FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 1/11 p. 8-13
  • Hahatanty Afo ve ny Asanao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hahatanty Afo ve ny Asanao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fametrahana fototra tsara
  • Fanorenana amin’ny fitaovana tsara
  • Hahatanty afo ve asanao?
  • Iza no tompon’andraikitra?
  • Ny fahaiza-manorina amin’ny fitaovana tsy mety may
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Aoka isika hanorina toetra kristiana ao amin’ireo zanatsika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Fototra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fanampiana ny Olona Hanatona An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 1/11 p. 8-13

Hahatanty Afo ve ny Asanao?

“Aoka ny olona rehetra hitandrina izay arafiny eo ambonin[’ny fanorenana].” — 1 KORINTIANA 3:10.

1. Inona no antenain’ireo Kristianina mahatoky amin’ireo mety ho tonga mpianatra?

MIBANJINA ilay zanany vao teraka ny mpivady kristianina iray. Tsinjon’ny mpitory ilay Fanjakana iray fa marisika sy liana ny mpianatra ny Baiboly iray, ka hita soritra eny amin’ny endriny izany. Tsikaritry ny loholona kristianina iray mampianatra avy eny amin’ny lampihazo fa may ny hijery andinin-teny ao amin’ny Baiboliny ny olona iray vao liana anisan’ny mpanatrika. Samy be fanantenana avokoa ireo mpanompo mahatokin’i Jehovah ireo. Tonga ho azy ao an-tsain’izy ireo ny fanontaniana manao hoe: ‘Ho tia sy hanompo an’i Jehovah va re izy io, ka hitoetra hahatoky e?’ Mazava anefa fa tsy mandeha ho azy ny hahatongavana amin’izany, fa mitaky asa.

2. Ahoana no nampahatsiahivan’ny apostoly Paoly ireo Kristianina hebreo ny mahazava-dehibe ny asa fampianarana, ary mety hanosika antsika handini-tena ny amin’inona izany?

2 Koa satria mpampianatra za-draharaha ny apostoly Paoly, dia nantitranteriny ny mahazava-dehibe ny asa fampianarana sy fanaovana mpianatra, fony izy nanoratra hoe: “Tokony ho efa mpampianatra (...) hianareo noho ny fahelan’ny andro”. (Hebreo 5:12). Kely ny fandrosoana vitan’ireo Kristianina niantefan’ny taratasiny, rehefa heverina ny halavan’ny fotoana naha mpino azy ireo. Tsy vitan’ny hoe mbola tsy vonona hampianatra ny hafa izy ireo fa nila nampahatsiahivina ny amin’ireo lafiny fototra tamin’ny fahamarinana koa. Amin’izao andro izao, dia tsara indraindray ny hanombanantsika rehetra ny fahaizantsika mampianatra, sy ny hijerentsika izay fomba azontsika ihatsarana, satria misy aina tandindomin-doza. Inona no azontsika atao?

3. a) Noharin’ny apostoly Paoly tamin’inona ny fizotran’ny fanaovana mpianatra kristianina? b) Tombontsoa lehibe inona no ananantsika amin’ny maha Kristianina mpanorina antsika?

3 Nampiasa fanoharana manana heviny miitatra ny apostoly Paoly, ka nohariny tamin’ny fizotran’ny fanorenana trano ny fanaovana mpianatra. Hoy izy nanomboka ny teniny: “Mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay; ary sahan’Andriamanitra sy trano arafitr’Andriamanitra hianareo.” (1 Korintiana 3:9). Araka izany, dia mandray anjara amin’ny asa fanorenana iray isika, ka olona no tafiditra amin’izany; manampy amin’ny fanorenana azy ireny ho tonga mpianatr’i Kristy isika. Manao izany isika satria mpiara-miasa amin’Ilay “nanao ny zavatra rehetra”. (Hebreo 3:4). Izany ka tombontsoa! Afaka manampy antsika ho kinga kokoa eo amin’ny asantsika ny torohevitra ara-tsindrimandry nomen’i Paoly ho an’ny Korintianina, ka andeha hojerentsika hoe amin’ny fomba ahoana. Hifantoka indrindra indrindra amin’ny “fahaiza-mampianatra” isika. — 2 Timoty 4:2, NW.

Fametrahana fototra tsara

4. a) Inona ny anjara asan’i Paoly tamin’ilay asa fanorenana kristianina? b) Nahoana no azo lazaina fa samy nahafantatra ny nahazava-dehibe ny fototra tsara i Jesosy sy ireo nihaino azy?

4 Raha tiana ho mafy orina sy mateza ny trano iray, dia ilaina ny fototra tsara. Nanoratra toy izao i Paoly, araka izany: “Araka ny fahasoavan’Andriamanitra nomena ahy, tahaka ny fanaon’ny mpità-marika mahay no nanaovako ny [fototra, NW ]”. (1 Korintiana 3:10). Nampiasa fanoharana nitovy tamin’izany i Jesosy Kristy, ka niresaka ny amin’ny trano iray izay tsy nihontsina tamin’ny tafiotran’oram-baratra mahery, satria nifidy fototra mafy orina ilay mpanorina azy. (Lioka 6:47-49). Tena fantatr’i Jesosy tsara ny nahazava-dehibe ny fototra. Teo izy fony nanorina ny tany i Jehovah.a (Ohabolana 8:29-31). Takatr’ireo nihaino an’i Jesosy koa ny nahazava-dehibe ny fototra tsara. Ny trano tsara fototra ihany no hahatanty ny ranotrambo sy ny horohoron-tany mamely an’i Palestina indraindray. Inona anefa ilay fototra noeritreretin’i Paoly?

5. Iza no fototra iorenan’ny kôngregasiôna kristianina, ary ahoana no nilazana izany mialoha?

5 Nanoratra toy izao i Paoly: “Tsy misy mahay manao [fototra, NW ] hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy.” (1 Korintiana 3:11). Tsy io akory no voalohany nanoharana an’i Jesosy tamina fototra. Nilaza mialoha toy izao, raha ny marina, ny Isaia 28:16: “Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Indro, Izaho no efa nametraka vato ao Ziona, dia vato voazaha toetra, vato tsara izay fehizoro voaorina ho [fototra, NW ] mafy”. Efa hatramin’ny ela i Jehovah no nikasa ny hahatongavan’ny Zanany ho fototra iorenan’ny kôngregasiôna kristianina. — Salamo 118:22; Efesiana 2:19-22; 1 Petera 2:4-6.

6. Ahoana no nametrahan’i Paoly fototra nety, teo amin’ireo Kristianina korintianina?

6 Inona kosa no fototra iorenan’ny Kristianina isam-batan’olona? Araka ny voalazan’i Paoly, dia tsy misy fototra iorenan’ny Kristianina marina afa-tsy i Jesosy Kristy, ilay fototra napetraka ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Azo antoka fa nametraka izany fototra izany i Paoly. Tsy nitady hanaitra ny sain’ny olona tamin’ny fahendren’izao tontolo izao i Paoly tany Korinto, izay toerana nanajana fatratra ny filôzôfia. Ny notoriny kosa, dia “i Kristy voahombo tamin’ny hazo fijaliana”, izay nailik’ireo firenena ho toy ny “fahadalana” bevava. (1 Korintiana 1:23). Nampianatra i Paoly fa i Jesosy no mitana anjara toerana lehibe indrindra ao amin’ny fikasan’Andriamanitra. — 2 Korintiana 1:20; Kolosiana 2:2, 3.

7. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fanondroan’i Paoly ny tenany ho “mpità-marika mahay”?

7 Nomarihin’i Paoly fa “tahaka ny fanaon’ny mpità-marika mahay” no nampitany izany fampianarana izany. Tsy fizahozahoana akory izany fa natao hampisehoana fotsiny hoe nomen’i Jehovah fanomezam-pahasoavana nahatalanjona ny tenany, dia ny asa fandaminana sy fitantanana. (1 Korintiana 12:28). Marina aloha fa tsy manana ireo fanomezam-pahasoavana mahagaga azon’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany isika amin’izao andro izao. Mety tsy hihevitra ny tenantsika ho manan-talenta eo amin’ny fampianarana koa isika. Amin’ny lafiny lehibe iray anefa, dia ananantsika avokoa izany rehetra izany. Eritrereto kely ange e! Manome ny fanahiny masina i Jehovah mba hanampiana antsika. (Ampitahao amin’ny Lioka 12:11, 12.) Manam-pitiavana an’i Jehovah koa isika ary manana fahalalana momba ireo fampianarana fototra ao amin’ny Teniny. Tena fanomezam-pahasoavana mahatalanjona hoenti-mampianatra ny hafa avokoa ireny. Aoka isika ho tapa-kevitra ny hampiasa azy ireny mba hametrahana fototra mety.

8. Amin’ny fomba ahoana no anaovantsika an’i Kristy ho fototra iorenan’ireo olona mety ho tonga mpianatra?

8 Rehefa i Kristy no ataontsika fototra, dia tsy hampiseho azy ho toy ny zaza menavava tsy manam-piarovana ao amin’ny fihinanam-bilona, isika, no sady tsy hilaza azy ho mitovy amin’i Jehovah ao amin’ny Trinite iray. Tsia, fototra iorenan’ny Kristianina sandoka izany finoana tsy araka ny Soratra Masina izany. Mampianatra kosa isika fa izy no lehilahy niavaka indrindra teto an-tany, nanome ny ainy lavorary ho antsika izy, ary Mpanjaka voatendrin’i Jehovah izay efa manapaka any an-danitra amin’izao andro izao. (Romana 5:8; Apokalypsy 11:15). Miezaka koa isika mba hahatonga ireo olona ampianarintsika ho voatosika hanaraka ny dian’i Jesosy sy hanahaka ny toetrany. (1 Petera 2:21). Irintsika hanohina lalina ny fon’izy ireny ny zotom-pon’i Jesosy tamin’ny fanompoana, ny fangorahany ny olona ambany sy voahosihosy, ny famindram-pony tamin’ny mpanota izay ory dia ory noho ny heloka vitany, ny herim-pony tsy nety lefy teo anoloan’ny fisedrana. Marina tokoa fa fototra faran’izay tsara i Jesosy. Inona anefa no manaraka izany?

Fanorenana amin’ny fitaovana tsara

9. Na dia mpametraka fototra aza i Paoly voalohany indrindra, dia nanahy ny amin’inona izy mahakasika ireo izay nanaiky ny fahamarinan’ny zavatra nampianariny?

9 Nanoratra toy izao i Paoly: “Ary raha misy mandrafitra volamena, na volafotsy, na [vatosoa, NW ], na hazo, na bozaka, na mololo, eo ambonin’ny [fototra, NW ], dia haseho avokoa ny asan’ny olona rehetra; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin’afo izany andro izany, ka dia hozahan-toetra amin’ny afo ny asan’ny olona rehetra.” (1 Korintiana 3:12, 13). Inona no tian’i Paoly holazaina? Diniho ny zava-nitranga ara-tantara. Mpametraka fototra aloha i Paoly voalohany indrindra. Tamin’ireo dia misionera nataony, dia nitety tanàna sy nitory tamin’ny maro izay mbola tsy nandre mihitsy ny amin’i Kristy, izy. (Romana 15:20). Nisy kôngregasiôna naorina rehefa nanaiky ilay fahamarinana nampianariny ny olona. Niahy fatratra an’ireny olona nahatoky ireny i Paoly. (2 Korintiana 11:28, 29). Nitaky ny hifindrafindrany toerana anefa ny asany. Koa rehefa avy nandany 18 volana nametrahana fototra tao Korinto izy, dia lasa nandeha nitory tany amin’ny tanàna hafa. Na izany aza, dia nahaliana azy fatratra ny fomba nanohizan’ny hafa ny asa nataony tany. — Asan’ny Apostoly 18:8-11; 1 Korintiana 3:6.

10, 11. a) Ahoana no nampifanoheran’i Paoly karazana fitaovam-panorenana samy hafa? b) Azo inoana fa nisy karazana trano nanao ahoana tany Korinto fahiny? d) Karazana trano manao ahoana no azo inoana kokoa fa hahatanty afo, ary lesona inona no azo tsoahina avy amin’izany ho an’ireo Kristianina manao mpianatra?

10 Toa tsy zavatra tsara no naorin’ny sasany teo ambonin’ilay fototra napetrak’i Paoly tany Korinto. Mba hampiharihariana ilay olana, dia nisy karazana fitaovam-panorenana roa nampifanoherin’i Paoly: volamena sy volafotsy ary vatosoa etsy an-daniny, ary hazo sy bozaka sy mololo etsy an-kilany. Azo atao ny manorina trano amin’ny fitaovana tsara dia tsara sy mateza ary tsy mety may; azo atao koa anefa ny manangana trano maimaika amin’ny alalan’ny fitaovana fanary sy vonjimaika ary mety may. Tsy isalasalana fa betsaka an’ireo karazan-trano roa ireo ny tanàna lehibe toa an’i Korinto. Teo ireo tempoly goavana vita tamin’ny bolongam-bato makadiry sy lafo vidy, izay angamba norakofana na noravahana volamena sy volafotsy ny ampahany taminy.b Azo inoana fa hita ho nijoalajoala sy nanerinerina ireny tranobe nateza ireny teo anivon’ireo trano bongo sy trano tsizarizary ary ireo trano heva teny an-tsena, izay sady nitafo bozaka no vita tamin’ny hazo mbola tsy voavoatra.

11 Hanao ahoana ireny trano ireny rehefa azon’ny afo? Mazava loatra ny valiny tamin’ny andron’i Paoly, ary toy izany koa amin’ny androntsika. Tamin’ny 146 al.f.i. tokoa mantsy, dia azon’ilay Jeneraly rômanina antsoina hoe Mummius ny tanànan’i Korinto ka nodorany. Azo antoka fa trano maro vita tamin’ny hazo na bozaka na mololo no potika tanteraka. Ahoana kosa ny amin’ireo trano vato mafy orina, voaravaka volafotsy sy volamena? Tsy misy isalasalana fa tsy nihontsina akory izy ireny. Nety ho tena nandalo teo amin’ireny trano ireny isan’andro ireo olona nampianarin’i Paoly tao Korinto. Trano vita tamina vato makadiry izy ireny ka tsy simban’ireo loza izay efa hatramin’ny ela no nanamontsana tanteraka ireo trano tsy nateza kokoa nanodidina azy. Velombelona erỳ ny fomba nanasongadinan’i Paoly ny tiany holazaina! Mila mihevitra ny tenantsika ho toy ny mpanorina trano isika rehefa mampianatra. Irintsika ny hampiasa ny fitaovana faran’izay tsara sy mateza indrindra. Azo inoana fa haharitra kokoa amin’izay ny asantsika. Inona avy izany fitaovana mateza izany, ary nahoana no tena zava-dehibe ny hampiasana azy ireny?

Hahatanty afo ve asanao?

12. Tamin’ny fomba ahoana avy ny Kristianina sasany tany Korinto no nanao asa fanorenana alasafay?

12 Mazava fa tsy nanorina tamin’ny fomba tsara ny Kristianina sasany tao Korinto, araka ny fiheveran’i Paoly. Inona no tsy nety? Asehon’ny teny manodidina fa voakorontan’ny fisaraham-bazana sy ny fanindrahindrana olona ilay kôngregasiôna, na dia efa notandindomin-doza noho izany aza ny firaisan-tsain’izy ireo. “Izaho an’i Paoly”, hoy ny sasany. “Izaho an’i Apolosy”, hoy kosa ny fanizingizinan’ny hafa. Toa nirehareha tamin’ny fahendren’ny tenany ny sasany. Tsy mahagaga raha rivo-piainana nanjakan’ny fisainana araka ny nofo, sy tsy fahamatorana ara-panahy, ary “fialonana sy fifandirana” nahazo laka, no vokatr’izany. (1 Korintiana 1:12; 3:1-4, 18). Azo antoka fa hita taratra teo amin’ny fampianarana natao tao amin’ny kôngregasiôna sy teny amin’ny fanompoana izany fihetsika izany. Ny vokany dia nanjary natao alasafay ny asa fanaovana mpianatra notontosain’izy ireo, toy ny asa fanorenana nampiasana fitaovana ambany karazana. Tsy hahatanty “afo” izany. Afo inona moa no noresahin’i Paoly?

13. Sary mampiseho inona ilay afo ao amin’ny fanoharan’i Paoly, ary inona no tokony ho fantatry ny Kristianina rehetra?

13 Ny fitsapana ny finoantsika no afo atrehintsika rehetra eo amin’ny fiainana. (Jaona 15:20; Jakoba 1:2, 3). Toa antsika amin’izao andro izao ihany, dia nila nahafantatra koa ny Kristianina tany Korinto fa handia fitsapana ny olona rehetra ampianarintsika ny fahamarinana. Raha tsy mampianatra amin’ny fomba tsara isika, dia mety hisy vokany mampalahelo izany. Hoy ny fampitandreman’i Paoly: “Raha maharitra ny asan’ny olona, izay narafiny teo amboniny, dia handray valim-pitia izy. Raha ho levon’ny afo ny asan’ny olona, dia ho fatiantoka izy; fa ny tenany kosa dia hovonjena, nefa toy ny avy ao amin’ny afo ihany izy.”c — 1 Korintiana 3:14, 15.

14. a) Ahoana no mety ‘hahamatiantoka’ ireo Kristianina manao mpianatra, kanefa ahoana no mety hahavoavonjy azy ireo toy ny avy ao amin’ny afo? b) Ahoana no ahafahan’ny tenantsika manakely araka izay azo atao ny mety hisian’ny fatiantoka?

14 Mampieritreritra tokoa lahy izany teny izany! Tena mety hampahory tokoa ny hoe niasa mafy ny tena mba hanampiana olona iray ho tonga mpianatra, saingy nanaiky ho resin’ny fakam-panahy sy ny fanenjehana izy, ka niala tamin’ny lalan’ny fahamarinana tamin’ny farany. Niaiky ny amin’izany indrindra i Paoly fony izy nilaza fa matiantoka isika amin’ny tarehin-javatra toy izany. Mety hampahory mafy antsika tokoa ny fahitana izany, hany ka lazalazaina ho toy ny “avy ao amin’ny afo” ny famonjena antsika, toy ny lehilahy iray izay namoy ny zavatra rehetra tao anaty afo, ary zara raha voavonjy avy tao ny tenany. Ahoana kosa no ahafahan’ny tenantsika manakely araka izay azo atao ny mety hisian’ny fatiantoka? Manorena amin’ny fitaovana mateza! Manorina amin’ny fitaovana mateza sy tsy mety may isika raha mikendry ny hanohina ny fon’ny mpianatsika rehefa mampianatra, ka manosika azy ireny hihevitra ho zava-dehibe ny toetra kristianina sarobidy toy ny fahendrena, ny fahaiza-manavaka, ny tahotra an’i Jehovah, ary ny tena finoana. (Salamo 19:9, 10; Ohabolana 3:13-15; 1 Petera 1:6, 7). Hanohy hanao ny sitrapon’Andriamanitra ireo izay manana ireo toetra ireo; manana fanantenana azo antoka ny hiaina mandrakizay izy ireo. (1 Jaona 2:17). Ahoana anefa no azontsika ampiharana ilay fanoharan’i Paoly? Andeha isika handinika ohatra vitsivitsy.

15. Amin’ny fomba ahoana avy no ahafahantsika mahazo antoka fa tsy manao asa fanorenana alasafay fotsiny isika raha ny amin’ireo olona ampianarintsika Baiboly?

15 Tsy tokony hanandratra olona mihoatra noho i Jehovah Andriamanitra mihitsy isika rehefa mampianatra Baiboly. Tsy ny hampianatra ny olona hihevitra ny tenantsika ho fototra ipoiran’ny fahendrena akory no tanjontsika. Irintsika hitodika any amin’i Jehovah sy ny Teniny ary ny fandaminany izy ireny, mba hahazoany tari-dalana. Ho fikendrena izany, dia tsy ny fomba fijerin’ny tenantsika no arosontsika rehefa mamaly ny fanontaniany isika. Mampianatra azy ireny hitady ny valiny kosa isika, amin’ny fampiasana ny Baiboly sy ireo zavatra vita an-tsoratra omen’ny “mpanompo mahatoky sy malina”. (Matio 24:45-47, NW ). Noho izany antony izany ihany, dia tokony hitandrina isika mba tsy ho saro-piaro loatra amin’ireo olona ampianarintsika Baiboly, ka tsy ho sosotra rehefa misy hafa maneho fahalianana amin’izy ireny. Hampirisihintsika kosa izy ireny mba ‘hihamalalaka’ eo amin’ny olona iraiketan’ny fony, ka hiezaka hahafantatra sy hankasitraka olona maro araka izay azo atao, eo anivon’ny kôngregasiôna. — 2 Korintiana 6:12, 13.

16. Ahoana no ahafahan’ireo loholona manorina amin’ny fitaovana tsy mety may?

16 Manana anjara toerana tena lehibe koa ireo loholona kristianina eo amin’ny fanorenana ireo mpianatra. Miezaka hanorina amin’ny fitaovana tsy mety may izy ireo rehefa mampianatra ny kôngregasiôna. Mety ho samy hafa be ny fahaizana sy ny fahazaran-draharaha ary ny toetra ananan’izy ireo. Tsy manararaotra ireny fahasamihafana ireny anefa izy ireo mba hitaomana olona hanaraka azy. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 20:29, 30.) Tsy fantatsika marina ny antony nahatonga ny sasany tany Korinto hilaza hoe “Izaho an’i Paoly”, na “Izaho an’i Apolosy”. Tena azontsika antoka kosa anefa fa tsy ireo loholona nahatoky ireo mihitsy no nampisy izany toe-tsaina nampisara-bazana izany. Tsy finaritra tamin’ireny fanasohasoana ireny i Paoly fa nanda mafy azy ireny kosa. (1 Korintiana 3:5-7). Mitovy amin’izany koa ireo loholona amin’izao andro izao, satria ao an-tsain’izy ireo mandrakariva ny hoe “ondrin’Andriamanitra” no andrasany. (1 Petera 5:2, izahay no manao sora-mandry.) Tsy misy lehilahy na iza na iza tompon’izy io. Koa hentitra àry ireo loholona amin’ny fanoherana izay rehetra mety ho fironan’ny lehilahy iray hanjakazaka eo amin’ny andian’ondry na eo amin’ny fitambaran-doholona. Manorina amin’ny fitaovana tsy mety may ireo loholona raha mbola atosiky ny faniriana hikarakara amim-panetren-tena ny kôngregasiôna, no sady manohina ny fo sy manampy ny ondry hanompo an’i Jehovah amin’ny fanahiny rehetra.

17. Amin’ny fomba ahoana no iezahan’ny ray aman-dreny kristianina manorina amin’ny fitaovana tsy mety may?

17 Tafiditra lalina amin’io raharaha io ihany koa ireo ray aman-dreny kristianina. Maniry mafy hahita an-janany hiaina mandrakizay tokoa izy ireo! Izany no mahatonga azy ireo hilofo mafy ‘handentika’ ireo foto-pitsipiky ny Tenin’Andriamanitra ao am-pon’ny zanany. (Deoteronomia 6:6, 7, NW ). Maniry izy ireo mba tsy ho fitambarana fitsipika na ho fitanisan-javatra lavareny fotsiny no ahafantaran’ny zanany ny atao hoe fahamarinana, fa mba ho fomba fiaina mahafinaritra sy mahafa-po ary mahasambatra. (1 Timoty 1:11). Mba hamolavolana ny zanany ho tonga mpianatra mahatokin’i Kristy, dia miezaka hampiasa fitaovana tsy mety may ireo ray aman-dreny be fitiavana. Miara-miasa amim-paharetana amin’ny zanany izy ireo, ka manampy azy hanaisotra ireo toetra halan’i Jehovah, fa hamboly kosa ireo toetra tian’i Jehovah. — Galatiana 5:22, 23.

Iza no tompon’andraikitra?

18. Rehefa mandà ny fampianarana mahasoa ny mpianatra iray, nahoana izany no tsy voatery ho fahadisoan’ilay niezaka nampianatra sy nampiofana azy?

18 Misy fanontaniana lehibe iray aterak’ity famakafakana ity. Raha miala amin’ny fahamarinana ny olona iray ezahintsika ampiana, midika ve izany fa mpampianatra tsy nahomby isika, izany hoe tsy maintsy tamin’ny fitaovana ambany karazana no nanorenantsika? Tsy voatery ho izany. Mampahatsiahy antsika tokoa ny tenin’i Paoly fa andraikitra lehibe izany hoe mandray anjara amin’ny fanorenana mpianatra izany. Maniry hanao ny zavatra rehetra araka izay fara herintsika isika mba hanorenana amin’ny fomba tsara. Tsy milaza amintsika anefa ny Tenin’Andriamanitra hoe hiantsoroka ny andraikitra rehetra isika, ka hovesaran’ny fahatsapan-tena ho meloka rehefa miala amin’ny fahamarinana ireo olona ezahintsika ampiana. Misy lafin-javatra hafa koa mantsy tafiditra amin’izany, ankoatra ny anjara asan’ny tenantsika amin’ny maha mpanorina antsika. Mariho, ohatra, izay nolazain’i Paoly momba ilay mpampianatra izay tsy nanao zavatra tsara akory aza teo amin’ny asa fanorenany: “Ho fatiantoka izy; fa ny tenany kosa dia hovonjena”. (1 Korintiana 3:15). Inona no fanatsoahan-kevitsika raha toa io olona io ka mety hahazo famonjena ihany amin’ny farany, na dia naseho an’ohatra ho “levon’ny afo” tao anatin’ny fitsapana nivaivay aza ilay toetra kristianina niezahany naorina tao amin’ilay mpianany? Izao: Tanan’i Jehovah ho tompon’andraikitra voalohany ny amin’izay fanapahan-kevitra raisiny ilay mpianatra, na fanapahan-kevitra hanaraka lalam-pahatokiana izany na tsia.

19. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

19 Raharaha iray tena lehibe ny andraikitra mipetraka amin’ny isam-batan’olona. Mahakasika antsika tsirairay avy izy io. Inona marina tokoa moa no ampianarin’ny Baiboly ny amin’io raharaha io? Handinika izany ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny ‘fanorenan’ny tany’ dia mety hanondro ireo hery fizika mihazona mafy ny tany mbamin’ny zavatra rehetra eny amin’ny lanitra, mba ho eo amin’ny toerany avy. Fanampin’izany, dia ny fomba nanorenana ny tany mihitsy no mahatonga azy ‘tsy hihetsika’ na hoe tsy ho potika na oviana na oviana. — Salamo 104:5.

b Tsy voatery ho vatomazava toy ny diamondra sy ny vatosoa mena akory ireo “vatosoa” noresahin’i Paoly, fa nety ho vato fanorenana lafo vidy toy ny marbra, vatosanga, na granita.

c Ny famonjena ny ‘asa’ nataon’ilay mpanorina no nolazain’i Paoly fa mampisalasala, fa tsy ny famonjena ilay mpanorina. Toy izao no andikan’ny The New English Bible an’io andininy io: “Raha mitoetra ny tranon’ny lehilahy iray, dia hovalian-tsoa izy; fa raha may kosa, dia ho voatery hizaka ny fatiantoka izy; saingy ho avotra ihany ny ainy, toy ny olona iray avy tao amin’ny afo.”

Ahoana no Havalinao?

◻ Inona ilay “fanorenana” na fototra iorenan’ny Kristianina marina, ary ahoana no ametrahana azy io?

◻ Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo karazana fitaovam-panorenana samy hafa?

◻ Sary mampiseho inona ny “afo”, ary amin’ny fomba ahoana izy io no mety ‘hahamatiantoka’ ny sasany?

◻ Ahoana no ahafahan’ireo mpampianatra ny Baiboly, loholona, ary ray aman-dreny manorina amin’ny fitaovana tsy mety may?

[Sary, pejy 9]

Samy hita tany amin’ny tanàna maro tamin’ny andro fahiny na ny trano vato tsy mety may na ny trano marefo kokoa

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara