FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 1/6 p. 28
  • Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny Mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Mitovitovy Aminy
  • Fotoana Tokony Hifohazana Hatrany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Voavonjy ho Afaka Amin’ny “Taranaka Ratsy Fanahy” Iray
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Midika ho Inona ho Anao ny Fanatrehan’i Kristy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 1/6 p. 28

Fanontanian’ny Mpamaky

“Ny Tilikambo Fiambenana” 1 Novambra 1995, dia nifantoka tamin’izay nolazain’i Jesosy araka ny vakintsika ao amin’ny Matio 24:34 momba “izao taranaka izao”. Midika ve izany fa misy tsy fahazoana antoka ny amin’ny niorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra tany an-danitra tamin’ny 1914?

Iny fandinihana tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana iny dia tsy nanolotra fanovana velively ny fampianarantsika fototra momba ny 1914. I Jesosy dia nilaza ny famantarana izay hanamarika ny fanatrehany rehefa hahazo ny fahefana ao amin’ilay Fanjakana izy. Manana porofo tondraka isika fa eo am-pahatanterahana io famantarana io nanomboka tamin’ny 1914. Ireo fisehoan-javatra momba ny mosary, ny areti-mandringana, ny horohoron-tany, ary porofo hafa koa, dia manamafy fa hatramin’ny 1914, dia manao zavatra amin’ny maha-Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy. Izany dia manondro fa nanomboka tamin’izay dia efa ao amin’ny fifaranan’ny fandehan-javatra isika.

Inona àry no tian’ilay Ny Tilikambo Fiambenana hohazavaina? Ny manazava izany dia ny hevitra nampiasan’i Jesosy ilay teny hoe “taranaka” ao amin’ny Matio 24:34. Izao no vakin’io andalan-teny io: “Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan’izany rehetra izany.” Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’ny hoe “taranaka”, tamin’ny androny sy amin’ny antsika?

Andinin-teny maro no manamarina fa i Jesosy dia tsy nampiasa ny hoe “taranaka”, nifandray tamin’ny antokon’olom-bitsy na antokon’olona niavaka iray, ka hoe tsy nisy afa-tsy ireo mpitarika jiosy ihany na ireo mpianany tsy nivadika ihany no tiany holazaina. Nampiasa kosa ny hoe “taranaka” izy mba hanamelohana ny sarambaben’ny Jiosy izay nanda azy. Soa ihany anefa fa nisy tamin’ny isam-batan’olona afaka nanao izay nampirisihan’ny apostoly Petera tamin’ny andro Pentekosta, ary nibebaka ka ‘novonjena ho afaka tamin’itỳ taranaka maditra itỳ’. — Asan’ny Apostoly 2:40.

Tao amin’io fanambarana io, dia tsy namaritra mazava taonan’olona na halavam-potoana voafaritra tsara i Petera, no sady tsy nampifamatotra an’ilay “taranaka” tamin’ny daty iray. Tsy nilaza izy hoe ny olona dia tokony hovonjena ho afaka tamin’ilay taranaka teraka tamin’ny taona nahaterahan’i Jesosy na ilay taranaka teraka tamin’ny 29 am.f.i. Niresaka momba ireo Jiosy tsy nino tamin’izany fotoana izany kosa i Petera — ka ny sasany angamba mbola somary tanora, ny hafa kosa be taona kokoa — dia olona izay nandre ny fampianaran’i Jesosy, sy nahita ireo fahagagany na nahare momba izany, ary tsy nanaiky azy ho Mesia.

Miharihary fa izany no hevitra azon’i Petera tamin’ny fampiasan’i Jesosy ny hoe “taranaka”, rehefa niaraka tamin’i Jesosy teo amin’ny Tendrombohitra Oliva izy sy ireo apostoly telo hafa. Mifanaraka amin’ny fanambarana ara-paminaniana nataon’i Jesosy, ny Jiosy tamin’izany fotoana izany — amin’ny heviny fototra, ireo niara-belona tamin’i Jesosy — dia hahita na handre ady, horohoron-tany, mosary ary porofo hafa manambara fa akaiky ny faran’ilay fandehan-javatra jiosy. Raha ny marina, dia tsy lany io taranaka io talohan’ny nahatongavan’ny farany tamin’ny 70 am.f.i. — Matio 24:3-14, 34.

Tsy maintsy ekena anefa fa tsy nandray ireo tenin’i Jesosy tamin’izany heviny izany foana isika. Ny olombelona tsy tanteraka dia manana fironana haniry hamaritra tsara ny fotoana hahatongavan’ny farany. Tsarovy fa na dia ireo apostoly aza dia naniry tsipirian-javatra kokoa, tamin’ny fanontaniana hoe: “Tompoko, amin’izao va no hampodianao ny fanjakana amin’ny Isiraely?” — Asan’ny Apostoly 1:6, izahay no manao sora-mandry.

Nanana fikasana feno fahatsoram-po mitovy amin’izany ireo mpanompon’Andriamanitra amin’ny andro ankehitriny, ka nitady hanatsoaka filazam-potoana mazava iray izay nataony kajy avy tamin’ny 1914, avy tamin’izay nolazain’i Jesosy momba ny hoe “taranaka”. Ohatra, nisy fanjohian-kevitra iray hoe: ny taranaka iray dia afaka maharitra 70 na 80 taona sy voaforon’ny olona ampy taona mba hahatakatra ny hevitr’ny ady lehibe voalohany sy ireo fisehoan-javatra hafa; araka izany, dia afaka manao kajy tombantombana ny fahakekezan’ny farany isika.

Na dia natao tamim-pikasana tsara aza ny fisainana toy izany, moa ve izany nifanaraka tamin’ilay torohevitra nomen’i Jesosy nanaraka izany? Nilaza toy izao i Jesosy: “Fa ny amin’izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin’ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza,] afa-tsy ny Ray ihany. (...) Koa amin’izany miambena hianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ny Tomponareo.” — Matio 24:36-42.

Koa ilay fanazavana vao haingana tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana momba “izao taranaka izao” àry dia tsy nanova ny fahazoantsika ny hevitr’izay nitranga tamin’ny 1914. Tena nanome antsika fahazoan-kevitra mazava kokoa momba ny fampiasan’i Jesosy ny teny hoe “taranaka” anefa izy io, ka manampy antsika hahita fa io fampiasany azy io dia tsy fototra hanaovana kajy — isaina manomboka amin’ny 1914 — momba ny fanakekezantsika ny farany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara