Tahafo ny Famindram-pon’i Jehovah
“Aoka ho mpamindra fo hianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo.” — LIOKA 6:36.
1. Ahoana no nisehoan’ireo Fariseo ho tsy namindra fo?
NA DIA noforonina tahaka ny endrik’Andriamanitra aza ny olombelona, dia matetika no tsy maka tahaka ny famindram-pony. (Genesisy 1:27). Hevero, ohatra, ny Fariseo. Tamin’ny nahantokon’olona azy, dia tsy nety nifaly izy ireo rehefa namindra fo i Jesosy ka nanasitrana lehilahy maty tanana iray tamin’ny andro Sabata. Niara-nisaina hamely an’i Jesosy kosa izy ireo “mba hahafaty Azy”. (Matio 12:9-14). Indray mandeha koa, dia nanasitrana lehilahy jamba hatry ny fony vao teraka, i Jesosy. Teo indray koa, dia tsy nahafaly ny “Fariseo sasany” ny fangoraham-pon’i Jesosy. Nitaraina toy izao kosa izy ireo: “Tsy avy amin’Andriamanitra izany Lehilahy izany, satria tsy mitandrina ny Sabata Izy.” — Jaona 9:1-7, 16.
2, 3. Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’ny hoe: “Mitandrema hianareo, fandrao azon’ny masirasiran’ny Fariseo”?
2 Heloka tamin’ny taranak’olombelona sy fahotana tamin’Andriamanitra ilay hamafisam-pon’ny Fariseo. (Jaona 9:39-41). Nisy antony marim-pototra matoa i Jesosy nampitandrina ny mpianany mba ‘hitandrina fandrao azon’ny masirasiran’io’ antokon’olom-bitsy nanan-kery io, mbamin’ny mpivavaka hafa, toy ny Sadoseo. (Matio 16:6). Ampiasaina mba hampisehoana ny ota na ny fahasimbana ny masirasira, na lalivay, ao amin’ny Baiboly. Koa nilaza àry i Jesosy fa afaka nanimba ny fanompoam-pivavahana madio ny fampianaran’ny “mpanora-dalàna sy [ny] Fariseo”. Tamin’ny fomba ahoana? Noho izy io nampianatra ny olona mba hihevitra ny Lalàn’Andriamanitra araka ny fitsipika sy ny fombafomba noferan’izy ireo fotsiny, ka tsy hiraharaha ireo zavatra “lehibe”, anisan’izany ny famindram-po. (Matio 23:23). Nahatonga ny fanompoam-pivavahana tamin’Andriamanitra ho enta-mavesatra tsy zaka io endri-pivavahana be fombafomba io.
3 Nahariharin’i Jesosy tao amin’ny tapany faharoa amin’ny fanoharany momba ilay zanaka adala, ny fisainana simba nananan’ireo mpitarika ara-pivavahana jiosy. Tao amin’ilay fanoharana, ilay ray izay mampiseho an’i Jehovah, dia dodona erỳ namela ny helok’ilay zanany nibebaka. Hafa tanteraka tamin’izany anefa ny fihetseham-pon’ilay zokiny, izay nampiseho “ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna”. — Lioka 15:2.
Fahatezeran-drahalahy
4, 5. Tamin’ny heviny ahoana no “very” ny rahalahin’ilay zanaka adala?
4 “Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby teo [akaikin’ny] trano, dia nandre zava-maneno sy dihy. Ary niantso ankizilahy anankiray izy ka nanontany azy izay anton’izany zavatra izany. Ary hoy ilay ankizilahy taminy: Tonga ny rahalahinao, ka namono ny zanak’omby nafahy ny rainao, satria efa tafaverina soa aman-tsara ato aminy izy. Dia tezitra izy ka tsy nety niditra”. — Lioka 15:25-28.
5 Mazava fa tsy ilay zanaka adala ihany no hany nanan-java-nanahirana tao amin’ilay fanoharan’i Jesosy. “Samy very ireo zanakalahy roa voalazalaza eto”, hoy ny loharanon-kevitra iray, “ilay iray, noho ny tsy fahamarinana izay nampikororosy azy, ary ilay faharoa kosa, noho ny fiheveran-tena ho marina, izay nanajamba azy.” Mariho fa tsy vitan’ny hoe tsy nety nifaly fotsiny ny rahalahin’ilay zanaka adala, fa “tezitra” koa. Ny fototeny grika nadika hoe “tezitra” dia toa tsy milaza loatra fipoahan’ny fahatezerana, fa toe-tsaina efa niotrika ela kosa. Toa nitahiry fahasosorana lalim-paka ny rahalahin’ilay zanaka adala, hany ka noheveriny fa tsy nety ny nankalazana ny fiverenan’ny olona iray izay tsy tokony ho niala tao an-tranony mihitsy hatrany am-boalohany.
6. Mampiseho an’iza ny rahalahin’ilay zanaka adala, ary nahoana?
6 Ny rahalahin’ilay zanaka adala dia mampiseho tsara an’ireo olona sosotra tamin’ny fangoraham-po sy ny fiheverana nasehon’i Jesosy tamin’ny mpanota. Tsy nanohina an’ireny mpanamarin-tena ireny akory ny famindram-pon’i Jesosy; ary tsy hita taratra teny amin’izy ireo koa ilay fifaliana any an-danitra rehefa misy mpanota voavela heloka. Nampahatezitra azy ireo kosa ny famindram-pon’i Jesosy, ary nanomboka ‘nieritreri-dratsy’ tao am-pony izy ireo. (Matio 9:2-4). Indray mandeha, dia mafy aoka izany ny fahatezeran’ny Fariseo sasany, ka nampanantsoin’izy ireo ny lehilahy iray izay nositranin’i Jesosy, ary avy eo dia “noroahiny” hiala tamin’ny synagoga! (Jaona 9:22, 34). Sahala amin’ny rahalahin’ilay zanaka adala, izay “tsy nety niditra”, dia nitokona tsy nety ‘niara-nifaly tamin’izay nifaly’ ireo mpitarika ara-pivavahana jiosy, rehefa nanana fahafahana hanao izany. (Romana 12:15). Nahariharin’i Jesosy bebe kokoa ny faharatsian’ny fisainan’izy ireo, teo am-panohizany ilay fanoharany.
Fisainana nisy tsininy
7, 8. a) Ahoana no tsy nahatakaran’ny rahalahin’ilay zanaka adala ny dikan’ny hoe zanaka? b) Ahoana no tsy nitovian’ilay zanaka lahimatoa tamin-drainy?
7 “Ary nivoaka rainy ka nampandroso azy. Fa izy namaly ka nanao tamin-drainy hoe: Indro, izay ela izay aho no efa nanompo anao ka tsy mbola nandika ny didinao na dia indray mandeha akory aza; nefa izaho tsy mbola nomenao na dia zanak’osy aza mba hifaliako amin’ny sakaizako; fa raha vao tonga kosa io zanakao io, izay efa nandany ny fanananao tamin’ny vehivavy janga, dia namono ho azy ny zanak’omby nafahy hianao.” — Lioka 15:28-30.
8 Nasehon’ny rahalahin’ilay zanaka adala mazava tamin’ireo teny ireo fa tsy takany ny tena dikan’ny hoe zanaka. Nanompo ny rainy izy, nitovy tamin’ny mpiasa iray manompo ny mpampiasa azy. Araka ny nolazainy tamin-drainy hoe: “Efa nanompo anao [aho]”. Marina fa mbola tsy nandao ny trano mihitsy, na nandika ny didin-drainy mihitsy io lahimatoa io. Natosiky ny fitiavana ve anefa ny fankatoavany? Nahita tena fifaliana ve izy teo am-panompoana an-drainy, sa kosa nihananjary afa-po loatra tamin’ny tenany ka nino fa zanaka hendry izy satria fotsiny nanatontosa ny adidiny “tany an-tsaha”? Raha zanaka be fandavan-tena marina tokoa izy, nahoana izy no tsy nampiseho taratry ny fisainan-drainy? Rehefa nomena fahafahana haneho famindram-po tamin’ny rahalahiny izy, nahoana no tsy nisy toerana ho an’ny fangorahana tao am-pony? — Ampitahao amin’ny Salamo 50:20-22.
