“Mampahereza ny Fonareo”
“Tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra.” — HEBREO 10:36.
1, 2. a) Inona no nitranga tamin’ny Kristianina maromaro tamin’ny taonjato voalohany? b) Nahoana no mora malemy ny finoana?
TAMIN’IREO mpanoratra Baiboly rehetra, dia tsy nisy niresaka momba ny finoana, matetika kokoa noho ny apostoly Paoly. Ary imbetsaka izy no niresaka ny amin’ireo izay nalemy finoana na maty finoana. Ohatra, “vaky sambo (...) ny amin’ny finoana” i Hymeneo sy i Aleksandro. (1 Timoty 1:19, 20). Nandao an’i Paoly i Demasy, satria “tia izao fiainana izao izy”. (2 Timoty 4:10). “Nandà ny finoana” ny sasany tamin’ny fanaovan-javatra tsy mendrika ny Kristianina sy tsy misy fahatsapana andraikitra. Ny hafa voafitaky ny fahendrena sandoka ka “nania tamin’ny finoana”. — 1 Timoty 5:8; 6:20, 21.
2 Nahoana no resy tamin’izany fomba izany ireo Kristianina voahosotra ireo? “Ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.” (Hebreo 11:1). Maneho finoana ny zavatra tsy hitantsika isika. Tsy ilantsika finoana ny zavatra hitantsika. Mora kokoa ny miezaka hahazo harena hita maso noho ny harena ara-panahy tsy hita maso. (Matio 19:21, 22). Zavatra hita maso maro, toy “ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso”, no manintona mafy ny nofontsika tsy lavorary, ka mety hampahalemy ny finoantsika. — 1 Jaona 2:16.
3. Karazam-pinoana manao ahoana no tokony hambolen’ny Kristianina?
3 Hoy anefa i Paoly: “Izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.” Nanana finoana tahaka izany i Mosesy. “Nijery ny famalian-tsoa” izy, ka “naharitra toy ny mahita Izay tsy hita”. (Hebreo 11:6, 24, 26, 27). Mila io karazam-pinoana io ny Kristianina. Araka ny nomarihina tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, dia ohatra tsara dia tsara tamin’io lafiny io i Abrahama.
Ny oha-pinoan’i Abrahama
4. Tamin’ny ahoana ny finoan’i Abrahama no nisy heriny teo amin’ny fiainany?
4 Tany Ora i Abrahama fony izy nomen’Andriamanitra ilay fampanantenana hoe hanana taranaka iray, izay ho fitahiana ho an’ny olona amin’ny firenena rehetra, ny tenany. (Genesisy 12:1-3; Asan’ny Apostoly 7:2, 3). Nankato an’i Jehovah i Abrahama, niorina tamin’io fampanantenana io, ka nifindra nankany Harana aloha, avy eo dia nankany Kanana. Tao Kanana i Jehovah no nampanantena fa hanome io tany io ho an’ny taranak’i Abrahama. (Genesisy 12:7; Nehemia 9:7, 8). Ho tanteraka taorian’ny nahafatesan’i Abrahama anefa ny ankabeazan’ny fampanantenan’i Jehovah. Ohatra, tsy nahazo tamin’ny tany Kanana i Abrahama, na dia eram-paladia aza, afa-tsy ny zohy tao Makpela, izay novidiny hatao toeram-pandevenana. (Genesisy 23:1-20). Na dia izany aza, dia nanam-pinoana ny tenin’i Jehovah izy. Ambonin’ny zava-drehetra, dia ninoany ny hisian’ny “tanàna [ho avy] misy fanorenana (...), Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany”. (Hebreo 11:10). Nanohana azy nandritra ny androm-piainany manontolo izany finoana izany.
5, 6. Tamin’ny ahoana no nitsapana ny finoan’i Abrahama, raha ny amin’ny fampanantenan’i Jehovah?
5 Hita indrindra izany, raha ny amin’ilay fampanantenana hoe ho tonga firenena lehibe ny taranak’i Abrahama. Mba hitrangan’izany, dia nila zanakalahy i Abrahama, ary niandry ela be izy vao notahina tamin’ny fahazoana zazalahy iray. Tsy fantatsika hoe firy taona izy fony izy nandre voalohany ilay fampanantenan’Andriamanitra, kanefa rehefa nanao ilay dia lavitra nankany Harana izy, dia mbola tsy nomen’i Jehovah zanaka ihany. (Genesisy 11:30). Naharitra ela tao Harana izy, satria nanam-potoana ‘nihariana fananana sy olona’, ary 75 taona izy fony izy nifindra nankany Kanana, ary 65 taona i Saraha. Mbola tsy hita ihany anefa izay zanany. (Genesisy 12:4, 5). Rehefa nahatratra 75 taona i Saraha, dia nanatsoaka hevitra fa efa antitra loatra izao ny tenany ka tsy ho afaka hanome taranaka ho an’i Abrahama intsony. Noho izany, araka ny fomba tamin’izany andro izany, dia nomeny an’i Abrahama i Hagara andevovaviny, izay nahazoan’i Abrahama zanakalahy. Tsy io anefa ilay zaza nampanantenaina. Nalefa nandeha i Hagara sy i Isimaela zanany, tatỳ aoriana. Na dia izany aza, dia nitalaho ho azy mianaka i Abrahama, ka nampanantena i Jehovah fa hitahy an’i Isimaela. — Genesisy 16:1-4, 10; 17:15, 16, 18-20; 21:8-21.
6 Tamin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra, ela be taorian’ny nandrenesan’izy ireo voalohany ilay fampanantenana, dia niteraka lahy kely, dia i Isaka, i Abrahama izay 100 taona sy i Saraha izay 90 taona. Tsy maintsy ho nahatalanjona izany! Toy ny hoe fitsanganana amin’ny maty izany ho azy mivady be taona, rehefa niteraka aim-baovao ny vatany “hoatra ny maty”. (Romana 4:19-21). Naharitra ela ilay fiandrasana, saingy hita fa mendrika ny natao ihany rehefa tanteraka ilay fampanantenana tamin’ny farany.
7. Inona no ifandraisan’ny finoana amin’ny faharetana?
7 Ny ohatra navelan’i Abrahama dia mampahatsiahy antsika fa tsy tokony haharitra vetivety fotsiny ny finoana. Nampifandraisin’i Paoly tamin’ny faharetana ny finoana, rehefa nanoratra izy hoe: “Tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra. (...) Isika tsy mba naman’izay mihemotra ho amin’ny fahaverezana, fa naman’izay mino ho amin’ny famonjena ny fanahy.” (Hebreo 10:36-39). Maro no niandry ela be ny fahatanterahan’ny fampanantenana. Ny sasany niandry nandritra ny androm-piainany manontolo. Nanohana azy ny finoany matanjaka. Ary sahala amin’i Abrahama, dia hahazo ny valisoa izy ireo, amin’ny fotoana voatondron’i Jehovah. — Habakoka 2:3.
Fihainoana an’Andriamanitra
8. Ahoana no ihainoantsika an’Andriamanitra amin’izao andro izao, ary nahoana no hanatanjaka ny finoantsika izany?
8 Zavatra efatra, fara fahakeliny, no nanatanjaka ny finoan’i Abrahama, ary afaka manampy antsika koa. Voalohany, dia nasehony ny ‘finoany ny fisian’Andriamanitra’ tamin’ny nihainoany tsara rehefa niteny i Jehovah. Tamin’izany no tsy nitoviany tamin’ny Jiosy tamin’ny andron’i Jeremia, izay nino an’i Jehovah kanefa tsy nino ny teniny. (Jeremia 44:15-19). Amin’izao andro izao i Jehovah dia miteny amintsika avy ao amin’ny pejin’ny Baiboly, ny Teniny ara-tsindrimandry, izay nolazain’i Petera hoe toy “ny jiro mahazava ao amin’ny fitoerana maizimaizina (...) ao am-ponareo”. (2 Petera 1:19). ‘Velomina amin’ny teny finoana’ isika rehefa mamaky amim-pitandremana ny Baiboly. (1 Timote 4:6, Fandikan-teny Katolika; Romana 10:17). Ankoatra izany, amin’izao andro farany izao, ny “mpanompo mahatoky sy malina” dia manome ‘sakafo [ara-panahy] amin’ny fotoana mety’, tari-dalana eo amin’ny fampiharana ny foto-pitsipika ara-baiboly sy eo amin’ny fahatakarana ny faminanian’ny Baiboly. (Matio 24:45-47, NW ). Tena ilaina ny fihainoana an’i Jehovah amin’ny alalan’ireo fitaovana ireo mba hananana finoana matanjaka.
9. Inona no ho vokany, raha tena mino marina ny fanantenana kristianina isika?
9 Nifamatotra akaiky tamin’ny fanantenan’i Abrahama ny finoany. “Nanantena (...) izy ka nino, mba ho rain’ny firenena maro”. (Romana 4:18). Izany no zavatra faharoa afaka manampy antsika. Tsy tokony hohadinointsika na oviana na oviana fa “Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy” i Jehovah. Hoy ny apostoly Paoly: ‘Mikely aina sy miezaka izahay, satria izahay manantena an’Andriamanitra velona.’ (1 Timoty 4:10). Raha tena mino tokoa ny fanantenana kristianina isika, ny fomba fiainantsika manontolo dia hampiseho ny finoantsika, toy ny nataon’i Abrahama.
Firesahana amin’Andriamanitra
10. Karazam-bavaka manao ahoana no hanatanjaka ny finoantsika?
10 Niresaka tamin’Andriamanitra i Abrahama, ary izany no zavatra fahatelo nanatanjaka ny finoany. Afaka miresaka amin’i Jehovah koa isika amin’izao andro izao, amin’ny fampiasana ilay fanomezana, dia ny vavaka, izay atao amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. (Jaona 14:6; Efesiana 6:18). Taorian’ny nilazan’i Jesosy fanoharana iray nanantitrantitra ny ilana ny hivavaka mandrakariva no nametrahany ilay fanontaniana hoe: “Raha avy ny Zanak’olona, moa hahita finoana etỳ ambonin’ny tany va Izy?” (Lioka 18:8). Tsy mandeha ho azy na atao tsy amim-pieritreretana ny vavaka manatanjaka ny finoana. Mifono heviny lalina izy io. Ohatra, tena zava-dehibe ny vavaka amim-pahatsorana, rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe isika na rehefa ao anatin’ny fihenjanana lehibe. — Lioka 6:12, 13; 22:41-44.
11. a) Ahoana no nanatanjahana an’i Abrahama rehefa namboraka ny tao am-pony tamin’Andriamanitra izy? b) Inona no azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Abrahama?
11 Rehefa nihantitra i Abrahama ary mbola tsy nomen’i Jehovah ilay taranaka nampanantenaina ihany, dia noresahiny tamin’Andriamanitra ny fanahiany. Nanome toky azy indray i Jehovah. Inona no vokany? “Nino an’i Jehovah [i Abrahama]; ka dia nisainy ho fahamarinany izany.” Avy eo i Jehovah dia nanome famantarana iray mba hanamafisana ny toky nomeny. (Genesisy 15:1-18). Raha mamboraka ny ao am-pontsika amin’i Jehovah ao amin’ny vavaka isika, ka manaiky ny toky omeny ao amin’ny Teniny, ny Baiboly, ary mankato azy amim-pinoana feno, dia hanatanjaka ny finoantsika koa izy. — Matio 21:22; Joda 20, 21.
12, 13. a) Ahoana no nitahiana an’i Abrahama rehefa nanaraka ny tari-dalan’i Jehovah izy? b) Fanaovan-javatra inona avy no hanatanjaka ny finoantsika?
12 Ny fanohanan’i Jehovah an’i Abrahama, rehefa nanaraka ny tari-dalan’Andriamanitra izy, no zavatra fahefatra nanatanjaka ny finoan’i Abrahama. Rehefa nandeha nanafaka an’i Lota teo an-tanan’ny mpanjaka nanani-bohitra i Abrahama, dia nomen’i Jehovah fandresena. (Genesisy 14:16, 20). Notahin’i Jehovah izy ka nomeny fananana ara-nofo, raha mbola nivahiny tao amin’ny tany holovain’ny taranany. (Ampitahao amin’ny Genesisy 14:21-23.) Nitarika ny ezaka nataon’ny mpitandrin-draharahany mba hahitana vady sahaza an’i Isaka i Jehovah. (Genesisy 24:10-27). Eny, “nitahy an’i Abrahama tamin’ny zavatra rehetra” i Jehovah. (Genesisy 24:1). Natanjaka aoka izany ny finoany ho vokatr’izany, ary nanana fifandraisana akaiky aoka izany tamin’i Jehovah Andriamanitra izy, hany ka nantsoin’i Jehovah hoe “sakaizako”. — Isaia 41:8; Jakoba 2:23.
13 Afaka manana finoana matanjaka toy izany ve isika amin’izao andro izao? Eny. Sahala amin’i Abrahama, raha mitsapa toetra an’i Jehovah isika ka mankato ny didiny, dia hitahy antsika koa izy, ka hanatanjaka ny finoantsika izany. Ohatra, raha manao topy maso ny Tatitra Momba ny Taom-panompoana 1998 isika, dia hahita fa maro no voatahy tamin’ny fomba mahatalanjona rehefa nankato ny didiny hitory ny vaovao tsara. — Marka 13:10.
Finoana amin’izao andro izao
14. Ahoana no nitahian’i Jehovah ny ezaka manokana natao mba hampielezana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 35?
14 Tamin’ny Oktobra 1997, dia nahitana fahombiazana niavaka ilay ezaka manokana natao naneran-tany mba hampielezana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 35, noho ny zotom-po sy ny hafanam-pon’ny tsirairay tamin’ny Vavolombelona an-tapitrisany maro. Mampiseho tsara izany izay nitranga tany Ghana. Efa ho 2,5 tapitrisa no voazara tamin’ny fiteny efatra, ary fampianarana Baiboly efa ho 2 000 no nangatahina, ho vokatr’izany. Nahamarika mompera iray nanaraka azy avy tao aoriana ny Vavolombelona roa lahy nizara ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana, tany Chypre. Rehefa afaka kelikely, dia notoloran’izy ireo Vaovao Momba Ilay Fanjakana iray izy io. Efa nahazo iray ilay mompera, ary hoy izy: “Nampiaiky volana ahy tokoa ny hafatra raketiny, hany ka niriko ny hanatona ireo olona nanomana azy io mba hiarahabana azy.” Iray tapitrisa sy sasany ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana voazara tany Danemark, ary nitondra vokany tsara dia tsara izany. Hoy ny vehivavy iray miasa ao amin’ny relations publiques: “Manana hafatra ho an’ny rehetra ilay trakitra. Mora azo ny hevitr’izy io, ary manosika anao, izany hoe, mahatonga anao haniry hahafantatra misimisy kokoa izy io. Tafita ny hafatra tiany hampitaina!”
15. Fitantarana inona avy no mampiseho fa notahin’i Jehovah ny ezaka natao mba hitoriana tamin’ny olona hatraiza hatraiza?
15 Tamin’ny 1998, dia nisy ezaka natao mba hitoriana tamin’ny olona, tsy tany an-tranony ihany, fa tany amin’ny toerana rehetra nisy azy koa. Nitsidika sambo 322 niantsona teo an-tseranana ny mpivady misionera iray, tany Côte d’Ivoire. Nahapetraka boky 247 sy gazety 2 284 sy bokikely 500 ary taratasy mivalona an-jatony maro izy mivady, ary koa vidéos hojeren’ny tantsambo rehefa eny afovoan-dranomasina. Tany Kanada, dia nankao amin’ny trano iray fanamboarana vatam-piarakodia simba ny Vavolombelona iray. Liana ny tompon’ilay trano fiasana, ary nijanona tao adiny efatra sy sasany ilay rahalahy, na dia adiny iray teo ho eo monja aza ny tontalin’ny ora nitoriany tamin’ny fotoana tsy nisian’ny clients. Tatỳ aoriana, dia natao ny fandaharana mba hianarana amin’ny folo ora alina. Indraindray anefa, dia tsy nanomboka ny fianarana raha tsy tamin’ny misasakalina, ary naharitra hatramin’ny roa maraina izany. Azo inoana fa nanahirana ilay fotoam-pianarana, kanefa nitondra vokany tsara. Nanapa-kevitra ny hanakatona ny trano fiasany ilay rangahy rehefa alahady mba hahafahany hanatrika fivoriana. Tsy ela dia nanao fandrosoana tsara dia tsara izy mianakavy.
16. Fitantarana inona avy no mampiseho fa fitaovana mahery eo amin’ny asa fitoriana sy fampianarana ny bokikely Takina sy ny boky Fahalalana?
16 Mbola fitaovana mahery eo amin’ny asa fitoriana sy fampianarana foana ilay bokikely hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? sy ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Nandray Vaovao Momba Ilay Fanjakana ny masera iray niandry aotobisy, tany Italia. Nohatonina indray izy ny ampitson’iny, ary nandray ny bokikely Takina. Taorian’izany, dia nianatra Baiboly nandritra ny 10 ka hatramin’ny 15 minitra isan’andro teo amin’ny fiandrasana aotobisy izy. Rehefa afaka iray volana sy tapany, dia nanapa-kevitra ny handao ny couvent ka hody any Goatemalà izy mba hanohy ilay fianarany. Tatsy Malawi, dia tsy faly ny mpiangona nafana fo iray antsoina hoe Lobina, rehefa nanomboka niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo zanany vavy. Nampita ny fahamarinana ara-baiboly tamin-dreniny anefa ireo zanany vavy rehefa afaka nanao izany. Tamin’ny Jona 1997, dia hitan’i Lobina ny boky Fahalalana ka nanaitra ny fahalianany ireo teny hoe “Fahalalana Izay Mitarika”. Nanaiky hianatra Baiboly izy tamin’ny Jolay. Nanatrika ny fivoriamben’ny distrika izy tamin’ny Aogositra, ary nihaino tamim-pitandremana ny fandaharana manontolo. Nandao ny fiangonany izy tamin’ny faran’io volana io, ary nahafeno fepetra ho mpitory tsy vita batisa. Natao batisa izy tamin’ny Novambra 1997.
17, 18. Ahoana no nanampian’ny vidéos novokarin’ny Fikambanana ny olona mba ‘hahitany’ zavatra ara-panahy?
17 Nanampy olona maro “hahita” zavatra ara-panahy ireo vidéos novokarin’ny Fikambanana. Tatsy Maorisy, dia nandao ny fiangonany ny lehilahy iray noho ny fisaratsarahana tao. Nasehon’ny misionera iray taminy ny firaisan-tsain’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny alalan’ilay vidéo hoe Unis grâce à l’enseignement divin (Tafaray Noho ny Fampianarana Araka An’Andriamanitra). Niaiky volana ilay rangahy, ka hoy izy: “Efa ao amin’ny Paradisa sahady ianareo Vavolombelon’i Jehovah!” Nanaiky hianatra Baiboly izy. Nasehon’ny anabavy iray any Japon tamin’ny vadiny tsy mpino ilay vidéo hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah — Ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana. Voatosika hianatra Baiboly tsy tapaka ilay rangahy. Taorian’ny nijereny ilay hoe Unis grâce à l’enseignement divin, dia naniry ho tonga Vavolombelon’i Jehovah izy. Nanampy azy hampihatra ny foto-pitsipika ara-baiboly teo amin’ny fiainany ireo vidéos telo mifampitohy hoe La Bible: un livre historique et prophétique (Ny Baiboly — Boky Mirakitra Zava-misy sy Faminaniana). Farany, ilay vidéo hoe Fermeté des Témoins de Jéhovah face à la persécution nazie (Niorina Mafy ny Vavolombelon’i Jehovah Nanoloana ny Fanafihana Nazia), dia nampiseho taminy fa manatanjaka ny vahoakany hanohitra ny fanafihan’i Satana i Jehovah. Natao batisa tamin’ny Oktobra 1997 ilay rangahy.
18 Vitsivitsy monja amin’ireo zavatra hita maro be nandritra ny taom-panompoana lasa ireo fitantarana ireo. Asehon’izy ireo fa manana finoana miasa ny Vavolombelon’i Jehovah, ary manatanjaka izany finoana izany i Jehovah amin’ny fitahiana ny asan’izy ireo. — Jakoba 2:17.
Mambole finoana amin’izao andro izao
19. a) Amin’ny ahoana isika no tsara toerana kokoa noho i Abrahama? b) Firy no tafavory tamin’ny taon-dasa mba hahatsiaro ny nahafatesan’i Jesosy ho sorona? d) Tany aiza avy no nahitana isan’ny mpanatrika niavaka tamin’ny Fahatsiarovana tamin’ny taon-dasa? (Jereo ny tabilao eo amin’ny pejy faha-12 ka hatramin’ny faha-15.)
19 Amin’ny lafiny maro, dia tsara toerana kokoa noho i Abrahama isika amin’izao andro izao. Fantatsika fa notanterahin’i Jehovah ny fampanantenany rehetra tamin’i Abrahama. Tena nandova an’i Kanana tokoa ny taranak’i Abrahama, ary tena tonga firenena lehibe tokoa izy ireo. (1 Mpanjaka 4:20; Hebreo 11:12). Ankoatra izany, 1 971 taona teo ho eo taorian’ny nandaozan’i Abrahama an’i Harana, ny taranany iray, i Jesosy, dia nataon’i Jaona batisa tamin’ny rano. Avy eo dia i Jehovah mihitsy no nanao batisa an’i Jesosy tamin’ny fanahy masina mba ho tonga Mesia, Taranak’i Abrahama, amin’ny heviny feno sy amin’ny heviny ara-panahy. (Matio 3:16, 17; Galatiana 3:16). Nanolotra ny ainy ho avotra ho an’ireo haneho finoana azy i Jesosy, tamin’ny 14 Nisana 33 am.f.i. (Matio 20:28; Jaona 3:16). Olona an-tapitrisany maro no mety hahazo fitahiana amin’ny alalany ankehitriny. Tamin’ny taon-dasa, dia 13 896 312 no tafavory tamin’ny 14 Nisana mba hahatsiaro io fanehoam-pitiavana mahatalanjona io. Izany ka fanamarinana an’i Jehovah, ilay Mpitana Teny Lehibe!
20, 21. Ahoana no nitahiana olona avy tamin’ny firenena rehetra tamin’ny alalan’ny Taranak’i Abrahama tamin’ny taonjato voalohany, ary ahoana no itahiana azy ireo amin’izao andro izao?
20 Tamin’ny taonjato voalohany, dia olona maro avy tamin’ny firenena rehetra — nanomboka tamin’ny Isiraely ara-nofo — no naneho finoana an’io Taranak’i Abrahama io, ka tonga zanak’Andriamanitra voahosotra sy anisan’ny “Isiraelin’Andriamanitra” vaovao sy ara-panahy. (Galatiana 3:26-29; 6:16; Asan’ny Apostoly 3:25, 26). Nanana fanantenana azo antoka ny hahazo fiainana ara-panahy tsy ahitam-pahafatesana any an-danitra izy ireo, amin’ny maha mpiara-manapaka amin’i Jesosy azy ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy hisy afa-tsy 144 000 monja no ho voatahy amin’izany fomba izany, ary vitsivitsy amin’izy ireo sisa no eto an-tany. (Apokalypsy 5:9, 10; 7:4). Tamin’ny taon-dasa, dia 8 756 no nanaporofo ny finoany fa anisan’ny 144 000 ny tenany, tamin’ny nandraisany anjara tamin’ny marika, nandritra ny fankalazana ny Fahatsiarovana.
21 Saika ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra amin’izao andro izao dia anisan’ny “olona betsaka” voalazan’ny faminaniana ao amin’ny Apokalypsy 7:9-17. Noho izy ireo mahazo fitahiana amin’ny alalan’i Jesosy, dia manana fanantenana ny hiaina mandrakizay ao amin’ny tany ho zary paradisa izy ireo. (Apokalypsy 21:3-5). Tena olona “betsaka” tokoa izy ireo, satria 5 888 650 no nandray anjara tamin’ny asa fitoriana tamin’ny 1998. Nampientanentana indrindra ny nahita an’i Rosia sy i Ukraine samy sambany vao nanao tatitra isan’ny mpitory maherin’ny 100 000. Niavaka koa ny tatitra avy tany Etazonia: mpitory 1 040 283 tamin’ny Aogositra! Ireo dia telo monja amin’ireo tany 19 nanao tatitra isan’ny mpitory maherin’ny 100 000 tamin’ny taon-dasa.
Ho tanteraka tsy ho ela ny fanantenana
22, 23. a) Nahoana isika no tokony hampahery ny fontsika amin’izao andro izao? b) Ahoana no hahatonga antsika ho tahaka an’i Abrahama, fa tsy ho tahaka ireo tsy nanam-pinoana voalazan’i Paoly?
22 Nampahatsiahivina ireo nanatrika ny Fahatsiarovana fa efa lasa lavitra tokoa ny fahatanterahan’ny fampanantenan’i Jehovah. Napetraka teo amin’ny seza fiandrianana i Jesosy tamin’ny 1914 mba ho Mpanapaka ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra, ka nanomboka ny fanatrehany amin’ny maha Mpanjaka nahazo fahefana azy. (Matio 24:3, NW; Apokalypsy 11:15). Eny, manjaka any an-danitra izao ilay Taranak’i Abrahama! Hoy i Jakoba tamin’ny Kristianina tamin’ny androny: “Mahareta koa hianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny [fanatrehan’ny, NW ] Tompo.” (Jakoba 5:8). Efa tanteraka izany fanatrehana izany ankehitriny! Manana antony be lavitra tokony hampaherezantsika ny fontsika tokoa isika!
23 Enga anie ny fatokisantsika ny fampanantenan’Andriamanitra ka hihavao mandrakariva amin’ny alalan’ny fianarana Baiboly tsy tapaka sy ny vavaka misy heviny. Enga anie isika tsy hitsahatra hahatsapa ny fitahian’i Jehovah eo am-pankatoavantsika ny Teniny. Amin’izay isika dia ho tahaka an’i Abrahama, fa tsy ho tahaka an’ireo nalemy finoana sy maty finoana, araka ny voalazan’i Paoly. Tsy hisy na inona na inona hampisaraka antsika amin’ny finoantsika masina indrindra. (Joda 20). Mivavaka izahay mba ho izany no izy ho an’ny mpanompon’i Jehovah rehetra, mandritra ny taom-panompoana 1999 sy amin’ny hoavy mandrakizay.
Fantatrao Ve?
◻ Ahoana no ahafahantsika mihaino an’Andriamanitra amin’izao andro izao?
◻ Inona avy no soa raisintsika avy amin’ny vavaka misy heviny atao amin’Andriamanitra?
◻ Raha manaraka amim-pankatoavana ny tari-dalan’i Jehovah isika, ahoana no hanatanjahana ny finoantsika?
◻ Lafiny inona avy, amin’ilay tatitra isan-taona (pejy faha-12 ka hatramin’ny pejy faha-15) no hitanao fa mahaliana indrindra?
[Tabilao, pejy 12-15]
TATITRA MANERAN-TANIN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH, TAOM-PANOMPOANA 1998
(Jereo ny gazety)
[Sary, pejy 16]
Raha mihaino ny Tenin’i Jehovah isika, dia hihavao ny fatokisantsika ny fampanantenany
[Sary, pejy 18]
Hatanjahina ny finoantsika, rehefa mandray anjara amin’ny fanompoana isika