Ilay Andro Farany Niainan’i Jesosy Tamin’ny Naha Olombelona Azy
Nadiva hifarana ny tolakandron’ny zoma 14 Nisana, taona 33 am.f.i., tamin’izay. Handeha handevina namana tsy foy iray ny antokon’olona iray nisy lehilahy sy vehivavy. Nitondra zava-manitra mba hanomanana ilay faty ho amin’ny fandevenana ny iray tamin’ireo lehilahy, dia i Nikodemosy. Nanome hariry madio mba hamonosana ilay faty mangana sy voavely, ny lehilahy iray antsoina hoe Josefa.
IZA ireo olona ireo, ary iza no haleviny? Mahakasika anao ve izany rehetra izany? Mba hamaliana ireo fanontaniana ireo dia handeha isika hiverina hatrany am-piandohan’izany andro manan-tantara izany.
Takarivan’ny alakamisy 14 Nisana
Niposaka moramora teo Jerosalema ny volam-penomanana mazava iray. Nandry feizay ilay tanana feno olona, taorian’ny andro iray feno zavatra natao. Nanentoento zanak’ondry natsatsika ny rivotra tamin’io takariva io. Eny, olona an’arivony maro no niomana ho amin’io fisehoan-javatra manokana io — ny fankalazana isan-taona ny Paska.
Ao amin’ny trano fandraisam-bahiny lehibe iray, eo amin’ny latabatra voaomana, no ahitantsika an’i Jesosy Kristy sy ny apostoliny 12. Henoy ange e! Miteny i Jesosy. “Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho”, hoy izy. (Lioka 22:15). Fantatr’i Jesosy fa nifofo ny hahafaty azy ny fahavalony ara-pivavahana. Alohan’ny hitrangan’izany anefa, dia hisy zavatra tena lehibe hitranga amin’io takariva io.
Nanambara toy izao i Jesosy taorian’ny nankalazana ny Paska: “Ny anankiray aminareo hamadika Ahy.” (Matio 26:21). Nampahory ireo apostoly izany. Mety ho iza izany? Taorian’ny resadresaka iray, dia nilaza tamin’i Jodasy Iskariota toy izao i Jesosy: “Izay ataonao dia ataovy faingana.” (Jaona 13:27). Na dia tsy nahatakatra izany aza ny hafa, dia mpamadika i Jodasy. Lasa izy mba hanatanteraka anjara asany naharikoriko tao amin’ilay teti-dratsy hamelezana an’i Jesosy.
Fankalazana manokana
Nanorina fankalazana vaovao tanteraka izao i Jesosy, dia fankalazana ho fahatsiarovana ny nahafatesany. Nandray mofo iray i Jesosy, nanao vavaka ho fisaorana ary nizara azy io. “Raiso, hano”, hoy ny toromarika nomeny. “Ity no tenako izay omena ho anareo”. Rehefa nihinana tamin’ilay mofo ny tsirairay tamin’izy ireo, dia nandray kapoaka nisy divay mena izy ary nanao teny fisaorana momba azy io. “Sotroinareo rehetra ity”, hoy i Jesosy tamin’izy ireo, sady nohazavainy hoe: “Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny rako, izay aidina ho anareo.” Toy izao no toromarika nomeny an’ireo apostoly 11 sisa nahatoky: “[Aza mitsahatra manao izao, NW ] ho fahatsiarovana Ahy.” — Matio 26:26-28; Lioka 22:19, 20; 1 Korintiana 11:24, 25.
Tamin’io takariva io i Jesosy dia nampiomana tamin-katsaram-panahy ireo apostoliny tsy nivadika ho amin’izay niandry azy, ary nanamafy ny fitiavany lalina azy ireo. “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao”, hoy ny nohazavainy, “dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany. Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo.” (Jaona 15:13-15). Eny, noporofoin’ireo apostoly 11 fa tena sakaiza izy ireo tamin’ny fifikirany tamin’i Jesosy nandritra ny fitsapana nahazo azy.
Efa alina be, angamba taorian’ny misasakalina no nanaovan’i Jesosy vavaka tsy hay hadinoana iray, taorian’izany dia nihira fiderana ho an’i Jehovah izy ireo. Avy eo izy ireo dia nandao ilay tanàna ary namakivaky ny Lohasaha Kidrona, tamin’ny fahazavan’ny fenomanana. — Jaona 17:1–18:1.
Tao amin’ny zaridainan’i Getsemane
Fotoana fohy taorian’izany, dia tonga tao amin’ny zaridainan’i Getsemane i Jesosy sy ireo apostoly. Namela ny valo tamin’ireo apostoly teo amin’ny fidiran’ilay zaridaina izy, ary nitondra an’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona lavidavitra kokoa, teny amin’ireo hazo oliva. “Fadiranovana loatra ny fanahiko toy ny efa ho faty”, hoy izy tamin’izy telo lahy. “Mitoera eto, ka miareta tory.” — Marka 14:33, 34.
Niandry ireo apostoly telo lahy, raha mbola niditra lalindalina tany amin’ilay zaridaina i Jesosy mba hivavaka. Nitalaho tamin’ny fitarainana mafy sy ranomaso be izy nanao hoe: “Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity”. Andraikitra goavana no teo an-tsorok’i Jesosy. Tena nampahory azy mihitsy ny nieritreritra ny amin’izay holazain’ireo fahavalon’i Jehovah, rehefa hohomboana toy ny mpanao heloka bevava ny Zanany lahy tokana! Vao mainka nahafadiranovana an’i Jesosy ny fieritreretana ny fahafaham-baraka hihatra amin’ilay Ray malalany any an-danitra, raha tsy nahomby tamin’io fitsapana faran’izay nampanaintaina io izy. Nivavaka tamin-kafanam-po aoka izany i Jesosy, ary tao anatin’ny fangirifiriana mafy aoka izany, hany ka nipotrapotraka tamin’ny tany tahaka ny ra ny hatsembohany. — Lioka 22:42, 44.
Vao avy nivavaka fanintelony i Jesosy. Tamin’izay no nanatona ireo olona nitondra fanilo sy fanala. Tsy iza ilay nitari-dalana fa i Jodasy Iskariota, izay nanatona avy hatrany an’i Jesosy. “Finaritra, Raby!”, hoy izy nanoroka azy tamim-panehoam-pitiavana. “Ry Jodasy”, hoy ny navalin’i Jesosy, “fanorohana va no amadihanao ny Zanak’olona?” — Matio 26:49; Lioka 22:47, 48; Jaona 18:3.
Nahatakatra tampoka izay nitranga ireo apostoly. Nadiva hosamborina ny Tompony sady namana tsy foiny! Koa nandray sabatra àry i Petera ka nikapa ny sofin’ny mpanompon’ny mpisoronabe. “Aoka ihany na dia izao aza”, hoy i Jesosy niantsoantso haingana. Naninjitra ny tanany izy, ka nanasitrana ilay mpanompo ary nandidy an’i Petera toy izao: “Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao; fa izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin’ny sabatra.” (Lioka 22:50, 51, Matio 26:52). Nisambotra an’i Jesosy ireo komandy sy ireo miaramila ka namatotra azy. Resin’ny tahotra sy very hevitra ireo apostoly ka nandao an’i Jesosy sy nandositra tany anatin’ny haizina. — Matio 26:56; Jaona 18:12.
Zoma maraina 14 Nisana
Efa dila lavitra ny misasakalina tamin’izay, izany hoe ny zoma efa madiva haraina. Nentina tany amin’ny tranon’i Anasy Mpisoronabe teo aloha izay mbola nanan-kery sy fahefana lehibe, aloha i Jesosy. Nametraka fanontaniana taminy i Anasy, ary avy eo dia nasainy nentina tany an-tranon’i Kaiafa Mpisoronabe, izy. Efa vory tany ny Synedriona.
Tamin’izay dia niezaka nitady vavolombelona mba hamorona antony hiampangana an’i Jesosy ireo mpitarika ara-pivavahana. Kanefa, na dia ireo vavolombelona nandainga aza dia tsy nifanaraka teo amin’ny filazana nataony. Nangina hatrany i Jesosy, nandritra izany fotoana rehetra izany. Nanova paikady i Kaiafa ary nanontany hoe: “Ampianianiko amin’Andriamanitra velona Hianao hilaza aminay, raha Hianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra.” Zava-misy tsy azo nolavina izany, ka noho izany dia namaly tamin-kerim-po toy izao i Jesosy: “Izaho no Izy; ary ho hitanareo ny Zanak’olona mipetraka eo ankavanan’ny Hery sady avy eo amin’ny rahon’ny lanitra.” — Matio 26:63; Marka 14:60-62.
“Efa niteny ratsy Izy”, hoy ny antsoantson’i Kaiafa. “Ahoana no mbola ilantsika vavolombelona indray?” Tamin’izay dia namely tahamaina ny tavan’i Jesosy sy nandrora azy, ny sasany. Nanisy totohondry azy sady nanohy nitondra azy tamin’ny fomba ratsy, ny hafa. (Matio 26:65-68; Marka 14:63-65). Tsy ela taorian’ny nangiran-dratsin’ny zoma, dia nivory indray ny Synedriona, azo inoana fa mba hanomezana endriny ara-dalàna an’ilay fitsarana tsy ara-dalàna nataony iny alina iny. Nilaza tamin-kerim-po indray i Jesosy, fa izy no Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra. — Lioka 22:66-71.
Avy eo, dia nitondra an’i Jesosy mba hotsarain’i Pontio Pilato, governora romana tany Jodia, ny lohan’ny mpisorona sy ny loholona. Niampanga an’i Jesosy ho nampiodina ny firenena sy nandrara tsy handoa hetra ho an’i Kaisara ary “nilaza ny tenany ho Kristy Mpanjaka”, izy ireo. (Lioka 23:2; ampitahao amin’ny Marka 12:17.) Rehefa avy nanontany an’i Jesosy i Pilato, dia nilaza toy izao: “Tsy hitako izay helok’ity Lehilahy ity.” (Lioka 23:4). Rehefa ren’i Pilato fa Galilianina i Jesosy, dia nandefa azy tany amin’i Heroda Antipasy, mpanapaka an’i Galilia, izay tao Jerosalema noho ny Paska, izy. Tsy naniry hahita ny hanaovana ny rariny i Heroda. Niriny fotsiny ny hahita an’i Jesosy hanao fahagagana. Koa satria tsy nanome fahafaham-po ny fahalianany i Jesosy sady nangina hatrany, dia nanao azy ho fihomehezana sy namerina azy tany amin’i Pilato, i Heroda sy ny miaramilany.
“Inona ary no ratsy nataony?”, hoy i Pilato nanontany indray. “Tsy hitako izay helony tokony hahafaty Azy; koa hofaizako Izy, dia halefako.” (Lioka 23:22). Koa nasainy nokaravasina tamin’ny karavasy nisy anjan-koditra maro izay nandrovitra sy nampanaintaina ny lamosiny, i Jesosy. Avy eo, ireo miaramila dia nanindry ny satroka tsilo hitsofoka tamin’ny lohany. Nanaraby azy izy ireo, ary nikapoka azy tamin’ny volotara mafy, ka nandentika lalindalina kokoa ny tsilo tamin’ilay satroka ho ao anaty hodi-dohany. Nihazona fahamendrehana sy tanjaka niavaka i Jesosy, nandritra ireo fanaintainana sy fitondrana ratsy tsy hay lazaina rehetra.
Angamba noho ny fanantenana fa hampangoraka ny fahitana ny toe-tenan’i Jesosy voavely, dia nitondra azy indray teo amin’ny vahoaka i Pilato. “Indro”, hoy i Pilato, “izaho mitondra Azy mivoaka ho eto aminareo, mba ho fantatrareo fa tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza.” Niantsoantso toy izao anefa ireo lohan’ny mpisorona: “Homboy amin’ny hazo fijaliana Izy! homboy amin’ny hazo fijaliana Izy!” (Jaona 19:4-6). Rehefa nisisika hatrany anefa ny vahoaka dia nanaiky ihany i Pilato, ka nanolotra an’i Jesosy mba hohomboana.
Maty nijaly
Izao dia efa nisasaka ny maraina, angamba efa nanakaiky ny mitataovovonana. Nentina tany ivelan’i Jerosalema ho eo amin’ny toerana iray nantsoina hoe Golgota, i Jesosy. Fantsika ngezabe no namantsihana ny tanana sy ny tongotr’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana. Tsy hay lazaina ny fijaliana nahazo azy, rehefa natsangana ilay hazo ka nandrovitra ny ratra teo amin’ny nisy ny fantsika ny lanjan’ny vatany. Nitangorona mba hijery an’i Jesosy sy ireo mpanao heloka bevava roa nohomboana ny vahoaka. Maro no niteny ratsy an’i Jesosy. “Ny sasany novonjeny”, hoy ny lohan’ny mpisorona sy ny hafa nanaraby azy, “fa ny tenany tsy hainy vonjena.” Na dia ireo miaramila sy ireo mpanao heloka bevava roa nohomboana aza dia nanaraby an’i Jesosy. — Matio 27:41-44.
Tampoka teo, tamin’ny mitataovovonana, taoriana kelin’ny nanomboana an’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana, dia nandrakotra ny tany nandritra ny adiny telo ny haizina nahatahotra avy tamin’Andriamanitra.a Angamba izany no nanosika ilay jiolahy iray hiteny mafy ilay hafa. Avy eo, dia nitodika tany amin’i Jesosy izy ka niangavy hoe: “Tsarovy aho, rehefa tonga ao amin’ny fanjakanao ianao.” Tena mahazendana mihitsy izany finoana manoloana ny fahafatesana efa antomotra izany! “Lazaiko aminao marina tokoa anio”, hoy ny navalin’i Jesosy, “hiaraka amiko ao amin’ny Paradisa ianao.” — Lioka 23:39-43, NW.
Tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro teo ho eo, dia tsapan’i Jesosy fa efa akaiky ny hahafatesany. “Mangetaheta aho”, hoy izy. Avy eo, dia niantso tamin’ny feo mahery toy izao izy: “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?” Afaka nahatsapa i Jesosy fa toy ny hoe nanaisotra ny fiarovany taminy ny Rainy, mba hamelana ny tsy fivadihany hotsapaina hatramin’ny fetrany farany, ary nanonona ny tenin’i Davida izy. Nisy olona iray nametraka spaonjy vonton’ny vinaingitra teo amin’ny molotr’i Jesosy. Rehefa avy nahazo tamin’ilay vinaingitra i Jesosy dia sempotsempotra niteny hoe: “Vita”. Avy eo izy dia niantso mafy hoe: “Raiko ô, eo an-tànanao no atolotro ny fanahiko”, nanondrika ny lohany izy, ary afaka ny ainy. — Jaona 19:28-30; Matio 27:46; Lioka 23:46; Salamo 22:1.
Koa satria efa hariva ny andro, dia nisy fandaharana maimaika natao mba handevenana an’i Jesosy alohan’ny Sabata (15 Nisana) izay manomboka amin’ny filentehan’ny masoandro. Nahazo lalana handevina azy i Josefa avy tany Arimatia, mpikambana be mpahalala tao amin’ny Synedriona izay mpianatr’i Jesosy iray niafina. Nanampy tamin’ny fitondrana miora sy hazo manitra zato livatra, i Nikodemosy izay mpikambana tao amin’ny Synedriona koa. Izy ilay nampahafantatra tamin’ny fomba niafina ny finoany an’i Jesosy. Napetrak’izy ireo tamim-pitandremana tao amin’ny fasana vaovao iray teo akaiky teo, ny fatin’i Jesosy.
Velona indray!
Mbola maizimaizina tamin’izay, ny alahady vao maraina be, rehefa nanatona ny fasan’i Jesosy i Maria Magdalena sy ny vehivavy hafa sasany. Jereo anefa! Nisy nanakodiadia ilay vato teo anoloan’ilay fasana. Foana ilay fasana! Nihazakazaka hilaza izany tamin’i Petera sy i Jaona i Maria Magdalena. (Jaona 20:1, 2). Tsy ela taorian’ny niaingany, dia niseho tamin’ireo vehivavy hafa ny anjely iray. Hoy izy: “Aza matahotra hianareo”. Nampirisika toy izao koa izy: “Mandehana faingana, ka lazao amin’ny mpianany fa efa nitsangana tamin’ny maty Izy”. — Matio 28:2-7.
Tsy iza fa ny tenan’i Jesosy mihitsy no nifanena tamin’izy ireo, rehefa nandeha haingana izy ireo! “Mandehana, ka asaovy mankany Galilia ny rahalahiko”, hoy i Jesosy tamin’izy ireo. (Matio 28:8-10). Tatỳ aoriana dia teo am-pitomaniana teo amin’ny fasana i Maria Magdalena, raha niseho taminy i Jesosy. Dibo-kafaliana izy ka nihazakazaka hilaza tamin’ny mpianatra hafa ilay vaovao nahatalanjona. (Jaona 20:11-18). Raha ny marina, dia niseho indimy tamin’ny mpianatra samihafa i Jesosy tafatsangana tamin’io alahady tsy hay hadinoina io, ka tsy namela fisalasalana fa tena velona indray izy!
Mahakasika anao ve izany?
Amin’ny ahoana no mety hahakasika anao ankehitriny izay eo an-tokonan’ny taonjato faha-21, ny fisehoan-javatra tany amin’ny 1 966 taona lasa? Manazava toy izao ny vavolombelona iray nanatri-maso an’ireo fisehoan-javatra ireo: “Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany. Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho [sorom-panavotana, NW ] noho ny fahotantsika.” — 1 Jaona 4:9, 10.
Amin’ny ahoana ny nahafatesan’i Kristy no sorom-panavotana? ‘Fanavotana’ izy io satria noho izy io, dia manjary azo atao ny manana fifandraisana tsara amin’Andriamanitra. Nikomy tamin’Andriamanitra i Adama, ilay lehilahy voalohany, ka noho izany dia namindra tamin’ny taranany ny fahotana sy ny fahafatesana ho lova. I Jesosy kosa, tetsy an-danin’izany, dia nanome ny ainy ho avotra, mba handoavana ny vidin’ny fahotan’olombelona sy ny fahafatesany, ka nanome fototra ho amin’ny fanehoan’Andriamanitra famindram-po sy sitraka. (1 Timoty 2:5, 6). Rehefa maneho finoana ny soron’i Jesosy izay manao fanavotana ianao, dia azo afahana amin’ilay fanamelohana izay nolovanao avy tamin’i Adama mpanota. (Romana 5:12; 6:23). Misokatra noho izany kosa, ilay fahafahana mahatalanjona hanana fifandraisana manokana amin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Rainao be fitiavana any an-danitra. Raha fintinina, dia afaka midika ho fiainana tsy hanam-pahataperana ho anao ny sorona fara tampony nataon’i Jesosy. — Jaona 3:16; 17:3.
Izany sy ny zavatra mifandray aminy dia horesahina amin’ny takarivan’ny alakamisy 1 Aprily, any amin’ireo toerana an’aliny maro maneran-tany, rehefa hivory mba hahatsiaro ny nahafatesan’i Jesosy Kristy ny olona an-tapitrisany maro. Asaina ho tonga ianao. Ho faly hilaza aminao ny toerana sy ny fotoana ahafahanao manatrika izany, ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny faritra misy anao. Ny fanatrehanao dia tsy isalasalana fa hampitombo ny halalin’ny fankasitrahanao izay nataon’ilay Andriamanitsika be fitiavana sy ny Zanany malalany tamin’ilay andro farany niainan’i Jesosy tamin’ny naha olombelona azy.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tsy nety ho noho ny fanakona-masoandro no nahatonga ilay haizina satria maty tamin’ny fotoanan’ny fenomanana i Jesosy. Tsy maharitra afa-tsy minitra vitsivitsy monja ihany ny fanakona-masoandro, ary mitranga izany rehefa eo anelanelan’ny tany sy ny masoandro ny volana, amin’ny tsinam-bolana.
[Tabilao/Sary, pejy 7]
NY NAHAFATESAN’I JESOSY SY NY NITSANGANANY
NISANA 33 AM.F.I. ZAVA-NISEHO LEHILAHY NIAVAKA INDRINDRAb
14 alakamisy hariva Fankalazana ny Paska; 113, feh. 2 ka
nanasa ny tongotry ny hatramin’ny 117,
apostoly i Jesosy; lasa feh. 1
nandeha mba hamadika
an’i Jesosy i Jodasy; nanorina ny
Fahatsiarovana ny fahafatesany i Kristy
(ankalazaina amin’ity taona ity amin’ny
alakamisy 1 Aprily, aorian’ny filentehan’ny
masoandro); fampirisihana mba hanomanana
ireo apostoliny ho amin’ny fiaingany
Misasakalina Taorian’ny vavaka famaranana 117 ka
mandra-padiva sy hira fiderana dia hatramin’ny
hangiran-dratsy nandeha tany amin’ny 120
zaridainan’i Getsemane i Jesosy
sy ireo apostoly; nivavaka tamin’ny
fitarainana mafy sy ny ranomaso be i Jesosy;
tonga niaraka tamin’ny vahoaka maro be i
Jodasy Iskariota ary namadika an’i Jesosy;
nandositra ireo apostoly rehefa nofatorana
i Jesosy ka nentina tany amin’i Anasy;
nentina tany amin’ny Kaiafa Mpisoronabe mba
hiseho teo anoloan’ny Synedriona, i Jesosy;
voaheloka ho faty; notenenin-dratsy sy
nampiharana fitondrana ratsy ara-batana;
nanda an’i Jesosy intelo i Petera
Zoma maraina Vao nangiran-dratsy, niseho 121 ka
indray teo anatrehan’ny hatramin’ny
Synedriona i Jesosy; nentina 124
tany amin’ny Pilato; nalefa tany
amin’i Heroda; niverina indray tany
amin’i Pilato; nokapohina sy
notenenin-dratsy ary nasian-dratsy i
Jesosy; noho ny fanerena, dia nanolotra azy
mba hohomboana i Pilato; nentina tany
Golgota mba hovonoina rehefa antoantoandro
Mitataovovonana Nohomboana taloha kelin’ny 125, 126
ka hatramin’ny mitataovovonana; haizina
tolakandro nanomboka tamin’ny mitataovovonana
ka hatramin’ny tamin’ny telo ora teo
ho eo, rehefa maty i Jesosy; horohoron-tany
mahery; rovitra nizara roa ny efitra lamba
tao amin’ny tempoly
Harivariva Napetraka tao amin’ny fasana 127, feh.
tao an-jaridaina, talohan’ny 1-7
Sabata, ny fatin’i Jesosy
15 zoma Nanomboka ny Sabata
hariva
Asabotsy Nanome mpiambina ho an’ny 127, feh.
fasan’i Jesosy i Pilato 8-9
16 alahady Vao maraina be dia hita 127, feh.
fa foana ny fasan’i Jesosy; 10 ka
i Jesosy nitsangana tamin’ny hatramin’ny
maty dia niseho 1) tamin’ny 129, feh. 10
antokona mpianatra vehivavy,
anisan’izany i Salome, sy i Johana,
ary i Maria renin’i Jakoba; 2) tamin’i
Maria Magdalena; 3) tamin’i Kleopasy sy ny
namany; 4) tamin’i Simona Petera;
5) tamin’ny fivorian’ireo apostoly sy
ny mpianatra hafa
[Fanamarihana ambany pejy]
b Vita lisitra eto ny nomerao manondro ny toko ao amin’ny boky hoe Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany. Mba hahitana tabilao mirakitra ireo andinin-teny ao amin’ny Soratra Masina misy tsipiriany momba ny fanompoana farany nataon’i Jesosy, dia jereo “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”, pejy faha-290. Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania ireo boky ireo.