Ahoana no Nanomezan’Andriamanitra Tsindrimandry mba Hanoratana ny Baiboly?
MAHALIANA kokoa tsy toy ny tamin’ny fotoana hafa teo amin’ny tantara ny fampitan-kevitra ankehitriny. Ny telefaonina, ny milina fandefasana fax, ny ordinatera — taona maro lasa izay, iza no ho afaka naka sary an-tsaina fa hisy fotoana hampitan-kafatra saika na aiza na aiza maneran-tany, miaraka amin’ny vava.
Ny karazana fampitan-kevitra mahaliana indrindra anefa dia ilay tsy hain’olombelona — ny fanomezan’Andriamanitra tsindrimandry. Nanome tsindrimandry mpanoratra olombelona 40 teo ho eo i Jehovah mba hamokarana ny Teniny an-tsoratra, ny Baiboly Masina. Tsy misy hafa amin’ny ananan’ny olombelona fitaovana fampitan-kevitra mihoatra ny iray azony ampiasaina, no nampiasan’i Jehovah fomba fampitan-kevitra maromaro mba hanomezana tsindrimandry hanoratana ny Soratra Masina.
Fanaovana soratononina. Nampita hafatra voafaritra mazava Andriamanitra, hafatra izay nampidirina tao amin’ny firaketana an-tsoratry ny Baiboly tatỳ aoriana.a Ohatra, diniho ireo fitsipika mahaforona ny faneken’ny Lalàna. “Soraty ireo teny ireo”, hoy i Jehovah tamin’i Mosesy, “fa araka ireo teny ireo no nanaovako fanekena aminao sy amin’ny Isiraely.” (Eksodosy 34:27). Nadikan’i Mosesy ireo “teny” izay ‘nalahatry ny anjely’ ireo, ary hita ankehitriny ao amin’ny bokin’ny Eksodosy, Levitikosy, Nomery, sy Deoteronomia, ao amin’ny Baiboly. — Asan’ny Apostoly 7:53.
Mpaminany maro hafa, anisan’izany i Isaia, i Jeremia, i Ezekiela, i Amosa, i Nahoma, sy i Mika, no nahazo hafatra voafaritra mazava avy tamin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny anjely. Indraindray ireny lehilahy ireny dia nanomboka ny fanambarany tamin’ny teny hoe: “Izao no lazain’i Jehovah”. (Isaia 37:6; Jeremia 2:2; Ezekiela 11:5; Amosa 1:3; Mika 2:3; Nahoma 1:12). Avy eo izy ireo dia nanao an-tsoratra izay nolazain’Andriamanitra.
Fahitana, nofy, sy fahasondrianana. Ny fahitana iray dia sary, fisehoan-javatra, na hafatra, apetraka ao an-tsain’ny olona iray raha mbola mahatsiaro tena izy, mazàna amin’ny alalan’ny fomba tsy mahazatra. Ohatra, nahita fahitana an’i Jesosy niova tarehy i Petera sy i Jakoba ary i Jaona, “rehefa tafafoha tanteraka izy ireo”. (Lioka 9:28-36, NW; 2 Petera 1:16-21). Tamin’ny toe-javatra sasany, dia nisy hafatra nampitaina tao amin’ny nofy iray, na fahitana tamin’ny alina, izay napetraka tao an-tsain’ilay olona raha mbola natory izy. Noho izany, i Daniela dia nanoratra ireo “fahitan’ny lohako teo am-pandriako” — na, araka ny nandikan’i Ronald A. Knox azy hoe ‘raha mbola nandry nijery tao amin’ny nofiko aho’. — Daniela 4:7.
Miharihary fa revo tanteraka tao anatin’ny fifantohana mafy ny olona iray nataon’i Jehovah ho sondriana be, na dia nahatsiaro tena ihany aza, tamin’ny ampahany. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 10:9-16, NW.) Ao amin’ny Baiboly, ny teny grika nadika hoe “fahasondrianana” (ekʹsta·sis) dia midika hoe ‘fanesorana na famindran-toerana’. Fanovana ny saina ho tsy toy ny mahazatra no tian’izy io holazaina. Noho izany, ny olona iray sondriana be dia tsy mahatsiaro ny manodidina azy eo am-pandraisany amin’ny fomba feno ilay fahitana. Azo inoana fa sondriana be toy izany ny apostoly Paoly fony “nakarina ho any Paradisa izy ka nandre teny tsy azo tenenina sady tsy tokony holazain’olona”. — 2 Korintiana 12:2-4.
Tsy nitovy tamin’ireo nanoratra hafatra natao soratononina avy tamin’Andriamanitra ireo mpanoratra ny Baiboly izay nahazo fahitana na nofy na nanjary sondriana be. Matetika izy ireo no nanana fahafahana hilazalaza izay hitany tamin’ny fiteniny manokana. Nilazana toy izao i Habakoka: “Soraty ny fahitana, ka ataovy velona tsara ny soratra eo amin’ny fàfana, mba ho azon’ny mihazakazaka hovakina aza.” — Habakoka 2:2.
Midika ve izany fa tsy dia ara-tsindrimandry loatra toy ny andalan-teny natao soratononina ireo tapany amin’ny Baiboly ireo? Tsy izany velively. Tamin’ny alalan’ny fanahiny no nandraiketan’i Jehovah mafy ilay hafatra tao an-tsain’ny mpanoratra tsirairay, hany ka hevitr’Andriamanitra fa tsy an’olona no nampitaina. Na dia namela an’ilay mpanoratra hifantina teny mifanentana aza i Jehovah, dia nitarika ny saina sy ny fon’ilay mpanoratra izy mba tsy hisy fanazavana tena lehibe ho hadino, ka tamin’ny farany dia noheverina araka ny tokony ho izy ho Tenin’Andriamanitra ireo teny. — 1 Tesaloniana 2:13.
Fanambarana avy amin’Andriamanitra. Ny Baiboly dia mirakitra faminaniana — tantara nambara sy nosoratana mialoha — zavatra tsy hain’olombelona mihitsy ny hanao azy. Ohatra iray ny fisandratana sy ny fianjeran’ny “mpanjakan’i Grisia”, i Aleksandra Lehibe, nambara 200 taona teo ho eo mialoha! (Daniela 8:1-8, 20-22). Manambara fisehoan-javatra mbola tsy hitan’ny mason’olombelona mihitsy koa ny Baiboly. Ohatra iray ny famoronana ny lanitra sy ny tany. (Genesisy 1:1-27; 2:7, 8). Teo koa ireo resaka natao tany an-danitra, toy izay voatantara ao amin’ny bokin’i Joba. — Joba 1:6-12; 2:1-6.
Raha tsy nambaran’Andriamanitra nivantana tamin’ilay mpanoratra ny fisehoan-javatra toy ireny, dia nampahafantariny tamin’olon-kafa mba ho tonga anisan’ny tantara am-bava na an-tsoratra, ka nampitampitaina tamin’ny taranaka nifandimby mandra-pahatongany ho anisan’ny firaketana an-tsoratra ao amin’ny Baiboly. (Jereo ny faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-7.) Na ahoana na ahoana, dia afaka mahazo antoka isika fa i Jehovah no Loharanon’ny fanazavana rehetra toy izany, ary nitarika an’ireo mpanoratra izy mba tsy ho voaloton’ny fahadisoana, ny fanitaran-dresaka, na ny angano, ny fitantaran’izy ireo. Toy izao no nosoratan’i Petera mikasika ny faminaniana: “Avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy.”b — 2 Petera 1:21.
Nitaky ezaka mafy
Na dia ‘nentin’ny fanahy masina’ aza ireo mpanoratra ny Baiboly, dia notakina taminy ny fieritreretana tamim-pitandremana. I Solomona, ohatra, dia “nandinika sy nieritreritra ary nandahatra ohabolana maro (...) nitady hahita teny mahafinaritra; ary izay mahitsy no voasorany, dia tenin’ny fahamarinana”. — Mpitoriteny 12:9, 10.
Tsy maintsy nanao fikarohana be dia be ny mpanoratra ny Baiboly sasany mba hanohanana ny zavatra nosoratany. Toy izao, ohatra, no nosoratan’i Lioka, mikasika ny fitantaran’ny Filazantsarany: “Nofotorako tsara ny zavatra rehetra hatramin’ny niandohany, ny hanoratra izany (...) araka ny filaharany”. Mazava ho azy fa nitahy ny ezaka nataon’i Lioka ny fanahin’Andriamanitra, ka tsy isalasalana fa nahatonga azy hahita tahirin-kevitra ara-tantara mendri-pitokiana sy hanadinadina vavolombelona nanatri-maso azo itokiana, toy ireo mpianatra mbola velona ary angamba i Maria, renin’i Jesosy. Avy eo ny fanahin’Andriamanitra dia nitarika an’i Lioka handrakitra an-tsoratra araka ny marina ilay fanazavana. — Lioka 1:1-4.
Tsy nitovy tamin’ny Filazantsaran’i Lioka ny an’i Jaona, izay fitantaran’ny vavolombelona nanatri-maso, nosoratany 65 taona teo ho eo taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. Tsy isalasalana fa nandranitra ny fitadidian’i Jaona ny fanahin’i Jehovah mba tsy hihena izany rehefa nandeha ny fotoana. Izany dia nifanaraka tamin’izay nampanantenain’i Jesosy ny mpanara-dia azy hoe: “Ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.” — Jaona 14:26.
Tamin’ny toe-javatra sasany, ny mpanoratra ny Baiboly dia nampiditra fanazavana notsoahina avy tao amin’ny tahirin-kevitr’ireo mpanoratra tantara tany aloha kokoa izay vavolombelona nanatri-maso, izay tsy nahazo tsindrimandry avokoa akory. Nanoratra ny Mpanjaka Voalohany sy Faharoa tamin’izany fomba izany i Jeremia, tamin’ny ankapobeny. (2 Mpanjaka 1:18). Mba hanangonana fanazavana hanoratana ny Tantara Voalohany sy Faharoa, i Ezra dia nijery loharanon-kevitra tsy ara-tsindrimandry 14, fara fahakeliny, anisan’izany “ny bokin’ny tantaran’i Davida mpanjaka” sy “ny bokin’ny mpanjakan’ny Joda sy ny Isiraely”. (1 Tantara 27:24; 2 Tantara 16:11). I Mosesy dia naka teny mihitsy aza avy tao amin’ny “Bokin’ny Adin’i Jehovah” — izay toa firaketana an-tsoratra azo itokiana nitantara ireo adin’ny vahoakan’Andriamanitra. — Nomery 21:14, 15.
Tamin’ny toe-javatra toy izany, dia nandray anjara ny fanahy masina, nanosika an’ireo mpanoratra ny Baiboly tsy hifantina afa-tsy fanazavana azo itokiana, izay nanjary anisan’ny firaketana an-tsoratry ny Baiboly ara-tsindrimandry.
Torohevitra azo ampiharina — Avy amin’iza?
Mirakitra torohevitra azo ampiharina maro be miorina amin’ny fanamarihana manokana mampiseho fahiratan-tsaina, ny Baiboly. Ohatra, izao no nosoratan’i Solomona: “Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana sy misotro ary ny mampahafinaritra ny tenany amin’ny fisasarany. Izany koa aza dia efa hitako fa avy amin’ny tànan’Andriamanitra”. (Mpitoriteny 2:24). Nilaza i Paoly fa ‘araka ny heviny’ ny toroheviny mikasika ny fanambadiana, na dia nanampy teny aza izy hoe: “Ataoko fa izaho koa manana ny Fanahin’Andriamanitra.” (1 Korintiana 7:25, 39, 40). Azo antoka fa tena nanana ny fanahin’Andriamanitra i Paoly, satria araka ny nomarihin’ny apostoly Petera, dia “araka ny fahendrena nomena azy” izay nosoratan’i Paoly. (2 Petera 3:15, 16, izahay no manao sora-mandry.) Araka izany, dia notarihin’ny fanahin’Andriamanitra izy tamin’ny nanomezany ny heviny.
Rehefa naneho hevitra nekeny mafy toy izany ireo mpanoratra ny Baiboly, dia nanao izany taorian’ny nandinihany sy nampiharany ireo andinin-teny izay azony nampiasaina. Afaka mahazo antoka isika fa nifanaraka tamin’ny fisainan’Andriamanitra ireo asa sorany. Nanjary anisan’ny Tenin’Andriamanitra ny zavatra noraketiny an-tsoratra.
Mazava ho azy fa tena mirakitra filazan’ny olona sasany diso fihevitra, ny Baiboly. (Ampitahao ny Joba 15:15 sy ny 42:7.) Tafiditra ao anatin’izy io koa ny filazana vitsivitsy nampita ny alahelon’ireo mpanompon’Andriamanitra, na dia tsy nampita ny tena tsipirian-javatra rehetra aza ireny filazana ireny.c Raha nilaza ny heviny manokana toy izany ilay mpanoratra, dia mbola notarihin’ny fanahin’Andriamanitra ihany izy mba hanao firaketana an-tsoratra araka ny marina, izay nampahafantarana sy nanalana sarona fanjohian-kevitra diso. Ankoatra izany, amin’ny toe-javatra tsirairay dia asehon’ny teny manodidina mazava amin’ny mpamaky misaina rehetra raha marim-pototra na tsia ny fiheveran’ilay mpanoratra.
Raha fintinina, dia afaka matoky isika fa hafatra avy amin’Andriamanitra ny Baiboly manontolo. Eny tokoa, nataon’i Jehovah izay hahazoana antoka fa nifanaraka tamin’ny fikasany sy nanome toromarika tena ilain’izay maniry hanompo azy, ny zava-drehetra raketin’ny Baiboly. — Romana 15:4.
Nahoana no mpanoratra olombelona?
Mampiseho ny fahendrena lehibe ananan’i Jehovah ny nampiasany olombelona mba hanoratra ny Baiboly. Hevero izao: Raha nankinin’Andriamanitra tamin’ny anjely ilay raharaha, moa ve ny Baiboly hanintona tahaka izao? Marina fa ho nientanentana isika hamaky momba ny toetran’Andriamanitra sy ny fomba fanaony, araka ny fomba fijerin’ny anjely. Raha tsy nisy fandraisan’olombelona anjara mihitsy anefa tamin’izy io, dia mety ho sahirana isika hahatakatra ny hevitry ny hafatry ny Baiboly.
Indro misy ohatra: Azon’ny Baiboly natao ny nitantara fotsiny hoe nanitsakitsa-bady sy namono olona i Davida Mpanjaka ary taorian’izay dia nibebaka. Kanefa, tsara lavitra toy inona moa ny manana ny tenin’i Davida mihitsy, tamin’ny nanehoany alahelo faran’izay mafy noho ny nataony, ka nitalahoany ny hamelan’i Jehovah heloka! “Eo anatrehako mandrakariva ny fahotako”, hoy ny nosoratany. “Ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona.” (Salamo 51:3, 17). Noho izany, dia manana ilay fihetseham-po mafana sy fisian-javatra maro samihafa ary fanintonana nentin’ny fandraisan’olombelona anjara ny Baiboly.
Eny, nifidy ny fomba tsara dia tsara indrindra hanomezana antsika ny Teniny i Jehovah. Na dia olombelona nanana fahalemena sy mora lavo aza no nampiasainy, dia nentin’ny fanahy masina izy ireo mba tsy hisy fahadisoana tao amin’ny asa sorany. Noho izany, dia faran’izay sarobidy ny Baiboly. Marim-pototra ny toroheviny, ary azo ianteherana ireo faminaniany mikasika ny Paradisa ho avy eto an-tany. — Salamo 119:105; 2 Petera 3:13.
Nahoana no tsy manao ho fahazarana ny mamaky ampahany amin’ny Tenin’Andriamanitra isan’andro? Hoy ny nosoratan’i Petera: “Maniria ny rononom-panahy tsy misy fitaka, mba hitomboanareo amin’izany ho amin’ny famonjena”. (1 Petera 2:2). Koa satria ara-tsindrimandrin’Andriamanitra izy io, dia ho hitanao fa ny Soratra rehetra dia “mahasoa ho fampianarana, ho fananarana, ho fandaminan-javatra, ho fifehezana amin’ny rariny, mba hanana fahaizana feno, ho tena ampy fitaovana ho amin’ny asa tsara rehetra, ny olon’Andriamanitra”. — 2 Timoty 3:16, 17, NW.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tamin’ny toe-javatra iray, fara fahakeliny, tamin’ny Didy Folo, dia nosoratan’ny “rantsan-tànan’Andriamanitra” nivantana ireo teny. Avy eo i Mosesy dia nandika fotsiny ireo teny ireo teo amin’ny horonam-boky na zavatra hafa. — Eksodosy 31:18; Deoteronomia 10:1-5.
b Ilay teny grika hoe pheʹro, nadika eto hoe “nitondran’ny”, dia ampiasaina amin’ny endriny hafa ao amin’ny Asan’ny Apostoly 27:15, 17 mba hilazalazana sambo iray avezivezin’ny rivotra. Koa ‘nitarika ny lalan’ny’ mpanoratra ny Baiboly àry ny fanahy masina. Nanosika azy ireo hanilika izay rehetra nety ho fanazavana sandoka izy io, ka tsy hampiditra afa-tsy izay araka ny zava-nisy.
c Ohatra, ampitahao ny 1 Mpanjaka 19:4 sy ny andininy faha-14 sy faha-18; Joba 10:1-3; Salamo 73:12, 13, 21; Jona 4:1-3, 9; Habakoka 1:1-4, 13.
[Efajoro/Sary, pejy 7]
Taiza no Nahazoan’i Mosesy ny Fanazavana Nomeny?
NANORATRA ny bokin’ny Genesisy ao amin’ny Baiboly i Mosesy, kanefa nitranga ela be talohan’ny nahaterahany ny zava-drehetra noraketiny an-tsoratra. Avy taiza àry no nahazoany izany fanazavana izany? Nety ho nambaran’Andriamanitra nivantana taminy izany, na nety ho nampitampitaina am-bava teo amin’ny taranaka nifandimby ny fahalalana fisehoan-javatra sasany. Koa satria lava kokoa ny androm-piainan’ny olona tany am-boalohany, ny ankabeazan’izay noraketin’i Mosesy an-tsoratra ao amin’ny Genesisy dia nety ho nampitaina avy tamin’i Adama nankamin’i Mosesy tamin’ny alalan’ny olona dimy monja nifankatratra — i Metosela, i Sema, Isaka, i Levy, sy i Amrama.
Fanampin’izany, dia nety ho nijery firaketana an-tsoratra i Mosesy. Mikasika izany, dia mendri-komarihina fa matetika i Mosesy no nampiasa ilay teny hoe “izao no tantaran’i”, talohan’ny nilazany ny anaran’ilay olona horesahina. (Genesisy 6:9, izahay no manao sora-mandry; 10:1, NW; 11:10, 27, NW; 25:12, 19, NW; 36:1, 9, NW; 37:2, NW.) Lazain’ny manam-pahaizana manokana sasany fa ilay teny hebreo hoe toh·le·dhohthʹ, nadika eto hoe “tantara”, dia manondro tahirin-kevitra ara-tantara efa nisy an-tsoratra izay nampiasain’i Mosesy mba ho loharano hanovozana ny zavatra hosoratany. Mazava ho azy fa tsy azo lazaina hoe efa voaporofo tsy azo iadian-kevitra izany filazana izany.
Nety ho azo tamin’ny alalan’ireo fomba telo rehetra voalaza etsy ambony ireo ny fanazavana voarakitra ao amin’ny bokin’ny Genesisy — ny sasany tamin’ny alalan’ny fanambarana nivantana, ny sasany tamin’ny alalan’ny fampitana am-bava, ary ny sasany avy tamin’ny firaketana an-tsoratra. Ny zava-dehibe dia izao: Nanome tsindrimandry an’i Mosesy ny fanahin’i Jehovah. Noho izany, dia heverina ara-drariny hoe tenin’Andriamanitra izay nosoratany.
[Sary, pejy 4]
Tamin’ny fomba maro samihafa no nanomezan’Andriamanitra tsindrimandry ny olombelona mba hanoratana ny Baiboly