Silasy — Loharanom-pampaherezana
TENA zava-dehibe hatrany am-piandohan’ny tantara kristianina, ny asan’ireo mpiandraikitra mpitety faritany mahatoky, na teo amin’ny fampaherezana ny kôngregasiônan’ny vahoakan’Andriamanitra izany, na teo amin’ny fanapariahana ny vaovao tsara hatrany amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany. Anisan’ireo mpiandraikitra voalohany indrindra voatendry i Silasy, izay mpaminany sady mpikambana nitana andraikitra tao amin’ny kôngregasiônan’i Jerosalema. Nanana anjara asa lehibe tamin’ireo fisehoan-javatra lehibe teo amin’ny asa fitoriana izy, ary anisan’ireo misionera izay nitory voalohany ny Filazantsara tany amin’ny faritany eoropeanina. Inona no nahatonga an’i Silasy ho ampy fahaizana manokana hanaovana izany rehetra izany? Ary toetra mampiavaka azy manokana inona avy no tsara hotahafintsika?
Raharaha momba ny famorana
Nipoitra tokony ho tamin’ny 49 am.f.i. ilay raharaha momba ny famorana, izay nety ho nahatonga fisaratsarahana. Tamin’izay ny fitambara-mpitantana tany Jerosalema dia nila nandefa toromarika mazava tany amin’ireo Kristianina, mba handaminana ilay raharaha. Tamin’izany tarehin-javatra izany no nisehoan’i Silasy, izay nantsoina koa hoe Silvain, tao amin’ny tantaran’ny Baiboly. Angamba izy anisan’ireo mpanapa-kevitra izay voafantina ho iraky ny “Apostoly sy ny loholona” avy eo, mba hampita ny fanapahan-kevitr’izy ireo tany amin’ireo ‘rahalahy tany Antiokia sy Syria ary Kilikia’. Tany Antiokia i Silasy sy i Joda (Barsabasy), niaraka tamin’i Barnabasy sy i Paoly, dia nanolotra ilay taratasy nisy hafatra maika nentiny. Niharihary fa notantarain’izy ireo am-bava izay nitranga nandritra ilay fivoriana tany Jerosalema sy ilay fanatsoahan-kevitra noraisina ary izay noraketin’ilay taratasy. “Namporisika ny rahalahy tamin’ny teny maro” koa izy ireo, “ka nampahery azy”. Nisy vokany nahafinaritra izany satria “nifaly” ireo Kristianina tany Antiokia. — Asan’ny Apostoly 15:1-32.
Araka izany, dia nandray anjara lehibe teo amin’ny fandaminana io raharaha lehibe io i Silasy. Tsy mora anefa ilay asa nanendrena azy. Tsy nisy fomba nahafantarana hoe hanao ahoana ny handraisan’ny kôngregasiôna tany Antiokia ilay hevi-tinapaka. Noho izany, “dia nilaina ny olona be fahendrena sy fahaiza-mandanjalanja mba hanazava tsara izay nosoratan’ireo apostoly tao amin’ilay taratasiny”, hoy ny fanamarihan’ny lehilahy iray mpivaofy teny. Ny nifidianana an’i Silasy ho amin’io fanendrena nilana fitandremana io dia milaza zavatra amintsika mahakasika ny karazan-toetra tsy maintsy ho nananany. Azo nianteherana izy mba hampiseho araka ny marina tsara ny torolalan’ny fitambara-mpitantana. Tsy maintsy ho mpiandraikitra hendry koa izy, ka afaka nanan-kery nampihavana rehefa nisy fifandirana nandrahona ny filaminan’ny kôngregasiôna.
Dia lavitra niaraka tamin’i Paoly
Tsy dia fantatra loatra na niverina tany Jerosalema i Silasy taorian’io asa nanirahana io, na tsia. Na ahoana na ahoana, dia nifidy an’i Silasy izay tany Antiokia tamin’izay, i Paoly mba hiaraka taminy ho amin’ny dia lavitra vaovao, taorian’ilay nifandiran’izy sy i Barnabasy momba an’i Jaona Marka. Tamin’ny voalohany, dia nokendrena hitsidihana indray ireo tanàna izay efa nitorian’i Paoly nandritra ny dia misionera voalohany nataony, ilay dia vaovao. — Asan’ny Apostoly 15:36-41.
Naneho fihetsika tsara i Silasy nanoloana ny fanirahana tany amin’ny Jentilisa, sady nanana fahefana izy satria mpaminany sy mpitondra tenin’ny fitambara-mpitantana. Mety ho noho izany rehetra izany no nifidianana azy. Afaka nanampy tokoa mantsy izany fahefana izany teo amin’ny fampitana ireo hevi-tinapaka tamin’ny mpino tany Syria sy Kilikia. Tsara dia tsara ny vokatra azo. Mitantara toy izao ny bokin’ny Asan’ny Apostoly: “Ary raha nandeha nitety ny tanàna tao izy, dia natolony hotandreman’ny olona ireo didy navoaky ny Apostoly sy ny loholona tany Jerosalema. Ary nihanahery finoana ny fiangonana sady nihamaro isan-andro.” — Asan’ny Apostoly 16:4, 5.
Teny am-panohizan’ireo misionera ny diany, dia namily azy ireo indroa mba hiala tamin’ilay lalana nokasainy haleha, ny fanahy masina. (Asan’ny Apostoly 16:6, 7). Teny an-dalana, dia niampy an’i Timoty ilay antokon’olona, tany Lystra, taorian’ny nisian’ny “faminaniana” tsy voafaritra tsara nahakasika azy. (1 Timoty 1:18; 4:14). Voatarika hiantsambo nankany Makedonia, tany Eoropa, ireo mpinamana niray dia ireo noho ny fahitana iray azon’i Paoly izay nahay naminany koa. — Asan’ny Apostoly 16:9, 10.
Nokapohina sy naiditra am-ponja
Nandia fahoriana mafy tsy hay hadinoina i Silasy tany Filipy, ilay ‘tanàna voalohany amin’izany zaran-tany izany’. Rehefa avy noroahin’i Paoly tsy ho ao amin’ny mpanompo vavy iray ny fanahy iray nanambara ny hoavy, dia hitan’ireo tompon’ilay zazavavy fa tapaka hatreo ny fidiram-bolany, ka notaritaritiny teo anatrehan’ny governoran’ilay tanàna i Silasy sy i Paoly. Afa-baraka izy mirahalahy vokatr’izany, satria naseho vahoaka toy ny mpanao ratsy sady norombotana teny an-kodiny ny fitafiany ivelany ka nokapohina tamin’ny hazo teny an-tsena izy ireo. — Asan’ny Apostoly 16:12, 16-22.
Tsy vitan’ny hoe famaizana nampahatahotra sy nisedra ny fetra farany zakan’olombelona ny fikapohana toy izany, fa tsy araka ny lalàna koa, raha ilay nanjo an’i Paoly sy i Silasy no asian-teny. Nahoana? Voalazan’ny lalàna romanina fa tsy misy olom-pirenena romanina azo nokapohina. Nizaka ny zom-pirenena romanina i Paoly, ary azo inoana fa toy izany koa i Silasy. Rehefa avy ‘nokapohina mafy dia mafy’ i Paoly sy i Silasy, dia naiditra am-ponja, ka nohidiana tao anatin’ny boloky hazo ny tongony. Nohazavain’i Gustav Stählin fa ny boloky hazo dia “fitaovana nahatsiravina nahafahana nanasamaka araka izay itiavana azy ny tongotr’ilay voafonja, mba tsy hahitany tory”. Na izany aza anefa, “dia nivavaka sy nihira fiderana an’Andriamanitra Paoly sy Silasy” tamin’ny misasakalina, nefa tsy isalasalana fa rakotry ny ratra nampanaintaina ny lamosin’izy ireo. — Asan’ny Apostoly 16:23-25.
Misy zavatra hafa lazain’izany amintsika mahakasika ny toetra maha izy an’i Silasy. Falifaly izy satria nijaly noho ny anaran’i Kristy izy ireo. (Matio 5:11, 12; 24:9). Miharihary fa io toe-tsaina io ihany no nahatonga an’i Silasy sy ny namany hahita vokatra rehefa nampahery sy nanatanjaka ny kôngregasiôna nandritra ilay famitana iraka tany Antiokia talohan’izay, ka nahatonga ireo Kristianina namany hifaly. Tsy maintsy ho nitombo ny hafalian’i Paoly sy i Silasy rehefa nafahana avy tao amin’ny fonja tamin’ny fomba nahagaga izy ireo noho ny horohoron-tany iray, ka afaka nanampy ilay mpiambina saika namono tena sy ny ankohonany, mba haneho finoana an’Andriamanitra. — Asan’ny Apostoly 16:26-34.
Samy tsy nisy matin-kenamaso tamin’ilay fikapohana sy fanaovana am-ponja na i Paoly na i Silasy. Koa rehefa nisy teny midina nampanafaka azy ireo avy tao am-ponja, dia tsy nety nandao nangingina tamin-kenatra an’i Filipy araka ny nantenain’ny governora, izy mirahalahy. Tsy nanaiky ho resy izy ireo fa nataony nitsimbadika kosa ny toe-javatra nisy ireo manam-pahefana nizahozaho sy nanampatra fahefana ireo. “Efa nokapohiny tsy voatsara teo amin’ny miharihary izahay, kanefa Romana izahay, ka nataony tao an-trano-maizina, ary ankehitriny moa mamoaka anay mangingina va izy?”, hoy ny fanontanian’i Paoly. “Tsia, fa aoka izy ihany no hankaty hamoaka anay.” Natahotra ny amin’izay ho vokatr’izany ireo governora ka voatery niangavy azy mirahalahy hiala tao amin’ilay tanàna. — Asan’ny Apostoly 16:35-39.
Nanaiky ny fangatahan’ireo governora i Paoly sy i Silasy, rehefa avy nandentika toy izany tao an-tsain’ireo manam-pahefana ny amin’ny zony naha romanina azy. Talohan’izay anefa, dia nanao veloma ireo sakaizany izy mirahalahy. Nampiavaka ilay dia manontolo nanaovana fitoriana hatreo ny fampaherezana. Koa nifanaraka tamin’izany, dia “nampahery” indray ireo rahalahy i Silasy sy ny namany, ary nanainga avy eo. — Asan’ny Apostoly 16:40, NW.
Avy tany Makedonia nankany Babylona
Mety ho azo noheverina ho ratsy ny zavatra niainan’i Paoly sy i Silasy mbamin’ireo namany, nefa tsy kivy tamin’izany izy ireo, fa nanohy nankany amin’ny saha misionera vaovao. Niatrika fahasahiranana indray izy ireo tany Tesalonika. Noho ny fahombiazan’i Paoly teo amin’ny fanompoany nandritra ny vanim-potoana nisy Sabata telo, dia nanetsika vahoaka romotra ireo mpanohitra nialona, ka nanjary fahendrena ny handaozan’ireo misionera ilay tanàna tamin’ny alina. Nanohy ny diany nankany Beria izy ireo. Nony ren’ireo mpanohitra ny zava-bitan’i Paoly sy ireo namany tao amin’io tanàna io, dia tonga avy tany Tesalonika mihitsy ry zareo. Nanohy ny diany irery i Paoly, fa i Silasy sy i Timoty kosa nitoetra tao Beria mba hikarakara ilay antokon’olona liana vao haingana. (Asan’ny Apostoly 17:1-15). Novonjen’i Silasy sy i Timoty tany Korinto i Paoly, ary nitondrany vaovao tsara sy fanomezana iray avy tamin’ireo sakaiza nahatoky tany Makedonia koa angamba. Tsy maintsy ho io fanomezana io no nahafahan’ilay apostoly nahantra nampitsahatra ny asa fivelomana voatery nataony teo anelanelan’izay, ka niverenany indray tamin-kery tao amin’ny fitoriana manontolo andro. (Asan’ny Apostoly 18:1-5; 2 Korintiana 11:9). Tany Korinto i Silasy sy i Timoty dia nantsoina koa hoe mpitory ny Filazantsara sy sakaizan’i Paoly. Koa niharihary àry fa tsy niadam-pandroso koa ny asan’izy ireo tao amin’io tanàna io. — 2 Korintiana 1:19.
Heverina fa nandray anjara tamin’ny fanoratana ireo taratasy ho an’ny Tesalonianina i Silasy sy i Timoty satria ampiasaina ny mpisolo anarana hoe “izahay” manerana ireo taratasy roa izay samy nosoratana tany Korinto, tamin’izay fotoana izay. Miorina indrindra indrindra amin’izay nolazain’i Petera mikasika ny iray tamin’ireo taratasiny no mahatonga hieritreritra fa nanao ny asan’ny mpanoratra i Silasy. Nilaza i Petera fa nanoratra ny taratasiny voalohany “tamin’ny alalan’i Silasy, rahalahy mahatoky”, izy. (1 Petera 5:12, NW ). Na dia mety hidika fotsiny aza izany fa i Silasy no nampitondraina ilay taratasy, ny fahasamihafan’ny fomba fanoratra ao amin’ireo taratasy roa nosoratan’i Petera dia mety hilaza fa nampiasain’i Petera ho mpanoratra ny taratasiny voalohany, fa tsy ilay faharoa, i Silasy. Araka izany, dia anisan’ireo talenta sy tombontsoa teôkratika maro samihafa nananan’i Silasy angamba ny naha mpitan-tsoratra azy.
Ohatra tokony hotahafina
Rehefa manao jery todika ireo zavatra fantatsika fa nataon’i Silasy isika, dia manaitra ny saina ny tantaram-piainany. Ohatra tena tsara ho an’ireo misionera sy mpiandraikitra mpitety faritany amin’izao andro izao izy. Tsy nitsimbin-tena izy fa nanao dia lavitra be, izay nitaky ezaka be taminy, tsy hoe mba hahazoana tombony ara-nofo na ho fitadiavana laza akory, fa mba hanampiana ny hafa. Ny tanjony dia ny hampahery azy ireny tamin’ny torohevitra feno fahendrena sy fahaiza-mandanjalanja, tamin’ny lahateny voaomana tsara sy feno hafanam-po, ary koa tamin’ny zotom-pony teo amin’ny fanompoana teny amin’ny saha. Na inona na inona anjara asanao eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah voalamina, dia ho loharanom-pampaherezana ho an’ireo mpiray finoana aminao koa ianao, raha miezaka mafy toy izany mba hijery lafy tsaran-javatra, na dia manoloana ny fahoriana aza.
[Sarintany, pejy 29]
(Jereo ny gazety)
Dia Misionera Faharoa Nataon’i Paoly
Ny Ranomasina Lehibe
Antiokia
Derbe
Lystra
Ikonioma
Troasy
Filipy
Amfipolia
Tesalonika
Beria
Atena
Korinto
Efesosy
Jerosalema
Kaisaria
[Sary nahazoan-dalana]
Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.