FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 1/8 p. 4-6
  • Ny Fomba Ampiofanana ny Feon’ny Fieritreretanao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fomba Ampiofanana ny Feon’ny Fieritreretanao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny saina sy ny fo ary ny feon’ny fieritreretanao
  • Rehefa manao ny tsy mety isika
  • “Manàna fieritreretana tsara”
  • Ahoana no Hanananao Feon’ny Fieritreretana Madio Foana?
    “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
  • Tsara Ofana ve ny Feon’ny Fieritreretanao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Mandrisika Anao Hanao ny Tsara ve ny Feon’ny Fieritreretanao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Inona no Azoko Atao mba Hiasa Tsara ny Feon’ny Fieritreretako?
    Manontany ny Tanora
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 1/8 p. 4-6

Ny Fomba Ampiofanana ny Feon’ny Fieritreretanao

“NY FEON’NY fieritreretana madio no ondana tsara indrindra.” Io fitenenana tranainy io dia manasongadina zava-misy lehibe iray: Rehefa mihaino ny feon’ny fieritreretantsika isika, dia manana fiadanana sy fahatoniana anaty.

Tsy ny rehetra anefa no mifidy ny hanao izany. Nambaran’i Adolf Hitler fa ny tenany dia namita fanirahana mba hanafaka ny olona amin’ilay hevitra mampietry noforomporonin’ny saina, na hevi-diso, izay fantatra amin’ny anarana hoe feon’ny fieritreretana. Ny fanapahany nampihorohoro dia manome topy maso mampihoron-koditra ny amin’ny habibiana mety ho vitan’ny olona rehefa tsy manaiky ny feon’ny fieritreretany izy ireo. Tsy latsa-danja noho izany anefa ny tsy fiantrana asehon’ny maro amin’ireo mpanao heloka bevava mahery setra amin’izao andro izao — ireo izay mametaveta sy mamono olona kanefa tsy mahatsapa nenina. Mitombo isa hatrany ireo tanora dia tanora anisan’ireny mpanao heloka ireny. Noho izany, dia nitondra ny lohateny kely hoe Children Without a Conscience (Ankizy Tsy Manana Feon’ny Fieritreretana) ny boky iray nandinika io fisehoan-javatra io.

Na dia tsy hieritreritra mihitsy ny hanao heloka bevava feno herisetra aza ny ankamaroan’ny olona, dia maro no tsy enjehin’ny eritreriny rehefa manao fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy, na mandainga, na misoloky. Mitotongana ny fari-pitondran-tena manerana ny tany. Raha niresaka ny amin’ny fivadiham-pinoana lehibe avy ao amin’ny fanompoam-pivavahana marina ny apostoly Paoly, dia nanoratra fa ny Kristiana sasany dia hanaiky ho resin’ny fitaoman’izao tontolo izao, ka noho izany dia hanjary ho “voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany”. (1 Timoty 4:2). Vao mainka lehibe kokoa aza ny fandrahonan’ny fahasimbana ara-pitondran-tena amin’izao “andro farany” misy antsika izao. (2 Timoty 3:1, NW ). Noho izany, ny Kristiana dia tsy maintsy milofo mafy mba hiarovana ny feon’ny fieritreretany. Afaka manao izany isika amin’ny fampiofanana sy ny fampivelarana azy io.

Ny saina sy ny fo ary ny feon’ny fieritreretanao

Hoy ny apostoly Paoly: “Milaza ny marina ao amin’i Kristy aho, fa tsy mandainga, sady miara-milaza amiko ao amin’ny Fanahy Masina koa ny fieritreretako”. (Romana 9:1). Araka izany, dia mety ho mpilaza zavatra ny feon’ny fieritreretana. Afaka mandinika lalam-pitondran-tena iray izy io, ary mankasitraka na manameloka izany. Ny ankabeazan’ny fahatsapantsika ny atao hoe mety sy tsy mety dia efa napetraky ny Mpamorona antsika tao anatintsika. Na dia izany aza, dia azo volavolaina sy ampiofanina ny feon’ny fieritreretantsika. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fandraisantsika fahalalana araka ny marina avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. “Miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina”, hoy ny apostoly Paoly. (Romana 12:2). Arakaraka ny handentehanao ny hevitr’Andriamanitra sy ny sitrapony ao an-tsainao, no hanombohan’ny feon’ny fieritreretanao hiasa amin’ny fomba araka an’Andriamanitra kokoa.

Ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanampy olona an-tapitrisany maro maneran-tany mba ‘hahafantatra an’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy’. (Jaona 17:3). Amin’ny alalan’ny fandaharam-pampianarana ny Baiboly ataony maimaim-poana any an-tokantrano, no ampianarany ireo olona tso-po momba ny fari-pitsipik’i Jehovah Andriamanitra mahakasika ny firaisana, ny fisotro misy alkaola, ny fanambadiana, ny fifampiraharahana ara-barotra, sy ny foto-kevitra maro hafa.a (Ohabolana 11:1; Marka 10:6-12; 1 Korintiana 6:9, 10; Efesiana 5:28-33). Dingana lehibe eo amin’ny fampitomboana feon’ny fieritreretana araka an’Andriamanitra ny fandraisana “fahalalana araka ny marina”. (Filipiana 1:9, NW ). Mazava ho azy fa, na dia aorian’ny nahazoan’ny Kristiana iray fahatakarana matotra momba ny hevitry ny Baiboly aza, dia tsy maintsy manohy mamahana ny sainy amin’ny Tenin’Andriamanitra tsy tapaka izy, raha tiany hitoetra ho salama ny feon’ny fieritreretany. — Salamo 1:1-3.

Ny Baiboly koa dia mampifandray ny feon’ny fieritreretana amin’ny fo ara-panoharana izay mahafaoka ny fihetseham-pontsika sy ny fientanam-pontsika. (Romana 2:15). Tsy maintsy miara-miasa amin’ny fomba mirindra ny saina sy ny fo, raha tiana hiasa araka ny tokony ho izy ny feon’ny fieritreretana. Izany dia midika fa tsy ampy fotsiny ny mampiditra fahalalana ao an-tsainao. Tsy maintsy volavolainao koa ny fonao — dia ireo fihetseham-po sy faniriana ary filana mafy ao anatinao. Noho izany, ny bokin’ny Ohabolana dia mampiasa fitenenana toy ny hoe ‘ampitandremo ny fonao’, ‘ampifantohy ny fonao’, ‘ampizory ny fonao’. (Ohabolana 2:2; 23:19; 27:23, NW ). Ny fomba iray anaovana izany dia amin’ny alalan’ny fisaintsainana sy ny fieritreretana ny Soratra Masina. “Hisaina ny asanao rehetra aho ary hihevitra ny nataonao”, hoy ny Salamo 77:12. Ny fisaintsainana dia manampy antsika hanohina ny fihetseham-pontsika anaty indrindra, sy ny antony manosika antsika anaty indrindra.

Aoka hatao hoe manana fahazarana maloto iray ianao, toy ny fahazaran-dratsy amin’ny sigara na paraky, ohatra. Sahala amin’ny ankamaroan’ny olona, dia tsy isalasalana fa fantatrao tsara ny loza ara-pahasalamana mety hoentin’izy io. Na dia eo aza anefa ny fampirisihana mafy avy amin’ny havana aman-tsakaiza, dia hitanao fa sarotra ny miala. Ahoana no ahafahan’ny fisaintsainana ny hafatra ao amin’ny Baiboly manatanjaka ny feon’ny fieritreretanao amin’io lafiny io?

