FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 15/5 p. 28-31
  • Inona moa ny Talmoda?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona moa ny Talmoda?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny nanaovana ny Talmoda
  • Ny nanaovana ireo Talmoda roa
  • Inona no notontosain’ny Talmoda?
  • Ny Mishnah sy ny Lalàn’Andriamanitra Nomena An’i Mosesy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Nahoana no Natao An-tsoratra ny Lalàna Am-bava?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Iza no Mendrika Hantsoina hoe Raby?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Ny Karahita sy ny Fitadiavany ny Fahamarinana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 15/5 p. 28-31

Inona moa ny Talmoda?

“Tsy isalasalana fa iray amin’ireo literatiora miavaka indrindra hatramin’izay, ny Talmoda.” — The Universal Jewish Encyclopedia.

“Iray amin’ireo zavatra lehibe vitan’ny sain’ny olombelona [ny Talmoda], tahirin-kevitra lalina aoka izany, mafonja aoka izany, be safeli-teny aoka izany, hany ka nahatana ny sain’ny mahiratra indrindra, nandritra ny arivo taona sy tapany.” — Jacob Neusner, Jiosy, manam-pahaizana manokana sady mpanoratra.

“Andry iankinan[’ny Jodaisma] ny Talmoda, izay manohana ny rafitra ara-panahy sy ara-tsaina manontolon’ny fiainan’ny Jiosy.” — Adin Steinsaltz, manam-pahaizana momba ny Talmoda sady raby.

TSY isalasalana fa nanan-kery lehibe dia lehibe teo amin’ny vahoaka jiosy hatramin’ny taonjato maro ny Talmoda. Mifanohitra amin’ireo teny fiderana voatonona etsy ambony anefa, fa natao tsinontsinona ny Talmoda, ka nantsoina hoe “hevitra tsy hita lany manjavozavo tanteraka”. Nampangaina ho asa soratra feno fitenenan-dratsy avy amin’ny Devoly izy io. Impiry impiry moa izy io no nanaovana sivana, notanan’ny fanjakana, sy nodorana be dia be indray miaraka mihitsy aza, teny amin’ny kianja tany Eoropa, noho ny lalàna navoakan’ny papa.

Inona marina moa io asa soratra izay nampipoitra ady hevitra be toy izany io? Inona no mampiavaka ny Talmoda amin’ny asa soratra jiosy? Nahoana izy io no nosoratana? Ahoana no nahatonga azy io hanan-kery toy izany teo amin’ny Jodaisma? Moa ve izy io misy heviny ho an’ny tontolo tsy jiosy?

Nandritra ireo 150 taona taorian’ny nandravana ny tempoly tany Jerosalema tamin’ny 70 am.f.i., ireo sekoly ambony notantanan’ny olon-kendry raby nanerana an’i Israely dia nitady tamim-pahadodonana fototra vaovao mba hanohizana ny fomba amam-panao jiosy. Nanao ady hevitra izy ireo, ary dia nandravona lovantsofina maro samihafa tamin’ny lalàny am-bava. Teo ambonin’io fototra io no nanorenan’izy ireo fetra sy zavatra takina vaovao ho an’ny Jodaisma, ka nanomezany fitarihan-dalana momba ny fiainana andavanandro ao anatin’ny fahamasinana, na dia tsy nisy tempoly aza. Nofaritana ao amin’ny Mishnah, izay natambatr’i Judah ha-Nasi teo am-piandohan’ny taonjato fahatelo am.f.i., io rafitra ara-panahy vaovao io.a

Nahaleo tena ny Mishnah, ka tsy nitady fanamarinana avy tamin’ny Baiboly. Tsy nanam-paharoa ny fomba fandinihany zavatra, ary koa ny angalin’ny teny hebreo ao aminy mihitsy aza, izay hafa noho ny ao amin’ny Baiboly. Nisy heriny teo amin’ny fiainana andavanandron’ny Jiosy hatraiza hatraiza ireo fanapahan-kevitry ny raby voasoratra ao amin’ny Mishnah. Izany tokoa no izy, araka izao fanazavan’i Jacob Neusner izao: “Nanome ny lalàm-panorenan’i Israely ny Mishnah. (...) Nitaky fanekena sy fanarahana ireo fitsipiny, izy io.”

Ahoana anefa raha nisy nisalasala ny amin’ny fahefan’ireo olon-kendry voatonona ao amin’ny Mishnah, raha hoe tena nitovy lenta tokoa tamin’ny Soratra Masina izany? Tsy maintsy ho nasehon’ny raby fa ny fampianaran’ny Tanahima (mpampianatra ny lalàna am-bava), hita ao amin’ny Mishnah, dia nifanaraka tanteraka tamin’ny Soratra Hebreo. Nanjary tena nilaina ny fanazavana fanampiny. Tsapan’izy ireo fa nilaina ny nanazava sy ny nanamarina ny Mishnah, ary ny nanaporofo fa avy tamin’ny Lalàna nomena an’i Mosesy tany Sinay izy io. Tsapany fa voatery hanaporofo izy ireo fa iray ihany ny votoaty sy ny zava-kendren’ny lalàna am-bava sy an-tsoratra. Tsy tompon’ny teny farany momba ny Jodaisma àry ny Mishnah, fa nanjary fototra vaovao niorenan’ny fiaraha-midinika sy ny ady hevitra ara-pivavahana kosa.

Ny nanaovana ny Talmoda

Fantatra hoe Amorahima — “mpilaza hevi-teny”, na “mpanazava”, ny Mishnah — ireo raby niatrika io zava-tsarotra vaovao io. Nifantoka tamin’ny raby nalaza iray ny sekoly ambony tsirairay. Nisy manam-pahaizana sy mpianatra vitsivitsy niara-nidinika mandavantaona. Natao indroa isan-taona anefa ny fotoam-pivoriana lehibe indrindra, nandritra ny volana Adara sy Elola, rehefa nihena ny asa fambolena, ka olona an-jatony maro, eny, an’arivony maro mihitsy aza, no afa-nanatrika izany.

Hoy ny fanazavan’i Adin Steinsaltz: “Ny talen’ny sekoly ambony no nitarika ilay fotoana, ary nipetraka teo amin’ny seza iray na teo amin’ny lafika manokana izy. Teo amin’ireo toerana anoloany no nipetrahan’ny manam-pahaizana lehibe, anisan’izany ny mpiara-miasa taminy na ny mpianany niavaka, ary tao aorian’izy ireo no nipetrahan’ny manam-pahaizana hafa rehetra. (...) Nanaraka ambaratongam-pahefana voafaritra tsara [arakaraka ny fahamboniana] ny filaharan’ny toerana nipetrahana.” Nisy ampahany tamin’ny Mishnah novakina tamin’ny feo avo. Avy eo izany dia nampitahaina tamin’ny fanazavana nifanitsy taminy, na tamin’ny fanazavana fanampiny nangonin’ny Tanahima izay tsy hita tao anatin’ny Mishnah. Nanomboka tamin’izay ny famakafakana. Napetraka ny fanontaniana, ary nofakafakaina ireo fifanoheran-kevitra mba hahitana raha nifandrindra ireo fampianarana samy hafa. Nokarohina ny porofo avy ao amin’ny Soratra Hebreo, mba hanohanana ny fampianaran’ny raby.

Na dia voalamina tamim-pitandremana aza ireny fiaraha-nidinika ireny, dia niteraka fihenjanana be, ary indraindray fitabatabana. Nilaza ny olon-kendry iray voatonona ao amin’ny Talmoda fa toy ny hoe nisy “pitik’afo” nivoaka avy tamin’ny vavan’ireo raby nifamaly, nandritra ny ady hevitra iray. (Hullin 137b, Talmoda babyloniana). Hoy i Steinsaltz momba ireo fisehoan-javatra tamin’izany: “Nanome ny heviny manokana momba ireo olana ilay talen’ny sekoly ambony, na ilay olon-kendry nandaha-teny. Matetika ireo manam-pahaizana nanatrika teo no nanototra azy tamin’ny fanontaniana niorina tamin’ny loharanon-kevitra hafa, na tamin’ny fiheveran’ny mpivaofy teny hafa, na tamin’ny fanatsoahan-keviny lojika. Indraindray dia fohy kely ilay ady hevitra, ary noferana ho fanomezana valin-teny mazava tsara iray, izay namarana ilay ady hevitra, ho setrin’ny fanontaniana voafaritra iray. Tamin’ny toe-javatra hafa, dia nisy manam-pahaizana hafa nanolotra vahaolana hafa azo nofidina, ary dia nisy ady hevitra be taorian’izay.” Nahazo nandray anjara ny mpanatrika rehetra. Nampitaina tany amin’ny sekoly ambony hafa mba hodinihin’ny manam-pahaizana hafa indray, ny raharaha niadian-kevitra izay voazava.

Na dia izany aza, dia tsy hoe ady hevitra fanizingizinan-dalàna tsy nisy farany fotsiny akory ireny fotoam-pivoriana ireny. Antsoina hoe Halakah ireo lalàna momba ny fitsipika mifehy ny fiainana ara-pivavahan’ny Jiosy. Avy amin’ny fototeny hebreo hoe “mandeha” io teny io, ary manondro ny ‘lalam-piainana tokony haleha’. Antsoina hoe Haggadah, izay avy amin’ny fototeny hebreo hoe “milaza”, ny zavatra hafa rehetra — tantara momba ny raby sy ny olona ao amin’ny Baiboly, tenim-pahendrena, hevitra mikasika zavatra inoana sy filôzôfia. Nafangaro ny Halakah sy ny Haggadah nandritra ny ady hevitra nifanaovan’ny raby.

Hoy ny fanazavan’i Morris Adler ao amin’ilay bokiny hoe The World of the Talmud: “Ny mpampianatra hendry iray dia nanapaka ny ady hevitra lava be sady sarotra momba ny lalàna, ka nampivily ilay izy ho amin’ny foto-kevitra tsy nandreraka kokoa sady nampahery kokoa. (...) Araka izany, dia mahita isika fa nampiarahina tao ny angano sy ny tantara, ny siansa tamin’izany andro izany sy ny vakomanitra, ny fanazavana hevi-teny ara-baiboly sy ny tantaran’olona ao amin’ny Baiboly, ny toriteny sy ny teôlôjia, ka toa fifangaroam-panazavana tsy voalamina sady hafahafa ilay izy, ho an’ny olona tsy mahalala firy ny fanaon’ny sekoly ambony.” Nisy zava-nokendrena sady nifandray tamin’ilay zavatra niadian-kevitra anefa ireny familian-dresaka rehetra ireny, ho an’ny manam-pahaizana tao amin’ny sekoly ambony. Ny Halakah sy ny Haggadah no fitaovana nentina hananganana rafitra vaovao iray, izay teo an-dalam-panorenana tao amin’ny sekoly ambonin’ny raby.

Ny nanaovana ireo Talmoda roa

Tatỳ aoriana, dia nifindra nankany Tiberiasy ilay foibe lehibe indrindran’ny raby tany Palestina. Nisy sekoly ambony lehibe hafa tany Sepphoris sy Kaisaria ary Lyda. Kanefa, nitarika fifindra-monina rodobe nankany Babylonia, toerana hafa iray be Jiosy tany Atsinanana, ny fitotongan’ny toe-karena sy ny fiovaovana ara-politika tsy an-kijanona, ary tamin’ny farany, ny fanerena sy ny fanenjehan’ny Kristianisma nivadi-pinoana.

Nandritra ny taonjato maro, dia nisy mpianatra avy tany Babylonia nirohotra nankany Palestina mba hianatra tamin’ny raby lehibe tao amin’ireo sekoly ambony. Iray tamin’ireny mpianatra ireny i Abba ben Ibo, nantsoina koa hoe Abba Arika, izany hoe Abba lava. Rab fotsiny anefa no nahafantarana azy tatỳ aoriana. Niverina tany Babylonia izy tokony ho tamin’ny 219 am.f.i., rehefa avy nianatra tamin’i Judah ha-Nasi, ary nitondra fiovana lehibe izany, satria nanjary nitana toerana ara-panahy lehibe ny fiaraha-monina jiosy tany Babylonia. Nanangana sekoly ambony iray tany Sura, faritra be Jiosy saingy vitsy manam-pahaizana, i Rab. Nahasarika mpianatra 1 200 ho tonga tsy tapaka tao amin’ny sekoly ambony naoriny, ny lazany, ary nisy an’arivony maro fanampiny tonga nanatrika tao nandritra ny volana Adara sy Elola. Nanangana sekoly ambony iray tany Néerda, i Samuel, izay olo-nanan-daza niara-belona tamin’i Rab. Nisy sekoly ambony lehibe hafa koa naorina tany Pumbeditha sy Mehoza.

Tsy nilaina intsony izao ny nankany Palestina, satria azo natao ny nianatra tamin’ny manam-pahaizana lehibe tany Babylonia. Nanomana ny lalana ho amin’ny fahazoan’ny sekoly ambony tany Babylonia fahazakan-tena tanteraka, ny nanaovana ny Mishnah ho boky iray mitokana. Na dia samy hafa aza izao ny fomba filaza hevitra sy ny fomba fianatra tany Palestina sy tany Babylonia, dia nitsimbina ny firaisan-tsain’ireo sekoly ambony ny fifampitan-kevitra sy ny fifanakalozana mpampianatra matetika.

Teo am-pifaranan’ny taonjato fahefatra sy teo am-piandohan’ny taonjato fahadimy am.f.i., dia nanjary nanahirana indrindra ny toe-javatra nisy ny Jiosy tany Palestina. Nirongatra ny fameperana sy ny fanenjehana teo ambany fahefan’ny Fivavahana Lazaina fa Kristiana nivadi-pinoana izay nihanahazo laka, ka nitarika ho amin’ilay famelezana farany, dia ny nanafoanana ny Synedriona sy ny toeran’ny Nasi (patriarika), tokony ho tamin’ny 425 am.f.i. Koa natomboky ny Amorahima tany Palestina àry ny fandravonana ireo famintinana ny ady hevitra natao tany amin’ny sekoly ambony. Naravony ho asa soratra iray nirindra izy ireny, mba hitsimbinana azy. Nanjary fantatra hoe Talmoda palestiniana io asa soratra io, izay natambatra maimaika tamin’ny faramparan’ny taonjato fahefatra am.f.i.b

Raha mbola nihen-danja ny sekoly ambony tany Palestina, dia nihanahatratra ny tampon’ny fahaizany kosa ny Amorahima tany Babylonia. Nanondrotra ny ady hevitra hanjary ho be pitsiny sy be safeli-teny i Abaye sy i Raba, ary izany no nanjary modelin’ny fomba famakafakana ny Talmoda, tatỳ aoriana. Nanaraka izany, i Ashi, talen’ny sekoly ambony tany Sura (371-427 am.f.i.), dia nanomboka nanambatra sy nanomana ny famoahana ireo famintinana ny ady hevitra. Araka ny voalazan’i Steinsaltz, dia izany no nataony, “satria natahotra izy sao hohadinoina tsikelikely ireo fanazavana am-bava maro be izay tsy voalamina”.

Tsy vitan’ny lehilahy iray na ny taranaka iray mihitsy aza, ny nandamina ireo fanazavana maro be ireo. Nifarana tany Babylonia, tamin’ny taonjato fahadimy am.f.i., ny vanim-potoan’ny Amorahima. Ilay asa fanomanana farany ny famoahana ny Talmoda babyloniana anefa dia notohizin’ny antokon’olona nantsoina hoe Saborahima, teny aramiana midika hoe “ireo mpanazava”, na “ireo manana ny heviny”, hatramin’ny taonjato fahenina am.f.i. Natambatr’ireny olona nanao fanomanana farany ireny ireo tapany an’arivony maro tsy vita sy ireo ady hevitra nifanaovan’ny raby nandritra ny taonjato maro, ka nahatonga ny Talmoda babyloniana hanana fomba filaza hevitra sy rafitra nampiavaka azy tamin’ny asa soratra jiosy rehetra talohany.

Inona no notontosain’ny Talmoda?

Niezaka hanaporofo ireo rabin’ny Talmoda fa iray ihany ny loharanon’ny Mishnah sy ny Soratra Hebreo. Fa nahoana? Hoy ny fanazavan’i Jacob Neusner: “Ny toerana notanan’ny Mishnah no nolazaina fa raharaha niadian-kevitra. Hita anefa fa ny fahefan’ny olon-kendry mihitsy no nanjary votoatin’ilay raharaha.” Mba hanamafisana io fahefana io, ny andalana tsirairay tao amin’ny Mishnah, ary indraindray ny teny tsirairay, dia nodinihina, notsikeraina, nohazavaina, sy narindra tamin’ny fomba voafaritra iray. Nomarihin’i Neusner fa tamin’izany fomba izany, dia “nampivilivily lalana ny Mishnah”, ireo raby. Na dia natao ho asa soratra feno tsy mila fanampiny aza ny Mishnah, dia nofakafakaina hatramin’ny tsipiriany madinika izao. Namboarina sy nodinihina indray izy io, nandritra izany famakafakana izany.

Nahavita izay nilan’ny raby azy io asa soratra vaovao io, dia ny Talmoda. Ny raby no nametraka ny fitsipika arahina amin’ny fomba famakafakana, ka noho izany, dia nampianatra ny olona hisaina toy ny raby izy io. Ninoan’ny raby fa nampiseho taratry ny sain’Andriamanitra ny fomba fianarany sy famakafakany. Nanjary zava-nokendrena mihitsy, na karazana fanompoam-pivavahana, ny fandinihana ny Talmoda — ny fampiasana ny saina, izay lazaina fa fanahafana an’Andriamanitra. Ho an’ny taranaka maro atỳ aoriana, dia hofakafakaina amin’io fomba io ihany ny Talmoda. Ny vokany? Izao no nosoratan’i Cecil Roth, mpahay tantara: “Ny Talmoda (...) dia nanome [ho an’ny Jiosy] ilay marika nampiavaka azy tamin’ny hafa, ary koa ilay hery mahagaga nahafahany nanohitra [ny fiovana] sy niray hina. Nandranitra ny fahakingan-tsainy ny dialektikan’izy io, ary nanome azy (...) faharanitan-tsaina. (...) Nanolotra tontolo hafa nahafahan’ny Jiosy nialokaloka, fony izy ireo nenjehina tamin’ny Moyen Âge, ny Talmoda. (...) Nanome azy tanindrazana [an’eritreritra] azony nentina niaraka taminy izy io, rehefa very ny taniny.”

Azo antoka fa nanan-kery lehibe ny Talmoda, tamin’ny nampianarany ny hafa ny fomba fisainan’ny raby. Mipetraka ho an’ny rehetra anefa izao fanontaniana izao, na Jiosy izy na tsy Jiosy: Tena mampiseho taratry ny sain’Andriamanitra tokoa ve ny Talmoda? — 1 Korintiana 2:11-16.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Raha mila fanazavana fanampiny momba ny tantaran’ny Mishnah sy ny zavatra raketiny, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Ny Mishnah sy ny Lalàn’Andriamanitra Nomena An’i Mosesy”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Novambra 1997.

b Fantatry ny besinimaro amin’ny hoe Talmodan’i Jerosalema ny Talmoda palestiniana. Diso anefa ilay anarana hoe Talmodan’i Jerosalema, satria tsy azon’ny Jiosy nidirana intsony i Jerosalema, saika nandritra ny vanim-potoan’ny Amorahima manontolo.

[Efajoro, pejy 31]

Ny Fampitahana Ireo Talmoda Roa

Midika hoe “fianarana” ilay teny hebreo hoe “Talmoda”. Niezaka ny Amorahima tany Palestina sy Babylonia mba handinika, na hamakafaka, ny Mishnah. Samy nanao izany ireo Talmoda roa (palestiniana sy babyloniana), saingy manao ahoana izy ireo raha ampitahaina? Izao no nosoratan’i Jacob Neusner: “Mamakafaka ny porofo ilay Talmoda voalohany, manadihady ny hevitra fototra ilay faharoa; mitoetra tanteraka ao anatin’ny fetran’ny zavatra dinihiny ilay voalohany, mihoatra lavitra ny fetrany ilay faharoa.”

Mafy kokoa sady feno kokoa ny fanomanana ny famoahana ny Talmoda babyloniana, ka nahatonga azy io ho sady lehibe lavitra no lalina kokoa sy mandalina kokoa, raha ny amin’ny fomba fanjohian-keviny sy ny fomba famakafakany zavatra. Rehefa tononina ny hoe “Talmoda”, dia mazàna ny Talmoda babyloniana no tiana holazaina. Izy io no ilay Talmoda nodinihina sy nofakafakaina be indrindra nandritra ny taonjato maro. Araka ny fiheveran’i Neusner, dia “asan’ny mahay” ilay Talmoda palestiniana, fa “asan’ny tena mahay” kosa ilay Talmoda babyloniana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara