Tadidinao Ve?
Nandinika tamim-pitandremana ireo nomerao faramparany tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana ve ianao? Raha izany no izy, dia ho hitanao fa mahaliana ny mitadidy ireto manaraka ireto:
◻ Ahoana no nanarahan’ny mpivady maro amin’izao andro izao ny ohatra tsara dia tsara navelan’i Akoila sy i Prisila?
Nanompo tany amin’ny kongregasiona maromaro samy hafa i Akoila sy i Prisila. Sahala amin’izy ireo, dia Kristiana maro amin’ny andro maoderina no nanao izay hahafahany mba hifindra toerana tany amin’izay ilana fanampiana kokoa. Izy ireo koa dia nahita fifaliana sy fahafaham-po, avy tamin’ny fahitana ny tombontsoan’ilay Fanjakana mitombo sy tamin’ny fahafahana namboly fisakaizana kristiana sarobidy. — 15/12, pejy faha-24.
◻ Ahoana no fomba fijerin’ny Baiboly momba ny zava-pisotro misy alkaola?
Voalanjalanja ny fomba fijerin’ny Baiboly momba ny zava-pisotro misy alkaola. Etsy an-daniny, dia milaza ny Baiboly fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ny divay. (Salamo 104:1, 15). Etsy an-kilany, dia manameloka ny fanaranam-po tafahoatra izy io. (Lioka 21:34; 1 Timoty 3:8; Titosy 2:3; 1 Petera 4:3). — 15/12, pejy faha-27.
◻ Inona no lafiny miavaka iray amin’ny bokin’i Hagay ao amin’ny Baiboly?
Na dia voaforona andininy 38 monja aza ny bokin’i Hagay, dia ampiasaina in-35 ny anaran’Andriamanitra. Toy ny tsy misy aina ny faminaniana toy izany rehefa nosoloana tamin’ny anaram-boninahitra hoe “Tompo” ilay anarana hoe Jehovah. — 1/1, pejy faha-6.
◻ Inona no azo ianarana avy amin’ny fahotan’i Davida sy i Manase?
Na dia namela heloka an’i Davida sy i Manase aza i Jehovah, dia tsy maintsy nizaka ny vokatry ny fanotany ireo lehilahy ireo — sy ny Isiraely koa. (2 Samoela 12:11, 12; Jeremia 15:3-5). Mitovy amin’izany koa fa, na dia mamela ny heloky ny mpanota mibebaka aza i Jehovah amin’izao andro izao, dia mety hisy vokany tsy azo ialana ny zavatra nataon’izy ireo. — 1/1, pejy faha-27.
◻ Amin’ny ahoana no ‘tsara ny tongotr’ireo mitondra teny soa mahafaly’ momba ny Fanjakan’Andriamanitra? (Isaia 52:7).
Ny tongotra no mampandeha ny olona mazàna, rehefa mivoaka mitory amin’ny hafa izy. Izany tongotra izany àry dia tena mampiseho ilay olona tokoa. Koa ho an’ny maro izay mandre sy mandray tsara ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, dia tena tsara tarehy tokoa ny fahitany ny tongotr’ireny iraka ireny. — 15/1, pejy faha-13.
◻ Inona moa ilay asa misy lafiny roa tafiditra amin’ny ‘fitoriana ny filazantsara’? (1 Korintiana 9:16).
Voalohany, dia tsy maintsy manambara ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra isika. Ny lafiny faharoa amin’io asa io dia mahafaoka ny fampianarana an’ireo izay mandray tsara ny fanambarana ilay Fanjakana. — 15/1, pejy faha-23.
◻ Inona avy ireo tombontsoa azon’ny tenantsika avy amin’ny fihirana ny hiran’ilay Fanjakana any amin’ireo fivorian’ny kongregasiona?
Manome antsika fahafahana haneho ny fihetseham-po tsapantsika amin’ny Mpamorona antsika ny fihirana. (Salamo 149:1, 3). Rehefa mihira amin’ny fontsika manontolo isika ao amin’ny kongregasiona, dia mahatonga antsika hanana ny toe-tsaina sy ny toe-po mety ho amin’ny fandaharana hanaraka avy eo izany. Afaka mandrisika antsika handray anjara bebe kokoa amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah izany. — 1/2, pejy faha-28.
◻ Ahoana no ilazana fa ny andro ahaterahana tsy mahaleo ny andro ahafatesana? (Mpitoriteny 7:1).
Mety tsy hahaleo ny andro ahafatesan’ny olona iray ny andro nahaterahany, raha toa izy amin’ny andro ahafatesany ka nahazo laza tsara teo anatrehan’i Jehovah, izay afaka manangana ireo olona mahatoky amin’ny maty. (Jaona 11:25). — 15/2, pejy faha-12.
◻ Nahoana no tokony hanampy antsika manokana ny bokin’ny Mpitoriteny?
Afaka manampy ny tsirairay amintsika izy io mba hanitsy ny fomba fijerintsika ny fiainana sy izay ifantohantsika. (Mpitoriteny 7:2; 2 Timoty 3:16, 17). — 15/2, pejy faha-16.
◻ Mpiraikitra amim-pototra ve ny Vavolombelon’i Jehovah?
Tsia. Na dia manana hevitra ara-pivavahana ekeny mafy aza izy ireo, dia tsy mpiraikitra amim-pototra amin’ilay heviny nanjary nampiasana azy io. Tsy mampiasa fihetsiketsehana sy herisetra mba hanoherana an’ireo izay tsy miray hevitra aminy izy ireo. Manahaka an’i Jesosy Kristy, Mpitarika azy, izy ireo. — 1/3, pejy faha-6.
◻ Misy vokany inona eo amin’ny Kristiana ny tsy fahafantarany ny fotoana marina hiavian’i Jesosy mba hampihatra ny famalian’Andriamanitra?
Izany dia manosika ny Kristiana ho mailo hatrany, ary manome azy ireo fahafahana isan’andro hanaporofo fa manompo an’i Jehovah noho ny antony tsy misy fitiavan-tena izy ireo. — 1/3, pejy faha-13.
◻ Inona no tokony hoheverintsika alohan’ny hitoriana araka ny lalàna ny rahalahy iray izay mety ho nisoloky antsika?
Tokony hoheverintsika ny mety ho vokatr’izany eo amin’ny tenantsika, eo amin’ireo hafa voakasika, eo amin’ny kongregasiona, sy eo amin’ny any ivelany. (1 Korintiana 6:7). — 15/3, pejy faha-22.
◻ Ahoana no ahazoana ny tena fahasambarana?
Toe-po miorina amin’ny finoana marina sy ny fifandraisana tsara amin’i Jehovah ny tena fahasambarana. (Matio 5:3, NW ). — 15/3, pejy faha-23.
◻ Inona no tokony hataon’ny Kristiana iray rehefa antsoina hanao ny raharahan’ny mpitsara mpanampy izy?
Ny Kristiana tsirairay miatrika ny raharahan’ny mpitsara mpanampy dia tsy maintsy mamaritra ny lalan-karahiny, miorina amin’ny fahatakarany ny Baiboly sy ny feon’ny fieritreretany manokana. (Galatiana 6:5). — 1/4, pejy faha-29.