Fihazonana Hatsaran-toetra eo Amin’ny Tontolo Iray Feno Faharatsiam-pitondran-tena
“Ataovy ny zavatra rehetra amin’ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana, mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka hianareo, dia zanak’Andriamanitra tsy manana adidy [eo anivon’ny taranaka iray fangoloka sy miolakolaka, NW ]”. — FILIPIANA 2:14, 15.
1, 2. Nahoana Andriamanitra no nitaky ny handripahana an’ireo Kananita?
TSY mamela ny hisian’ny fanekena lembenana ny didin’i Jehovah. Nadiva hiditra ny Tany Nampanantenaina ny Isiraelita fony i Mosesy nilaza tamin’izy ireo hoe: “Aringano tokoa ireo, dia ny Hetita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, araka izay nandidian’i Jehovah Andriamanitrao anao”. — Deoteronomia 7:2; 20:17.
2 Koa satria Andriamanitra mamindra fo i Jehovah, nahoana izy no nandidy ny handripahana ireo mponina tao Kanana? (Eksodosy 34:6). Ny antony iray dia ‘mba tsy hampianaran’ireo Kananita ny Isiraelita hanao araka ny fahavetavetana rehetra nataony tamin’ireo andriamaniny, ka hanota amin’i Jehovah Andriamanitra’. (Deoteronomia 20:18). Hoy koa i Mosesy: “Ny haratsiam-panahin’ireo firenena ireo no androahan’i Jehovah azy eo anoloanao.” (Deoteronomia 9:4). Sary velona mampiseho ny faharatsiam-pitondran-tena ireo Kananita. Nampiavaka ny fanompoam-pivavahan’izy ireo ny firaisana mamoafady sy ny fanompoan-tsampy. (Eksodosy 23:24; 34:12, 13; Nomery 33:52; Deoteronomia 7:5). “Fanaon’ny tany Kanana” ny firaisana tamin’olom-pady sy ny sodomia ary ny firaisana tamin’ny biby. (Levitikosy 18:3-25). Ireo ankizy tsy nanan-tsiny dia natao sorona tamin-kabibiana ho an’ireo andriamani-diso. (Deoteronomia 18:9-12). Tsy mahagaga raha toa i Jehovah ka nihevitra fa, na dia ny fisian’ireo firenena ireo fotsiny aza, dia efa loza nananontanona ny fahasalamana ara-batana sy ara-pitondran-tena ary ara-panahin’ny vahoakany! — Eksodosy 34:14-16.
3. Inona no vokatry ny tsy nanatanterahan’ny Isiraelita tamin’ny fomba feno ny didin’Andriamanitra momba ireo mponina tao Kanana?
3 Koa satria tsy notanterahina tamin’ny fomba feno ny didin’Andriamanitra, dia nisy mponina maro tao Kanana tsy maty tamin’ny nakan’ny Isiraely ny Tany Nampanantenaina. (Mpitsara 1:19-21). Rehefa nandeha ny fotoana, dia tsapa ilay fitaomana nisoko nangina nampiharin’ireo Kananita, ary azo natao ny nilaza hoe: “Nolaviny [ireo Isiraelita] ny didiny [ny an’i Jehovah] sy ny fanekeny izay nataony tamin’ny razany mbamin’ny teni-vavolombelony izay nananarany azy; ary nandeha nanaraka ny zava-poana izy, ka dia tonga zava-poana koa ary nanaraka ny jentilisa manodidina azy, izay efa nandraran’i Jehovah azy mba tsy halainy tahaka.” (2 Mpanjaka 17:15). Eny, rehefa nandeha ireo taona, dia Isiraelita maro no nanao ireo faharatsiam-pitondran-tena izay nahatonga an’Andriamanitra handidy ny hamongorana ny Kananita — dia ny fanompoan-tsampy, ny fanaovan-javatra nihoa-pampana teo amin’ny firaisana, ary na dia ny fanaovana sorona ankizy aza! — Mpitsara 10:6; 2 Mpanjaka 17:17; Jeremia 13:27.
4, 5. a) Inona no nitranga tamin’ny Isiraely sy ny Joda tsy nahatoky? b) Fampirisihana inona no omena ao amin’ny Filipiana 2:14, 15, ary mampipoitra fanontaniana inona avy izany?
4 Noho izany, dia nanambara toy izao ny mpaminany Hosea: “Mihainoa ny tenin’i Jehovah, hianareo Zanak’Isiraely! Fa Jehovah manana ady amin’ny mponina amin’ny tany, satria tsy misy fahamarinana, na fitiavana, na fahalalana an’Andriamanitra eo amin’ny tany, fa fianianana sy lainga sy vonoana sy halatra sy fijangajangana kosa, eny, manao an-keriny izy ka mifanontona ny fandatsahan-dra. Ary noho izany dia mitomany ny tany ary reraka izay rehetra mitoetra ao aminy, dia ny bibi-dia sy ny voro-manidina; eny, na dia ny hazandrano any anaty ranomasina aza dia ringana koa.” (Hosea 4:1-3). Tamin’ny 740 al.f.i., dia resin’i Asyria ilay fanjakan’ny Isiraely tany avaratra izay nikororosy fitondran-tena. Maherin’ny zato taona teo ho eo tatỳ aoriana, dia resin’i Babylona ilay fanjakan’ny Joda tany atsimo izay tsy nahatoky.
5 Asehon’ireny zava-nitranga ireny fa mampidi-doza ny fanekena ho azon’ny faharatsiam-pitondran-tena. Maharikoriko an’Andriamanitra ny tsy fahamarinana ary tsy handefitra izany eo anivon’ny vahoakany izy. (1 Petera 1:14-16). Marina fa miaina eto “amin’izao miara-belona ratsy fanahy izao” isika, eo amin’ny tontolo iray izay mihamanjary mikororosy fitondran-tena hatrany. (Galatiana 1:4; 2 Timoty 3:13). Na dia izany aza, dia mampirisika mafy ny Kristiana rehetra ny Tenin’Andriamanitra mba tsy hitsahatra hanao izay hahatonga azy “ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka (...), dia zanak’Andriamanitra tsy manana adidy [eo anivon’ny taranaka iray fangoloka sy miolakolaka, NW ], izay isehoan[y] tahaka ny fanazavana eo amin’izao tontolo izao”. (Filipiana 2:14, 15). Ahoana anefa no ahafahantsika mihazona hatsaran-toetra eo amin’ny tontolo iray feno faharatsiam-pitondran-tena? Mety ho azo atao tokoa ve izany?
Ny tontolo romana feno faharatsiam-pitondran-tena
6. Nahoana ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany no niatrika zava-tsarotra teo amin’ny fihazonana hatsaran-toetra?
6 Ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany dia niatrika zava-tsarotra, dia ny fihazonana hatsaran-toetra, satria vonton’ny faharatsiam-pitondran-tena ny lafiny rehetra tamin’ny fitambaran’olona romana. Nilaza toy izao momba ireo niara-belona taminy ilay filozofa romana atao hoe Sénèque: “Mifofotra mifaninana mafy eo amin’ny faharatsiana ny olona. Isan’andro, dia mafy kokoa ny faniriana hanao ratsy, ary mihena ny fahatahorana azy io.” Nampitaha ny fitambaran’olona romana tamina “biby dia miara-monina” izy. Tsy mahagaga àry raha fifanandrinan’ny gladiatera tia nampijaly mbamin’ny fampisehoana an-dampihazo vetaveta no notadiavin’ny Romana mba hampiala voly ny tenany.
7. Ahoana no nilazalazan’i Paoly ireo faharatsiam-pitondran-tena izay fahita teo amin’olona maro tamin’ny taonjato voalohany am.f.i.?
7 Nety ho tao an-tsain’ny apostoly Paoly ilay fitondran-tena nietry narahin’ny olona tamin’ny taonjato voalohany, rehefa nanoratra toy izao izy: ‘Natolotr’Andriamanitra ho amin’ny filan-dratsy mahavoafady izy ireo; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin’izay tsy fanaony; ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin’ny vehivavy izy ka maimay tamin’ny fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin’ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany.’ (Romana 1:26, 27). Noho ny fitambaran’olona romana tapa-kevitra mafy ny hikatsaka ireo filan’ny nofo maloto, dia nanjary heniky ny faharatsiam-pitondran-tena izy io.
8. Ahoana matetika no nanararaotana ny ankizy teo amin’ny fitambaran’olona grika sy romana?
8 Tsy asehon’ny tantara mazava ny fielezan’ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy teo anivon’ny Romana. Tsy isalasalana anefa fa nisy heriny teo amin’izy ireo ny fitaoman’ireo Grika teo alohany, izay nahitana io fanao io niely patrana. Nahazatra an’ireo lehilahy be taona kokoa ny nanimba ankizilahy, naka azy ireo hokarakarainy, nifampitondra toy ny mpampianatra sy mpianatra, ka matetika izany no nitarika ireo tanora hanana fitondran-tena nivaona raha ny amin’ny firaisana. Tsy isalasalana fa i Satana sy ny demoniany no tao ambadik’izany faharatsiam-pitondran-tena sy fitondrana ny ankizy tamin’ny fomba ratsy izany. — Joela 4:3; Joda 6, 7.
9, 10. a) Tamin’ny fomba ahoana no nanamelohan’ny 1 Korintiana 6:9, 10 ny faharatsiam-pitondran-tena maro samihafa? b) Inona no zava-niainan’ny olona sasany tao amin’ny kongregasionan’i Korinto, ary fiovana inona no nitranga tamin’izy ireo?
9 Raha nanoratra teo ambany tsindrimandrin’Andriamanitra i Paoly, dia nilaza tamin’ireo Kristiana tany Korinto hoe: “Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra? Aza mety hofitahina hianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra. Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa hianareo, efa nohamasinina hianareo, efa nohamarinina hianareo, tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika.” — 1 Korintiana 6:9-11.
10 Araka izany, dia nanameloka ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy ny taratasin’i Paoly ara-tsindrimandry, ka nilaza fa “tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra” ireo “mpijangajanga”. Rehefa avy nitanisa faharatsiam-pitondran-tena maromaro anefa i Paoly, dia nilaza hoe: “Efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa hianareo”. Noho ny fanampian’Andriamanitra, dia azon’ny mpanao ratsy natao ny ho tonga madio teo imasony.
11. Nanao ahoana ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany, tao amin’ilay tontolo ratsy nanodidina azy tamin’ny androny?
11 Eny, niroborobo ny hatsaran-toetra kristiana na dia teo amin’ilay tontolo feno faharatsiam-pitondran-tena tamin’ny taonjato voalohany aza. Ireo mpino dia ‘niova tamin’ny fanavaozana ny sainy’. (Romana 12:2). Nanary ny “fitondran-tenany fahiny” izy ireo, ary ‘nohavaozina teo amin’ny hery nanetsika ny sainy’. Araka izany, dia nandositra ny faharatsiam-pitondran-tenan’izao tontolo izao izy ireo ary ‘nitafy ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra, amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana’. — Efesiana 4:22-24.
Ny tontolo feno faharatsiam-pitondran-tena amin’izao andro izao
12. Fiovana inona no nisy teo amin’izao tontolo izao nanomboka tamin’ny 1914?
12 Ahoana ny amin’izao andro izao? Ilay tontolo iainantsika dia heniky ny faharatsiam-pitondran-tena mbola tsy nisy toy izany. Nisy fikororosiana ara-pitondran-tena maneran-tany, indrindra fa nanomboka tamin’ny 1914. (2 Timoty 3:1-5). Noho izy ireo nanda ireo hevitra nentim-paharazana momba ny hatsaran-toetra sy ny fari-pitondran-tena sy ny laza tsara, ary ny fitsipika harahina, dia olona maro no nanjary tsy niraharaha afa-tsy ny tenany teo amin’ny fisainany ka “tsy mahalala henatra intsony”. (Efesiana 4:19). Hoy ny gazetiboky Newsweek: “Miaina amin’ny vanim-potoana fanaovana izay saim-pantatra eo amin’ny fitondran-tena, isika”, ary nanampy teny izy io fa ny rivo-piainana ara-pitondran-tena manjaka “dia nahatonga ny hevitra rehetra momba ny mety sy ny tsy mety ho zavatra miankina amin’ny fitiavan-javatra manokana, miankina amin’izay tian’ny tena kokoa ara-pihetseham-po, na miankina amin’ny safidy ara-kolontsaina”.
13. a) Amin’ny ahoana ny ankamaroan’ny fialam-boly amin’izao andro izao no manindrahindra faharatsiam-pitondran-tena? b) Misy voka-dratsy inona eo amin’ny isam-batan’olona ny fialam-boly tsy araka ny tokony ho izy?
13 Toy ny tamin’ny taonjato voalohany, dia mahazatra ny fialam-boly mampietry amin’izao andro izao. Tsy mitsahatra mandefa zavatra mifandray amin’ny firaisana ny televiziona sy ny radio sy ny sinema ary ny vidéo. Tafiditry ny faharatsiam-pitondran-tena hatramin’ny fifandraisana amin’ny ordinatera aza. Araka ny fandinihana nataon’ny oniversite iray, dia ny sary na soratra vetaveta amin’ny ordinatera izao no “iray amin’ireo lehibe indrindra (raha tsy hoe izy mihitsy aza no lehibe indrindra) eo amin’ny sehatry ny fialam-boly ampiasana ny fifandraisana amin’ny ordinatera”. Inona no vokatr’izany rehetra izany? Hoy ny mpanoratra lahatsoratra an-gazety iray: “Rehefa vonton’ny fandatsahan-dra sy ny fanapahana rantsambatana ary ny firaisana feno fahambanian-toetra ny kolontsaina tiam-bahoaka misy antsika, dia manjary zatra amin’ny fandatsahan-dra sy ny fanapahana rantsambatana ary ny firaisana feno fahambanian-toetra, isika. Mihamanjary tsy mihontsina isika. Mihamanjary azo leferina kokoa hatrany ny fahambanian-toetra satria mihavitsy hatrany ny manafintohina antsika.” — Ampitahao amin’ny 1 Timoty 4:1, 2.
14, 15. Inona no porofo fa maneran-tany dia nikororosy ny fitsipi-pitondran-tena momba ny lahy sy ny vavy?
14 Hevero itỳ tatitra tao amin’ny The New York Times itỳ: “Izay noheverina fa zavatra nahafa-baraka 25 taona lasa izay, dia nanjary fomba fiaina azo ekena ankehitriny. Ny isan’ireo olon-droa mifidy ny hiara-mipetraka fa tsy hivady dia niakatra 80 isan-jato [tany Etazonia] teo anelanelan’ny 1980 sy 1991.” Tsy fisehoan-javatra any Amerika Avaratra fotsiny izany. Manao izao tatitra izao ny Asiaweek: “Rafitra ny ady hevitra ara-kolontsaina any amin’ireo tany manerana [an’i Azia]. Ilay raharaha iadian-kevitra dia hoe, fahalalahana hanao firaisana araka izay tiana, sa ireo fitsipi-pitondran-tena nentim-paharazana; ary tsy mitsaha-mitombo ny fanerena ho amin’ny fanovana.” Asehon’ireo statistika fa mitombo ny fanekena ny fanitsakitsaham-bady sy ny firaisana alohan’ny fanambadiana any amin’ny tany maro.
15 Nambaran’ny Baiboly mialoha fa ho mafy dia mafy ny fiasan’i Satana amin’izao androntsika izao. (Apokalypsy 12:12). Tsy tokony hahagaga antsika àry ny fielezan’ny faharatsiam-pitondran-tena amin’ny fomba mampahatahotra. Ny fanararaotana vetaveta atao amin’ankizy, ohatra, dia mihanaka be.a Manao tatitra ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Reny sy ny Zaza fa “manimba ankizy saiky any amin’ny tany rehetra manerana izao tontolo izao ny fanararaotana vetaveta natao hahazoam-bola”. Isan-taona, dia “ankizy maherin’ny 1 tapitrisa maneran-tany no voalaza fa terena hivaro-tena, atao varo-maizina sy amidy mba hanaovana firaisana, ary ampiasaina amin’ny famoahana sary vetaveta momba ny ankizy”. Fahita koa ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy, ka mpanao politika sy mpitondra fivavahana sasany no loha laharana eo amin’ny fanindrahindrana azy io hoe “fomba fiaina hafa noho ilay mahazatra”.
Fandavana ireo faharatsiam-pitondran-tenan’izao tontolo izao
16. Inona no toerana tanan’ny Vavolombelon’i Jehovah mahakasika ny fitsipi-pitondran-tena momba ny lahy sy ny vavy?
16 Ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy miombom-peo amin’ireo izay mankasitraka fari-pitsipika milefitra loatra eo amin’ny fitsipi-pitondran-tena momba ny lahy sy ny vavy. Hoy ny Titosy 2:11, 12: “Efa miseho ny fahasoavan’Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra, mampianatra antsika handa izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao ary ho velona amin’ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’izao fiainana ankehitriny izao”. Eny, isika dia mamboly tena fankahalana, rikoriko an’ireo faharatsiam-pitondran-tena, toy ny firaisana alohan’ny fanambadiana sy ny fanitsakitsaham-bady ary ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy.b (Romana 12:9; Efesiana 5:3-5). Nanome izao fampirisihana izao i Paoly: “Aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran’ny Tompo hiala amin’ny ratsy.” — 2 Timoty 2:19.
17. Ahoana no fiheveran’ny Kristiana marina ny fampiasana zava-pisotro misy alkaola?
17 Lavin’ny Kristiana marina ny fomba fiheveran’izao tontolo izao an’ireo toa faharatsiam-pitondran-tena madinika. Fanarian-dia mahafinaritra sady mahatsikaiky, ohatra, no iheveran’ny olona maro amin’izao andro izao ny fibobohana zava-pisotro misy alkaola. Ny vahoakan’i Jehovah anefa dia manaraka ilay torohevitra ao amin’ny Efesiana 5:18 manao hoe: “Aza ho mamon-divay hianareo, fa amin’izany dia misy fanaranam-po amin’ny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy”. Raha mifidy ny hisotro ny Kristiana iray, dia manao izany amin’ny antonona izy. — Ohabolana 23:29-32.
18. Ahoana no itarihan’ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly ny mpanompon’i Jehovah eo amin’ny fitondran’izy ireo ny mpianakaviny?
18 Amin’ny maha-mpanompon’i Jehovah antsika, dia lavintsika koa ilay fiheveran’ny sasany eo amin’izao tontolo izao hoe fitondran-tena azo ekena ny milelalela sy ny mikiakiaka amin’ny vady aman-janaky ny tena, na manambany azy ireo amin’ny teny mandratra. Tapa-kevitra ny hanaraka lalan’ny hatsaran-toetra ireo mpivady kristiana, ka miara-miasa mba hampiharana ny torohevitr’i Paoly manao hoe: “Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra; ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy hianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy.” — Efesiana 4:31, 32.
19. Manao ahoana ny fielezan’ny faharatsiam-pitondran-tena eo amin’ny fandraharahana eo amin’izao tontolo izao?
19 Fahita koa amin’izao andro izao ny fanaovana ny tsy marina, ny fisolokiana, ny lainga sy ny tetik’ady tsy misy indrafo eo amin’ny fandraharahana ary ny halatra. Manao tatitra toy izao ny lahatsoratra iray tao amin’ny CFO, gazetiboky momba ny fandraharahana: “Nisy fanadihadiana natao tamin’ny mpiasa 4 000 (...) nahitana fa ny 31 isan-jaton’ireo nanontaniana dia nanatri-maso ‘finiavana hanao ratsy lehibe’ nandritra ilay taona teo aloha.” Voafaoka tao amin’izany finiavana hanao ratsy izany ny lainga sy ny fanaovana hosoka firaketana an-tsoratra, fanadalana momba ny lahy sy ny vavy, ary halatra. Raha te hitoetra ho madio ara-pitondran-tena eo imason’i Jehovah isika, dia tsy maintsy manalavitra ny fitondran-tena toy izany ary hanao ny marina eo amin’ireo raharaha ara-bola ataontsika. — Mika 6:10, 11.
20. Nahoana no ilain’ny Kristiana ny ho afaka amin’ny “fitiavam-bola”?
20 Hevero izay nanjo an’itỳ lehilahy iray izay nihevitra fa hanam-potoana bebe kokoa ho an’ny fanompoana an’Andriamanitra izy raha manankarena tampoka amin’ny fampiasam-bola izay tsy azo antoka akory ny fahombiazany. Nitaona ny hafa hiditra tamin’ny tetika iray fampiasam-bola izy tamin’ny fanaovana laza masaka momba ny tombony mety ho azon’izy ireo. Rehefa tsy tanteraka izany, dia nanjary namoy fo aoka izany izy noho ny fanonerana ilay fatiantoka goavana nahazo azy, hany ka nangalatra ny vola nankinina taminy. Noho ny nataony sy noho ny fihetsiny tsy nibebaka, dia voaroaka tsy ho ao amin’ny kongregasiona kristiana izy. Marina tokoa ilay fampitandreman’ny Baiboly hoe: “Izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana. Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.” — 1 Timoty 6:9, 10.
21. Fitondran-tena manao ahoana no fahita eo amin’ireo lehilahy manam-pahefana eo amin’izao tontolo izao, kanefa ahoana no tokony ho fitondran-tenan’ireo izay manan-toerana misy andraikitra ao amin’ny kongregasiona kristiana?
21 Matetika ny olon’izao tontolo izao, izay manana fahefana sy hery fitaomana, no tsy manana hatsaran-toetra ka manaporofo ny fahamarinan’ilay fitenenana hoe: ‘Manimba fitondran-tena ny fahefana’. (Mpitoriteny 8:9). Any amin’ny tany sasany, dia fomba fiaina eo amin’ireo mpitsara sy polisy ary mpanao politika ny tsolotra sy ireo endriny hafa amin’ny fikororosiana ara-pitondran-tena. Ireo izay mitari-dalana ao amin’ny kongregasiona kristiana kosa anefa, dia tsy maintsy manana hatsaran-toetra, ary tsy tokony hanjakazaka amin’ny hafa. (Lioka 22:25, 26). Tsy manompo noho ny “tombony azo amin’ny tsy marina” ireo loholona, ary koa ireo mpanampy amin’ny fanompoana. Izy ireo dia tsy maintsy vita fanefitra amin’izay mety ho fanandramana hampivaona na hanova ny fitsarana ataony, noho ny fanantenana fitomboan-karena manokana. — 1 Petera 5:2, NW; Eksodosy 23:8; Ohabolana 17:23; 1 Timoty 5:21.
22. Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
22 Amin’ny ankapobeny, ny Kristiana dia misetra amim-pahombiazana ilay zava-tsarotra amin’izao andro izao, dia ny fihazonana hatsaran-toetra eto amin’itỳ tontolo feno faharatsiam-pitondran-tena misy antsika itỳ. Eny, ny hatsaran-toetra dia mahafaoka zavatra bebe kokoa noho ny fanalavirana fotsiny ny faharatsiana. Handinika ny momba izay tena takin’ny fambolena hatsaran-toetra ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Arovy ny Zanakao!” niseho tao amin’ny Mifohaza! tamin’ny Aprily-Jona 1994.
b Ireo efa nanao firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy tamin’ny lasa, dia afaka manova ny fitondran-tenany, toy ny nataon’ny sasany tamin’ny taonjato voalohany. (1 Korintiana 6:11). Misy fanazavana mahasoa naseho tao amin’ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 22 Martsa 1995, pejy faha-21-23.
Hevitra ho Famerenana
◻ Nahoana i Jehovah no nandidy ny handripahana ny Kananita?
◻ Inona avy ireo faharatsiam-pitondran-tena fahita tamin’ny taonjato voalohany, ary nanao ahoana ireo Kristiana tao amin’ny tontolo manodidina toy izany?
◻ Inona no porofo fa mandia fikororosiana ara-pitondran-tena maneran-tany izao tontolo izao nanomboka tamin’ny 1914?
◻ Faharatsiam-pitondran-tena fahita inona avy no tsy maintsy lavin’ny vahoakan’i Jehovah?
[Sary, pejy 9]
Nanana hatsaran-toetra ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany, na dia niaina teo amin’ny tontolo iray feno faharatsiam-pitondran-tena aza
[Sary, pejy 10]
Tafiditry ny faharatsiam-pitondran-tena hatramin’ny fifandraisana amin’ny ordinatera aza ka nanome ho an’ny tanora sy ny olon-kafa maro fahafahana hahita sary sy soratra vetaveta
[Sary, pejy 12]
Tsy maintsy mihazona hatsaran-toetra ny Kristiana, fa tsy hanahaka ireo tetika tsy marina ataon’ny hafa