FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w99 15/2 p. 13-18
  • Ny Avotr’i Kristy — Fomba Itondran’Andriamanitra Famonjena

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Avotr’i Kristy — Fomba Itondran’Andriamanitra Famonjena
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanafoanana ny ota sy ny fahafatesana
  • Fandoavana ny vidin’ny ota
  • “Avotra mifanandrify”
  • Ny vidin’ny ain’olombelona lavorary
  • Fandraisan-tsoa avy amin’ny avotr’i Kristy
  • Fanehoam-pitiavana ny avotra
  • Fanomezana avy Amin’Andriamanitra ny Vidim-panavotana
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • Ny Vidim-panavotana no Fanomezana Tsara Indrindra
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Nanome “Vidim-panavotana ho Takalon’ny Olona Maro” i Jehovah
    Manatòna An’i Jehovah
  • Ny fahafatesan’i Jesosy — Midika inona ho anao izany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
w99 15/2 p. 13-18

Ny Avotr’i Kristy — Fomba Itondran’Andriamanitra Famonjena

“Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” — JAONA 3:16.

1, 2. Lazalazao ny tarehin-javatra sarotra nahazo ny taranak’olombelona.

ANDEHA hatao hoe mijaly noho ny aretina iray ianao. Azo antoka fa haningotra ny ainao izy io raha tsy didiana ianao. Hanao ahoana ny fihetseham-ponao raha tena tsy takatry ny volanao mihitsy ny saran’ilay fandidiana? Ahoana raha tsy ampy handoavana azy io na dia ny fitambaran’ny fari-pananan’ireo havana aman-tsakaizanao aza? Hahakivy tokoa ny fiatrehana olana saro-bahana toy izany, izay mety haningotra ny aina!

2 Io ohatra io dia manazava tsara izay nitranga teo amin’ny taranak’olombelona. Noforonina lavorary i Adama sy i Eva, ray aman-drenintsika voalohany. (Deoteronomia 32:4). Nisokatra teo anoloan’izy mivady ny fahafahana hiaina mandrakizay sy ny fahafahana hanatanteraka ilay fikasan’Andriamanitra hoe: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy”. (Genesisy 1:28). Nikomy tamin’ny Mpamorona azy anefa i Adama sy i Eva. (Genesisy 3:1-6). Tsy vitan’ny hoe nitondra ota teo amin’izy mivady ny tsy fankatoavany, fa nitondra ota teo amin’ny taranany mbola tsy teraka koa. Nilaza toy izao, tatỳ aoriana, i Joba, lehilahy nahatoky: “Aiza no misy madio ateraky ny tsy madio? Tsy misy na dia iray akory aza.” — Joba 14:4.

3. Ahoana no nielezan’ny fahafatesana tamin’ny olona rehetra?

3 Ny ota àry dia toy ny aretina iray mahazo ny tsirairay amintsika, satria ambaran’ny Baiboly fa “samy efa nanota izy rehetra”. Mety haningotra ny aina ny vokatr’izany toe-piainana izany. Eny tokoa, “fahafatesana no tambin’ny ota”. (Romana 3:23; 6:23, izahay no manao sora-mandry.) Tsy misy afa-miala amin’izany isika. Manota avokoa ny olon-drehetra, ka noho izany, dia maty avokoa ny olon-drehetra. Nateraka ho amin’izany tarehin-javatra sarotra izany isika, amin’ny maha taranak’i Adama antsika. (Salamo 51:5). ‘Avy tamin’ny olona iray’, hoy i Paoly, ‘no nidiran’ny ota ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.’ (Romana 5:12). Tsy midika anefa izany fa tsy manana fanantenana ny ho voavonjy isika.

