FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w96 1/12 p. 10-15
  • Ry Ray Aman-dreny, Mahità Fifaliana Amin’ny Zanakareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ry Ray Aman-dreny, Mahità Fifaliana Amin’ny Zanakareo
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanantitranterana ny amin’ny Tenin’i Jehovah
  • Fampiofanana raha mbola zazakely
  • Fanomezana “rano” tsy tapaka
  • Fanomezana fiarovana an’ireo ankizy madinika
  • Fanomezana famaizana feno fitiavana
  • Mendrika ny hanaovana ilay fiezahana ny valisoa
  • Ampiofano Manomboka eo Amin’ny Maha-zazakely Azy ny Zanakao
    Ny Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
  • Ry Ray Aman-dreny, Tezao Amim-pitiavana ny Zanakareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Manorena Fianakaviana Matanjaka Ara-panahy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Lova Sarobidy ny Zanatsika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
w96 1/12 p. 10-15

Ry Ray Aman-dreny, Mahità Fifaliana Amin’ny Zanakareo

“Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao”. — OHABOLANA 23:25.

1. Inona no hahatonga ny ray aman-dreny hahita fifaliana amin’ny zanany?

TSARA dia tsara toy inona moa ny mahita zana-kazo iray mitombo ka tonga hazo mijoalajoala izay manome hakanto sy alokaloka — indrindra fa raha ianao no namboly sy nanolokolo ilay izy! Toy izany koa, ny ray aman-dreny manolokolo zanaka izay mitombo ka tonga mpanompon’Andriamanitra matotra, dia mahita fifaliana lehibe amin’izy ireny, araka ny lazain’ilay ohabolana ao amin’ny Baiboly toy izao: “Hifaly dia hifaly ny rain’ny marina, ary izay miteraka zaza hendry hanam-pifaliana aminy. Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao, eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao.” — Ohabolana 23:24, 25.

2, 3. a) Ahoana no azon’ny ray aman-dreny analavirana ny alahelo sy ny fahoriana mangidy? b) Samy mila inona ny zana-kazo sy ny ankizy mba hahatongavany ho loharanom-pifaliana?

2 Kanefa, tsy tonga “marina” sy “hendry” ho azy ny zaza iray. Ilaina ny fiezahana mafy mba hisakanana ny tanora tsy ho tonga loharanon’ny “alahelo” sy “fahoriana mangidy”, tsy misy hafa amin’ny hoe mitaky asa ny fanaovana izay hahatonga ny zana-kazo iray ho hazo mijoalajoala. (Ohabolana 17:21, 25). Ohatra, ireo toham-boly dia afaka manazatra ny zana-kazo tanora iray hitombo mahitsy sady matanjaka. Tena zava-dehibe ny hanomezana rano tsy tapaka, ary mety hila ny harovana amin’ny bibikely mpanimba voly, ny zana-kazo. Farany, dia manampy amin’ny famokarana hazo kanto ny fandrantsanana azy.

3 Ahariharin’ny Tenin’Andriamanitra fa ny ankizy dia mila zavatra toy ny fampiofanana araka an’Andriamanitra, ny famontosana amin’ny ranon’ny fahamarinana ara-baiboly, ny fiarovana amin’ny fanimbana ara-pitondran-tena, ary ny famaizana amim-pitiavana mba handrantsanana ireo lafin-toetra tsy faniry. Mba hanomezana ireo zavatra ilaina ireo, dia ampirisihina indrindra ireo ray mba hitaiza ny zanany “ao amin’ny lalàm-pifehezana sy ny fanabeazana ara-tsaina izay an’i Jehovah”. (Efesiana 6:4, NW ). Inona no tafiditra amin’izany?

Fanantitranterana ny amin’ny Tenin’i Jehovah

4. Inona no andraikitry ny ray aman-dreny amin’ny zanany, ary inona no takina alohan’ny hahazoan’izy ireo hanatanteraka izany?

4 Ny “fanabeazana ara-tsaina izay an’i Jehovah” dia midika ho fanabeazana ny fihevitsika mba hifanaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah. Ny ray aman-dreny àry dia tsy maintsy mampiditra tsikelikely ny fomba fihevitr’i Jehovah zavatra, ao an-tsain’ireo zanany madinika. Ary tsy maintsy manahaka ny ohatr’Andriamanitra koa izy amin’ny fanomezana famaizana amim-pangoraham-po, na fampiofanana natao hanitsiana. (Salamo 103:10, 11; Ohabolana 3:11, 12). Alohan’ny hahafahan’ny ray aman-dreny hanao izany anefa, dia ny tenan’izy ireo mihitsy no tsy maintsy mandray ny tenin’i Jehovah, araka ny fananarana nataon’i Mosesy, mpaminanin’Andriamanitra, tamin’ny Isiraelita fahiny, toy izao: “Aoka ho ao am-ponao izao teny [avy amin’i Jehovah] andidiako anao anio izao.” — Deoteronomia 6:6, izahay no manao sora-mandry.

5. Oviana ary tamin’ny fomba ahoana no tsy maintsy nampianaran’ireo ray aman-dreny isiraelita ny zanany, ary inona no dikan’ny hoe ‘mandentika’?

5 Ny fianarana tsy tapaka ny Baiboly, ny fisaintsainana, sy ny vavaka dia manomana ny ray aman-dreny mba hanao izay nandidian’i Mosesy, nanaraka izany, toy izao: “[Tsy maintsy alentikao ao amin’ny, NW ] zanakao [ny tenin’i Jehovah], ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha”. Ilay teny hebreo nadika hoe ‘mandentika’ dia midika hoe “mamerina”, “mamerimberina milaza”, “mandatsaka lalina”. Mariho ny fomba nanantitranteran’i Mosesy mafy kokoa, toy izao, ny ilana hitana ny tenin’i Jehovah ho eo amin’ny toerana voalohany: “Fehezo ho famantarana eo amin’ny tànanao ireny, ary aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin’ny handrinao, ary soraty eo amin’ny tolam-baravaran’ny tranonao sy eo amin’ny vavahadinao.” Mazava fa i Jehovah dia mitaky ny hanomezan’ny ray aman-dreny fiheverana feno fitiavana tsy tapaka an’ireo zanany! — Deoteronomia 6:7-9.

6. Inona no tsy maintsy nalentiky ny ray aman-dreny tao amin’ny zanany, ary inona no soa noraisina?

6 Inona ‘ireo tenin’i Jehovah ireo’ izay tsy maintsy nalentiky ny ray aman-dreny tao amin’ny zanany? I Mosesy dia vao avy nanonona an’izay antsoina amin’ny fomba mahazatra hoe ny Didy Folo, anisan’izany ireo didy mba tsy hamono olona, mba tsy hijangajanga, mba tsy hangalatra, mba tsy hanaiky ho vavolombelona mandainga, ary mba tsy hitsiriritra. Ireo zavatra takina mahakasika ny fitondran-tena ireo, ary koa ilay didy mba ho ‘tia an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra’, no zavatra tsy maintsy nalentiky ny ray aman-dreny isiraelita indrindra, tao amin’ireo zanany tanora. (Deoteronomia 5:6-21; 6:1-5). Tsy ekenao ve fa izany no karazana fampianarana ilain’ny ankizy amin’izao andro izao?

7. a) Noharina tamin’inona ny zanaka ao amin’ny Baiboly? b) Inona no hodinihintsika izao?

7 Nilazana toy izao ny ray isiraelita: “Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra ao anatin’ny tranonao; ny zanakao dia tahaka ny zanak’oliva manodidina ny latabatrao.” (Salamo 128:3). Kanefa, mba hahitan’ny ray aman-dreny fifaliana fa tsy alahelo amin’ireo “zana-kazony”, dia tsy maintsy maneho fahalianana manokana isan’andro amin’ny zanany, izy ireo. (Ohabolana 10:1; 13:24; 29:15, 17). Andeha isika handinika ny fomba ahafahan’ny ray aman-dreny mampiofana, manondraka amin’ny lafiny ara-panahy, miaro, sy manafay amim-pitiavana ny zanany, mba hahitany ny tena fifaliana amin’izy ireo.

Fampiofanana raha mbola zazakely

8. a) Iza avy no hazo mpampiofana ho an’i Timoty? b) Oviana no nanomboka ilay fampiofanana, ary inona no vokany?

8 Diniho ny amin’i Timoty izay nandray tohana, raha azo atao ny milaza izany, avy tamin’ny hazo mpampiofana roa niorina mafy — dia ny reniny sy ny renibeny. Koa satria Grika ary niharihary fa tsy mpino, ny rain’i Timoty, dia ny reniny jiosy, i Eonika, sy ny renin’izy io, i Loisa, no nampiofana ilay zazalahy ‘raha mbola zazakely, tamin’ny soratra masina’. (2 Timoty 1:5; 3:15, NW; Asan’ny Apostoly 16:1). Ny fahazotoan’izy ireo tamin’ny fampianarana an’i Timoty — na dia fony izy io mbola zazakely aza — ny amin’ireo “fahagagana izay efa nataony [i Jehovah]”, dia novalian-tsoa tamin’ny fomba tondraka. (Salamo 78:1, 3, 4). Lasa misionera tany an-tany lavitra i Timoty, angamba fony izy mbola zatovo, ary nanana anjara asa lehibe izy teo amin’ny fanatanjahana ireo kongregasiona kristiana tany am-boalohany. — Asan’ny Apostoly 16:2-5; 1 Korintiana 4:17; Filipiana 2:19-23.

9. Ahoana no ahafahan’ny tanora mianatra manalavitra ny fandriky ny fitiavana fatratra zavatra ara-nofo?

9 Ry ray aman-dreny, karazana hazo mpampiofana manao ahoana ianareo? Ohatra, irinareo ve ny hambolen’ny zanakareo fomba fijery voalanjalanja momba ireo zavatra ara-nofo? Raha izany no izy, dia tsy maintsy manome ny ohatra mety ianareo amin’ny tsy fikatsahana ireo zavajavatra rehetra heverina ho manamora ny fiainana nivoaka farany indrindra, na ireo zavatra hafa tsy tena ilainareo. Raha mifidy ny hikatsaka tombontsoa ara-nofo ianareo, dia aza gaga rehefa mahita ny zanakareo maka tahaka anareo. (Matio 6:24; 1 Timoty 6:9, 10). Eny tokoa, raha tsy mahitsy ilay hazo mpanazatra, ahoana moa no hahafahan’ilay zana-kazo hitombo mahitsy?

10. Fitarihan-dalan’iza no tokony hotadiavin’ny ray aman-dreny foana, ary inona no fihetsika tokony hananan’izy ireo?

10 Ny ray aman-dreny izay mahita fifaliana amin’ny zanany dia hitady tsy an-kijanona ny fanampian’Andriamanitra mba hampiofanana azy ireo, ka hihevitra foana izay ho tombontsoa tsara indrindran’ny zanany, eo amin’ny lafiny ara-panahy. Nitantara toy izao ny reny iray nanan-janaka efatra: “Na dia talohan’ny nahaterahan’ireo zanakay aza, dia nivavaka tsy tapaka tamin’i Jehovah izahay, mba hanampy anay ho ray aman-dreny tsara, hotarihin’ny Teniny, sy hampihatra azy io eo amin’ny fiainanay.” Toy izao ny teny nanampiny: “Ny hoe ‘I Jehovah no eo amin’ny toerana voalohany’ dia tsy fiteny nahazatra fotsiny, fa fomba niainanay ny fiainanay mihitsy.” — Mpitsara 13:8.

Fanomezana “rano” tsy tapaka

11. Samy mitaky inona ny zana-kazo sy ny ankizy mba hitomboana?

11 Ireo zana-kazo indrindra no mila ny homena rano tsy an-kijanona, araka ny asehon’ny hatsaran’ny fanirin’ireo hazo eny amoron’ny ony. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 22:1, 2.) Ireo zazakely koa dia hiroborobo amin’ny lafiny ara-panahy, raha omena tsy tapaka amin’ny ranon’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Mila mihevitra ny halavam-potoana ahafahan’ny zanany mampifantoka ny sainy anefa ny ray aman-dreny. Angamba handaitra kokoa ireo fotoam-pianarana fohy kokoa atao matetika, noho ireo fotoam-pianarana lava nefa vitsy. Aza hamaivanina ny hasarobidin’ireny fotoana fohy kokoa ireny. Ny fandaniana fotoana miaraka dia tena zava-dehibe mba hamoronana fifamatorana akaiky eo amin’ny ray na reny sy ny zanaka, fifanakekezana izay ampirisihana amin’ny fomba miverimberina ao amin’ny Soratra Masina. — Deoteronomia 6:6-9; 11:18-21; Ohabolana 22:6.

12. Manao ahoana ny hasarobidin’ny fiaraha-mivavaka amin’ireo ankizy madinika?

12 Azo alaina amin’ny fifaranan’ny andro ny iray amin’ireo fotoana iarahana amin’ny ankizy madinika. Toy izao no tsaroan’ny tanora iray: “Nipetraka teo an-tongo-pandriana isan’alina ny ray aman-dreniko, ary nihaino anay nanonona ny vavakay manokana.” Izao no nambaran’ny iray hafa momba ny hasarobidin’ny fanaovana toy izany: “Nahatonga ahy ho zatra nivavaka tamin’i Jehovah isan’alina, alohan’ny hatoriana, izany.” Rehefa mandre ny ray aman-dreniny miresaka momba an’i Jehovah sy mivavaka aminy isan’andro ny ankizy, dia manjary tena persona aminy i Jehovah. Hoy ny tovolahy iray hoe: “Afaka nanakimpy ny masoko mba hivavaka tamin’i Jehovah aho, ary nahita olona iray tena toy ny raibe. Nanampy ahy ny ray aman-dreniko mba hahita fa i Jehovah dia manana anjara eo amin’ny zavatra rehetra ataonay sy teneninay.”

13. Inona no azo ampidirina ao amin’ireo fotoam-pianarana tsy tapaka?

13 Mba hanampiana ireo ankizy madinika handray ny ranon’ny fahamarinana ara-baiboly, ny ray aman-dreny dia afaka mampiditra zavatra azo ampiharina maro, ao amin’ireo fotoam-pianarana atao tsy tapaka. Hoy ny ray aman-drenin’ny ankizy roa mbola tsy nahatratra ny taona maha-zatovo hoe: “Ireo ankizy dia samy nanomboka nahazo fampiofanana mba tsy hikofokofoka tany amin’ny Efitrano Fanjakana, hatramin’ireo herinandro voalohany teo amin’ny fiainan’izy ireo.” Nilazalaza toy izao izay nataon’ny fianakaviany ny ray iray: “Nataonay lisitra tamin’ny tapa-baoritra kely atao indeksa, ny boky rehetra ao amin’ny Baiboly, ary nifandimby izahay rehetra nizatra nandamina azy ireo araka ny filaharany avy. Tsy andrin’ny ankizy foana ny hanaovana izany.” Fianakaviana maro no mampiditra fotoam-pianarana fohy, aloha na aorian’ny fotoam-pisakafoana iray. Hoy ny raim-pianakaviana iray hoe: “Fotoana tsara ho anay mba handinihana ny andinin-teny ara-baiboly natao hovakina isan’andro, ny sakafo hariva.”

14. a) Inona avy ireo asa ara-panahy mitondra valisoa azo iaraha-manao amin’ireo ankizy madinika? b) Inona no fahafahana mianatra ananan’ny ankizy?

14 Ireo ankizy madinika koa dia mankafy ny fihainoana ireo fitantarana velombelona ao amin’ny Baiboly hita ao amin’ny Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly.a “Fony mbola kely ireo ankizy”, hoy ny fanamarihan’ny mpivady iray, “dia lesona iray no nodinihina tao amin’ny Ny Bokiko, ary avy eo dia nanao fitafiana manokana ireo ankizy ka nilalao ireo anjara, tamin’ny endriky ny fampisehoana tantara kely. Tian’izy ireo erỳ ilay izy, hany ka matetika dia tsy namelany raha tsy tantara nihoatra ny iray no natao isaky ny fianarana.” Aza hamaivanina ny fahafahan’ny zanakao mianatra! Nisy ankizy efa-taona nahay an-kandrina toko manontolo tamin’ny Ny Bokiko, ary nianatra namaky ny Baiboly mihitsy aza! Tsaroan’ny tanora iray fa fony izy tokony ho telo taona sy tapany, dia diso hatrany hatrany ny fanononany ny hoe “didim-pitsarana”, kanefa nampirisihin-drainy izy mba hanohy hanao fanazaran-tena.

15. Zavatra inona avy no azo ampidirina ao amin’ny fiaraha-midinika amin’ireo ankizy, ary inona no porofo fa sarobidy ireny fiaraha-midinika ireny?

15 Ireo fotoana iarahana amin’ny zanakao madinika dia azo ampiasaina koa mba hanomanana azy hizara ny ranon’ny fahamarinana amin’ny hafa, ohatra, amin’ny fanomezana valin-teny any am-pivoriana. (Hebreo 10:24, 25). “Nandritra ireo fotoam-panazaran-tena nataonay aho dia tsy maintsy namaly tamin’ny fiteniko manokana”, hoy ny tsaroan’ny tanora iray. “Tsy navela hamaky fotsiny tsy nisy fahazoana hevi-javatra, aho.” Fanampin’izany, ireo ankizy dia azo ampiofanina mba handray anjara misy heviny eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Manazava toy izao ny vehivavy iray nobeazin’ny ray aman-dreny matahotra an’Andriamanitra: “Tsy kofehy nanara-panjaitra velively izahay ka hoe nanaraka fotsiny ireo ray aman-dreninay tamin’ny asany. Fantatray fa nandray anjara izahay, na dia ny hoe nampaneno fotsiny ny fanairana teo am-baravarana aza ary nametraka taratasy fanasana iray. Tamin’ny alalan’ny fanomanana tamim-pitandremana talohan’ireo asa natao tamin’ny faran’ny herinandro tsirairay, dia fantatray izay tokony holazainay. Na oviana na oviana, izahay dia tsy nifoha ny asabotsy maraina, ka nanontany raha handeha ho eny amin’ny fanompoana na tsia. Fantatray fa handeha izahay.”

16. Nahoana no zava-dehibe ny tsy fahatapatapahana eo amin’ny fanaovana fianaram-pianakaviana miaraka amin’ireo ankizy?

16 Tsy ho tafahoatra mihitsy ny hanantitranterana fa ilaina ny manome tsy tapaka an’ireo ankizy madinika, ny ranon’ny fahamarinana ara-baiboly, izany hoe tena zava-dehibe ny fianaram-pianakaviana mifototra amin’ny Baiboly atao isan-kerinandro. Milaza ny raim-pianakaviana iray manan-janaka roa fa “anton-javatra iray lehibe mampahatezitra ny ankizy ny fiovaovana”. (Efesiana 6:4). Hoy izy hoe: “Nifidy andro sy fotoana iray izahay mivady, ka nitarika tamim-pahatokiana ny fianaram-pianakaviana, araka io fandaharam-potoana io. Tsy ela ireo ankizy dia nanantena an’ilay fianarana tamin’io fotoana io.” Zava-dehibe izany fampiofanana rehetra izany raha mbola zazakely, mifanaraka amin’ny fahamarinan’ilay fitenenana hoe ‘Ny hazo no vanon-ko lakana, hono, dia ny tany naniriany no tsara’.

17. Inona no zava-dehibe mitovy amin’ny fanomezana an’ireo ankizy madinika ireo fahamarinana ara-baiboly?

17 Zava-dehibe ny hanomezana an’ireo ankizy madinika ireo fahamarinana ara-baiboly, kanefa zava-dehibe toy izany koa ny ohatra omen’ny ray aman-dreny. Moa ve ny zanakao mahita anao mianatra, manatrika tsy tapaka ireo fivoriana, mandray anjara amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, eny, mahita fahafinaretana eo am-panaovana ny sitrapon’i Jehovah? (Salamo 40:8). Tena zava-dehibe ny ahitany izany. Misy heviny lehibe ny filazan’ny zanakavavy iray toy izao, ny amin’ny reniny izay niaritra ny fanoheran’ny vadiny ary nanabe zanaka enina ho tonga Vavolombelona mahatoky: “Izay nandaitra indrindra taminay, dia ny ohatra nomen’ny tenan’i Neny — nahery kokoa noho ny teny izany.”

Fanomezana fiarovana an’ireo ankizy madinika

18. a) Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny manome an’ireo ankizy ny fiarovana ilainy? b) Karazana fampianarana inona no noraisin’ireo ankizy madinika teo amin’ny Isiraely nahakasika ireo taovam-pananahana?

18 Toy ny ilan’ireo zana-kazo fiarovana amin’ny bibikely mpanimba voly matetika, dia toy izany koa ny ilan’ireo ankizy madinika fiarovana amin’ny “ratsy fanahy”, eto amin’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ. (2 Timoty 3:1-5, 13). Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny manome io fiarovana io? Amin’ny fanampiana azy ireo hahazo ilay fahendrena araka an’Andriamanitra! (Mpitoriteny 7:12). I Jehovah dia nandidy ny Isiraelita — tafiditra tamin’izany ny “ankizy madinika” teo amin’izy ireo — mba hihaino ny famakiana ny Lalàna nomeny, izay nahafaoka ny famantarana ny fitondran-tena nety sy tsy nety teo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy. (Deoteronomia 31:12; Levitikosy 18:6-24). Averimberina resahina ny amin’ireo taovam-pananahana, anisan’izany ny “vihy” sy ny “filahiana”. (Levitikosy 15:1-3, 16, NW; 21:20; 22:24; Nomery 25:8, NW; Deoteronomia 23:10). Noho ny fahasimbana ara-pitondran-tena efa mahatratra ny fara tampony eo amin’izao tontolo izao ankehitriny, ireo ankizy madinika dia mila mahafantatra ny fampiasana mety sy tsy mety an’ireo taova ireo izay tafiditra amin’ny zavatra noforonina nantsoin’Andriamanitra hoe “tsara indrindra”. — Genesisy 1:31; 1 Korintiana 12:21-24.

19. Inona no toromarika mifanentana mahakasika ireo taovam-pananahana sy taova fivoahan-doto tokony homena an’ireo ankizy madinika?

19 Raha ny tsara indrindra, dia samy tokony hampahafantatra an’ilay ankizy ireo taovam-pananahana sy taova fivoahan-doto ireo ray aman-dreny, na ny olon-dehibe tsirairay mitaiza azy. Tokony hohazavain’izy ireo àry, fa tsy misy olon-kafa tokony havela hikasika an’ireo faritra ireo. Koa satria ireo mpanao fihetsika vetaveta amin’ny ankizy no matetika mitsapa izay fihetsik’ireny ankizy kely ireny manoloana ny fanandramana manao zavatra mifandray amin’ny maha-lahy na maha-vavy feno hafetsena, dia tokony hampianarina hanohitra amin’ny fomba hentitra ny ankizy, ary hiteny hoe: “Halazako ianao izao!” Ampianaro an’ireo zanakao madinika fa tokony handaza foana izy ny olona na iza na iza nanandrana nikasika azy tamin’ny fomba nahatonga azy hahatsiaro ho hafahafa, na toy inona na toy inona fandrahonana mampahatahotra natao.

Fanomezana famaizana feno fitiavana

20. a) Amin’ny ahoana ny famaizana no sahala amin’ny fandrantsanana? b) Manao ahoana ny fiantraikan’ny famaizana eo am-boalohany, kanefa inona no vokatra azo?

20 Mandray soa avy amin’ny famaizana feno fitiavana ireo ankizy madinika, dia toy ny andraisan’ny hazo soa avy amin’ny fandrantsanana. (Ohabolana 1:8, 9; 4:13; 13:1). Rehefa tapahina ireo rantsana tsy irina, dia mihamitombo tsara kokoa ireo hafa. Koa raha mifantoka manokana amin’ny fananana ara-nofo ny zanakao, na mirona hanana naman-dratsy na fialam-boly tsy mahasoa, ireo fironan-dratsy ireo dia toy ny rantsana izay ilaina hotapahina. Raha esorina izy ireny, dia hampiana mba hitombo eo amin’ny fitarihana ara-panahy ireo zanakao. Eo am-boalohany, ny famaizana toy izany dia mety ho toa tsy mahafinaritra, dia toy ny fandrantsanana izay mety hahatonga fikorontanana eo amin’ny hazo. Ny vokatra tsara dia tsaran’ny famaizana anefa, dia fitomboana nohavaozina eo amin’ny fitarihana irinao hitomboan’ny zanakao. — Hebreo 12:5-11.

21, 22. a) Inona no mampiseho fa samy tsy mahafinaritra, na ny manome famaizana na ny mandray izany? b) Nahoana ny ray aman-dreny no tsy tokony hiahotra hanome famaizana?

21 Ekena mora foana fa, samy tsy mahafinaritra eo am-boalohany, na ny manome famaizana na ny mandray izany. “Ny zanako lahy dia niara-nandany fotoana betsaka ihany tamin’ny tanora iray izay nampitandreman’ny loholona ahy fa namana tsy tsara”, hoy ny nomarihin’ny raim-pianakaviana iray. “Tokony ho nanao zavatra haingana kokoa noho izay nataoko aho. Na dia tsy voarohirohy tamin’ny fanaovan-dratsy nibaribary aza ilay zanako lahy, dia nila fotoana ny fanitsiana ny fiheviny.” Nanao izao fanamarihana izao ilay zanakalahy: “Rehefa nosarahina tamin’ilay mpinamana be tamiko aho, dia nalahelo mafy.” Nanampy teny toy izao anefa izy: “Fanapahan-kevitra tsara izany, satria tsy ela taorian’izay dia voaroaka izy.”

22 “Làlan’aina ny anatra famaizana”, hoy ny Tenin’Andriamanitra. Koa na toy inona na toy inona mety ho fahasarotan’ny fanomezana famaizana, dia aza miahotra manome izany ho an’ny zanakao. (Ohabolana 6:23; 23:13; 29:17). Rehefa mandeha ny fotoana, dia ho velom-pankasitrahana izy ireo noho ny nanitsianao azy. “Tadidiko fa tezitra aoka izany tamin’ny ray aman-dreniko aho, rehefa nofaizina”, hoy ny tsaroan’ny tanora iray. “Ankehitriny aho dia mbola ho tezitra kokoa raha tsy nomen’ny ray aman-dreniko ahy izany famaizana izany.”

Mendrika ny hanaovana ilay fiezahana ny valisoa

23. Nahoana no mendrika ny hanaovana fiezahana ny fiheverana feno fitiavana rehetra atao ho an’ireo tanora?

23 Tsy misy isalasalana ny amin’ny hoe, ny ankizy izay ahitan’ny ray aman-dreny sy ny hafa koa fifaliana, dia vokatry ny fiheverana betsaka feno fitiavana isan’andro. Kanefa, ny fiezahana rehetra atao ho azy ireny — na zanaka nateraka izy ireny na zanaka ara-panahy — dia mendrika ilay valisoa mety ho azo. Izany no nasehon’i Jaona, ilay apostoly be taona, rehefa nanoratra toy izao izy: “Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.” — 3 Jaona 4.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

Tadidinao Ve?

◻ Samy mila inona ny zana-kazo sy ny ankizy mba ho mendri-piderana izy ireo?

◻ Ahoana, raha ny marina, no hahatonga ny ray aman-dreny ho hazo mpampiofana mahita vokatra?

◻ Inona no azo ampidirina amin’ireo fotoam-pianarana iarahana amin’ireo ankizy madinika, ary inona no tokony hampianarina azy ireo mba hotoheriny?

◻ Ahoana no andraisan’ny ankizy soa avy amin’ny famaizana, toy ny andraisan’ny hazo soa avy amin’ny fandrantsanana?

[Sary nahazoan-dalana, pejy 10]

Courtesy of Green Chimney’s Farm

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara