Fandikan-tenin’ny Baiboly Izay Nanova Izao Tontolo Izao
Fony nanomboka nanoratra ny Baiboly i Mosesy, mpaminanin’Andriamanitra, efa maherin’ny 3 500 taona lasa izay, dia firenena kely iray monja no afaka namaky azy io. (Deoteronomia 7:7). Izany no izy satria tsy nisy afa-tsy tamin’ny teny hebreo, izay fitenin’io firenena io tany am-boalohany, ny Soratra Masina. Hiova kosa anefa izany atỳ aoriana.
MATOA niely sy tena nisy heriny ny hafatry ny Baiboly, tao anatin’ny taonjato maro, dia satria teo indrindra indrindra ilay fandikan-tenin’ny Baiboly voalohany, dia ny Septante. Inona no antony nanaovana azy io? Ary azo atao marina ve ny milaza fa izy io no Baiboly nanova izao tontolo izao?
Fandikan-teny nataon’olona nahazo tsindrimandry ve?
Taorian’ny nahababo ny Jiosy tany Babylona, nandritra ny taonjato fahafito sy fahenina al.f.i., dia maro tamin’izy ireo no nijanona tany ivelan’ny tanin’ny Isiraely sy ny Joda fahiny. Tsy ny teny hebreo intsony no fiteny tena fampiasan’ireo Jiosy teraka tany amin’ny fahababoana. Tamin’ny taonjato fahatelo al.f.i., dia efa nisy Jiosy maro tany Aleksandria, any Ejipta, izay foibe ara-kolontsaina goavana iray teo amin’ny Empira Grika. Hitan’ireo Jiosy ireo ny mahazava-dehibe ny handikana ny Soratra Masina ho amin’ny teny grika, izay tenin-drazany tamin’izay fotoana izay.
Talohan’io fotoana io, dia tamin’ny teny hebreo no nandraketana an-tsoratra ny hafatra ara-tsindrimandry ao amin’ny Baiboly, na dia nisy ampahany kely tamin’ny teny aramiana aza. Teny nifandray akaiky tamin’ny teny hebreo moa ny aramiana. Hihena ve ilay hery lehibe ananan’ny tsindrimandrin’Andriamanitra satria hadika ho amin’ny teny hafa ny Tenin’Andriamanitra, ka angamba hampisy hevi-diso mihitsy aza? Moa ve ireo Jiosy, izay efa nanankinana ny Teny ara-tsindrimandry, hamela ny tenany ho sahisahy ratsy ka mety hanolana ny hevitr’io hafatra io rehefa manao ilay fandikan-teny? — Salamo 147:19, 20; Romana 3:1, 2.
Nahatonga tahotra ireo raharaha saro-pady ireo. Tamin’ny farany anefa, dia nanan-danja kokoa noho ny raharaha hafa rehetra ny fanahiana fandrao tsy hahatakatra intsony ny hevitry ny Tenin’Andriamanitra ny Jiosy. Tapaka ny hevitra fa hatao ny fanomanana ny fandikana ny Torah ho amin’ny teny grika. Ireo boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly nosoratan’i Mosesy moa no antsoina hoe Torah. Tsy fantatra mazava tsara anefa ny tena fomba nanaovana ilay fandikan-teny, noho ny fisian’ny angano. Araka ny Letter of Aristeas, ohatra, dia voalaza fa naniry hahazo kopia iray tamin’ny Pentateuque (na Torah), nadika ho amin’ny teny grika, hono, i Ptolémée II, mpitondra ejipsianina (285-246 al.f.i.), ho an’ny tranombokim-panjakany. Manam-pahaizana jiosy 72, izay tonga tany Ejipta avy tany Israely, no nampanaoviny ilay asa, ary nahavita ny fandikan-teny tao anatin’ny 72 andro. Novakina tamin’ny Jiosy àry io fandikan-teny io ka nolazain’izy ireo fa sady kanto no marina. Tatỳ aoriana, dia nohatsaraina io tantara io, ka nolazaina fa napetraka tao amin’ny efitra nitokana, hono, ny mpandika teny tsirairay, kanefa dia nitovy tsy nisy valaka ny dikan-tenin’izy ireo, ka tsy nisy nahasamy hafa azy na dia litera iray aza. Noho ilay lovantsofina momba ny mpandika teny 72, dia nanjary fantatra hoe Septante, izay mifototra amin’ny teny latina iray midika hoe “Fitopolo”, io fandikan-tenin’ny Baiboly tamin’ny teny grika io.
Eken’ny ankamaroan’ireo manam-pahaizana amin’ny andro ankehitriny fa asa soratra apôkrifa ny Letter of Aristeas. Mino koa izy ireo fa tsy i Ptolémée II, fa ireo mpitarika ny Jiosy tany Aleksandria, no nipoiran’ilay hevitra hoe hanao fandikan-teny. Na ny asa soratr’i Philon, filôzôfa avy any Aleksandria anefa, na ny an’i Josèphe, mpahay tantara jiosy, na ny Talmoda, dia samy mampiseho hoe ninoan’ny ankamaroan’ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany fa azo tamin’ny tsindrimandry, tsy nisy hafa tamin’ny Soratra Masina tany am-boalohany, ny Septante. Ny finoana toy izany dia tsy isalasalana fa vokatry ny ezaka natao mba hahatonga ny Jiosy naneran-tany hanaiky ny Septante.
Ireo boky dimin’i Mosesy ihany no nadika tany am-boalohany. Na dia izany aza anefa, dia nanjary nenti-nanondro ny Soratra Hebreo manontolo voadika tamin’ny teny grika, ilay anarana hoe Septante. Tao anatin’ny zato taona teo ho eo nanaraka izany no nandikana ireo boky sisa. Tsy ezaka nifarimbonana akory ny namokarana ny Septante manontolo, fa asa nitsipotipotika kosa. Samy hafa ny fahaizan’ireo nandika teny sy ny fahalalan’izy ireo ny teny hebreo. Nadika ara-bakiteny ny ankamaroan’ireo boky, eny, ara-bakiteny loatra mihitsy aza indraindray. Dikan-teny malalaka kosa, tetsy an-danin’izany, no nanaovana ny hafa. Misy boky vitsivitsy izay sady misy dikan-teny fohy no misy dikan-teny lava. Tamin’ny faran’ny taonjato faharoa al.f.i., dia efa azo novakina tamin’ny teny grika avokoa ireo boky rehetra anisan’ny Soratra Hebreo. Na dia teo aza ny fiovaovan’ny vokatra azo, dia nihoatra lavitra ny nantenain’ireo mpandika teny ny fiantraikan’ny nandikana ny Soratra Hebreo ho amin’ny teny grika.
Nonina tao an-dain’i Sema ve i Jafeta?
Rehefa namelabelatra ny Septante ny Talmoda babylonianina, dia manonona ny Genesisy 9:27, izay manao hoe: “Aoka (...) i Jafeta (...) honina ao an-dain’i Sema.” (Megillah 9b, Talmoda babylonianina). Te hilaza ara-panoharana ny Talmoda fa, noho ny hakanton’ny teny grika nandikana ny Septante, dia nonina tao an-dain’i Sema (razamben’ny firenen’ny Isiraely) i Jafeta (rain’i Javana, izay niavian’ny Grika). Azo lazaina koa anefa fa, noho ny Septante dia nonina tao an-dain’i Jafeta i Sema. Ahoana izany?
Taorian’ireo fandresena azon’i Aleksandra Lehibe, tany amin’ny tapany farany tamin’ny taonjato fahefatra al.f.i., dia nisy ezaka lehibe natao mba hampielezana ny fiteny sy ny kolontsaina grika nanerana ireo tany efa resy. Nantsoina hoe Fanovana ho Grika io tetik’ady io. Tsapan’ireo Jiosy fa niharam-panafihana ara-kolontsaina tsy an-kijanona izy ireo. Raha mahazo vahana ny filôzôfia sy ny kolontsaina grika, dia ny fivavahan’ny Jiosy mihitsy no ho simba miandalana. Inona no afaka nisakana ny fitosak’izany fanafihana izany?
Manome izao fanazavana izao i Max Margolis, mahakasika ny antony iray nety ho nanosika ny Jiosy handika ny Septante: “Raha eritreretintsika fa ny Jiosy no angady nananana sy vy nahitana an’ilay tetik’asa, dia ho nisy antony nanosika hafa koa tafiditra tamin’izany, dia ny fanaovana izay hahafahan’ny Jentilisa handinika koa ny Lalàna jiosy, ary ny hampiekena an’izao tontolo izao fa nanana kolontsaina tsy mena-nitaha tamin’ny fahendren’i Hellas [Gresy], ny Jiosy.” Ny nanaovana ny Soratra Hebreo ho azo nampiasaina teo anivon’ny tontolo niteny grika, araka izany, dia mety ho sady endrika fiarovan-tena no valim-panafihana.
Nahatonga ny teny grika ho teny niraisam-pirenena ilay tetik’adin’i Aleksandra nantsoina hoe Fanovana ho Grika. Na dia nanjary teo am-pelatanan’ny Romana aza ny faritra nanjakany, dia nitoetra ho fiteny nifandraisan’ny samy firenena ny teny grika iombonana (na koine), teo amin’ny sehatry ny varotra sy ny fifandraisana. Maro tamin’ny tsy Jiosy, taloha, no tsy nahafantatra an’Andriamanitra sy ny Lalàn’ny Jiosy. Asa raha vokatry ny ezaka niniana natao, na vokatry ny fizotran-javatra ara-dalàna, fa vetivety dia neken’izy ireny ny dikan-tenin’ny Septante ho an’ny Soratra Hebreo. Nahatalanjona ny vokany.
Proselyta sy olona natahotra an’Andriamanitra
Tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., dia efa nanoratra i Philon fa “tsy teo anivon’ireo Jiosy ihany no nanana ny hasiny ny hatsarana sy ny fahamendrehan’ny fehezan-dalàn’i Mosesy, fa teo anivon’ny firenen-kafa rehetra koa”. Nilaza toy izao i Joseph Klausner, mpahay tantara jiosy, mahakasika ireo Jiosy nonina tany ivelan’i Palestina tamin’ny taonjato voalohany: “Kely i Palestina, ka sarotra inoana ny hoe fifindra-monina avy tao fotsiny no nampisy ireny Jiosy an-tapitrisany maro ireny. Tsy misy afaka mandà fa ny nandraisana lehilahy sy vehivavy proselyta be dia be no nampisy an’io fitomboan’isa be io.”
Tsy milaza ny zava-drehetra hahatakarana mazava tsara ilay tarehin-javatra anefa ireo hevitra manaitra ny saina ireo. Manambara toy izao ilay mpanoratra atao hoe Shaye J. D. Cohen, profesora momba ny tantara jiosy: “Jentilisa maro, lahy sy vavy, no niova finoana ka nanaraka ny Jodaisma, nandritra ny taonjato farany al.f.i., sy nandritra ireo taonjato roa voalohany am.f.i. Maro lavitra anefa ireo jentilisa izay nanaiky ny lafiny sasany tamin’ny Jodaisma, saingy tsy niova finoana nanaraka azy io.” I Klausner sy Cohen dia samy miresaka an’ireny tsy niova finoana ireny ho olona natahotra an’Andriamanitra — teny hita matetika ao amin’ny haisoratra grika tamin’io vanim-potoana io.
Inona no mahasamy hafa ny proselyta sy ny olona natahotra an’Andriamanitra? Niova finoana tanteraka ny proselyta, ka noheverina ho Jiosy tamin’ny lafiny rehetra, satria nanaiky ilay Andriamanitry ny Isiraely izy ireo (nanary ireo andriamanitra hafa rehetra), noforana, ary niandany tamin’ny firenen’ny Isiraely. Mifanohitra amin’izany kosa, dia izao no lazain’i Cohen momba ireo olona matahotra an’Andriamanitra: “Na dia nitandrina fanao jiosy maro aza ireny jentilisa ireny ary nivavaka ihany tamin’ilay Andriamanitry ny Jiosy, dia tsy nihevi-tena ho Jiosy izy ireny no sady tsy noheverin’ny hafa ho Jiosy.” Lazain’i Klausner ho “latsaka anelanelany” izy ireny, satria nanaiky ny Jodaisma sy “nitandrina ny fomba amam-panaon’izy io sasany [izy ireny], saingy (...) tsy tonga Jiosy tamin’ny fomba feno”.
Nanjary liana tamin’Andriamanitra angamba ny sasany noho ny resaka nifanaovana tamin’ireo Jiosy nanao ny asa misionera na noho izy ireny nahatsikaritra fa hafa fitondran-tena sy fomba amam-panao ny Jiosy. Na dia izany aza anefa, dia ny Septante no fitaovana lehibe indrindra nanampy an’ireny olona natahotra an’Andriamanitra ireny mba hianarana momba an’i Jehovah Andriamanitra. Na dia tsy misy fomba hahafantarana ny tena isan’ireo olona natahotra an’Andriamanitra tamin’ny taonjato voalohany aza, dia tsy isalasalana fa nampiely fahalalana momba an’Andriamanitra, nanerana ny Empira Rômanina, ny Septante. Nisy fototra lehibe nijoro koa tamin’ny alalan’ny Septante.
Nanampy teo amin’ny fanomanana ny lalana ny Septante
Anisan’ny nisongadina teo amin’ny fampielezana ny hafatry ny Kristianisma ny Septante. Nisy Jiosy maro niteny grika teo anivon’ireo olona nanatrika ny nanorenana ny kôngregasiôna kristianina, tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i. Nisy proselyta koa tamin’ireo tonga mpianatr’i Kristy tamin’izany vanim-potoana tany am-boalohany izany. (Asan’ny Apostoly 2:5-11; 6:1-6; 8:26-38). Koa satria natao ho an’ny mpamaky betsaka araka izay azo atao ireo soratra ara-tsindrimandry nosoratan’ireo apostolin’i Jesosy sy ny mpianatra hafa tany am-boalohany, dia natao tamin’ny teny grika izy ireny.a Niorina tamin’ny Septante, araka izany, ireo teny maro izay avy ao amin’ny Soratra Hebreo, nefa tononina ao amin’ny Soratra Grika Kristianina.
Ankoatra ireo Jiosy teratany sy proselyta, dia nisy hafa koa vonona ny hanaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana. Ilay Jentilisa atao hoe Kornelio dia “mpivavaka tsara sady natahotra an’Andriamanitra izy mbamin’ny ankohonany rehetra ka nanao fiantrana be tamin’ny olona sady nivavaka tamin’Andriamanitra mandrakariva”. Tamin’ny 36 am.f.i., dia i Kornelio sy ny fianakaviany, ary ny hafa izay niangona tao an-tranony, no Jentilisa voalohany natao batisa tamin’ny naha mpanara-dia an’i Kristy. (Asan’ny Apostoly 10:1, 2, 24, 44-48; ampitahao amin’ny Lioka 7:2-10.) Fony namakivaky an’i Azia Minora sy i Gresy ny apostoly Paoly, dia nitory tamin’ny Jentilisa maro izay efa natahotra an’Andriamanitra, sy tamin’ny “Grika izay mpivavaka”. (Asan’ny Apostoly 13:16, 26; 17:4, fanamarihana ambany pejy). Nahoana i Kornelio sy ireo Jentilisa hafa no vonona ny hanaiky ny vaovao tsara? Satria nanampy teo amin’ny fanomanana ny lalana ny Septante. Tombanan’ny manam-pahaizana iray fa ny Septante “dia boky iray tena manana ny mahaizy azy, hany ka raha tsy teo izy io, dia tsy ho azo vinavinaina akory ny hisian’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina sy ny kolontsaina tandrefana”.
Nanjary tsy ‘ara-tsindrimandry’ ny Septante
Nampiasaina be dia be ny Septante ka niteraka fanoherana teo anivon’ny Jiosy izany, tatỳ aoriana. Rehefa niresaka tamin’ny Kristianina, ohatra, ny Jiosy, dia nilaza fa dika vilana ny Septante. Tamin’ny taonjato faharoa am.f.i., dia efa nolavin’ny Jiosy tanteraka ilay fandikan-teny izay noderainy ho ara-tsindrimandry taloha. Nolavin’ireo raby ilay angano momba ireo mpandika teny 72, ka hoy izy ireo: “Efa nitranga taloha ny hoe nisy loholona dimy nanao ny Torah ho amin’ny teny grika, ho an’i Ptolémée Mpanjaka, ary fambara loza ho an’ny Isiraely iny andro iny, sahala amin’ilay andro nanaovana ilay ombilahy kely volamena, satria tsy ho azo adika amin’ny fomba marina ny Torah.” Mba hahazoana antoka fa arahina akaiky kokoa ny fomba fijerin’ireo raby, dia nanome lalana ny hanaovana fandikan-teny vaovao iray tamin’ny teny grika ireo raby. Natao tamin’ny taonjato faharoa am.f.i. izy io, ka proselyta jiosy antsoina hoe Aquila, izay mpianatr’ilay raby atao hoe Akiba, no nanao ny fandikan-teny.
Tsy nampiasain’ny Jiosy intsony ny Septante, kanefa dia izy io no nanjary “Testamenta Taloha” filamatra ho an’ny Eglizy Katolika vao niforona, mandra-pahatongan’ny Vulgate latina nataon’i Jérôme, izay nasolony ny Septante. Marina aloha fa tsy afaka ny haka ny toeran’ilay tany am-boalohany, na oviana na oviana, ny fandikan-teny iray. Na dia izany aza anefa, dia nanana anjara asa lehibe ny Septante, teo amin’ny fampielezana ny fahalalana momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny Fanjakany amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Marina tokoa fa ny Septante dia fandikan-tenin’ny Baiboly izay nanova izao tontolo izao.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mety ho nosoratana tamin’ny teny hebreo aloha ny Filazantsaran’i Matio, ary nanaovana dikan-teny tamin’ny teny grika tatỳ aoriana.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 29]
Courtesy of Israel Antiquities Authority
[Sary, pejy 31]
Azon’ny olona maro nitorian’i Paoly ny hevitry ny Septante