FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 15/5 p. 24-27
  • Afaka Manao Fandrosoana Ara-panahy Ianao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Afaka Manao Fandrosoana Ara-panahy Ianao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Manatanjaka ny mpanompony i Jehovah
  • “Esory ny toetra taloha”
  • Toy ny “afo” ao anatintsika
  • Noranitina toy ny tamin’ny vy
  • Antony tsara hanaovana fandrosoana ara-panahy
  • Moa ve Ianao Mankasitraka ny Fandaminan’i Jehovah eto An-tany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Diamondra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ny Niandohan’ny Indostrian’ny Diamondra
    Mifohaza!—2005
  • Zavatra Sarobidy Kokoa Noho ny Diamondra
    Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2014
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 15/5 p. 24-27

Afaka Manao Fandrosoana Ara-panahy Ianao

METY ho saro-pantarina ny tena hasarobidin’ny zavatra iray. Toy izany ny diamondra. Manjelanjelatra ny diamondra voadio, nefa ny diamondra mbola akora kosa dia zara raha mamoaka hazavana. Ao anatiny lalina amin’ilay diamondra mbola akora ao anefa, dia azo antenaina fa misy vatomazava tsara tarehy.

Amin’ny lafiny maro, dia mitovy amin’ny diamondra mbola akora ny Kristiana. Na dia mbola tena lavitra ny fahatanterahana aza isika, dia manana zavatra tsara miafina, izay heverin’i Jehovah ho sarobidy. Toy ny diamondra, isika rehetra dia samy manana ny toetra tsarantsika manokana avy. Ary ny tsirairay amintsika dia afaka manao fandrosoana ara-panahy bebe kokoa, raha izany no irintsika amim-pahatsorana. Azo diovina ny toetrantsika, mba hahatonga azy hamirapiratra tsara kokoa, ka hanome voninahitra an’i Jehovah. — 1 Korintiana 10:31.

Rehefa avy nomena endrika sy nodiovina ny diamondra iray, dia araikitra amin’ny tranom-bato (fitoeran’ny vatosoa eo amin’ny firavaka), izay mampitombo ny toetrany manjelanjelatra. Toy izany koa, i Jehovah dia afaka mampiasa antsika amin’ny fanendrena samihafa, raha toa isika ka ‘mitafy ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana’. — Efesiana 4:20-24.

Mety tsy ho voajanahary akory ny fahatongavan’izany fandrosoana ara-panahy izany, toy ny diamondra mbola akora izay tsy dia manjelanjelatra loatra toy ny vatomazava iray. Mety hilaintsika hesorina ireo fahalemena mbola tavela ao amintsika, na hahitsy ny fihetsitsika manoloana ny fiantsorohana andraikitra, na hiezahana mafy mihitsy aza ny hiala amin’ny fanaovana ho fahazarana fotsiny ireo zavatra ara-panahy. Afaka manao fandrosoana anefa isika, raha tena maniry hanao izany tokoa, satria i Jehovah Andriamanitra dia afaka manome antsika “hery mihoatra noho ny mahazatra”. — 2 Korintiana 4:7, NW; Filipiana 4:13.

Manatanjaka ny mpanompony i Jehovah

Ny fandidiana diamondra dia mitaky fatokian-tena izay azo noho ny fahalalana marina tsara, satria raha vao tapaka ny faritra iray amin’ny diamondra mbola akora, dia very tanteraka izany matetika. Mba hahazoana ilay endrika irina, dia misy tapany lafo vidy voatery esorina — 50 isan-jaton’ilay vato mbola tsy voadidy, indraindray. Isika koa dia mila fatokiana azo avy amin’ny fahalalana marina, mba hamolavolana ny toetrantsika, sy hanaovana fandrosoana ara-panahy. Tsy maintsy matoky indrindra isika hoe hanome hery antsika i Jehovah.

Mety hihevitra anefa isika hoe tsy mahay, na hoe tsy afaka manao bebe kokoa. Tamin’ny lasa, dia nihevitra toy izany indraindray, ireo mpanompon’Andriamanitra nahatoky. (Eksodosy 3:11, 12; 1 Mpanjaka 19:1-4). Rehefa notendren’Andriamanitra ho “mpaminany ho an’ny firenena” i Jeremia, dia nilaza hoe: “Indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza.” (Jeremia 1:5, 6). Na dia teo aza anefa ny fisalasalan’i Jeremia, dia tonga mpaminany nahery fo izy ka tsy natahotra nampita hafatra tamin’ny vahoaka ratsy fanahy iray. Ahoana no netezan’izany? Nianatra niantehitra tamin’i Jehovah izy. Nanoratra i Jeremia tatỳ aoriana hoe: “Hotahina izay olona matoky an’i Jehovah, dia izay manana an’i Jehovah ho tokiny.” — Jeremia 17:7; 20:11.

Amin’izao andro izao, dia manatanjaka toy izany koa an’ireo izay matoky azy i Jehovah. Hitan’i Edward,a fa marina izany. Raim-pianakaviana manan-janaka efatra izy, ary niadana be teo amin’ny fanaovana fandrosoana ara-panahy. Hoy ny nohazavainy: “Sivy taona no naha-Vavolombelon’i Jehovah ahy, nefa toa tsy nandroso ara-panahy mihitsy aho. Ny olana dia ny hoe tsy dia voatosika firy aho no sady tsy nanana fatokiana. Taorian’ny nifindrana ho eto Espaina, dia tao amin’ny kongregasiona kely iray, izay tsy nisy afa-tsy loholona iray sy mpanampy amin’ny fanompoana iray, ny tenako. Nangatahin’ilay loholona mba hanao anjara maro aho, satria nilaina izany. Nangovitra aho rehefa nanao ny lahateniko sy ny anjarako voalohany tao amin’ny fivoriana. Nianatra niantehitra tamin’i Jehovah anefa aho. Nidera ahy foana ilay loholona, sady nanipy hevitra tamim-pahaiza-mandanjalanja, mba hanaovako fanatsarana.

“Sady nampitombo ny asako teny amin’ny fanompoana eny amin’ny saha koa aho tamin’izay, no nitarika tamin’ny fomba tsara kokoa ny fianakaviako teo amin’ny ara-panahy. Vokatr’izany, dia nisy heviny lehibe kokoa ho anay mianakavy ny fahamarinana, ka tena afa-po kokoa aho. Mpanampy amin’ny fanompoana aho izao, ary miezaka mafy mba hamboly an’ireo toetra takina amin’ny mpiandraikitra kristiana.”

“Esory ny toetra taloha”

Araka ny hitan’i Edward, dia mitaky fitokiana amin’i Jehovah ny fandrosoana ara-panahy. Tena ilaina koa ny mamboly ireo “toetra vaovao” araka an’i Kristy. Ahoana no ahavitana izany? Ny dingana voalohany dia ny ‘fanesorana’ ireo lafin-toetra anisan’ny toetra taloha. (Kolosiana 3:9, 10, NW ). Tsy maintsy esorina amin’ny diamondra mbola akora iray ny tsiny toy ny mineraly hafa, mba hahatonga azy io ho vatomazava mamirapiratra. Toy izany koa fa ilaina hesorina ny fihetsika izay ‘an’izao tontolo izao’, mba hahatonga ny toetra vaovaontsika hamirapiratra. — Galatiana 4:3.

Ny iray amin’ny fihetsika toy izany dia ny fisalasalana hanaiky andraikitra, noho ny tahotra sao maro loatra no hotakina amintsika. Marina fa mitaky asa ny andraikitra, nefa asa mahafa-po izany. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 20:35.) Niaiky i Paoly fa ny fifikirana amin’Andriamanitra dia mitaky ny ‘hikelezantsika aina sy ny hiezahantsika’. Manao izany amim-pifaliana isika, hoy izy, ‘satria manantena an’Andriamanitra velona’, izay tsy manadino na oviana na oviana ny asa ataontsika ho an’ireo Kristiana namantsika sy ny hafa. — 1 Timoty 4:9, 10; Hebreo 6:10.

Nanjary nisy tsininy ny diamondra sasany, noho ny “tasy manjavozavo” nipoitra teo am-piforonan’ilay vato, ka tsy maintsy entina amim-pitandremana. Noho ny fanampian’ny fitaovana iray antsoina hoe polariscope anefa, ilay mpanadio diamondra dia afaka mahita ny toeran’ilay tasy manjavozavo, ka afaka miasa an’ilay vato soa aman-tsara. Misy tasy anaty angamba isika, dia ireo kileman-toetra, vokatry ny ivom-piainana nisy antsika na vokatry ny zavatra niainantsika nahavoadona mafy antsika. Inona avy no azontsika atao? Voalohany, dia tsy maintsy manaiky isika fa misy tokoa ilay zava-manahirana, ary tapa-kevitra ny handresy azy io be indrindra araka izay azo atao. Tsy maintsy mametraka ny entantsika amin’i Jehovah, amin’ny alalan’ny vavaka isika, ary angamba koa aza hitady fanampiana ara-panahy avy amin’ny loholona kristiana. — Salamo 55:22; Jakoba 5:14, 15.

Nisy fiantraikany teo amin’i Nicholas ny tasy anaty toy izany. “Alkaolika ny raiko, ary tena nampijaly be ahy sy ny anabaviko izy”, hoy ny nohazavainy. “Rehefa tsy nianatra intsony aho, dia nirotsaka ho miaramila, nefa tsy ela dia nitondra zava-nanahirana ho ahy ny toetrako tia mikomy. Nogadrain’ireo manam-pahefana tao amin’ny tafika aho satria nivarotra zava-mahadomelina, ary indray mandeha aho dia nitsoaka an-daharana. Niala tao amin’ny tafika aho nony farany, nefa mbola nanan-java-nanahirana foana. Liana tamin’ny Baiboly ihany aho sady naniry mafy ny hanana zava-kendrena teo amin’ny fiainana, na dia nikorontana noho ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny fibobohan-toaka aza ny fiainako. Tamin’ny farany aho dia nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, nanova ny fomba fiainako, ary nanaraka ny fahamarinana.

“Taona maro anefa no lasa, izay aho vao niaiky sy niatrika ny kileman-toetrako. Tena tsy tiako mainty ny fahefana, ary tezitra aho na inona na inona torohevitra nomena ahy. Na dia naniry ny hampiasain’i Jehovah amin’ny fomba feno aza aho, dia nanakana ahy io fahalemena io. Farany, noho ny fanampian’ny loholona roa mahataka-javatra, dia niaiky ilay zava-nanahirana ahy aho, ary nanomboka nampihatra ny torohevitra feno fitiavana, miorina amin’ny Soratra Masina, nomen’izy ireo. Haiko ankehitriny ny mifehy ny toetrako tia mikomy, na dia mipoitra tampoka aza indraindray ny fahasosorana kely. Tena velom-pankasitrahana aho, noho ny nitondran’i Jehovah ahy tamim-paharetana, sy noho ny fanampiana feno fitiavana avy tamin’ireo loholona. Vao tsy ela izay, dia voatendry ho mpanampy amin’ny fanompoana aho, noho ny fandrosoana ara-panahy nataoko.”

Araka ny hitan’i Nicholas, dia tsy mora ny manova ireo fihetsika efa lalim-paka. Angamba isika miatrika zava-tsarotra mitovy amin’izany. Mety ho mora tohina loatra isika. Mety hitahiry lolompo isika, na hanantitrantitra tafahoatra ny fitiavana tsy fiankinana. Noho izany, dia mety ho voafetra ny fandrosoantsika amin’ny maha-Kristiana antsika. Mahita zavatra mitovy amin’izany ny mpanadio diamondra, amin’ireo vato antsoin’izy ireo hoe naats. Izy ireny dia tena vato roa tokoa, izay nitsonika ka nitambatra ho iray, nandritra ny fiforonan’ilay diamondra. Vokatr’izany, ny naats dia manana fomba fitombo roa mifanohitra, ka manjary sarotra be ny mandidy an’ilay diamondra manaraka ny hitsin’ny sorany. Raha ny amintsika, dia hita fa miady amin’ny toetran’ny nofontsika tsy tanteraka ny toetran’ny saintsika vonona hanao zavatra. (Matio 26:41; Galatiana 5:17). Indraindray dia mety ho ta hampitsahatra tanteraka an’ilay ady isika, ka hitady hanamarin-tena amin’ny hoe tsy lehibe, raha ny marina, ireo kilema ao amin’ny toetrantsika. Mety hilaza isika hoe: ‘Mbola tia ahy foana ange ny fianakaviako sy ireo namako e!’

Raha tiantsika anefa ny hanompo ireo rahalahintsika sy hanome voninahitra an’ilay Raintsika any an-danitra, dia ilaintsika ny ‘manavao ny saintsika’ amin’ny alalan’ny fitafiana ny toetra vaovao. Mendrika ny hatao ilay ezaka, araka ny azon’i Nicholas sy ny maro tsy voatanisa hamarinina. Fantatry ny mpanadio diamondra iray fa mety hanimba an’ilay diamondra manontolo ny kilema iray. Toy izany koa, raha tsy miraharaha ny lafiny malemy amin’ny toetrantsika isika, dia mety hanimba ny fomba ahitana antsika eo amin’ny ara-panahy. Ny ratsy kokoa aza, dia mety hitarika ho amin’ny fianjerantsika ara-panahy ny fahalemena lehibe iray. — Ohabolana 8:33.

Toy ny “afo” ao anatintsika

Ny mpanadio diamondra dia mitady izay hampivoaka tsara an’ilay afo na fahazavana ao anatin’ny diamondra. Mba hanaovana izany, dia misy fomba anamboarany ireo lafiny mba hahatonga azy ireo hanome taratra maro loko toy ny avana. Ao anatin’ilay diamondra, ilay hazavana maro loko dia mandefa taratra mandroso sy miverina, ka miteraka ilay afo mahatonga ny diamondra hanjelanjelatra. Toy izany koa, ny fanahin’Andriamanitra dia mety ho toy ny ‘afo’ ao anatintsika. — 1 Tesaloniana 5:19, NW; Asan’ny Apostoly 18:25; Romana 12:11.

Ahoana anefa raha tsapantsika fa mila ny ho voatosika hanao zavatra eo amin’ny ara-panahy isika? Ahoana no ahavitana izany? Ilaintsika ny ‘mihevitra ny lalantsika’. (Salamo 119:59, 60). Tafiditra amin’izany ny famantarana ireo zavatra mahatonga antsika handeha miadana eo amin’ny ara-panahy, ary avy eo dia ny fanapahana hoe asa teokratika inona no ilaintsika hatao bebe kokoa. Azontsika atao ny mampitombo ny fankasitrahantsika zavatra ara-panahy, amin’ny alalan’ny fianarana manokana tsy tapaka sy ny vavaka amin-kafanam-po. (Salamo 119:18, 32; 143:1, 5, 8, 10). Fanampin’izany, rehefa mifanerasera amin’ireo miasa mafy eo amin’ny finoana isika, dia hanatanjaka bebe kokoa ny fahatapahan-kevitsika hanompo an’i Jehovah amin-jotom-po. — Titosy 2:14.

Niaiky toy izao i Louise, vehivavy kristiana tanora iray: “Roa taona no nieritreretako ny amin’ny asan’ny mpisava lalana maharitra, izay aho vao tena nirotsaka ho mpisava lalana, na mpitory ilay Fanjakana manontolo andro. Tsy nisy zavatra nanakana ahy, fa nanana fahazarana nampiadana ahy aho, ary tsy nanao ezaka hialana tamin’izany fotsiny. Maty tampoka avy eo ny raiko. Takatro fa marefo tokoa ny aina, ary tsy nampiasa tamin’ny fomba tsara indrindra ny fiainako aho. Noho izany, dia novako ny fomba fijeriko zavatra teo amin’ny ara-panahy, nampitomboiko ny fanompoako, ary tonga mpisava lalana maharitra aho. Tena nanampy indrindra teo amin’io lafiny io ireo anadahy sy rahavaviko ara-panahy, izay nanohana foana ny fandaharana ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, sy niaraka tamiko teny amin’ny fanompoana. Nianarako fa na amin’ny mora, na amin’ny sarotra, dia iarahantsika manana ny fitsipi-pitondran-tena sy zava-kendren’ireo namantsika.”

Noranitina toy ny tamin’ny vy

Ny diamondra no zavatra mafy indrindra voajanahary hita eto an-tany. Noho izany, dia diamondra iray no ilaina mba handidiana diamondra iray hafa. Izany dia mety hampahatsiahy ny mpianatra ny Baiboly ny amin’ilay ohabolana milaza hoe: “Ny vy maharanitra ny vy, toy izany, ny olona maharanitra ny tarehin’ny sakaizany.” (Ohabolana 27:17). Ahoana no ‘andranitana’ ny tarehin’ny olona iray? Mety ho vitan’ny olona iray ny mandranitra ny toetra ara-tsaina sy ara-panahin’ny olona iray hafa, tsy misy hafa amin’ny vy iray azo ampiasaina mba handranitana lelan’antsy vy mitovy aminy. Raha toa, ohatra, isika manjary ketraka noho ny fahadisoam-panantenana, dia afaka ny tena hahafaly ny fampaherezana avy amin’ny olona iray hafa. Ny endritsika malahelo amin’izay, dia afaka ny hiova ho tsara kokoa, ary hahazo hery indray isika mba hanaovana indray asa amin-jotom-po. (Ohabolana 13:12). Afaka manampy indrindra mba handranitra antsika ireo loholon’ny kongregasiona, rehefa manome fampaherezana ara-tsoratra masina sy torohevitra mba hihatsarantsika. Arahin’izy ireo ny foto-pitsipika nolazain’i Solomona hoe: “Toroy ny hendry, dia hihahendry izy; ampianaro ny marina, dia hitombo saina izy.” — Ohabolana 9:9.

Mazava ho azy fa mitaky fotoana ny fiofanana ara-panahy. Nandritra ny folo taona mahery no nampitan’ny apostoly Paoly ny fanandraman-javatra hitany sy ny fomba fampianarany, tamin’i Timoty. (1 Korintiana 4:17; 1 Timoty 4:6, 16). Nitondra soa naharitra ho an’ny firenen’ny Isiraely ny fampiofanana naharitra 40 taona nomen’i Mosesy an’i Josoa. (Josoa 1:1, 2; 24:29, 31). Angamba efa nandritra ny enin-taona no niaraka tamin’i Elia mpaminany i Elisa, ka nandray fampiofanana tsara dia tsara ho an’ny fanompoany manokana, izay haharitra 60 taona. (1 Mpanjaka 19:21; 2 Mpanjaka 3:11). Rehefa maharitra manome fampiofanana mitohy ireo loholona, dia manahaka ny ohatr’i Paoly sy i Mosesy ary i Elia.

Tapany lehibe amin’ny fampiofanana ny fanaovana teny fiderana. Ny fanehoana fankasitrahana amim-pahatsorana noho ny anjara natao tsara, na noho ny asa mendri-piderana, dia afaka manosika ny hafa mba haniry hanompo an’Andriamanitra amin’ny fomba feno kokoa. Ny teny fiderana dia manorina fatokiana, izay, ho setrin’izany, dia mandrisika mba hiady amin’ireo fahalemena. (Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 11:2.) Ny fampirisihana mba handroso ao amin’ny fahamarinana koa, dia azo avy amin’ny fifantohana mafy amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana sy ireo asa hafa ao amin’ny kongregasiona. (Asan’ny Apostoly 18:5). Rehefa manome andraikitra an’ireo rahalahy, mifanaraka amin’ny fandrosoana ara-panahy nataony, ireo loholona, izany dia manome an’ireo lehilahy ireo fanandraman-javatra sarobidy, ary azo inoana fa hampitombo ny fanirian’izy ireo hanohy handroso ara-panahy. — Filipiana 1:8, 9.

Antony tsara hanaovana fandrosoana ara-panahy

Heverina ho sarobidy ny diamondra. Marina koa izany ny amin’ireo izay nanjary niaraka tamin’ny fianakaviana maneran-tanin’ny mpivavaka amin’i Jehovah. Raha ny marina, Andriamanitra mihitsy dia miantso azy ireo hoe “zavatra faniry” na “sarobidy” eo amin’ny firenena rehetra. (Hagay 2:7, NW, fanamarihana ambany pejy). Tamin’ny herintaona, dia nisy olona 375 923 tonga Vavolombelon’i Jehovah vita batisa. Mba handraisana izany fitomboana izany, dia ilaina ny ‘manalalaka ny itoeran’ny lay’. Rehefa mandroso ara-panahy ny olona iray — ary miezaka mafy mba hahazo tombontsoam-panompoana kristiana — dia azony atao ny manana anjara amin’ny fikarakarana io fitomboana io. — Isaia 54:2; 60:22.

Ireo diamondra sarobidy dia tahirizina any amin’ny banky, ary mahalana be vao hita. Tsy mitovy amin’izany anefa ny hasarobidintsika ara-panahy, fa afaka mamirapiratra mazava. Ary rehefa manadio sy mampiseho tsy tapaka ireo toetra kristiana ananantsika isika, dia manome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra. Nampirisika ny mpanara-dia azy i Jesosy hoe: “Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.” (Matio 5:16). Azo antoka fa manome antsika antony marim-pototra mba hanaovana fandrosoana ara-panahy izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Solon’anarana no ampiasaina ato amin’itỳ lahatsoratra itỳ.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara