Mahereza Arakaraka ny Anakekezan’ny Famonjena
“Momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.” — JEREMIA 1:19.
1, 2. Nahoana no mila famonjena ny fianakavian’olombelona?
FAMONJENA! Teny mampionona re izany! Ny hoe vonjena dia midika hoe avotana, afahana amin’ny toe-javatra ratsy, tarehin-javatra tsy mahasambatra. Tafiditra amin’izany ilay hevitra hoe ampidirina ao anatin’ny toe-piainana tsara sy sambatra lavitra.
2 Amim-pamoizam-po toy inona moa no ilan’ny fianakavian’olombelona izany fanavotana izany amin’izao fotoana izao! Hatraiza hatraiza ny olona dia ampahorina sy kivy noho ireo olana sarotra — ara-toe-karena sy ara-tsosialy, ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pihetseham-po. Ny ankamaroan’olona dia tsy faly sy diso fanantenana amin’ny fizotran’izao tontolo izao, ka maniry fiovana ho amin’ny tsara kokoa. — Isaia 60:2; Matio 9:36.
‘Fotoan-tsarotra tsy mora setraina’
3, 4. Nahoana no ilaina bebe kokoa ny famonjena ankehitriny?
3 Koa satria nisy fahoriana lehibe kokoa noho ny hafa rehetra itỳ taonjato faha-20 itỳ, dia ilaina bebe kokoa noho ny hatramin’izay ny famonjena ankehitriny. Amin’izao andro izao, dia olona mahery lavitra ny arivo tapitrisa no miaina ao anatin’ny fahantrana faraidiny, ary miampy 25 tapitrisa eo ho eo io isa io isan-taona. Isan-taona, dia ankizy tokony ho 13 tapitrisa no maty noho ny faharatsian-tsakafo na noho ny antony hafa mifandray amin’ny fahantrana — izany hoe maherin’ny 35 000 isan’andro! Ary zokiolona an-tapitrisany maro no maty aloha be noho ny aretina maro samihafa. — Lioka 21:11; Apokalypsy 6:8.
4 Niteraka fijaliana tsy hay lazaina ireo ady sy fihetsiketseham-bahoaka. Ilay boky hoe Death by Government (Fahafatesana Nateraky ny Fitondram-panjakana) dia nilaza fa ireo ady sy fifandrafiana ara-poko sy ara-pivavahana, ary ny famonoana tambabe nataon’ny fitondram-panjakana tamin’ireo olom-pirenena tao aminy, dia “namono olona maherin’ny 203 tapitrisa nandritra itỳ taonjato itỳ”. Hoy koa izy io: “Nety ho efa ho 360 tapitrisa ny tena isan’ny maty. Toy ny hoe naripaky ny Pesta Mainty maoderina ny karazana misy antsika. Ary tsy azo lavina fa ripaka izy, saingy tamin’ny pesta avy amin’ny Fahefana, fa tsy avy amin’ny tsimok’aretina.” Izao no nomarihin’ilay mpanoratra atao hoe Richard Harwood: “Tsinontsinona ireo ady barbariàna tamin’ireo taonjato lasa raha ampitaina amin’izany.” — Matio 24:6, 7; Apokalypsy 6:4.
5, 6. Inona no mahatonga ny androntsika hampahory aoka izany?
5 Manampy trotraka ny toe-piainana efa mampahory tao anatin’ireo taona faramparany ny fitomboana be eo amin’ny heloka bevava feno herisetra, ny fahalotoam-pitondran-tena, sy ny faharavan’ny fianakaviana. Nomarihin’i William Bennett, Sekreteram-panjakana Amerikana Momba ny Fampianarana taloha, fa tao anatin’ny 30 taona, ny mponina any Etazonia dia nitombo 41 isan-jato, kanefa ny heloka bevava feno herisetra dia nitombo 560 isan-jato, ireo zazasary 400 isan-jato, ny fisaraham-panambadiana dia 300 isan-jato, ary ny tahan’ny famonoan-tena eo amin’ny zatovo dia 200 isan-jato. I John DiIulio, Jr., Profesoran’ny Oniversiten’i Princeton dia nampitandrina ny amin’ny fitomboan’ny laharan’ireo tanora “mpiremby faran’izay kingalahy” izay “mamono olona, manafika, misavika, mandroba, mamaky trano ary mamorona korontana lehibe eo amin’ny fiaraha-monina. Tsy atahoran’izy ireo ny fahafaham-baraka entin’ny fisamborana, na ny sazy an-tranomaizina na ny fanenjehan’ny feon’ny fieritreretana”. Any amin’io tany io, dia ny vonoana olona izao no antony lehibe indrindra faharoa mahatonga fahafatesana eo amin’ireo zatovo 15 ka hatramin’ny 19 taona. Ary ankizy latsaka ny efa-taona maro kokoa no maty vokatry ny fitondrana ratsy natao taminy noho ny maty vokatry ny aretina.
6 Tsy voafetra ho amin’ny firenena iray ihany ny heloka bevava sy ny herisetra toy izany. Ny ankamaroan’ireo tany dia manao tatitra ny amin’ny fironana mitovy amin’izany. Mandray anjara amin’izany ny firongatry ny fampiasana zava-mahadomelina tsy ara-dalàna izay manimba olona an-tapitrisany maro. Hoy ny Sydney Morning Herald any Aostralia: “Ny varo-maizina zava-mahadomelina iraisam-pirenena dia nanjary fandraharahana faharoa ahazoana tombony be indrindra maneran-tany, manarakaraka ny varotra fitaovam-piadiana.” Anton-javatra hafa iray ny herisetra sy ny fahalotoam-pitondran-tena izay manenika ny televiziona ankehitriny. Any amin’ny tany maro, amin’ny fotoana ahatratraran’ny ankizy iray ny faha-18 taonany, dia efa nahita herisetra an’aliny maro tao amin’ny televiziona sy fahalotoam-pitondran-tena tsy tambo isaina izy. Hery manimba tena lehibe izany satria ny toetra maha-izy antsika dia volavolain’izay amahanantsika tsy tapaka ny saintsika. — Romana 12:2; Efesiana 5:3, 4.
7. Ahoana no nanambaran’ny faminanian’ny Baiboly mialoha izao toe-piainana ratsy izao?
7 Nanambara mialoha araka ny marina ny amin’izao zotra mahatahotra arahin’ny zava-mitranga amin’ny taonjato misy antsika izao ny faminaniana ao amin’ny Baiboly. Nolazainy fa hisy ady, valanaretina, tsy fahampian-tsakafo sy fitomboan’ny tsy fankatoavan-dalàna haneran-tany. (Matio 24:7-12; Lioka 21:10, 11). Ary rehefa mandinika ilay faminaniana voarakitra ao amin’ny 2 Timoty 3:1-5 (NW ) isika, dia toy ny hoe mihaino vaovao isan’andro. Mampahafantatra ny vanim-potoana misy antsika ho “andro farany” izy io ary milazalaza ny olona ho ‘tia tena, tia vola, tsy hankatò ray aman-dreny, hivadika, tsy hanana firaiketam-po voajanahary, tsy hanana fifehezan-tena, ho lozabe, hibontsina noho ny fieboeboana, ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra’. Toy izany tsy misy diso ny tontolo amin’izao andro izao. Niaiky toy izao i William Bennett: “Be dia be loatra tsotra izao ny famantarana fa (...) nanjary lo tanteraka ny sivilizasiona.” Nisy mihitsy aza nilaza fa nifarana tamin’ny ady lehibe voalohany ny sivilizasiona.
8. Nahoana Andriamanitra no nahatonga ny Safo-drano tamin’ny andron’i Noa, ary ahoana no ifandraisan’izany amin’ny androntsika?
8 Mbola ratsy kokoa mihitsy aza ny tarehin-javatra ankehitriny, noho ny talohan’ny Safo-dranon’i Noa, fony “heni-doza” ny tany. Tamin’izany, dia nanda tsy hibebaka tamin’ny lalan-dratsiny ny olona tamin’ny ankapobeny. Noho izany, dia hoy Andriamanitra: “Heni-doza ny tany noho ny amin’ny olona, ka, indro, efa handringana azy (...) Aho.” Namarana izany tontolo nahery setra izany ny Safo-drano. — Genesisy 6:11, 13; 7:17-24.
Tsy misy famonjena avy amin’olombelona
9, 10. Nahoana isika no tsy tokony hiandrandra olombelona mba hitondra famonjena?
9 Afaka mamonjy antsika amin’izao toe-piainana ratsy izao ve ireo fiezahan’olombelona? Mamaly toy izao ny Tenin’Andriamanitra: “Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy.” “Tsy (...) an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” (Salamo 146:3; Jeremia 10:23). Nohamarinin’ny tantara an-taonany maro ireo fahamarinana ireo. Efa nandraman’ny olombelona izao rafitra ara-politika sy ara-toe-karena ary ara-tsosialy azo saintsainina rehetra izao, kanefa dia niharatsy ny toe-piainana. Raha nisy vahaolana hitan’olombelona, dia ho efa niharihary izany ankehitriny. Ny zava-misy kosa anefa dia hoe ‘manapaka ny namany ny olona ka mampiditra loza aminy’. — Mpitoriteny 8:9; Ohabolana 29:2; Jeremia 17:5, 6.
10 Taona vitsivitsy lasa izay, dia niteny toy izao i Zbigniew Brzezinski, mpanolo-tsaina teo aloha tao amin’ny filan-kevi-pilaminam-pirenena amerikana: ‘Izao no fanatsoahan-kevitra tsy azo ialana, rehefa fakafakaina amin’ny fomba tsy miangatra ny fironana maneran-tany: Azo inoana fa hanjary hiely patrana kokoa ny fisafotofotoana izaitsizy ara-tsosialy, ny korontana politika, ny krizy ara-toe-karena, sy ny tsy fifankahazoana iraisam-pirenena.’ Nanampy teny toy izao izy: “Fanjakan’i Baroa maneran-tany no fandrahonana atrehin’ny taranak’olombelona.” Vao mainka aza marim-pototra kokoa izany fanombanana ny toe-piainana maneran-tany izany amin’izao andro izao. Raha nanazava izao vanim-potoana itomboan’ny herisetra izao ny matoan-dahatsoratra iray tao amin’ny Register any New Haven, Connecticut, dia nanambara hoe: “Toa lasa lavitra loatra isika ka tsy afaka mampijanona azy io.” Tsia, tsy hisy fijanonany ny fikororosian’itỳ tontolo itỳ, satria milaza toy izao koa ny faminaniana momba izao “andro farany” izao: “Ireo ratsy fanahy sy mpisoloky dia mandroso miharatsy kokoa hatrany, sady mamitaka no voafitaka.” — 2 Timoty 3:13, NW.
11. Nahoana no tsy ho voakosoky ny ezaka ataon’olombelona ny toe-piainana miharatsy hatrany?
11 Tsy afaka mikosoka izany fironana izany ny olombelona satria i Satana no “andriamanitr’izao tontolo izao”. (2 Korintiana 4:4). Eny, “izao tontolo izao (...) dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa”. (1 Jaona 5:19; jereo koa ny Jaona 14:30.) Marina ny ilazan’ny Baiboly ny androntsika hoe: “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.” (Apokalypsy 12:12). Fantatr’i Satana fa madiva hifarana ny fanapahany sy ny tontolony, koa sahala amin’ny “liona mierona mitady izay harapany”, izy. — 1 Petera 5:8.
Akaiky ny famonjena — ho an’iza?
12. Mihamanakaiky ny famonjena an’iza?
12 Ny toe-piainana mihasarotra hatrany eto an-tany dia porofo manaitra fa efa antomotra ny fiovana lehibe iray — eny, famonjena lehibe tokoa! Ho an’iza? Mihamanakaiky ny famonjena ho an’ireo izay manisy fiheverana an’ireo famantarana fampitandremana ka manao zavatra mifanentana amin’izany. Asehon’ny 1 Jaona 2:17 izay tsy maintsy atao: “Mandalo izao fiainana izao [ny fandehan-javatr’i Satana] sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” (Izahay no manao sora-mandry.) — Jereo koa ny 2 Petera 3:10-13.
13, 14. Ahoana no nanantitranteran’i Jesosy ny ilana hiambenana?
13 Nambaran’i Jesosy mialoha fa tsy ho ela ny fitambaran’olona simba ara-pitondran-tena amin’izao andro izao dia ho ringana tanteraka ao anatin’ny fotoam-pikorontanana “tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony”. (Matio 24:21). Izany no antony nampitandremany toy izao: “Mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ny vokatry ny [fihinanana tafahoatra sy ny fisotroana tafahoatra ary ny fanahiana eo amin’ny fiainana, NW ], ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany. Fa hihatra amin’izay rehetra mitoetra etỳ ambonin’ny tany rehetra izany. Fa miambena ka mivavaha mandra-kariva, mba hahery hianareo ka handositra izay zavatra ho avy rehetra izany”. — Lioka 21:34-36.
14 Ireo izay ‘mitandrina’ sy ‘miambina’ dia hitady izay hahafantarana ny sitrapon’Andriamanitra ka hanao izany. (Ohabolana 2:1-5; Romana 12:2). Ireo no hahavita “handositra” ilay fandringanana hampiharina tsy ho ela amin’ny fandehan-javatr’i Satana. Ary afaka matoky tanteraka izy ireo fa hovonjena. — Salamo 34:15; Ohabolana 10:28-30.
Ilay mpanavotra lehibe indrindra
15, 16. Iza ilay Mpamonjy lehibe indrindra, ary nahoana isika no mahazo antoka fa ho marina ny didim-pitsarany?
15 Mba hanavotana ireo mpanompon’Andriamanitra, dia ilaina hesorina i Satana sy ny fandehan-javany maneran-tany manontolo. Izany dia mitaky loharanom-panavotana mahery lavitra noho ny olombelona. I Jehovah Andriamanitra izany loharano izany, dia ilay Tompom-piandrianana Tampony, ilay Mpamorona tsitoha an’izao rehetra izao mahatalanjona. Izy no ilay Mpamonjy lehibe indrindra: “Izaho dia Izaho ihany no Jehovah, ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho.” — Isaia 43:11; Ohabolana 18:10.
16 Ao amin’i Jehovah no misy ny hery sy ny fahendrena sy ny rariny ary ny fitiavana, amin’ny ambaratonga fara tampony. (Salamo 147:5; Ohabolana 2:6; Isaia 61:8; 1 Jaona 4:8). Koa rehefa hanatanteraka ny didim-pitsarany izy, dia afaka mahazo antoka isika fa ho marina ny asany. Nanontany toy izao i Abrahama: “Tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra?” (Genesisy 18:24-33). Nihiaka toy izao i Paoly: “Misy tsi-fahamarinana va amin’Andriamanitra? Sanatria izany!” (Romana 9:14). Nanoratra toy izao i Jaona: “Eny, [Jehovah, NW ] ô, Andriamanitra Tsitoha, marina sy mahitsy ny fitsaranao.” — Apokalypsy 16:7.
17. Ahoana no nilazan’ireo mpanompon’i Jehovah tamin’ny lasa ny fatokian’izy ireo ny fampanantenany?
17 Rehefa mampanantena famonjena i Jehovah, dia hanatanteraka izany tsy misy diso izy. Hoy i Josoa: “Tsy nisy latsaka na dia kely akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nolazain’i Jehovah”. (Josoa 21:45). Nilaza toy izao i Solomona: “Tsy misy latsaka na dia teny iray aza tamin’izay teny soa rehetra nampilazainy”. (1 Mpanjaka 8:56). Nomarihin’i Paoly fa i Abrahama dia “tsy niahanahana (...) tamin’ny tsi-finoana (...) natoky indrindra fa izay nolazain[’Andriamanitra] dia hainy hatao koa”. Mitovy amin’izany koa i Saraha, “nataony fa mahatoky [Andriamanitra,] Ilay efa nanome ny teny fikasana”. — Romana 4:20, 21; Hebreo 11:11.
18. Nahoana ireo mpanompon’i Jehovah amin’izao andro izao no afaka matoky fa hovonjena?
18 Tsy sahala amin’ny olombelona i Jehovah fa mendri-pitokiana tanteraka, sady tsy mivadika amin’ny teniny. “Jehovah, Tompon’ny maro, efa nianiana hoe: Araka izay noheveriko no hatao aminy, ary araka izy nokasaiko no hotovina aminy”. (Isaia 14:24). Koa rehefa milaza ny Baiboly hoe: “Fantatry ny Tompo izay hamonjeny ny tsara fanahy amin’ny fakam-panahy sy ny hitehirizany ny olona tsy marina amin’ny fijaliana ho amin’ny andro fitsarana”, dia afaka matoky tanteraka isika fa hitranga izany. (2 Petera 2:9). Na dia rehefa rahonan’ireo fahavalo mahery haringana aza ny mpanompon’i Jehovah, dia mahazo fampaherezana izy ireo noho ilay fihetsik’i Jehovah hita taratra ao amin’ny fampanantenany tamin’ny mpaminaniny iray hoe: “Hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao, satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.” — Jeremia 1:19; Salamo 33:18, 19; Titosy 1:2.
Famonjena tamin’ny lasa
19. Ahoana no namonjen’i Jehovah an’i Lota, ary inona no mifanitsy amin’izany amin’izao androntsika izao?
19 Afaka mahazo fampaherezana betsaka isika amin’ny fitantarana ny sasany amin’ireo asa famonjena nataon’i Jehovah taloha. I Lota, ohatra, dia “ory dia ory” noho ny faharatsiana tao Sodoma sy Gomora. Nasian’i Jehovah fiheverana anefa ny ‘fitarainana’ momba ireo tanàna ireo. Tamin’ny fotoana mety indrindra no nandefasany mpitondra hafatra mba hampirisika mafy an’i Lota sy ny fianakaviany mba hivoaka avy tao amin’io faritra io avy hatrany. Inona no vokatr’izany? ‘Namonjy an’i Lota marina’ i Jehovah ka “nataony nanjary lavenona ny tanàna Sodoma sy Gomora”. (2 Petera 2:6-8; Genesisy 18:20, 21). Amin’izao andro izao koa i Jehovah dia mahamarika ny fitarainana momba itỳ tontolon’ny faharatsiana mibaribary itỳ. Rehefa vitan’ireo mpitondra hafatra maoderina amin’ny fetra ilany azy ny asa fanambarana maika ataon’izy ireo, dia hamely itỳ tontolo itỳ i Jehovah, ary hanavotra ny mpanompony, toy ny nataony tamin’i Lota. — Matio 24:14.
20. Lazalazao ny amin’ilay famonjen’i Jehovah ny Isiraely fahiny avy tao Egypta.
20 Tany Egypta fahiny, dia vahoakan’Andriamanitra an-tapitrisany maro no nandevozina. Hoy i Jehovah momba azy ireo: “Efa reko ny fitarainany (...), fantatro ny alahelony; dia efa nidina Aho izao hamonjy azy”. (Eksodosy 3:7, 8). Taorian’ny namelany ny vahoakan’i Jehovah handeha anefa, dia niova hevitra i Farao ka nanenjika azy ireo niaraka tamin’ny tafiny mahery. Toa tapi-dalan-kaleha ny Isiraelita teo amin’ny Ranomasina Mena. Hoy anefa i Mosesy: “Aza matahotra hianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen’i Jehovah, izay hataony ho anareo anio”. (Eksodosy 14:8-14). Nampisaraka ny Ranomasina Mena i Jehovah, ka afa-nandositra ny Isiraelita. Nanafika avy ato aoriana ny tafik’i Farao, kanefa nampiasa ny heriny i Jehovah ka “nanarona azy ny ranomasina: Nilentika tahaka ny firaka ao amin’ny rano mahery izy”. Taorian’izay i Mosesy dia nihira tamim-paharavoana toy izao ho an’i Jehovah: “Iza moa no tahaka Anao, Izay ankalazaina amin’ny fahamasinana, deraina amin’ny fahatahorana, Mpanao fahagagana?” — Eksodosy 15:4-12, 19.
21. Ahoana no namonjena ny vahoakan’i Jehovah tamin’i Amona sy i Moaba ary i Seïra?
21 Tamin’ny toe-javatra hafa iray, dia nandrahona handringana ny vahoakan’i Jehovah ireo firenena fahavalo, dia i Amona sy i Moaba ary i Seïra (Edoma). Hoy i Jehovah: “Aza matahotra na mivadi-po ny amin’ireo olona [fahavalo] betsaka ireo, fa tsy anareo ny ady, fa an’Andriamanitra. (...) Tsy hianareo anefa no hiady (...); mijanòna tsara, fa ho hitanareo ny hamonjen’i Jehovah anareo”. Namonjy ny vahoakany i Jehovah tamin’ny fanisiana fisafotofotoana tao amin’ny laharan’ireo fahavalo, hany ka nifandringana izy ireo. — 2 Tantara 20:15-23.
22. Famonjena mahagaga tamin’i Asyria inona no nataon’i Jehovah ho an’ny Isiraely?
22 Rehefa tonga hamely an’i Jerosalema ny Herim-panjakana Asyriana, dia nihaika an’i Jehovah ny Mpanjaka Sankeriba tamin’ny filazana tamin’ny olona teny amin’ny manda hoe: “Iza moa amin’ny andriamanitra rehetra amin’ireo tany [izay efa resiko] ireo no efa nahavonjy ny taniny tamin’ny tànako, koa aiza no hahavonjen’i Jehovah an’i Jerosalema amin’ny tànako?” Izao no nolazainy tamin’ireo mpanompon’Andriamanitra: “Aza mety hampahatokin’i Hezekia an’i Jehovah hianareo amin’ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika tokoa”. Avy eo dia nivavaka tamin-kafanam-po nangataka famonjena i Hezekia mba “hahafantaran’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany fa Hianao irery ihany no Jehovah”. Namely nahafaty miaramila asyriana 185 000 i Jehovah, ka dia voavonjy ireo mpanompon’Andriamanitra. Tatỳ aoriana, raha nanolotra fanompoam-pivavahana tamin’ireo andriamani-disony i Sankeriba, dia namono nahafaty azy ireo zanany lahy. — Isaia, toko faha-36 sy faha-37.
23. Fanontaniana inona avy momba ny famonjena amin’izao andro izao, no ilana valiny?
23 Azo antoka fa afaka mahazo fampaherezana isika rehefa mahita ny fomba namonjen’i Jehovah ny vahoakany tamin’ny fomba nahatalanjona tamin’ny lasa. Ahoana ny amin’izao andro izao? Ho tafiditra tsy ho ela ao anatin’ny tarehin-javatra mampidi-doza inona ireo mpanompony mahatoky, ka hila ny famonjeny mahagaga? Nahoana izy no niandry hatramin’izao vao hanavotra azy ireo? Inona no ho fahatanterahan’ny tenin’i Jesosy hoe: “Raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo”? (Lioka 21:28). Ary ahoana no hahatongavan’ny famonjena an’ireo mpanompon’Andriamanitra izay efa nody mandry? Handinika ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra manaraka.
Fanontaniana ho Famerenana
◻ Nahoana no ilaina bebe kokoa ny famonjena?
◻ Nahoana isika no tsy tokony hiandrandra olombelona mba hitondra famonjena?
◻ Akaiky ny famonjena an’iza?
◻ Nahoana isika no afaka matoky ny famonjen’i Jehovah?
◻ Oha-pamonjena tamin’ny lasa inona avy no mampahery?
[Sary, pejy 10]
Anisan’ireo natoky tanteraka an’i Jehovah, i Abrahama