Ho ohatra, dia manandrama misaintsaina ny tenin’ny apostoly Paoly hita ao amin’ny 2 Korintiana 7:1, manao hoe: “Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.” Aoka ho azonao ny hevitr’ireo teny ireo. Manontania tena hoe: ‘Fa inona tokoa moa ireo “teny fikasana” resahin’i Paoly ireo?’ Rehefa mamaky ny teny manodidina ianao, dia hahamarika fa ireo andininy eo aloha dia milaza hoe: “ ‘Mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy, hoy i Jehovah, ary aza manendry izay zavatra tsy madio; ary Izaho dia handray anareo. Ary ho Rainareo Aho, ary hianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha.’ ” — 2 Korintiana 6:17, 18.

Izao dia manan-kery fanampiny ilay fandidian’i Paoly antsika mba “hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana”! Ho fandrisihana mahery mba hanaovana izany, dia mampanantena Andriamanitra fa ‘handray antsika’, izany hoe hametraka antsika ho eo ambany fikarakarany misy fiarovana. Mety hanontany tena ianao hoe: ‘Moa ve aho hanana fifandraisana akaiky aminy — toy ny an’ny zanakalahy na zanakavavy amin’ny ray iray?’ Moa ve tsy manintona be ny fieritreretana fa ny tena dia ‘horaisina’ na hotiavin’ny Andriamanitra iray hendry sy be fitiavana? Raha toa tsy mahavantana anao izany hevitra izany, dia diniho ny fomba arahin’ireo ray be fitiavana mba hanehoana fitiavana sy firaiketam-po amin’ny zanany. Izao dia alao sary an-tsaina hoe misy eo aminao sy i Jehovah izany fifandraisana izany! Arakaraka ny hisaintsainanao izany no hitomboan’ny faniriana hanana fifandraisana toy izany.

Mariho anefa izao: Tsy azo atao ny fanakekezana an’Andriamanitra raha tsy mitsahatra ‘tsy manendry izay zavatra tsy madio’ ianao. Manontania tena hoe: ‘Moa ve ny sigara sy ny paraky tsy anisan’ireo “zavatra tsy madio” melohin’Andriamanitra? Moa ve ny fampiasana izany ho ‘fahalotoana amin’ny nofo’, ka mahatonga ahy hisetra izao karazan-doza ara-pahasalamana rehetra izao? Koa satria Andriamanitra madio, na “masina”, i Jehovah, moa ve izy afaka mankasitraka ny finiavako mandoto ny tenako amin’izao fomba izao?’ (1 Petera 1:15, 16). Mariho fa nampitandrina ny amin’ny ‘fahalotoan’ny fanahy’, na fironana ara-tsaina, koa i Paoly. Manontania tena hoe: ‘Mifehy ny saiko ve io fahazaran-dratsy io? Tsy mikely soroka ve aho manome fahafaham-po ny filana mafy ananako, ka angamba hampisetrako loza ny fahasalamako, ny fianakaviako, na ny toerana tanako eo anatrehan’Andriamanitra mihitsy aza izany? Tonga hatraiza ny famelako ny fahazaran-dratsiko amin’ny sigara na paraky, hanimba ny fiainako?’ Ny fiatrehanao ireo fanontaniana mampikorontan-tsaina ireo dia mety hanome anao tokoa ny herim-po hialana!

Mazava ho azy fa mety hila fanampiana sy fanohanana avy amin’ny hafa ianao mba handresenao ny sigara sy ny paraky. Na izany aza anefa, ny fisaintsainana ny Baiboly dia mahavita be eo amin’ny fampiofanana sy fanatanjahana ny feon’ny fieritreretanao mba hanafaka anao amin’ny fahazaran-dratsy.

Rehefa manao ny tsy mety isika

Na dia miezaka toy inona aza isika manao ny mety, dia mandresy antsika indraindray ny tsy fahalavorariantsika, ka manao fahadisoana isika. Amin’izay dia hanelingelina antsika ny feon’ny fieritreretantsika, kanefa dia alaim-panahy isika hanandrana tsy hiraharaha azy io. Na mety hanjary ho kivy aoka izany isika, ka haniry hampitsahatra ny ezaka rehetra ataontsika mba hanompoana an’Andriamanitra. Tsarovy anefa izay nanjo an’i Davida Mpanjaka. Rehefa avy nijangajanga tamin’i Batseba izy, dia namely azy ny feon’ny fieritreretany. Nilazalaza ny fijaliana tsapany izy nanao hoe: “Efa navesatra tamiko andro aman-alina ny tànanao; niova ny fahatanjahako toy ny azon’ny fahamainana amin’ny lohataona.” (Salamo 32:4). Nampanaintaina ve ilay izy? Izany tokoa! Kanefa io alahelo araka an’Andriamanitra io dia nanosika an’i Davida hibebaka sy hanjary hihavana indray tamin’Andriamanitra. (Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 7:10.) Ny fitalahoana famelan-keloka izay nahafadiranovana mafy an’i Davida dia manome porofo ampy ny amin’ny fahatsoran’ny fibebahany. Noho izy nihaino ny feon’ny fieritreretany, dia nampiana mba hiova i Davida, ary tamin’ny farany dia niverina taminy indray ny fifaliany. — Salamo 51.

Mety hitranga ny mitovy amin’izany amin’izao andro izao. Nisy niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny lasa, saingy nijanona rehefa nianaran’izy ireo fa ny fiainany dia tsy nifanaraka tamin’ny fari-pitsipik’Andriamanitra ambony. Angamba izy ireo niara-nipetraka tamin’olona tsy lahy na tsy vavy toy azy kanefa tsy vita soratra, na nandevozin’ny fahazarana maloto izy ireo. Nanindrona azy ireo ny feon’ny fieritreretany!

Raha ao anatin’ny toe-javatra toy izany ianao, dia hevero ny tenin’ny apostoly Petera tamin’ny andro Pentekosta. Rehefa nampiharihary ny fahotan’ireo Jiosy mpiray firenena taminy izy, dia “voatsindrona tam-pony” ireo. Tsy nilavo lefona anefa izy ireo, fa nanaraka kosa ny torohevitr’i Petera mba hibebaka, ary dia nahazo sitraka tamin’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 2:37-41). Afaka manao toy izany ianao! Aza miala amin’ny fahamarinana noho ny feon’ny fieritreretanao manindrona anao, fa avelao kosa ny feon’ny fieritreretanao hanosika anao ‘hibebaka ka hiverina’. (Asan’ny Apostoly 3:19). Miaraka amin’ny fahatapahan-kevitra sy fiezahana, dia afaka manao ireo fiovana ilaina mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra, ianao.

“Manàna fieritreretana tsara”

Na vao manomboka mianatra ny amin’ny lalan’i Jehovah ianao, na efa manana fanandraman-javatra an-taonany maro amin’ny maha-Kristiana matotra, dia sahaza anao tsara ilay fananaran’i Petera manao hoe: “Manàna fieritreretana tsara”. (1 Petera 3:16). Zava-tsoa izy io, fa tsy enta-mavesatra. Ampiofano izy io amin’ny famahanana ny sainao sy ny fonao amin’ilay fahendrena voarakitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly. Henoy ny feon’ny fieritreretanao rehefa mampitandrina anao izy. Ankafizo ilay fiadanan-tsaina anaty izay entin’ny fankatoavana ny feon’ny fieritreretan’ny tena.

Ekena fa tsy asa mora akory ny fampiofanana sy ny famolavolana ny feon’ny fieritreretanao. Kanefa dia afaka mivavaka amin’i Jehovah Andriamanitra ianao mba hanampiany anao. Noho ny fanampiany, dia ho afaka hanompo an’Andriamanitra amin’ny “fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy”, ianao. — 1 Timoty 1:5.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Aza misalasala mifandray amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny misy anao, na manorata any amin’ny mpampanonta itỳ gazety itỳ, raha mahaliana anao ny hahazo fampianarana Baiboly maimaim-poana ao an-tokantrano.

[Sary, pejy 6]

Ny famakiana sy ny fisaintsainana ny Tenin’Andriamanitra dia manampy antsika hampiofana ny feon’ny fieritreretantsika

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara