Ny Fianakaviana — Zavatra Tena Ilain’ny Olombelona!
LAZAINA fa tsy matanjaka ny fitambaran’olona raha tsy matanjaka ny fianakaviana ao aminy. Mampiseho ny tantara fa, rehefa mirodana ny fandaharana ny amin’ny fianakaviana, dia mihena ny tanjaky ny fiaraha-monina ary mihamalemy ny firenena. Rehefa nandrava ny fianakaviana tao Gresy fahiny ny fahasimbana ara-pitondran-tena, dia nanjary potika tanteraka ny sivilizasionany ka nahatonga azy ho mora resin’ny Romana. Nitoetra ho natanjaka ny Empira Romana, raha mbola nitoetra ho natanjaka koa ny fianakaviana. Rehefa nandeha anefa ireo taonjato, dia nihanalemy ny fiainam-pianakaviana, ary nihena ny tanjak’ilay empira. “Ny fiarovana sy ny fanandratana fianakaviana ary ny fiainam-pianakaviana no tanjona voalohan’ny sivilizasiona, ary zava-kendrena faran’ny fikezahana rehetra”, hoy ny tenin’i Charles W. Eliot, prezidàn’ny Oniversiten’i Harvard taloha.
Eny, zavatra tena ilain’ny olombelona ny fianakaviana. Mitarika mivantana ho amin’ny fitambaran’olona miorina tsara sy ny fahasambaran’ny ankizy sy ny taranaka ho avy izy io. Tsy isalasalana fa misy reny maro dia maro mitaiza irery ny zanany, miezaka mafy mba hitaiza ny zanany ho olom-banona, ary tokony hoderaina noho ny asany mafy izy ireny. Kanefa, asehon’ny fandinihana natao fa matetika ny ankizy no tsara fiafara lavitra kokoa, raha miaina ao amin’ny fianakaviana sady misy ny ray no misy ny reny.
Ny fandinihana natao tamin’ny tanora maherin’ny 2 100 tany Aostralia, dia nahitana fa “ny zatovo avy amin’ny fianakaviana rava dia manana zava-manahirana ankapobeny ara-pahasalamana kokoa, sy zava-manahirana ara-pihetseham-po kokoa, ary mpanao firaisana tsy tapaka kokoa, noho ny ankizy avy amin’ny fianakaviana tsy misy banga”. Ny fandinihana iray nataon’ny Ivon-toeram-pirenena Amerikana Misahana ny Antontan’isa Momba ny Fahasalamana, dia nampiharihary fa eo amin’ny ankizy avy amin’ny tokantrano rava, “ny 20-30 isan-jato aminy dia hiharan-doza matetika kokoa, ny 40-75 isan-jato aminy dia ho voatery hamerina kilasy matetika kokoa, ary ny 70 isan-jato aminy dia ho voaroaka any an-tsekoly matetika kokoa”. Ary ny mpanadihady ara-tsosialy iray dia manao tatitra fa “ny ankizy avy amin’ny tokantrano tsy misy afa-tsy ray na reny dia hanao heloka bevava matetika kokoa noho ireo izay mihalehibe ao amin’ny tokantrano mahazatra”.
Toeram-pialofana ny tokantrano
Manolotra tokantrano sambatra sy mampahery ary mahafinaritra ho an’ny rehetra ny fandaharana ny amin’ny fianakaviana. “Ny loharano lehibe indrindran’ny fahasambarana sy ny fahasalamana dia tsy ny asa, ny zavatra ara-nofo, ny zavatra ankafizina manokana, na ny namana, fa ny fianakaviana”, hoy ny ambaran’ny manam-pahefana soedoà iray.
Ny Baiboly dia mampiseho fa ilay Mpamorona Lehibe ny fianakaviana, i Jehovah Andriamanitra, no ahazoan’ny fianakaviana rehetra eto an-tany anarana, satria izy no nanorina ny fandaharana ny amin’ny fianakaviana. (Genesisy 1:27, 28; 2:23, 24; Efesiana 3:14, 15). Kanefa, ao amin’ny Soratra Masina ara-tsindrimandry, ny apostoly Paoly dia nanambara mialoha fa hiharam-panafihana feno halozana ny fianakaviana, ka izany dia hitarika ho amin’ny fikororosian’ny fitondran-tena sy ny fitambaran’olona ivelan’ny kongregasiona kristiana. Nilaza izy fa “ny andro farany” dia ho voamariky ny fivadihan’ny olona, sy ny tsy fisian’ny “firaiketam-po voajanahary”, ary ny tsy fankatoavana ray aman-dreny, na dia eo amin’ireo izay “hanana ny endriky ny fifikirana amin’Andriamanitra” aza. Nampirisika ny Kristiana mba hanalavitra ny olona toy izany izy. Nanambara mialoha i Jesosy fa hampisaraka ny fianakaviana ny fanoherana ny fahamarinan’Andriamanitra. — 2 Timoty 3:1-5, NW; Matio 10:32-37.
Tsy namela antsika tsy hahazo fanampiana anefa Andriamanitra. Toerana lehibe no voatokana ho an’ny toromarika momba ny fifandraisan’ny fianakaviana, ao amin’ny Teniny. Lazain’izy io amintsika ny fomba hananana fianakaviana vanona sy tokantrano feno faharavoravoana, izay hisahanan’ny mpianakavy tsirairay ny andraikiny eo anatrehan’ny hafa.a — Efesiana 5:33; 6:1-4.
Azo atao ve ny mahatratra fifandraisana sambatra toy izany amin’izao andro izao, na dia tandindomin-doza mafy aza ny fianakaviana? Eny, izany tokoa! Ho afaka ny hahomby ianao amin’ny fanaovana ny fianakavianao ho toerana mahafinaritra sy mamelombelona, eo amin’itỳ tontolo ngazana tahaka ny efitra itỳ. Mitaky zavatra avy amin’ny rehetra ao anatin’ny fianakaviana anefa izany. Indreto misy fanoloran-kevitra sasany.
Fanampiana ny fianakavianao mba haharitra
Ny iray amin’ireo fomba tsara indrindra ahafahan’ny fianakaviana mitoetra ho tafaray dia ny fiarahana mandany fotoana. Tokony hifanome an-tsitrapo ny fotoana malalaka ananany ny mpianakavy rehetra. Mety hidika ho fanaovana sorona izany. Ianareo zatovo, ohatra, dia mety ho voatery hanao sorona ny fandaharana iray tianareo indrindra ao amin’ny televiziona, ny fanatanjahan-tena iray, na ny fitsangantsanganana iray miaraka amin’ny namana. Ianareo ray, izay mazàna no mpitady vola voalohany indrindra, dia aza mampiasa ny fotoana mampahalalaka anareo hanaovana zavatra ankafizinareo na zavatra hafa mahaliana manokana fotsiny. Manaova fandaharana mialoha mba hiaraka amin’ny fianakaviana, angamba amin’ny faran’ny herinandro, na amin’ny vakansy. Mazava ho azy fa zavatra hankafizin’ny rehetra sy handrandrainy izany fandaharana mialoha izany.
Ny ankizy dia mila mihoatra noho ilay antsoina hoe fotoana misy vidiny, izany hoe, antsasak’adiny eo ho eo atokana holanina miaraka aminy tsindraindray. Mila fotoana betsaka izy ireo. Nanoratra toy izao ny mpanoratra iray tao amin’ny gazety mpiseho isan’andro any Soeda: “Nandritra ireo 15 taona naha-mpanao gazety ahy, dia nihaona tamin’ankizy maditra maro be aho (...) Ny zavatra iray iombonan’izy ireo dia toa hoe tsy nandany fotoana betsaka niarahana tamin’ny ray aman-dreniny izy ireo: ‘Tsy nanam-potoana ny ray aman-dreniko.’ ‘Tsy nihaino mihitsy izy ireo.’ ‘Nandeha foana ny raiko.’ (...) Amin’ny maha-ray na reny anao, dia afaka misafidy ny amin’ny habetsahan’ny fotoana homenao ny zanakao foana ianao. Hotsarain’ny ankizy iray 15 taona, tsy misy fiantrana, ny safidinao, rehefa afaka 15 taona.”
Fomba fijery araka ny mety ny vola
Tokony hamboly fomba fijery araka ny mety ny vola koa ny mpianakavy rehetra. Tokony ho vonona ny hifanome araka izay azony atao izy ireo, mba hisahanana ny fandaniana iombonan’ny fianakaviana. Vehivavy maro no voatery miasa mba hahitana vola ampy hivelomana. Tokony hahafantatra ireo loza sy fakam-panahy mety ho hitanareo anefa ianareo vehivavy. Itỳ tontolo itỳ dia mampirisika anareo mafy mba “tsy hihafihafy eo amin’ny fiainanareo” sy “hanao izay tianareo hatao”. Mety hahatonga anareo tsy ho tia fiankinana sy tsy ho afa-po amin’ny anjara asa nomen’Andriamanitra anareo amin’ny maha-reny sy mpikarakara tokantrano anareo, izany. — Titosy 2:4, 5.
Raha afaka ny ho ao an-trano sy ho mpitarika ary ho naman’ny zanakareo ianareo reny, izany dia tena hanampy mba hanorenana fatorana mafy, izay hihazona ny fianakavianareo ho tafaray, na inona na inona mahazo azy. Afaka mandray anjara amin’ny fomba miavaka mba hanaovana ny tokantrano ho sambatra sy ho tsy manana ahiahy ary miasa tsara ny vehivavy iray. “Mila lehilahy zato mba hanao toby iray, fa vehivavy iray kosa dia afaka mikarakara tokantrano”, hoy ny mpanao politika iray tamin’ny taonjato faha-19.
Raha samy miezaka mba hiaina araka ny fahafahana ara-bolan’ilay fianakaviana ny mpianakavy rehetra, dia hisoroka zava-manahirana maro ilay fianakaviana. Tokony hanaiky ny hihazona ny fiainana ho tsotra sy hametraka ny tombontsoa ara-panahy eo amin’ny toerana voalohany ny mpivady. Tokony hianatra ny fahaiza-mianina ny ankizy, fa tsy hitaky zavatra izay tsy takatry ny volan’ny fianakaviana. Mitandrema amin’ny fanirian’ny maso! Ny fakam-panahy hividy zavatra izay tsy takatry ny volany, ka nahatonga azy hidi-trosa, dia naharendrika fianakaviana maro. Mety ho tsara ho an’ny firaisan-tsain’ny fianakaviana raha ny rehetra no samy manome ny volany hiaraha-manao zavatra iray — dia iray mamelombelona, fitaovana iray mahasoa sy mahafinaritra ho an’ny tokantrano, na fanomezana mba hanohanana ny kongregasiona kristiana.
Ny endriny iray hafa amin’ny “fandraisana anjara” mba hisian’ny toe-tsaina falifaly ao amin’ny fianakaviana, izay tokony hifarimbonan’ny mpianakavy rehetra, dia ny fandraisana anjara amin’ny asa fanadiovana sy fikojakojana — ny fikarakarana ny trano sy ny zaridaina ary ny fiara, sy ny toy izany. Azo tendrena hanao ny ampahany iray amin’ny asa ny mpianakavy tsirairay, na dia ny kely indrindra aza. Ianareo ankizy, miezaha tsy handanilany foana ny fotoananareo. Mambole kosa toe-tsaina vonona hanampy sy hiara-miasa; izany dia hiteraka tena fisakaizana sy fifankahazoana am-po, izay mampiorina ny firaisan-tsain’ny fianakaviana.
Ny hasarobidin’ny fampianarana ara-baiboly
Ao amin’ny fianakaviana kristiana tafaray dia hamafisina koa ny maha-zava-dehibe ny fianarana ny Baiboly tsy tapaka. Manome fototra ho amin’ny fianakaviana tafaray ny fiaraha-mandinika ny andinin-tenin’ny Baiboly isan’andro, sy ny fianarana ny Soratra Masina isan-kerinandro. Tokony hiaraha-midinika amin’ny fomba izay manohina ny fon’ny rehetra ao amin’ny fianakaviana ireo fahamarinana sy foto-pitsipika ara-baiboly fototra.
Tokony hahazoana fianarana ny fivoriam-pianakaviana toy izany, no sady hahafinaritra sy hampahery. Ny fianakaviana iray tany avaratr’i Soeda, dia nangataka ireo ankizy hanoratra fanontaniana izay nipoitra nandritra ny herinandro. Nodinihina tao amin’ny fianarana Baiboly isan-kerinandro avy eo ireny fanontaniana ireny. Matetika ireny fanontaniana ireny no lalina sy nampisaintsaina ary nanome taratry ny fahaizan’ireo ankizy misaina sy ny fankasitrahany ireo fampianarana ao amin’ny Baiboly. Toy izao ny fanontaniana sasany: “Mampitombo ny zavatra rehetra amin’ny fotoana rehetra ve i Jehovah, sa indray mandeha monja no nanaovany izany?” “Koa satria tsy olona Andriamanitra, nahoana ny Baiboly no milaza fa namorona ny olona ‘araka ny endriny’ izy?” “Tsy nangatsiaka ve i Adama sy i Eva nandritra ny ririnina tao amin’ny Paradisa, satria tsy nikiraro sy tsy niakanjo izy ireo?” “Nahoana isika no mila ny volana amin’ny alina raha tokony ho maizina amin’izay?” Efa lehibe izao ireo ankizy, ary manompo an’Andriamanitra manontolo andro.
Rehefa mandamina zava-manahirana ara-pianakaviana ianareo ray aman-dreny, dia tsara raha miezaka ny ho manorina sy ho falifaly. Manehoa fiheverana sy fahaiza-milefitra, nefa tsy miovaova, raha ny amin’ny fanarahana foto-pitsipika lehibe. Aoka ho hitan’ireo ankizy fa manapaka foana eo amin’ny fanapahan-kevitrareo ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny foto-pitsipiny marina. Matetika ny rivo-piainana any an-tsekoly no tena mampihenjana sy mahaketraka, ary mila fampaherezana lehibe ny ankizy ao an-tokantrano mba hanoherana ny fitaomana toy izany.
Ry ray aman-dreny, aza mihambo ho lavorary. Ekeo ireo fahadisoana nataonareo ary mialà tsiny amin’ny zanakareo rehefa ilaina izany. Ry tanora, rehefa miaiky ny fahadisoany i Dada sy i Neny, dia ampitomboy ny fitiavanareo azy. — Mpitoriteny 7:16.
Eny, ny fianakaviana tafaray dia manome tokantrano misy fiadanana sy fiarovana ary fahasambarana. Nilaza toy izao ilay poety alemà iray atao hoe Goethe indray mandeha: “Ny sambatra indrindra, na mpanjaka na tantsaha, dia izay mahita ny fahasambarany ao an-tokantrano.” Ho an’ny ray aman-dreny sy ny zanaka mahay mankasitraka, dia tokony tsy hisy toerana tahaka ny ao an-tokantrano.
Marina fa tandindomin-doza mafy noho ny faneren’izao tontolo izao misy antsika ny fianakaviana amin’izao andro izao. Koa satria avy amin’Andriamanitra anefa ny fianakaviana, dia haharitra izy io. Haharitra ny fianakavianao, ary ianao koa dia ho toy izany, raha manaraka ny toro lalana marin’Andriamanitra ho an’ny fiainam-pianakaviana sambatra ianao.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahazoana tsipiriany kokoa momba io foto-kevitra io, dia jereo ny boky 192 pejy hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.