9. Hazavao ny fitovian’ireo mpitarika ara-pivavahana jiosy amin’ilay zanaka lahimatoa.
9 Nitovy tamin’io lahimatoa io ireo mpitarika ara-pivavahana jiosy. Nino izy ireo fa tsy nivadika tamin’Andriamanitra, satria nanaraka akaiky fehezan-dalàna iray. Marina aloha fa tena zava-dehibe ny fankatoavana. (1 Samoela 15:22). Kanefa kosa ny fanantitranterana tafahoatra ny fanaovana asa dia nanova ny fanompoam-pivavahana tamin’Andriamanitra ho fahazarana nandeha ho azy, ho fitiavam-bavaka nisalorana fotsiny, fa tsy nisy tena fifikirana tamin-javatra ara-panahy. Nifantoka tafahoatra tamin’ny lovantsofina ny sainy. Tsy nisy fitiavana tao am-pony. Nihevitra ny olon-tsotra ho toy ny loto teo ambany tongony izy ireo, ka nanamavo azy ireny mihitsy aza tamin’ny fiantsoana azy hoe ‘vahoaka voahozona’. (Jaona 7:49). Ahoana tokoa moa no ahafahan’Andriamanitra hihontsina amin’ny asan’ny mpitarika ara-pivavahana toy izany, kanefa ny fon’izy ireo lavitra azy? — Matio 15:7, 8.
10. a) Nahoana no torohevitra mety tsara ny teny hoe “Famindrampo no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-dra”? b) Raharaha lehibe ve ny tsy fanehoana famindram-po?
10 Nilazan’i Jesosy ny Fariseo hoe “mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: ‘Famindrampo no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-dra’ ”. (Matio 9:13; Hosea 6:6). Nanjavozavo ny zavatra nomen’izy ireo ny laharam-pahamehana, satria raha tsy nisy famindram-po, dia tsy hisy vidiny ny sorona rehetra nataony. Raharaha lehibe tokoa izany, satria lazain’ny Baiboly fa ny “tsy miantra”, na ny tsy mamindra fo, dia hatao ho isan’ireo izay heverin’Andriamanitra fa ‘mendrika ho faty’. (Romana 1:31, 32). Tsy mahagaga àry raha nilaza i Jesosy fa voatokana ho amin’ny fandringanana mandrakizay ireo mpitarika ara-pivavahana tamin’ny fitambarany. Miharihary fa anisan’ny nahatonga azy ireo ho mendrika io didim-pitsarana io ny tsy fananan’izy ireo indrafo. (Matio 23:33). Angamba anefa nisy azo nampiana ihany ny isam-batan’olona tao amin’io fitambaran’olona io. Niezaka mafy mba hanitsy ny fiheveran’ny Jiosy toy izany i Jesosy, tao amin’ny famaranany ilay fanoharany. Nanao izany izy tamin’ny alalan’ny tenin’ilay ray tamin-janany lahimatoa. Andeha hojerentsika ny fomba nanaovany izany.
Famindram-pon’ny ray
11, 12. Ahoana no niezahan’ilay ray ao amin’ny fanoharan’i Jesosy, nampisaintsaina ny lahimatoany, ary nahoana no zava-dehibe ny nampiasan’ilay ray ny teny hoe “rahalahinao”?
11 “Ary hoy rainy taminy: Anaka, hianao eto amiko mandrakariva, ary anao avokoa izay rehetra ananako. Fa mety ny mifaly sy miravoravo; fa ity rahalahinao ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray.” — Lioka 15:31, 32.
12 Mariho fa nampiasa ilay fitenenana hoe “rahalahinao” ilay ray. Nahoana? Tsarovy fa rehefa niresaka tamin-drainy ilay lahimatoa teo aloha kokoa, dia niantso ilay zanaka adala hoe “zanakao”, fa tsy hoe “rahalahiko”. Toa tsy nekeny ho nanana rohim-pihavanana taminy ilay iray tam-po taminy. Koa izao, raha ny marina, no nolazain’ilay ray tamin’ny lahimatoany tamin’izay: ‘Tsy zanako fotsiny anie izy iny e. Rahalahinao izy, iray nofo sy iray ra aminao. Tokony hahafaly anao tokoa ny fiverenany!’ Tokony ho nazava tamin’ireo mpitarika jiosy ny hafatr’i Jesosy. ‘Rahalahin’izy ireo’, raha ny marina, ireo mpanota izay nataony tsinontsinona. “Tsy misy [tokoa] olona marina ambonin’ny tany izay manao tsara ka tsy manota.” (Mpitoriteny 7:20). Tokony ho nifaly tokoa ireo Jiosy ambony toerana, rehefa nisy mpanota nibebaka.
13. Fanontaniana mampieritreritra inona no mipetraka amintsika noho ilay fanoharan’i Jesosy nifarana tampoka?
13 Mifarana tampoka ilay fanoharana taorian’ny fiangavian’ilay ray. Toy ny hoe nanasa ireo mpihaino azy i Jesosy mba samy hanoratra ny fiafaran’ilay tantara. Na nanao ahoana na nanao ahoana fihetsik’ilay lahimatoa, dia nipetraka tamin’ny mpihaino tsirairay ny fanontaniana hoe: ‘Moa ve ianao hiara-mifaly amin’ireo any an-danitra rehefa misy mpanota mibebaka?’ Manana fahafahana hampiseho ny valin-teniny amin’io fanontaniana io koa ny Kristianina amin’izao andro izao. Amin’ny fomba ahoana?
Fanahafana ny famindram-pon’Andriamanitra amin’izao andro izao
14. a) Ahoana no ahafahantsika mampihatra ny torohevitr’i Paoly ao amin’ny Efesiana 5:1 raha ny famindram-po no asian-teny? b) Inona ilay fandikana vilana ny famindram-pon’Andriamanitra tokony hitandremantsika tena?
14 Nananatra ny Efesianina toy izao i Paoly: “Aoka hanahaka an’Andriamanitra hianareo tahaka ny zanaka malala”. (Efesiana 5:1). Noho isika Kristianina, dia tokony hankasitraka ny famindram-pon’Andriamanitra isika, ka handentika izany lalina ao am-pontsika ary avy eo dia haneho izany toetra izany eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa. Mety anefa ny mitandrina. Tsy tokony hadika vilana ho fanamaivanana ny ota akory ny famindram-pon’Andriamanitra. Misy, ohatra, olona sasany mety tsy haka sarotra akory hisaina hoe: ‘Raha manota aho, dia afaka mangataka famelan-keloka foana amin’Andriamanitra ao amin’ny vavaka, ary hamindra fo izy.’ Ny fihetsika toy izany dia mitovy amin’ilay nantsoin’i Joda, mpanoratra Baiboly, hoe “mamadika ny fahasoavan’Andriamanitsika ho [fialan-tsiny mba hananana fitondran-tena tsy voafehy, NW ]”. (Joda 4). Na dia mamindra fo aza i Jehovah, dia “tsy mety manamarina ny meloka” izy rehefa mifampiraharaha amin’ny mpanao ratsy tsy mibebaka. — Eksodosy 34:7; ampitahao amin’ny Josoa 24:19; 1 Jaona 5:16.
15. a) Nahoana ireo loholona indrindra no mila manana fiheverana voalanjalanja hatrany momba ny famindram-po? b) Na dia tsy milefitra amin’ny finiavana hanao ratsy aza ireo loholona, dia tokony hiezaka hanao inona, ary nahoana?
15 Etsy an-danin’izany, dia ilaintsika koa ny mitandrina mba tsy hanao ny mifanipaka tanteraka amin’izany: ilay fironana ho henjana sy hitsara ireo maneho fibebahana marina sy alahelo araka an’Andriamanitra ny amin’ny fahotany. (2 Korintiana 7:11). Koa satria nanankinana ny fikarakarana ny ondrin’i Jehovah ireo loholona, dia tena ilaina ny hananan’izy ireo fiheverana voalanjalanja hatrany amin’io lafiny io, indrindra rehefa mikarakara raharaha ara-pitsarana. Tsy maintsy tanana ho madio ny kôngregasiôna kristianina, ary mifanaraka amin’ny Soratra Masina ny ‘fanesorana ny mpanao ratsy’ amin’ny alalan’ny fandroahana. (1 Korintiana 5:11-13). Etsy an-danin’izany koa, dia tsara ny maneho famindram-po rehefa misy antony mazava azo anaovana izany. Koa na dia tsy milefitra amin’ny finiavana hanao ratsy aza ny loholona, dia miezaka mafy kosa izy ireo mba haneho fitiavana sy famindram-po, raha mbola mamela ny hanaovana izany koa ny rariny. Takatr’izy ireo mandrakariva ilay foto-pitsipika ara-baiboly hoe: “Fitsarana tsy misy famindrampo no ho anjaran’izay tsy mamindra fo; ary ny famindrampo kosa dia faly, fa tsy mba matahotra ny fitsarana.” — Jakoba 2:13; Ohabolana 19:17; Matio 5:7.
16. a) Ampiasao ny Baiboly mba hampisehoana fa tena irin’i Jehovah hiverina aminy tokoa ireo nania. b) Ahoana no ahafahantsika mampiseho fa mandray tsara ny fiverenan’ireo mpanota nibebaka koa ny tenantsika?
16 Mazava avy amin’ilay fanoharana momba ny zanaka adala fa irin’i Jehovah hiverina aminy, ireo nania. Atolony azy ireo tokoa ilay fanasana, ambara-pisehon’izy ireo ho tsy azo antenaina intsony. (Ezekiela 33:11; Malakia 3:7; Romana 2:4, 5; 2 Petera 3:9). Sahala amin’ny rain’ilay zanaka adala, dia mitondra amim-pahamendrehana ireo miverina i Jehovah, manaiky ny hiverenany indray ho anisan’ny mpianakavy amin’ny fomba feno. Manahaka an’i Jehovah ve ianao amin’io lafiny io? Manao ahoana ny fihetsikao rehefa voaray indray ny mpiray finoana iray izay voaroaka nandritra ny fotoana kelikely? Efa fantatsika fa misy ‘fifaliana any an-danitra’. (Lioka 15:7). Misy fifaliana ve anefa etỳ an-tany, ao amin’ny kôngregasiônanao, ao am-ponao mihitsy aza? Sa, toy ny tamin’ilay lahimatoa tao amin’ny fanoharana, dia misy hasosorana, toy ny hoe tsy mendrika horaisina tsara ny olona iray izay tsy tokony ho nandao mihitsy ny andian’ondrin’Andriamanitra hatrany am-boalohany?
17. a) Toe-javatra inona no nitranga tany Korinto tamin’ny taonjato voalohany, ary ahoana no nanoroan’i Paoly hevitra ireo tao amin’ilay kôngregasiôna? b) Nahoana no feno fahendrena ilay fananaran’i Paoly, ary ahoana no ahafahantsika mampihatra izany amin’izao andro izao? (Jereo koa ny faritra voafefy etsy ankavanana.)
17 Mba hanampy antsika handini-tena amin’io lafiny io, dia hevero izay nitranga tany Korinto, tokony ho tamin’ny taona 55 am.f.i. Nisy lehilahy iray izay voaroaka tsy ho ao amin’ny kôngregasiôna tany, ary tamin’ny farany izy io dia nanadio ny fiainany. Inona no tokony hataon’ireo rahalahy? Tokony ho be fisalasalana ny amin’ny fibebahany ve izy ireo ka hanohy hihatakataka aminy? Mifanohitra amin’izany, fa nampirisika mafy azy ireo toy izao i Paoly: “Aleo mamela heloka sy mampifaly azy kosa hianareo, fandrao dia resin’ny fitomboan’alahelo izany olona izany. Koa mananatra anareo aho mba hekenareo horaisina tsara amin’ny fitiavana izy.” (2 Korintiana 2:7, 8). Matetika ireo mpanao ratsy nibebaka no mora tohina, indrindra fa amin’ny fahatsapana fahafaham-baraka sy famoizam-po. Noho izany, dia mila homena toky ireny olona ireny fa tia azy ny mpiray finoana aminy, ary tia azy i Jehovah. (Jeremia 31:3; Romana 1:12). Tena iankinan’ny aina izany. Nahoana?
18, 19. a) Ahoana no nisehoan’ireo Korintianina ho nilefitra loatra teo aloha? b) Amin’ny ahoana ny fihetsika tsy misy indrafo no nahatonga ireo Korintianina ho “resin’ny fitak’i Satana”?
18 Rehefa nampirisika ny Korintianina mba ho zatra mamindra fo i Paoly, dia nanome ny iray amin’ireo anton’izany, dia ny hoe: “Fandrao ho resin’ny fitak’i Satana isika, fa fantatsika ny hafetseny.” (2 Korintiana 2:11). Inona no tiany holazaina? Teo aloha kokoa i Paoly dia voatery niteny mafy ny kôngregasiôna tany Korinto noho izy nilefitra loatra. Navelan’izy ireo hanohy ny fahotany sy ho afa-maina, io lehilahy io ihany. Rehefa nanao izany ilay kôngregasiôna — indrindra fa ireo loholona — dia nampifaly an’i Satana, satria ho tian’i Satana ny hahafa-baraka ilay kôngregasiôna. — 1 Korintiana 5:1-5.
19 Raha toa indray izy ireo izao ka nanao ny mifanipaka tanteraka tamin’izany, ka tsy nety namela ilay nibebaka, dia ho resin’ny fitak’i Satana amin’ny fomba hafa iray izy ireo. Tamin’ny fomba ahoana? Azon’i Satana nohararaotina ny fihenjanan’izy ireo sy ny tsy fananany indrafo. Raha nanjary “resin’ny fitomboan’alahelo” ilay mpanota nibebaka — na araka ny andikan’ny Today’s English Version azy io hoe “halahelo aoka izany ka hanary toky tanteraka” — dia andraikitra mavesatra toy inona moa no ho nentin’ireo loholona teo anatrehan’i Jehovah! (Ampitahao amin’ny Ezekiela 34:6; Jakoba 3:1). Nisy antony marim-pototra matoa i Jesosy niteny toy izao, rehefa avy nampitandrina ireo mpanara-dia azy mba tsy hanafintohina “ny anankiray amin’ireo madinika ireo”: “Mitandrema hianareo; fa raha manota ny rahalahinao, dia teneno mafy izy, ka raha mibebaka izy, dia mamelà ny helony.”a — Lioka 17:1-4, izahay no manao sora-mandry.
20. Amin’ny fomba ahoana no hisian’ny fifaliana any an-danitra sy etỳ an-tany rehefa misy mpanota iray mibebaka?
20 Velom-pankasitrahana an’ilay famindram-po nasehon’i Jehovah taminy ireo olona an’arivony maro izay miverina ao amin’ny fanompoam-pivavahana madio, isan-taona. “Tsy tsaroako ny fotoana teo amin’ny fiainako nahasambatra ahy toy izany”, hoy ny anabavy kristianina iray mahakasika ny nandraisana azy indray. Mazava ho azy fa miombom-pifaliana aminy ireo anjely. Enga anie isika koa mba hiombom-‘pifaliana’ amin’ny any “an-danitra” rehefa misy mpanota iray mibebaka. (Lioka 15:7). Hanahaka ny famindram-pon’i Jehovah isika rehefa manao izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Na dia toa voaray indray tao anatin’ny fe-potoana azo lazaina hoe fohy ihany aza ilay nanao ratsy tao Korinto, dia tsy tokony hampiasaina ho filamatra harahina amin’ny fandroahana rehetra akory izany. Tsy mitovy ny toe-javatra tsirairay. Misy mpanao ratsy sasany manomboka mampiseho tena fibebahana marina, saika aorian’ny nandroahana azy avy hatrany. Amin’ny hafa, dia efa mandeha ny fotoana kelikely vao miharihary izany fihetsika izany. Amin’ny toe-javatra rehetra anefa, ny olona noraisina indray dia tsy maintsy mampiseho porofon’ny alahelo araka an’Andriamanitra aloha, ary tsy maintsy manao asa mendrika ny fibebahana, eo amin’izay azo anaovana izany. — Asan’ny Apostoly 26:20; 2 Korintiana 7:11.
Ho Famerenana
◻ Tamin’ny fomba ahoana no nitovian’ny rahalahin’ilay zanaka adala tamin’ireo mpitarika ara-pivavahana jiosy?
◻ Tamin’ny fomba ahoana no tsy nahatakaran’ny rahalahin’ilay zanaka adala ny tena dikan’ny hoe zanaka?
◻ Rehefa eritreretina ny famindram-pon’Andriamanitra, dia fanaovan-javatra tafahoatra roa inona avy no ilaintsika hohalavirina?
◻ Ahoana no ahafahantsika manahaka ny famindram-pon’Andriamanitra amin’izao andro izao?
[Efajoro, pejy 17]
‘Ataovy Tsapany fa Tia Azy Ianareo’
Izao no nolazain’i Paoly tamin’ny kôngregasiôna tany Korinto mahakasika ilay mpanao ratsy voaroaka, kanefa naneho fibebahana: “Miangavy anareo aho mba hanao izay hahatsapany fa tia azy ianareo.” (2 Kôrintianina 2:8, DIEM ). Ilay teny grika nadika hoe ‘manao izay hahatsapana’ dia teny fampiasa amin’ny lalàna izay midika hoe “mampanan-kery”. Eny, ireo nibebaka ka voaray indray dia mila mahatsapa fa tiana izy ireo, fa raisina tsara ho anisan’ny kôngregasiôna indray izy ireo.
Tsy maintsy tadidintsika anefa fa ny ankamaroan’ny olona ao amin’ny kôngregasiôna dia tsy mahafantatra ny tarehin-javatra manokana izay nahatonga ny fandroahana ny olona iray, na ny fandraisana azy indray. Fanampin’izany, dia mety hisy olona sasany voakasika na voaratra manokana, tamin’ny fomba maharitra mihitsy aza angamba, noho ny ratsy nataon’ilay nibebaka. Noho isika mahatakatra izany zavatra izany àry, dia ara-dalàna raha mitana tena isika mba tsy hanao fampisehoana fiarahabana tonga soa rehefa atao ny fampandrenesana momba ny fandraisana indray ny voaroaka taloha. Miandry ny hahafahantsika hanao izany manokana isika.
Manatanjaka ny finoan’ireo vao noraisina tokoa ny mahafantatra fa raisina tsara ho anisan’ny kôngregasiôna kristianina indray izy ireo! Afaka mampahery izany olona nibebaka izany isika amin’ny firesahana aminy sy amin’ny fankafizana ny fiarahana aminy ao amin’ny Efitrano Fanjakana sy eny amin’ny fanompoana ary amin’ny fotoana mety hafa. Rehefa mampanan-kery toy izany ny fitiavantsika isika, na manao izay hahatsapan’ireny olona mamintsika ireny ny fitiavantsika, dia tsy manamaivana velively ny halehiben’ny fahotana vitany akory. Miombom-pifaliana amin’ireo anjely sesehena any an-danitra kosa isika noho ireo olona ireo nanary ilay lalam-pitondran-tena ratsy ka niverina tamin’i Jehovah. — Lioka 15:7.
[Sary, pejy 15]
Tsy nety nifaly tamin’ny fiverenan’ny rahalahiny ilay lahimatoa