Fanafoanana ny ota sy ny fahafatesana

4. Nahoana no tsy afaka manafoana ny aretina sy ny fahafatesana, raha ny olombelona samirery?

4 Inona no hilaina mba hanafoanana ny ota sy ny vokany, dia ny fahafatesana? Mazava fa zavatra mihoatra noho izay azon’ny olombelona omena. Naneho ny alahelony toy izao ny mpanao salamo: “Lafo loatra ny saran’ny ain’olombelona. Izay azony aloa dia tsy ho ampy mihitsy hihodivirany ny fasana, sy hamela azy hiaina mandrakizay.” (Salamo 49:8, 9, Today’s English Version). Marina aloha fa mety ho afaka hanalava ny fiainantsika mandritra ny taona vitsivitsy isika noho ny sakafo mahasalama sy ny fitsaboana. Na izany aza dia tsy misy amintsika afaka manasitrana ny maha mpanota antsika, izay toetra nolovantsika. Tsy misy amintsika afaka mikosoka ny fahosana vokatry ny fandrosoan’ny taona, ka mamerina ny vatantsika ho amin’ny fahalavorariana, araka ny nikasan’Andriamanitra azy tany am-boalohany. Azo antoka fa tsy nanitatra i Paoly rehefa nanoratra fa noho ny fahotan’i Adama no nahatonga ny zavaboary olombelona ho “nampanekena ho zava-poana”, na hoe “natao tsy ho afaka hahatratra izay nikendrena azy”, araka ny andikan’ny The Jerusalem Bible azy io. (Romana 8:20). Soa ihany anefa fa tsy nahafoy antsika ny Mpamorona. Nanao fandaharana izy mba hanesorana ny ota sy ny fahafatesana indray mandeha tsy miverina. Tamin’ny fomba ahoana?

5. Tamin’ny ahoana ny Lalàna nomena ny Isiraely no nahitana taratra fa nanehoana fiheverana fatratra ny rariny?

5 “Tia fahamarinana sy rariny” i Jehovah. (Salamo 33:5). Hita taratra amin’ny Fehezan-dalàna nomeny ny Isiraely fa nanehoana fiheverana fatratra ny fahaiza-mampifandanja zavatra sy ny rariny tsy misy fiangarana. Ao anatin’io fehezan-dalàna io, ohatra, no amakiantsika fa ‘aina no tokony ho solon’ny aina’. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe: raha misy Isiraelita namono olona, dia tsy maintsy esorina aminy ny ainy ho solon’ilay aina nalatsany. (Eksodosy 21:23; Nomery 35:21). Hifandanja amin’izay ny mizanan’ny rariny araka an’Andriamanitra. — Ampitahao amin’ny Eksodosy 21:30.

6. a) Amin’ny heviny ahoana i Adama no azo antsoina hoe mpamono olona? b) Karazam-piainana nanao ahoana no nafoin’i Adama, ary karazana sorona nanao ahoana no nilaina mba hampifandanjana ny mizanan’ny rariny?

6 Nanjary mpamono olona i Adama rehefa nanota. Amin’ny heviny ahoana? Noho izy namindra ota tamin’ny taranany rehetra, ka namindra fahafatesana tamin’izy ireo koa araka izany. Tsy nankato i Adama, hany ka amin’izao isika miteny izao dia mihasimba ny vatantsika, ka miroso hatrany ho any am-pasana. (Salamo 90:10). Misy fiantraikany mbola lehibe lavitra ny fahotan’i Adama. Tadidio fa tsy fiainana mahazatra maharitra 70 na 80 taona eo ho eo no nafoin’i Adama tsy ho an’ny tenany sy ny taranany. Namoy fiainana lavorary izy, eny, fiainana mandrakizay, raha ny marina. Koa raha ‘aina [àry] no tokony ho solon’ny aina’, dia karazana aina manao ahoana no tsy maintsy homena mba hanajana ny rariny amin’io raharaha io? Mazava loatra fa tsy maintsy ho ain’olombelona lavorary, izany hoe, aina sahala amin’ny an’i Adama, izay mety ho afaka hiteraka taranak’olombelona lavorary. Raha ain’olombelona lavorary no atao sorona, dia tsy vitan’ny hoe hampifandanja ny mizanan’ny rariny izany, fa hanjary ho azo atao koa, noho izany, ny hanafoana tanteraka ny ota sy ny vokany, dia ny fahafatesana.

Fandoavana ny vidin’ny ota

7. Lazalazao ny hevitry ny teny hoe ‘avotra’.

7 ‘Avotra’ no ilazan’ny Baiboly ilay vidiny takina mba hanavotana antsika amin’ny ota. (Salamo 49:7). Azo anondroana ny vola takin’ny mpaka olona an-keriny ho takalon’ilay olona nalainy, io teny io. Mazava ho azy fa tsy misy ifandraisana amin’ny fakana olona an-keriny ilay avotra nomen’i Jehovah. Itovizan’izy ireo anefa ilay hevitra hoe misy zavatra aloa. Raha ny marina, ny matoanteny amin’ilay teny hebreo nadika hoe ‘avotra’ dia midika ara-bakiteny hoe “manarona”. Mba hanonerana ny ota, ny avotra dia tsy maintsy mifanentana tsara amin’ilay tokony hosaronana, dia ny ain’olombelona lavorary nananan’i Adama.

8. a) Lazalazao ny amin’ilay foto-pitsipika momba ny fanavotana. b) Amin’ny ahoana ny foto-pitsipika momba ny fanavotana no misy ifandraisany amintsika mpanota?

8 Izany dia mifanaraka amin’ny foto-pitsipika iray hita ao amin’ny Lalàn’i Mosesy, dia ilay foto-pitsipika ny amin’ny fanavotana. Raha tafalatsaka tao anatin’ny fahantrana ny Isiraelita iray ka nivarotra ny tenany ho andevo tamin’ny tsy Isiraelita, dia afaka nanavotra azy ny iray tamin’ny havany rehefa nandoa vola izay noheverina fa nitovy vidy tamin’ilay andevo. (Levitikosy 25:47-49). Milaza ny Baiboly fa ‘mpanompon’ny ota’ isika amin’ny maha olombelona tsy lavorary antsika. (Romana 6:6; 7:14, 25). Inona no hilaina mba hanavotana antsika? Araka ny efa hitantsika, ny namoizana ain’olombelona lavorary iray dia mitaky ny handoavana ain’olombelona lavorary iray, tsy mihoatra, tsy latsaka.

9. Ahoana no nanaovan’i Jehovah fandaharana mba hanaronana ny fahotana?

9 Mazava ho azy fa teraka tsy lavorary isika olombelona. Tsy misy amintsika mitovy amin’i Adama; tsy misy afaka mandoa ny vidin’ny avotra takin’ny rariny isika. Araka ny voalaza tetsy am-piandohana, dia toy ny hoe azon’aretina iray mety haningotra ny aintsika isika, nefa tsy takatry ny volantsika ny saran’ilay fandidiana afaka manasitrana antsika. Tsy ho velom-pankasitrahana ve isika, amin’ny toe-javatra toy izany, raha misy olona miditra an-tsehatra hanampy antsika ka mandoa ny sarany? Izany indrindra no nataon’i Jehovah! Nanao fandaharana izy mba hanavotana antsika amin’ny ota, indray mandeha sady ho mandrakizay. Eny, vonona ny hanome antsika izay tsy ho voaloantsika samirery na oviana na oviana, izy. Amin’ny fomba ahoana? “Fiainana mandrakizay”, hoy i Paoly, “no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.” (Romana 6:23). Nolazalazain’i Jaona ho “ny Zanak’ondrin’Andriamanitra Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao” i Jesosy. (Jaona 1:29). Andeha hojerentsika ny fomba nampiasan’i Jehovah ny Zanany malalany mba handoavana ny vidin’ny avotra.

“Avotra mifanandrify”

10. Tamin’ny ahoana ireo faminaniana momba ny “taranaka” no nanjary nifantoka tamin’i Josefa sy i Maria?

10 Tsy nisy hataka andro fa taorian’ilay fikomiana tany Edena, dia nambaran’i Jehovah ny fikasany hanome ‘taranaka’ izay hanavotra ny olombelona amin’ny fahotana. (Genesisy 3:15). Nampahafantarin’i Jehovah tamin’ny alalan’ny fitohitohizana fanambarana avy taminy, ilay fianakaviana hipoiran’io taranaka io. Tamin’ny farany, dia i Josefa sy i Maria, mpifamofo nonina tany Palestina, no nifantohan’ireny fanambarana ireny. Nilazana tamin’ny nofy i Josefa fa bevohoka tamin’ny fanahy masina i Maria. Hoy ilay anjely: “Hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany”. — Matio 1:20, 21.

11. a) Ahoana no nataon’i Jehovah mba hahatonga ny Zanany ho teraka olombelona lavorary? b) Nahoana i Jesosy no afaka nanome “avotra mifanandrify”?

11 Tsy fitondrana vohoka mahazatra velively akory izany, satria efa nisy tany an-danitra talohan’ny naha olombelona azy i Jesosy. (Ohabolana 8:22-31; Kolosiana 1:15). Ny ainy no nafindran’ny hery mahagagan’i Jehovah ho ao an-kibon’i Maria, ka nanjary azo natao ny niteraka an’io Zanaka malalan’Andriamanitra io ho olombelona. (Jaona 1:1-3, 14; Filipiana 2:6, 7). Nitantana ny raharaha i Jehovah mba tsy hahatonga an’i Jesosy ho voaloton’ny otan’i Adama. Koa teraka lavorary àry i Jesosy. Araka izany, dia nanana ilay nafoin’i Adama izy, dia ilay fiainan’olombelona lavorary. Ela ny ela ka nisy ihany ny olona afaka nandoa ny vidin’ny ota! Ary izany indrindra no nataon’i Jesosy tamin’ny 14 Nisana 33 am.f.i. Namela ny tenany hovonoin’ireo mpanohitra azy izy tamin’io andro nanan-tantara io, ka tamin’izany fomba izany no nanomezany “avotra mifanandrify”. — 1 Timoty 2:6, NW.

Ny vidin’ny ain’olombelona lavorary

12. a) Lazalazao ny fahasamihafana lehibe misy eo amin’ny fahafatesan’i Jesosy sy ny fahafatesan’i Adama. b) Ahoana no nahatonga an’i Jesosy ho “Rain’ny mandrakizay”, ho an’ny olombelona mankato?

12 Misy fahasamihafana eo amin’ny fahafatesan’i Jesosy sy ny fahafatesan’i Adama. Manasongadina ny vidin’ny avotra izany fahasamihafana izany. Mendrika ny ho faty i Adama, satria ninia tsy nankato ny Mpamorona azy izy. (Genesisy 2:16, 17). Mifanohitra amin’izany fa tena tsy mendrika ny ho faty velively i Jesosy, satria “tsy nanota akory” izy. (1 Petera 2:22). Koa rehefa maty àry i Jesosy, dia nanan-javatra sarobidy be izay tsy mba nananan’i Adama mpanota tamin’ny fotoana nahafatesany, izy. Tsy inona akory izany fa ny zo hanana fiainan’olombelona lavorary. Mitovy vidy amin’ny sorona àry izany ny fahafatesan’i Jesosy. Rehefa niakatra tany an-danitra tamin’ny naha zavaboary ara-panahy izy, dia natolony an’i Jehovah ny vidin’ny sorona nataony. (Hebreo 9:24). Tamin’ny fanaovana izany, dia nividy ny taranak’olombelona mpanota i Jesosy ka nanjary Rain’izy ireo vaovao, ho solon’i Adama. (1 Korintiana 15:45). Misy antony marim-pototra àry ny iantsoana an’i Jesosy hoe “Rain’ny mandrakizay”. (Isaia 9:5). Eritrereto ange ny hevitr’izany e! I Adama, ray mpanota, dia nampiely fahafatesana teo amin’ny taranany rehetra. I Jesosy, Ray lavorary, kosa dia mampiasa ny vidin’ny sorona nataony mba hanomezana fiainana mandrakizay ho an’ny olombelona mankato.

13. a) Hazavao amin’ny ohatra ny fomba nanafoanan’i Jesosy ny trosan’i Adama. b) Nahoana ny soron’i Jesosy no tsy manarona ny fahotan’ireo ray aman-drenintsika voalohany?

13 Amin’ny ahoana anefa no afaka manarona ny fahotan’ny maro ny fahafatesan’olona iray monja? (Matio 20:28). Taona maromaro lasa izay, dia nanazava ny amin’ny avotra izahay tao amin’ny lahatsoratra iray, ka nampiasa izao ohatra izao: “Alao sary an-tsaina ny ozinina lehibe iray misy mpiasa an-jatony maro. Nahabankirompitra ilay orinasa ny tale tsy marina iray; nakatona ilay ozinina. Tsy manana asa sady tsy afaka mandoa ny trosany izao ny olona an-jatony maro. Mijaly avokoa ny vady aman-janak’izy ireo, ary na dia ireo tompon-trosa aza, noho ny tsy fahamarinan’io lehilahy iray io! Tamin’izay dia tonga ny mpanao soa manankarena iray izay nandoa ny trosan’ilay orinasa ary nanokatra indray ilay ozinina. Ny fanafoanana an’io trosa tokana io indray kosa dia nitondra fanamaivanana feno ho an’ny mpiasa maro sy ny fianakaviany ary ireo tompon-trosa. Manana anjara amin’ilay fitomboan-karena vaovao ve anefa ilay tale tany am-boalohany? Tsia, any an-tranomaizina izy ka namoy tanteraka ny asany! Mitovy amin’izany koa fa ny fanafoanana ny trosa iray nataon’i Adama, dia mitondra soa ho an’ny olona an-tapitrisany maro amin’ny taranany — fa tsy ho an’i Adama.”

14, 15. Nahoana i Adama sy i Eva no azo antsoina hoe mpanota an-tsitrapo, ary amin’ny ahoana ny toerantsika no samy hafa amin’ny azy ireo?

14 Rariny izany. Tadidio fa mpanota an-tsitrapo i Adama sy i Eva. Nifidy ny tsy hankato an’Andriamanitra izy ireo. Mifanohitra amin’izany kosa fa teraka tao anatin’ny ota isika. Tsy manan-tsafidy isika. Na miezaka mafy toy inona aza isika, dia tsy afaka manalavitra tanteraka ny fanotana. (1 Jaona 1:8). Indraindray isika dia mety hitovy fihetseham-po amin’i Paoly, izay nanoratra hoe: “Raha ta-hanao ny marina aho, dia ato amiko ihany ny ratsy. Fa mankasitraka ny lalàn’Andriamanitra aho araka ny toetra anaty; nefa mahita lalàna hafa amin’ny momba ny tenako aho, miady amin’ny lalàn’ny saiko ka mamabo ahy ho an’ny lalàn’ny ota izay ao amin’ny momba ny tenako. Indrisy! olo-mahantra aho!” — Romana 7:21-24.

15 Na izany aza anefa, dia manana fanantenana isika noho ny avotra! I Jesosy no ilay taranaka izay amin’ny alalany no “hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany”, araka ny nampanantenain’Andriamanitra. (Genesisy 22:18; Romana 8:20). Manokatra ny varavarana ho amin-javatra maro mahatalanjona ny soron’i Jesosy, ho an’ireo izay maneho finoana azy. Andeha hodinihintsika ny sasany amin’izany.

Fandraisan-tsoa avy amin’ny avotr’i Kristy

16. Na dia mpanota aza isika, inona avy ireo soa azontsika dieny izao noho ny avotr’i Jesosy?

16 Miaiky i Jakoba mpanoratra ao amin’ny Baiboly fa “tafintohina amin’ny zavatra maro” isika. (Jakoba 3:2). Noho ny avotr’i Kristy anefa, dia azo avela ny fahadisoantsika. Hoy ny nosoratan’i Jaona: “Raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina; ary Izy no avotra noho ny fahotantsika”. (1 Jaona 2:1, 2). Mazava ho azy fa tsy tokony hihevitra isika hoe tsy mampaninona ny manota. (Joda 4; ampitahao amin’ny 1 Korintiana 9:27.) Raha manao fahadisoana anefa isika, dia afaka mandoatra ny ao am-pontsika amin’i Jehovah, amin’ny fatokiana fa “vonona hamela heloka” izy. (Salamo 86:5, NW; 130:3, 4; Isaia 1:18; 55:7; Asan’ny Apostoly 3:19). Araka izany, dia mahatonga antsika ho afaka hanompo an’Andriamanitra amim-pieritreretana madio ny avotra. Noho izy io, dia manjary azontsika atao ny manatona an’Andriamanitra amin’ny vavaka, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy. — Jaona 14:13, 14; Hebreo 9:14.

17. Fitahiana ho avy inona avy no mety ho azo noho ny avotra?

17 Ny avotr’i Kristy dia manokatra ny lalana hahatanteraka ilay fikasan’Andriamanitra hoe: hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany ny olombelona mankato. (Salamo 37:29). Hoy ny nosoratan’i Paoly: “Na firy na firy ny teny fikasan’Andriamanitra, dia ao aminy [Jesosy] ny ‘eny’ ”. (2 Korintiana 1:20). Marina aloha fa ‘nanjaka’ ny fahafatesana. (Romana 5:17). Ny avotra no manome an’Andriamanitra antony hanafoanana an’io “fahavalo farany” io. (1 Korintiana 15:26; Apokalypsy 21:4). Afaka mitondra soa ny avotr’i Jesosy, eny fa na dia ho an’ireo izay efa maty aza. “Avy ny andro”, hoy i Jesosy, “izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feon[’i Jesosy]; dia hivoaka izy”. — Jaona 5:28, 29; 1 Korintiana 15:20-22.

18. Inona no vokany mampalahelo nentin’ny ota teo amin’ny olombelona, ary ahoana no hikosohana izany ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra?

18 Eritrereto ange izay fahafinaretana ho tsapa amin’izany hoe miaina araka ny nikasana azy izany e! Ho afaka amin’ireo tebiteby mitambesatra amintsika ankehitriny isika amin’izay. Ny ota dia tsy vitan’ny hoe nanimba ny fifandraisantsika tamin’Andriamanitra fa nanimba koa ny saintsika sy ny fontsika ary ny vatantsika. Mampanantena anefa ny Baiboly fa ao amin’ilay tontolo vaovaon’Andriamanitra, dia “tsy hisy (...) hilaza hoe: Marary aho”. Eny, tsy hamely ny taranak’olombelona intsony ny aretina ara-batana sy ara-pihetseham-po. Nahoana? Mamaly toy izao i Isaia: “Ny olona izay mitoetra ao dia voavela heloka.” — Isaia 33:24.

Fanehoam-pitiavana ny avotra

19. Inona no tokony hasetrintsika isam-batan’olona ny avotr’i Kristy?

19 Ny fitiavana no nanosika an’i Jehovah haniraka ny Zanany malalany. (Romana 5:8; 1 Jaona 4:9). Fitiavana koa no nanosika an’i Jesosy “hanandrana fahafatesana hamonjy ny olona rehetra”. (Hebreo 2:9; Jaona 15:13). Antony marim-pototra no nahatonga an’i Paoly hanoratra hoe: “Ny fitiavan’i Kristy no manery anay, (...) ary maty hamonjy ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy.” (2 Korintiana 5:14, 15). Raha mankasitraka izay nataon’i Jesosy ho antsika isika, dia hanao zavatra ho setrin’izany. Rehefa dinihina tokoa, dia mahatonga antsika ho azo avotana tsy ho tratran’ny fahafatesana ny avotra! Azo antoka fa tsy hirintsika ny hilaza an-kolaka amin’ny alalan’ny zavatra ataontsika fa heverintsika ho zavatra tsy dia manao ahoana ny soron’i Jesosy. — Hebreo 10:29.

20. Amin’ny fomba ahoana avy no itandremantsika ny ‘tenin’i Jesosy’?

20 Ahoana no ahafahantsika mampiseho fankasitrahana amim-pahatsorana ny avotra? Fotoana fohy talohan’ny nisamborana an’i Jesosy, dia hoy ny nambarany: “Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy”. (Jaona 14:23). Anisan’ny ‘tenin’i Jesosy’ ilay fandidiany antsika mba handray anjara amin-jotom-po amin’ny fanatanterahana ilay asa nanirahany antsika toy izao: “Mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy”. (Matio 28:19). Ny fankatoavana an’i Jesosy koa dia mitaky ny hanehoantsika fitiavana amin’ireo rahalahintsika ara-panahy. — Jaona 13:34, 35.

21. Nahoana isika no tokony hanatrika ny fankalazana ny Fahatsiarovana amin’ny 1 Aprily?

21 Ny iray amin’ireo fomba tsara indrindra azontsika ampisehoana fankasitrahana ny avotra, dia amin’ny fanatrehana ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, izay hatao amin’ny 1 Aprily amin’ity taona ity.a Anisan’ny ‘tenin’i Jesosy’ koa izy io, satria rehefa nanorina an’io fankalazana io izy, dia nandidy ny mpanara-dia azy toy izao: “Izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy.” (Lioka 22:19). Amin’ny fanatrehantsika an’io fisehoan-javatra faran’izay lehibe io, sy amin’ny fitandremantsika fatratra ny zavatra rehetra nandidian’i Kristy, dia hasehontsika fa miaiky mafy isika hoe ny avotr’i Jesosy no fomba itondran’Andriamanitra famonjena. Marina tokoa fa “tsy misy famonjena amin’ny hafa”. — Asan’ny Apostoly 4:12.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Amin’ity taona ity, dia ny 1 Aprily no mifanitsy amin’ny 14 Nisana 33 am.f.i., izay daty nahafatesan’i Jesosy. Anontanio ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny misy anao, ny fotoana sy ny toerana hanaovana ny fankalazana ny Fahatsiarovana.

Tadidinao Ve?

◻ Nahoana ny olombelona no tsy afaka manonitra ny fahotany?

◻ Amin’ny ahoana i Jesosy no “avotra mifanandrify”?

◻ Ahoana no nampiasan’i Jesosy ny zony hanana fiainan’olombelona lavorary mba ho tombontsoantsika?

◻ Fitahiana inona avy no azon’ny olombelona noho ny avotr’i Kristy?

[Sary, pejy 15]

Olombelona lavorary mitovy amin’i Adama ihany no afaka mampifandanja ny mizanan’ny rariny

[Sary, pejy 16]

Koa satria nanan-jo hanana fiainan’olombelona lavorary i Jesosy, dia nitovy vidy tamin’ny sorona ny fahafatesany

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara