Tsy Nofinofy Fotsiny ny Tontolo Iray Hanjakan’ny Rariny!
“NY RARINY dia zavatra mahaliana be ny olona eto an-tany”, hoy ny nomarihin’ny mpitondra fanjakana iray amerikana atao hoe Daniel Webster. Ary milaza toy izao ny Baiboly: “Jehovah tia rariny”. (Salamo 37:28). Koa satria izy ireo noforonina araka ny endrik’Andriamanitra, ny mpivady olombelona voalohany dia nanana toetra araka an’Andriamanitra, anisan’izany ny fahaiza-manavaka ny rariny. — Genesisy 1:26, 27.
Ny Soratra Masina koa dia miresaka ny amin’ny ‘jentilisa tsy manana ny lalàna nefa manao izay nandidian’ny lalàna araka ny nahim-pony’. Noho izany, izy ireo dia “maneho ny asan’ny lalàna ho voasoratra ao am-pony, sady ny fieritreretany no vavolombelony, ary ny fisainany mifampiampanga, nefa mba mifanafaka ihany koa aza”. (Romana 2:14, 15). Eny, ny olombelona dia noforonina hanana ny fiasan’ny feon’ny fieritreretana — fahatsapana anaty izay tsara sy ratsy. Mazava fa, ny filana ny rariny dia voajanahary ao amin’ny olona.
Mifandray akaiky ny filana ny rariny sy ny fikatsahan’ny olombelona ny fahasambarana, satria milaza toy izao ny Salamo 106:3: “Sambatra izay mitandrina ny mety [“rariny”, NW ] ka manao ny marina mandrakariva.” Nahoana anefa ny olona no tsy afaka nanangana tontolo iray anjakan’ny rariny?
Nahoana ny olombelona no tsy nahomby?
Ny antony fototra iray mahatonga ny tsy fahombiazana amin’ny fananganana tontolo iray anjakan’ny rariny, dia ny kilema nolovantsika avy amin’ireo ray aman-drenintsika voalohany, dia i Adama sy i Eva. Manazava ny Baiboly hoe: “Nidi[tra] ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra”. (Romana 5:12). Ilay kilema dia ny ota. Na dia noforonina ho tsy nisy kilema aza i Adama sy i Eva, dia nanapa-kevitra ny hikomy tamin’Andriamanitra izy ireo, ka tamin’izany dia nanao ny tenany ho mpanota. (Genesisy 2:16, 17; 3:1-6). Noho izany, dia namela ho lova ho an’ny zanany ny fironana hanota sy hanao ratsy izy ireo.
Moa ve ny toetra toy ny fierenana sy ny fitsarana an-tendrony tsy vokatry ny fironana hanota? Ary moa ve ireo toetra ireo tsy mandray anjara amin’ny tsy rariny eo amin’izao tontolo izao? Tena ny fierenana tokoa no fototry ny fanimbana be ny tontolo iainana sy ny famoretana ara-toe-karena iniana atao! Azo antoka fa ny fitsarana an-tendrony no ao ambadik’ireo adim-poko sy ny tsy rariny ara-pirazanana. Ireo toetra ireo ihany koa no manosika ny olona hangalatra sy hisoloky ary hanao zavatra manimba ny hafa.
Na dia ny ezaka atosiky ny faniriana tsara indrindra mba haneho ny rariny sy hanao ny tsara aza, dia matetika tsy mahomby, noho ny fironantsika hanota. Niaiky toy izao ny tenan’ny apostoly Paoly: “Tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko.” Nanohy nanazava ilay ady izy, tamin’ny filazana hoe: “Fa mankasitraka ny lalàn’Andriamanitra aho araka ny toetra anaty; nefa mahita lalàna hafa amin’ny momba ny tenako aho, miady amin’ny lalàn’ny saiko ka mamabo ahy ho an’ny lalàn’ny ota izay ao amin’ny momba ny tenako.” (Romana 7:19-23). Azo inoana fa manao ady mitovy amin’izany koa isika amin’izao andro izao. Izany no antony itrangan’ny tsy rariny matetika aoka izany.
Ny fomba fanapahan’ny olombelona koa dia nandray anjara tamin’ny tsy rariny eo amin’izao tontolo izao. Any amin’ny tany rehetra, dia misy lalàna sy ireo izay mpampihatra izany. Ary mazava ho azy fa misy ny mpitsara sy ny fitsarana. Marina fa nisy olona mpanara-dalàna nanandrana nanohana ny zon’olombelona sy nanao izay hisian’ny rariny ho an’ny rehetra. Na izany aza, dia tsy nahomby ny ankamaroan’ny ezak’izy ireo. Nahoana? Tamin’ny famintinana ireo anton-javatra isan-karazany mahatonga ny tsy fahombiazan’izy ireo, ny Jeremia 10:23 dia nilaza toy izao: “Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” Noho izy lavitra an’Andriamanitra, ny olombelona dia tsy afaka tsotra izao ny hanangana tontolo iray hanjakan’ny fahamarinana sy ny rariny. — Ohabolana 14:12; Mpitoriteny 8:9.
Ny sakana lehibe iray amin’ny ezak’olombelona hanorina tontolo iray hanjakan’ny rariny, dia i Satana Devoly. Manambara mazava ny Baiboly fa ny anjely mpikomy atao hoe Satana no “mpamono olona” sy “mpandainga” hatramin’ny voalohany, ary koa fa “izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa”. (Jaona 8:44; 1 Jaona 5:19). Ny apostoly Paoly dia nampahafantatra azy ho ny “andriamanitr’izao tontolo izao”. (2 Korintiana 4:3, 4). Noho izy mpankahala ny fahamarinana, i Satana dia manao ny zavatra rehetra azo atao mba hampandrosoana ny faharatsiana. Raha mbola mifehy izao tontolo izao koa izy, ny tsy rariny amin’ny endriny rehetra sy ireo loza aterany, dia hitohy hanandevo ny olombelona.
Midika ve izany rehetra izany fa tsy azo sorohina eo amin’ny fitambaran’olona ny tsy rariny? Moa ve ny tontolo iray hanjakan’ny rariny nofinofy iray tsy ho tanteraka mihitsy?
Tontolo iray hanjakan’ny rariny, zavatra tena hisy — Amin’ny fomba ahoana?
Mba hahatongavan’ny fanantenana tontolo iray hanjakan’ny rariny ho zavatra tena hisy, ny olombelona dia tsy maintsy mitodika any amin’ny loharano iray izay afaka manala tanteraka ny antony mahatonga ny tsy rariny. Iza anefa no afaka mamongotra ny fahotana sy mandringana an’i Satana sy ny fanapahany? Mazava fa tsy hisy olombelona na solontena olombelona ho afaka hanao izany asa sarotra izany. I Jehovah Andriamanitra irery ihany no afaka manao izany! Mahakasika azy, dia hoy ny Baiboly: “Ny amin’ny Vatolampy, tanteraka ny asany; fa ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; marina sy mahitsy Izy.” (Deoteronomia 32:4). Ary amin’ny maha-“tia rariny” azy, i Jehovah dia maniry ny olombelona hifaly amin’ny fiainana ao amin’ny tontolo iray hanjakan’ny rariny. — Salamo 37:28.
Raha niresaka ny amin’ny fandaharan’Andriamanitra hanangana tontolo iray hanjakan’ny rariny ny apostoly Petera, dia nanoratra toy izao: “Isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana.” (2 Petera 3:13). Izany “lanitra vaovao” izany dia tsy lanitra hita maso vaovao. Noforonin’Andriamanitra ho tanteraka ny lanitra hitan’ny masontsika, ary manome voninahitra azy izy io. (Salamo 8:3; 19:1, 2). Ny “lanitra vaovao” dia fanapahana vaovao ny tany. Ny “lanitra” amin’izao fotoana izao dia voaforon’ny fitondram-panjakana natsangan’olombelona. Tsy ho ela, ao amin’ny adin’Andriamanitra ao Haramagedona, dia hanome ny toerany ho an’ny “lanitra vaovao” — ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra, na fitondram-panjakana, izy ireo. (Apokalypsy 16:14-16). Ny Mpanjakan’io Fanjakana io, dia i Jesosy Kristy. Amin’ny fanafoanana tanteraka ny fanapahan’olombelona, io fitondram-panjakana io dia hanapaka mandrakizay. — Daniela 2:44.
Inona àry ilay “tany vaovao”? Tsy planeta vaovao izy io, satria Andriamanitra dia namorona ny tany mba hety indrindra ho an’ny fonenan’olombelona, ary sitrapony koa ny haharetan’izy io mandrakizay. (Salamo 104:5). Ny “tany vaovao” dia manondro fitambaran’olona vaovao. (Genesisy 11:1; Salamo 96:1). Ny “tany” izay horinganina dia voaforon’ny olona izay manao ny tenany ho anisan’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ. (2 Petera 3:7). Ny “tany vaovao” izay hasolo azy ireny dia ho voaforon’ny tena mpanompon’Andriamanitra, izay mankahala ny faharatsiana ary tia ny fahamarinana sy ny rariny. (Salamo 37:10, 11). Araka izany, dia hanjavona ny tontolon’i Satana.
Inona kosa no miandry an’i Satana? Nilaza mialoha ny apostoly Jaona hoe: “Nisambotra ilay dragona izy [Kristy Jesosy] (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra azy arivo taona, dia nanipy azy ho amin’ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony”. (Apokalypsy 20:1-3). Ny hery mitaonan’i Satana izay voafatotra, eo amin’ny olombelona, dia tsy hisy intsony, sahala amin’ny an’ny mpigadra iray ao anatin’ny lakalin’ny tranomaizina lalina. Endre izany fanamaivanana ho an’ny olombelona, izay ho tonga hialoha lalana ny tontolo iray hanjakan’ny rariny! Ary amin’ny faran’ny arivo taona, dia hopotehina tsy hisy intsony i Satana. — Apokalypsy 20:7-10.
Ahoana anefa ny amin’ny ota nolovana? I Jehovah dia efa nametraka fototra mba hamongorana ny ota. “Ny Zanak’olona [Jesosy Kristy] tonga (...) hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.” (Matio 20:28). Ilay teny hoe “avotra” dia midika ho vidiny takina mba hanafahana babo. I Jesosy dia nandoa ny vidin’ny fiainany lavorary mba ho avotra hanafahana ny olombelona. — 2 Korintiana 5:14; 1 Petera 1:18, 19.
Ny sorom-panavotan’i Jesosy dia afaka mitondra soa ho antsika, na dia ankehitriny aza. Amin’ny fanehoana finoana azy io, dia afaka mitana toerana madio eo anatrehan’Andriamanitra isika. (Asan’ny Apostoly 10:43; 1 Korintiana 6:11). Eo ambanin’ny fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra, ny avotra dia hahatonga hety ho an’ny olombelona ny fanafahana tanteraka amin’ny ota. Ny boky farany ao amin’ny Baiboly dia milazalaza ny amin’ny “onin’ny ranon’aina” ara-panoharana, mivoaka avy ao amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra, ary eny amin’ny sisiny dia misy hazo fihinam-boa izay manana ravina “ho fanasitranana ny firenena maro”. (Apokalypsy 22:1, 2). Izay asehon’ny Baiboly an-tsary eto, dia milazalaza ny fandaharana mahafinaritra nataon’ny Mpamorona mba hanafahana ny olombelona amin’ny ota, miorina amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy. Ny fampiharana amin’ny fomba feno io fandaharana io dia hanafaka ny olombelona mankatò amin’ny ota sy ny fahafatesana.
Fiainana ao amin’ny tontolo iray hanjakan’ny rariny
Hevero ny hoe hanao ahoana ny fiainana eo ambanin’ny fanapahan’ilay Fanjakana. Ny heloka bevava sy ny herisetra dia ho zavatra efa lasa. (Ohabolana 2:21, 22). Tsy hisy intsony ny tsy rariny ara-toe-karena. (Salamo 37:6; 72:12, 13; Isaia 65:21-23). Hesorina tanteraka ny soritry ny fanavakavahana ara-tsosialy sy ara-bolon-koditra, sy ara-pirazanana ary ara-poko. (Asan’ny Apostoly 10:34, 35). Tsy hisy intsony ny ady sy ny fitaovam-piadiana. (Salamo 46:9). Maty an-tapitrisany maro no haverina ho amin’ny fiainana ao amin’ny tontolo iray ho afaka amin’ny tsy rariny. (Asan’ny Apostoly 24:15). Ny tsirairay dia hifaly amin’ny fahasalamana tonga lafatra sy ho tomady. (Joba 33:25; Apokalypsy 21:3, 4). Mampanantena antsika ny Baiboly hoe “hamoaka izay tena rariny tokoa Izy [Jesosy Kristy]”. — Isaia 42:3.
Mandra-pahatongan’izany, dia mety hiharan’ny tsy rariny isika, nefa enga anie isika tsy hamaly ratsy na oviana na oviana. (Mika 6:8). Na dia rehefa tsy maintsy iaretana aza ny tsy rariny, dia enga anie isika hihazona fomba fijery manorina. Tsy ho ela dia tena ho zavatra hisy ilay tontolo iray hanjakan’ny rariny nampanantenaina. (2 Timoty 3:1-5; 2 Petera 3:11-13). Nanome ny teniny ilay Andriamanitra Tsitoha, ary ho ‘araka izany’ izy io. (Isaia 55:10, 11). Izao no fotoana fiomanana ho amin’io tontolo hanjakan’ny rariny io, amin’ny fianarana izay takin’Andriamanitra amintsika. — Jaona 17:3; 2 Timoty 3:16, 17.
[Sary, pejy 7]
Hesorina tanteraka ny soritry ny tsy rariny ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra