FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w99 1/6 p. 20-23
  • Nanefa ny Fampanantenako Hanompo An’Andriamanitra Aho

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nanefa ny Fampanantenako Hanompo An’Andriamanitra Aho
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nihalehibe tany Litoania
  • Nanefa ny fampanantenako aho
  • Fitsapam-pinoana tany am-boalohany
  • Voarara sy voasambotra indray
  • Nihazona finoana tany am-ponja
  • Niverina tamin’ny fanompoana manontolo andro
  • Niova ny zavatra nilaina
  • Nentanin’ny Tsy Fivadihan’ny Fianakaviako Tamin’Andriamanitra
    Mifohaza!—1998
  • Fiandrasana Amim-paharetana An’i Jehovah Nanomboka Tamin’ny Fahatanorako
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Ny Ady Ataonay mba Hananana Finoana Matanjaka Foana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Andriamanitra no Fialofako sy Heriko
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
w99 1/6 p. 20-23

Nanefa ny Fampanantenako Hanompo An’Andriamanitra Aho

NOTANTARAIN’I FRANZ GUDLIKIES

Efatra sisa niangana tamin’ireo miaramila maherin’ny zato iray tarika tamiko. Notandindomin’ny fahafatesana aho, ka nandohalika no sady nampanantena an’Andriamanitra hoe: ‘Raha tsy maty amin’ity ady ity aho, dia hanompo anao foana.’

NANOME izany fampanantenana izany aho, 54 taona lasa izay, tamin’ny Aprily 1945, fony aho miaramila tao amin’ny tafika alemà. Taloha kelin’ny nifaranan’ny Ady Lehibe Faharoa tamin’izay, ary nanafika araka izay fara heriny mba hihazo an’i Berlin ny tafika sovietika. Napetraka teny akaikin’ny tanànan’i Seelow, eo anilan’ny Ony Oder, izay latsaka ny 65 kilaometatra avy ao Berlin, ny miaramilanay. Tifitra vary raraka, andro aman’alina, no nahazo anay tao, hany ka ripaka ny ankamaroanay.

Sambany tamin’izay, teo amin’ny fiainako, vao mba tsy nahatana ny fihetseham-poko aho ka nivavaka tamin-dranomaso tamin’Andriamanitra. Tsaroako ny andinin-teny iray izay matetika notononin’ny reniko natahotra an’Andriamanitra. Tsy inona akory izany fa ilay hoe: “Antsoy Aho amin’ny andro fahoriana; dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy hianao.” (Salamo 50:15). Tao anatin’ireo hady fisitrihan’ny miaramila sy tao anatin’ny tahotra ny ho faty, no nanomezako ilay fampanantenana tamin’Andriamanitra, voalaza etsy ambony. Ahoana no nahafahako nanefa azy io? Ary ahoana no nahatonga ahy ho anisan’ny tafika alemà?

Nihalehibe tany Litoania

Tamin’ny 1918, nandritra ny Ady Lehibe Voalohany, dia nanambara ny nahazoany fahaleovan-tena i Litoania, ka nanorina rafi-pitondrana demokratika. Teraka tamin’ny 1925, tao amin’ny distrikan’i Memel (Klaipeda), any akaikin’ny Ranomasina Baltika, aho. Vao nampidirina ho anisan’i Litoania io distrika io, herintaona talohan’ny nahaterahako.

Na izaho na ireo anabaviko dimy, dia samy nahatsiaro ho sambatra tamin’ny fahazazanay. Toy ny namana akaiky no niheveranay an’i Dada, satria niara-nanao zavatra taminay ankizy foana izy. Mpikambana tao amin’ny Fiangonana Ara-pilazantsara ireo ray aman-dreninay, saingy tsy mpiditra am-piangonana izy mivady, satria tafintohina tamin’ny fihatsarambelatsihin’ilay pastora i Neny. Tia an’Andriamanitra sy ny Teniny anefa izy, ka may ny hamaky Baiboly.

Tamin’ny 1939, dia nobodoin’i Alemaina ny tapany tamin’i Litoania, anisan’izany ny toerana nisy anay. Avy eo, tany am-piandohan’ny taona 1943, dia nantsoina ho miaramila tao amin’ny tafika alemà aho. Nandratra ahy ny iray tamin’ireo ady, kanefa rehefa sitrana aho dia niverina tao amin’ny Front de l’est. Efa niova ny fizotran’ny ady tamin’io fotoana io, ka nihemotra teo anoloan’ny tafika sovietika ny Alemà. Tamin’io aho no saika maty, araka ny voatantara tetsy amin’ny teny fampidirana.

Nanefa ny fampanantenako aho

Nandritra ny ady, dia nifindra toerana ireo ray aman-dreniko, ka lasa tany Oschatz, eto Alemaina, eo atsimoatsinanan’i Leipzig indrindra. Taorian’ny ady, dia sarotra ny nahita izay nisy azy ireo. Akory anefa ny hafalianay rehefa tafahaona indray izahay tamin’ny farany! Tsy ela taorian’izay, tamin’ny Aprily 1947, dia nanaraka an’i Neny nankany amin’ny lahateny ampahibemaso iray, aho. I Max Schubert, izay Vavolombelon’i Jehovah, no nanao ilay lahateny. Nino i Neny fa nahita ny fivavahana marina ny tenany, ary rehefa nanatrika fivoriana vitsivitsy aho, dia nihevitra toa azy koa.

Tsy ela taorian’izay, dia nianjera avy teny ambony tohatra iray i Neny ka naratra, ary izany ratra izany no nahafaty azy, volana vitsivitsy tatỳ aoriana. Nampirisika ahy tamim-pitiavana toy izao izy, tany amin’ny hopitaly, talohan’ny nahafatesany: “Matetika aho, anaka, no nivavaka mba hisian’ny zanako iray, fara fahakeliny, hahita ny lalana mankany amin’Andriamanitra. Hitako izao fa nahazo valim-bavaka aho, ka afaka mandry amim-piadanana.” Tsy andriko tokoa ilay fotoana hifohazan’i Neny avy amin’ny fahafatesana, ka hahafantarany fa tanteraka ilay vavaka nataony! — Jaona 5:28.

Tamin’ny 8 Aogositra 1947, efa-bolana monja taorian’ny nandrenesako ilay lahatenin’ny Rahalahy Schubert, dia natao batisa tamin’ny fivoriambe iray tany Leipzig aho, ho mariky ny fanolorako ny tenako ho an’i Jehovah Andriamanitra. Ela ny ela ka nanao dingana mba hanatanterahana ilay fampanantenana nomeko an’Andriamanitra aho. Tsy ela aho dia tonga mpisava lalana, araka ny iantsoana ny mpitory manontolo andro ao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tamin’izany fotoana izany, dia efa ho 400 ireo mpisava lalana nonina tao amin’ilay tany, izay nanjary Repoblika Demokratikan’i Alemaina, na Alemaina Atsinanana, tatỳ aoriana.

Fitsapam-pinoana tany am-boalohany

Niezaka nanao izay hahaliana ahy tamin’ny Marksisma ny mpiara-monina iray tany Oschatz, ka nanolotra ahy fahafahana hianatra tany amin’ny Oniversite iray notohanan’ny Fanjakana, raha toa ka niditra ho anisan’ny Antoko Sosialista Miray teto Alemaina (SED), aho. Nolaviko ilay izy, tahaka nandavan’i Jesosy ny zavatra natolotr’i Satana. — Matio 4:8-10.

Indray andro, tamin’ny Aprily 1949, dia nisy polisy roa tonga tany am-piasako ka nasain’izy ireo nanaraka azy aho. Nentina tany amin’ny biraon’ny sampam-pitsikilovana sovietika teo an-toerana aho, ka nampangaina ho niasa ho an’ny kapitalista tany Andrefana. Afaka manaporofo ny tsy fananako tsiny, hono, aho, amin’ny fanohizako ny asa isan-trano, sady manao tatitra amin’izy ireo ny amin’izay olona manaratsy ny Firaisana Sovietika na ny SED, na izay olona mamonjy ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Rehefa nanda tsy hiara-miasa amin’izy ireo aho, dia nohidiana tao amin’ny cellule iray. Tatỳ aoriana, dia nentina teo anoloan’izay toa fitsarana miaramila aho. Toy izao ny didim-pitsarana navoaka momba ahy: Asa an-terivozona 15 taona any Siberia!

Tony hatrany aho, ary nanaitra ireo polisy izany. Nilaza tamiko izy ireo avy eo fa sazy mihatra izy io, nefa ho ampy raha indray mandeha isan-kerinandro aho no nanao tatitra, mandra-pahatongako ho vonona hiara-miasa amin’izy ireo. Ta hahazo torohevitra avy tamin’ny Vavolombelona matotra kokoa aho, ka nandeha tany Magdeburg, izay toerana nisy ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izany. Tsy mora ilay dia nataoko, satria natao andry maso aho. Hoy i Ernst Wauer, izay nanompo tao amin’ny Sampan-draharaha Momba ny Lalàna, tany Magdeburg: “Miadia, dia handresy ianao. Maneke lembenana, dia ho resy ianao. Izany no nianaranay tany amin’ny toby fitanana.”a Nanampy ahy hanefa ny fampanantenako hanompo an’Andriamanitra izany torohevitra izany.

Voarara sy voasambotra indray

Tamin’ny Jolay 1950, dia natolotra ho mpiandraikitra mpitety faritany aho. Tamin’ny 30 Aogositra anefa, dia nanao bemidina tao amin’ny tranonay tao Magdeburg ny polisy, ary norarana ny asa fitorianay. Niova àry ny asa nanendrena ahy. Nasaina niara-niasa tamin’ny kôngregasiôna 50 teo ho eo izahay sy i Paul Hirschberger, ka nandany roa na telo andro isaky ny kôngregasiôna, mba hanampiana ireo rahalahy ho voalamina hanohy hatrany ny fanompoany, ao anatin’ny fandrarana. Tao anatin’ireo volana nanaraka, dia inenina aho no afaka nidify tsy ho voasambotry ny polisy!

Tafiditry ny olona izay namadika anay tany amin’ny Stasi, na ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena, ny iray tamin’ireo kôngregasiôna. Araka izany, tamin’ny Jolay 1951, dia nosamborin’olona dimy lahy namoaka basy, izahay sy i Paul, teny amin’ny arabe. Rehefa nitodika ny lasa izahay mirahalahy, dia hitanay fa tsy niantehitra tsara araka ny tokony ho izy tamin’ny fandaminan’i Jehovah, izahay. Efa nanome torohevitra anay tsy hiara-dalana na oviana na oviana, ireo rahalahy zokiolona. Natoky tena be loatra izahay, ka nitarika ho amin’ny famoizanay ny fahafahanay izany! Ambonin’izany, dia tsy nodinihinay mialoha izay tokony holazaina raha sendra voasambotra izahay.

Irery aho tao amin’ny cellule-ko, ka nitalaho tamin-dranomaso tamin’i Jehovah aho mba hanampiany ahy tsy hamadika ireo rahalahiko na hampandefitra ny finoako. Rehefa resin-tory aho, dia taitra tampoka noho ny nandrenesako ny feon’i Paul namako. Tao ambonin’ny cellule-ko indrindra ilay efitra nanaovan’ny Stasi ny famotorana azy. Koa satria sady nafana no mando ny alina tamin’izay, dia novohana ny varavarana mankao an-davarangana, ary reko kely ihany ny resaka rehetra. Tatỳ aoriana, rehefa nanaovana famotorana aho, dia tsy nisy valaka tamin’ny an’i Paul ny valin-teniko, ka nahagaga ny polisy izany. Nitamberina hatrany tao an-tsaiko ilay andinin-teny tian’i Neny indrindra, manao hoe: “Antsoy Aho amin’ny andro fahoriana; dia hamonjy anao Aho”. Nahazo fankaherezana be aho noho izany. — Salamo 50:15.

Taorian’ilay fakana am-bavany, dia nogadraina dimy volana izahay sy i Paul talohan’ny nitsarana anay, ka naiditra tao amin’ny fonjan’ny Stasi tao Halle aloha, ary tany Magdeburg, tatỳ aoriana. Fony aho tany Magdeburg, dia nanopy maso tsindraindray ny tranon’ny sampana aho. Nakatona tokoa mantsy izy io tamin’izay fotoana izay. Raha mba afaka niasa tao mantsy aho, fa tsy tao am-ponja an! Navoaka ny didim-pitsarana momba anay, tamin’ny Febroary 1952: “10 taona an-tranomaizina, ary very zo nandritra ny 20 taona.”

Nihazona finoana tany am-ponja

Ireo Vavolombelon’i Jehovah izay nahazo sazy folo taona, fara fahakeliny, dia nasiana famantarana manokana, tamin’ny fotoana sasany naha tany am-ponja azy ireny. Nisy tapa-damba mena nozairina teo amin’ny ila pataloa sy teo amin’ny tanan’akanjonay ilany. Afa-tsy izany koa, dia nasiana baoritra kely boribory menamena teo ivelan’ny varavaran’ny cellule-nay, mba hampitandremana ireo mpiambina fa mpanao heloka bevava nampidi-doza izahay.

Nihevitra anay ho mpanao heloka bevava raindahiny ireo manam-pahefana, raha ny tena izy. Tsy navela hanana Baiboly izahay, satria, hoy ny fanazavan’ny mpiambina iray: “Ny Vavolombelon’i Jehovah manana Baiboly eny am-pelatanany, dia mitovy amin’ny mpanao heloka bevava manana basy eny am-pelatanany.” Mba hanangonana andinin-teny avy ao amin’ny Baiboly, dia namaky ny asa soratr’ilay mpanoratra rosianina atao hoe Léon Tolstoï, izahay, satria matetika izy io no nanonona andinin-teny ara-baiboly tao amin’ireo bokiny. Nianaranay tsianjery ireny andinin-teny ireny.

Talohan’ny nisamborana ahy tamin’ny 1951, dia efa nifamofo tamin’i Elsa Riemer aho. Nitsidika ahy tany am-ponja izy, ka nanao izany matetika araka izay azony natao, ary nandefa sakafo ho ahy, indray mandeha isam-bolana. Nanafina sakafo ara-panahy tao amin’ireo fonosan’entana nalefany koa izy. Indray mandeha, dia nisy lahatsoratra avy tamin’ny Tilikambo Fiambenana, nasisiny tao anatin’ny saosisy sasany. Matetika no noborahin’ny mpiambina, ny saosisy, mba hanamarinana raha nisy zavatra nafenina tao anatiny. Tamin’io fotoana io anefa, dia taloha kelin’ny niravan’ny mpiasa no nahatongavan’ilay fonosan’entana, ka tsy nohamarinina intsony.

Tamin’izany fotoana izany, dia nisy olona telo tsy Vavolombelona, iray cellule taminay sy i Karl Heinz Kleber. Ahoana no nahatonga ny hafa ho tsy nahatsikaritra anay ho namaky Ny Tilikambo Fiambenana? Mody namaky boky izahay, nefa nafeninay tao anatiny ireo lahatsoratra tamin’ny Tilikambo Fiambenana. Nampitainay tany amin’ireo Vavolombelona hafa tao am-ponja koa io sakafo ara-panahy sarobidy io.

Fony izahay tany am-ponja, dia nohararaotinay koa ny fahafahana hiresaka tamin’ny hafa momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Nientana erỳ ny foko nahita ny iray tamin’ireo niara-nigadra tamiko lasa mpino, vokatr’izany. — Matio 24:14.

Niverina tamin’ny fanompoana manontolo andro

Nafahana aho tamin’ny 1 Aprily 1957, rehefa avy nahiboka am-ponja nandritra ny efa ho enin-taona. Tsy ampy tapa-bolana akory taorian’izay, dia nampakatra an’i Elsa aho. Rehefa ren’ny Stasi fa nafahana aho, dia nitady antony hamerenana ahy indray tany am-ponja izy ireo. Nisoroka ny tsy hitrangan’izany izahay sy i Elsa ka niampita sisin-tany mba hipetraka teto Berlin Andrefana.

Fony tonga teto Berlin Andrefana izahay, dia naniry hahafantatra izay nokasainay hatao ny Fikambanana. Nohazavainay fa hanao ny asan’ny mpisava lalana ny iray taminay mivady, fa ny iray kosa hiasa.

“Ho tianareo ve raha samy ho tonga mpisava lalana ianareo mivady?”, hoy ny fanontaniana napetraka taminay.

“Raha azo atao izany”, hoy no navalinay, “dia hanomboka avy hatrany izahay.”

Araka izany, dia nomena vola fanampiana kely isam-bolana izahay mba hivelomanay, ary nanomboka ny fanompoan’ny mpisava lalana manokana izahay, tamin’ny 1958. Akory ny hafalianay mivady rehefa nisy hitanay nanova ny fomba fiainany ireo olona nampianarinay Baiboly mba hahatongavana ho mpanompon’i Jehovah! Ireo folo taona nanaraka nanaovanay ny fanompoan’ny mpisava lalana manokana dia nampianatra anay hiara-miasa akaiky, tamin’ny naha mpivady anay. Teo anilako teo foana i Elsa, eny fa na dia tamin’ny fotoana nanamboarako ny fiara aza. Niara-nanao vakiteny, sy niara-nianatra ary niara-nivavaka koa izahay mivady.

Tamin’ny 1969, dia notendrena ho amin’ny asa fitetezam-paritany izahay, nitsidika kôngregasiôna samy hafa isan-kerinandro, mba hikarakarana izay ilain’ireo mpikambana ao aminy. Nanome ahy ity torohevitra ity i Josef Barth, lehilahy za-draharaha teo amin’ny asa fitetezam-paritany: “Raha tianao ny hahita fahombiazana eo amin’ny asa anendrena anao, dia aoka fotsiny ianao ho tena rahalahy amin’ireo rahalahy.” Niezaka nampihatra an’io torohevitra io aho. Vokatr’izany, dia tena nafana sy nirindra tsara ny fifandraisanay tamin’ny Vavolombelona hafa, ka nanamora ny fanomezanay torohevitra izany, rehefa nilaina ny nanome torohevitra.

Tamin’ny 1972, dia fantatra fa voan’ny kansera i Elsa, ka nodidiana. Nanjary narary vanin-taolana koa izy, tatỳ aoriana. Na dia nizaka fanaintainana aza izy, dia mbola nanaraka ahy foana isan-kerinandro, nitsidika ireo kôngregasiôna, niara-niasa tamin’ireo anabavy teny amin’ny fanompoana, araka izay tratran’ny heriny.

Niova ny zavatra nilaina

Tamin’ny 1984, dia nanjary nila fikarakarana tsy tapaka ireo rafozako, koa nandao ny asa fitetezam-paritany izahay mba hanampy tamin’ny fikarakarana azy ireo, mandra-pahafatin’izy ireo, efa-taona tatỳ aoriana. (1 Timoty 5:8). Avy eo, tamin’ny 1989, dia nanjary narary mafy i Elsa. Soa ihany fa somary mba nihatsara kely izy, saingy nila nikarakara ireo raharaha rehetra tao an-trano aho. Mbola eo am-pianarana foana ny fiatrehana ny fikarakarana olona miaritra fanaintainana tsy misy fitsaharana, aho. Na teo aza anefa ny fahorian’ny saiko sy ny foko, dia nihazona ny fitiavanay ny zavatra ara-panahy izahay.

Ankehitriny, dia mahafaly fa mbola ao anatin’ny lisitry ny mpisava lalana izahay. Nanjary takatray anefa fa tsy ny toerantsika na ny habetsahan’ny vitantsika no zava-dehibe, fa ny fitoerantsika ho mahatoky. Maniry hanompo an’i Jehovah Andriamanitray izahay, tsy mandritra ny taona vitsivitsy monja, fa mandrakizay doria. Fampiofanana mahatalanjona ho amin’ny hoavy ny zavatra niainanay. Ary nanome anay ny hery hiderana azy i Jehovah, na dia ao anatin’ny tarehin-javatra faran’izay misedra aza. — Filipiana 4:13.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny tantaram-piainan’i Ernst Wauer, dia nivoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 1991, pejy faha-25-29.

[Sary, pejy 23]

Naiditra am-ponja teto Magdeburg aho

[Sary nahazoan-dalana]

Gedenkstätte Moritzplatz Magdeburg für die Opfer politischer Gewalt; Foto: Fredi Fröschki, Magdeburg

[Sary, pejy 23]

Tamin’ny mariazinay tamin’ny 1957

[Sary, pejy 23]

Izahay sy i Elsa ankehitriny

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara