’i Davida’ dia anarana manokana ara-politika sy ara-jeografia tany antenatenan’ny taonjato fahasivy al.f.i.”
Porofo arkeolojika hafa
Taorian’ny nahitana io zavatra io, dia nanao tatitra ny Profesora André Lemaire, manam-pahaizana iray momba ny tsangambaton’i Mesa (antsoina koa hoe Vato Moabita), fa izy io koa dia manisy firesahana ny amin’ny “Taranak’i Davida”.a Ny tsangambaton’i Mesa, hita tamin’ny 1868 dia misy itoviana betsaka amin’ilay tsangambato tao Tel Dan. Samy tamin’ny taonjato fahasivy al.f.i. izy ireo, samy mitovy ny zavatra nentina nanaovana azy, samy mitovy habe, ary nosoratana saika amin’ny soratra semitika mitovy.
Raha ny amin’ny fanavaozana indray ny andalan-teny simba teo amin’ny tsangambaton’i Mesa, dia nanoratra toy izao ny Profesora Lemaire: “Efa ho roa taona talohan’ilay zavatra hita tamin’ny potipoti-javatra tao Tel Dan, dia nanatsoaka hevitra aho fa misy firesahana ny amin’ny ‘Taranak’i Davida’ ny tsangambaton’i Mesa (...). Ny anton’ny tsy nanamarihana mihitsy io firesahana momba ny ‘Taranak’i Davida’ io teo aloha dia mety ho noho ny tsy fananan’ny tsangambaton’i Mesa editio princeps [fanontana voalohany] nifanentana mihitsy. Io no omaniko, 125 taona aorian’ny nahitana ny tsangambaton’i Mesa.”
Mahaliana ny filazana toy izany ataon’ny arkeology, satria ny anjely iray, ny tenan’i Jesosy sy ny mpianany ary ny olona tamin’ny ankapobeny dia nanamarina ny maha-ara-tantara ny nisian’i Davida. (Matio 1:1; 12:3; Lioka 1:32; Asan’ny Apostoly 2:29). Manaiky miharihary ireo zavatra hitan’ny arkeolojia fa izy sy ny tarana-mpanjakany, ny “Taranak’i Davida”, dia zava-nisy fa tsy tantara noforonina.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny tsangambaton’i Mesa dia fantatr’ireo mpamaky ny zavatra vita an-tsoratra avoakan’ny Fikambanana Watch Tower. (Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 1990, pejy 30-31.) Izy io dia arantiranty ao amin’ny Musée du Louvre, ao Paris.
[Sary, pejy 31]
Ilay potipoti-javatra tao Tel Dan,* hita tamin’ny 1993 teo amin’ilay tanàna ara-baibolin’i Dana, any amin’ny faritra avaratr’i Galilia
* Sary natao avy tamin’ny sary iray hita tao amin’ny Israel Exploration Journal.