FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 15/8 p. 31
  • Tadidinao Ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tadidinao Ve?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Mitovitovy Aminy
  • Rehefa ho Avy i Jesosy Amin’ny Voninahitr’ilay Fanjakana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Amin’ny Ahoana no Mahakasika Anao ny Fiovan-tarehin’i Kristy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Ilay Tsiambaratelo Azo Resahina Amin’ny Olona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Zava-miafina Tsy Azon’ny Kristiana Hazonina!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 15/8 p. 31

Tadidinao Ve?

Hitanao ho misy vidiny mahasoa anao ve ireo nomerao faramparany tamin’ny Tilikambo Fiambenana? Raha izany no izy, nahoana moa raha tsapaina amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ny fitadidianao?

◻ Ho sahala amin’inona izany Hara-magedona izany? (Apokalypsy 16:14, 16).

Tsy ho apokalypsy niokleary iray na ho loza iray hapoakan’olombelona izy io. Tsia, izy io dia ady hataon’Andriamanitra mba hamaranana ny adin’olombelona rehetra sy hanafoanana izay rehetra mampandroso izany ady izany ary hitondrana fiadanana ho an’izay tia fiadanana. Tsy hitaredretra izy io. (Habakoka 2:3). — 15/4, pejy faha-17.

◻ Karazana fampakaram-bady manao ahoana no manome voninahitra an’i Jehovah?

Tena hanome voninahitra an’i Jehovah ny fampakaram-bady iray izay anjakan’ny lafin-toetra ara-panahy fa tsy ny fomba araka an’izao tontolo izao. Hankafy io fotoan-dehibe io ny Kristiana raha toa izy ireo ka manalavitra ireo fanao sy finoanoam-poana ary fanaovan-javatra tafahoatra, izay mampietry sy araka an’izao tontolo izao; raha tsy mamela azy io hanembantsembana ireo asa teokratika mahazatra izy ireo; ary raha toa izy ireo ka mampiseho fahamaotinana fa tsy fampideraderana. — 15/4, pejy faha-26.

◻ Inona no toetra mampiavaka ny olona iray tsy mivadika?

Ny olona iray tsy mivadika dia tsy vitan’ny hoe azon’ny mpiara-belona aminy itokiana, fa ny mbola zava-dehibe kokoa, dia azon’Andriamanitra itokiana. Hita amin’ny zavatra ataony ny fahadiovan’ny fon’ny olona iray toy izany. Afaka amin’ny fihatsarambelatsihy izy. Tsy miolakolaka na ratsy fitondran-tena izy. (2 Korintiana 4:2). — 1/5, pejy faha-6.

◻ Nahoana i Jeremia no niteny hoe: “Tsara amin’ny olona ny mitondra zioga, raha mbola tanora izy”? (Fitomaniana 3:27).

Ny fianarana mizaka ireo fisedrana raha mbola tanora dia manampy hanomana ny olona iray hiatrika ireo zava-tsarotra amin’ny fiainan’olon-dehibe. (2 Timoty 3:12). Manan-tombo lavitra noho izay mety ho fanamaivanana mihelina mety hoentin’ny fanekena lembenana ny soa entin’ny fahatokiana. — 1/5, pejy faha-32.

◻ Tandindon’inona ny nisehoan’i Mosesy sy i Elia tao amin’ilay fahitana ny amin’ny fiovan-tarehy?

Tao amin’ilay fiovan-tarehy, dia sary nifanentana tsara tamin’ireo voahosotra rahalahin’i Jesosy, i Mosesy sy Elia. Ny hoe “niseho tamim-boninahitra” izy ireo sy i Jesosy, dia nampiseho fa “hiara-manam-boninahitra” amin’i Jesosy ao amin’ilay fandaharana momba ilay Fanjakana any an-danitra, ireo Kristiana voahosotra mahatoky. (Lioka 9:30, 31; Romana 8:17; 2 Tesaloniana 1:10). — 15/5, pejy faha-12, 14.

◻ Inona ilay “zava-miafina masina” izay an’Andriamanitra? (1 Korintiana 2:7).

Mifantoka amin’i Jesosy Kristy ny “zava-miafina masina” izay an’Andriamanitra. (Efesiana 1:9, 10, NW ). Kanefa, tsy ilay famantarana an’i Jesosy ho ilay Mesia nampanantenaina fotsiny akory izy io. Voafaoka amin’izany ny fitondram-panjakana iray any an-danitra, dia ilay Fanjakana Mesianikan’Andriamanitra, ary tafiditra amin’izany ny anjara asa voatondro hataon’i Jesosy ao amin’ny fikasan’Andriamanitra. — 1/6, pejy faha-13.

◻ Ahoana no tokony hiheveran’ny Kristiana ny fandrosoan’ny taona na ny aretina?

Tsy hihevitra ireny fisedrana ireny ho toy ny famerana ny fanompoany an’i Jehovah izy, fa tokony hihevitra azy ireny kosa ho toy ny fahafahana hampitombo ny fianteherany aminy. Tokony hotadidiny koa fa ny hasarobidin’ny Kristiana iray dia tsy refesina fotsiny amin’ny habetsahan’ny asa vitany fa amin’ny finoany sy ny halalin’ny fitiavany koa. (Marka 12:41-44). — 1/6, pejy faha-26.

◻ Tamin’ny ahoana no nampiseho ny fahendrena lehibe ananan’i Jehovah ny nampiasany olombelona fa tsy anjely mba hanoratra ny Baiboly?

Raha tsy nisy fandraisan’olombelona anjara mihitsy tamin’izy io, dia mety ho sahirana isika hahatakatra ny hevitry ny hafatry ny Baiboly. Afa-tsy izany koa, ny Baiboly dia manana ilay fihetseham-po mafana sy fisian-javatra maro samihafa ary fanintonana nentin’ny fandraisan’olombelona anjara. — 15/6, pejy faha-8.

◻ Inona no tsiambaratelon’ny fahasambaram-pianakaviana?

Ilay tsiambaratelo dia hita ao amin’ireo pejin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, sy ao amin’ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipiny, toy ny fifehezan-tena, ny fanekena ny fahefan’izay lohany, ny fifampiresahana tsara, ary ny fitiavana. — 15/6, pejy faha-23, 24.

◻ Amin’ny ahoana ny fanasitranana nataon’i Jesosy no samy hafa be amin’izay fanaon’ireo milaza ho manana hery manasitrana amin’izao andro izao?

Sady tsy naneho fihetseham-po tafahoatra ny vahoaka no tsy taitaitra nihetsi-po be i Jesosy. Fanampin’izany, dia mbola tsy nisy mihitsy ny hoe tsy nahasitrana ireo osa i Jesosy ka nitady fialan-tsiny hoe tsy natao tamim-pahalalahan-tanana tsara ny fanomezan’izy ireo na hoe tsy ampy finoana izy ireo. — 1/7, pejy faha-5.

◻ Ahoana no nanampian’i Jehovah ny vahoakany mba hanana toerana ao amin’ny fikasany momba ny anarany sy ny Fanjakany?

Voalohany aloha, dia nankinin’i Jehovah tamin’ny vahoakany ny fahamarinana. Faharoa, dia nanome azy ireo ny fanahiny masina izy. Ary fahatelo, dia ilay fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany misy antsika ary koa ny fandaharana ataon’i Jehovah ao anatin’ny fandaminana mba hanolorana fanompoam-pivavahana. — 1/7, pejy faha-19, 20.

◻ Inona no atao hoe hatsaran-toetra?

Ny hatsaran-toetra dia fahatsarana ara-pitondran-tena, hatsaram-po, fanaovan-javatra sy fisainana araka ny mety. Tsy toetra mipetra-potsiny akory izy io, fa toetra miasa, manorina. Midika ho zavatra bebe kokoa noho ny fanalavirana ota ny hatsaran-toetra; izy io dia midika hoe mikatsaka izay tsara. (1 Timoty 6:11). — 15/7, pejy faha-14.

◻ Inona no lova sarobidy indrindra azon’ny ray aman-dreny ampitaina amin-janany?

Ny lova sarobidy indrindra dia ny ohatra omen’ny tenany raha ny amin’ny fampisehoana fitiavana amin’ny hafa. Ilain’ny ankizy indrindra indrindra ny mahita sy mandre ny ray aman-dreniny maneho fitiavana marina an’Andriamanitra, izay hita taratra eo amin’ny zavatra ataony rehetra. — 15/7, pejy faha-21.

◻ Inona avy no sasany amin’ireo zavatra tena ilaina ho amin’ny fianaram-pianakaviana mandaitra?

Tsy maintsy atao tsy tapaka ny fianaram-pianakaviana. Tsy maintsy ‘maka ny fotoana avy amin’ny fanaovan-javatra hafa’ ianao, ho an’ilay fianarana. (Efesiana 5:15-17, NW ). Ataovy izay hahavelombelona ireo fotoam-pianarana ho an’ny ankizy, ka amin’izany dia ataovy manjary velona ny Baiboly. Mba hankafizan’ny ankizy azy io, dia tsy maintsy mahatsiaro tena ho tafiditra amin’izany izy ireo. — 1/8, pejy faha-26, 28.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara