Ireo Mpiara-miasa Tamin’i Paoly — Iza moa Izy Ireo?
VOARESAKA ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly ao amin’ny Baiboly sy ao amin’ireo taratasin’i Paoly, fa olona 100 eo ho eo, izay anisan’ny kôngregasiôna kristianina tamin’ny taonjato voalohany, no nanana fifandraisana tamin’ilay “Apostolin’ny jentilisa”. (Romana 11:13). Betsaka ny fantatra momba ny maro amin’izy ireo. Azo inoana fa fantatrao tsara ny asa nataon-dry Apolosy sy Barnabasy ary Silasy. Etsy an-danin’izany, dia azo inoana fa ho sarotra kokoa aminao ny hilaza zavatra betsaka momba an-dry Arkipo, Damary, Klaodia, Lino, Persy, Poda, sy Sopatera.
Tao anatin’ny vanim-potoana samy hafa sy ny tarehin-javatra maro samihafa, dia olona maro no nandray anjara navitrika teo amin’ny fanohanana ny fanompoan’i Paoly. Niara-nanompo tamin’ilay apostoly, nandritra ny taona maro, ny olona sasany toa an’i Aristarko sy i Lioka ary i Timoty. Ny sasany kosa niaraka tamin’i Paoly tamin’ny fotoana naha tany am-ponja azy na fony izy nitety faritany, ka na niara-dia taminy, na nampiantrano azy. Mampalahelo fa tsy naharitra tao amin’ny finoana kristianina ny hafa, toa an-dry Aleksandro, Demasy, Fygelo, sy Hermogena.
Raha ny maromaro tamin’ireo namana hafa nananan’i Paoly kosa no asian-teny, dia tsy misy zavatra fantatsika momba azy, afa-tsy ny anarany. Anisan’izany ry Asynkrito, Filologo, Herma, na Jolia, raha ireo vitsivitsy ireo monja aza no hotononina. Ny amin’ny anabavin’i Nerea, na ny renin’i Rofosy, na ireo avy amin’ny ankohonan’i Kloa, dia tsy fantatsika hatramin’ny anarany. (Romana 16:13-15; 1 Korintiana 1:11). Na izany aza anefa, dia mampahafantatra antsika ny fomba fiasan’ny apostoly Paoly ny fandinihana izay fanazavana kely ananantsika mahakasika ireny olona sahabo ho 100 ireny. Izany koa dia mampiana-javatra antsika momba ireo soa entin’ny hoe mpiray finoana maro be no manotrona sy miara-miasa akaiky amin’ny tena.
Mpiara-dia, mpampiantrano
Nahafaoka fanaovana dia lavitra maro be ny fanompoan’ny apostoly Paoly. Araka ny kajy nataon’ny mpanoratra iray, dia efa ho 16 000 kilaometatra ny dia lavitra an-tanety sy an-dranomasina nataon’i Paoly, araka izay voarakitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly fotsiny. Tsy vitan’ny hoe nandreraka ny fanaovana dia tamin’izany fotoana izany, fa nampidi-doza koa. Anisan’ireo loza samihafa natrehiny ny fahavakisan’ny sambo, ny loza nateraky ny ony sy ny jiolahy, ny loza tany an’efitra, ary ny loza tany an-dranomasina. (2 Korintiana 11:25, 26). Nety tokoa àry raha nahalana i Paoly vao irery tamin’ireo dia fitetezam-paritany nataony.
Ireo olona nanaraka an’i Paoly dia loharano iray nahazoana namana sy fampaherezana ary fanampiana azo notsapain-tanana, teo amin’ny fanompoana. Namela azy ireo hijanona tao amin’ny toerana iray i Paoly indraindray mba hahafahan’izy ireo hikarakara ny zavatra ara-panahy nilain’ny mpino vaovao. (Asan’ny Apostoly 17:14; Titosy 1:5). Ny nisian’ny olona niaraka taminy anefa, dia azo inoana fa tena nilaina teo amin’ny fiarovana no sady nanome fanohanana mba hiatrehana ny fahasarotan’ny dia. Koa mety ho nanana anjara asa lehibe teo amin’ny fahombiazan’ny fanompoan’i Paoly àry ny olona toa an-dry Sopatera, Sekondo, Gaio, sy Trofimo, izay fantatsika fa anisan’ireo mpiara-dia tamin’i Paoly. — Asan’ny Apostoly 20:4.
Noraisina an-tanan-droa toy izany koa ny fanampiana natolotr’ireo mpampiantrano. Rehefa tonga tao amin’ny tanàna iray izay nokasainy hanaovana ezaka manokana teo amin’ny fitoriana na nokasainy hatoriana indray alina monja, i Paoly, dia anisan’ny laharam-pahamehana ny fitadiavana toerana hipetrahana. Izay rehetra nandeha hatraiza hatraiza tahaka an’i Paoly dia voatery tsy maintsy natory tamina karazam-parafara maro samihafa ara-bakiteny. Afaka nilasy foana tany amin’ny tranom-bahiny izy, saingy lazalazain’ny mpahay tantara ho “toerana nampidi-doza sy nalaza ratsy” izy ireny. Raha mbola azony natao koa àry, dia azo inoana fa nilasy tany amin’ireo mpiray finoana i Paoly.
Fantatsika ny anaran’ny sasany amin’ireo nampiantrano an’i Paoly: Akoila sy Prisila, Filemona, Filipo, Gaio, Jasona, Lydia, sy Menasona. (Asan’ny Apostoly 16:14, 15; 17:7; 18:2, 3; 21:8, 16; Romana 16:23; Filemona 1, 22). Tao Filipy sy Tesalonika ary Korinto, dia zary foibe nahafahan’i Paoly nandamina ny asa misionera nataony ny toerana nilasiany toy ireny. Nampiantrano azy koa i Titosy Josto, tany Korinto, ka nahazo toerana nahafahany nanatanteraka ny fitoriany ilay apostoly. — Asan’ny Apostoly 18:7.
Namana sesehena
Araka ny mety hampoizina, dia samy hafa ny fahatsiarovana nananan’i Paoly momba ireo olom-pantany, noho ny tarehin-javatra samy hafa nihaonany tamin’izy ireny. Ry Foiby, Maria, Persy, Tryfena, sy Tryfosa, ohatra, dia vehivavy mpino izay samy noderaina noho ny fikelezany aina sy ny asa mafy nataony. (Romana 16:1, 2, 6, 12). I Paoly no nanao batisa an’i Krispo sy i Gaio ary ny ankohonan’i Stefanasy. I Dionysio sy i Damary dia nanaiky ny fahamarinana, noho ny fitorian’i Paoly tany Atena. (Asan’ny Apostoly 17:34; 1 Korintiana 1:14, 16). Antsoin’i Paoly hoe “niara-nifatotra” taminy i Androniko sy i Jonia, lehilahy “malaza eo amin’ny Apostoly” no sady efa mpino talohan’i Paoly. Angamba efa nisy fotoana nanaovana am-ponja azy ireo niaraka taminy. Noresahin’i Paoly ho ‘havany’ izy mirahalahy ireo, toa an-dry Herodiona, Jasona, Losia, ary Sosipatro. (Romana 16:7, 11, 21). Na dia mety hidika hoe “mpiray tanindrazana” aza ilay teny grika ampiasaina eto, dia “mpihavana ara-nofo anisan’ny taranaka iray” no heviny voalohany.
Maro tamin’ireo naman’i Paoly no nanao dia noho ny vaovao tsara. Ankoatra ireo namany izay fantatra kokoa, dia teo koa ry Akaïko, Fortonato, sy Stefanasy, izay nanao dia avy tany Korinto nankany Efesosy mba haka hevitra tamin’i Paoly nahakasika ny toe-piainana ara-panahin’ny kôngregasiônan’izy ireo. Vonona i Artema sy i Tykiko ny handeha ho any amin’i Titosy, izay nanompo tany amin’ny nosy Kreta tamin’izay, ary hiara-manao dia amin’i Apolosy i Zena. — 1 Korintiana 16:17; Titosy 3:12, 13.
Teo koa ireo izay nasian’i Paoly tsipiriany kely sy mahaliana fatratra, ny mombamomba azy. Izao, ohatra, no lazaina amintsika: “Voaloham-bokatr’i Asia” i Epaineto, “mpitahiry ny volam-panjakana [tao] an-tanàna” i Erasto, dokotera i Lioka, mpivarotra lamba volomparasy i Lydia, ary i Tertio no nampiasain’i Paoly mba hanoratra ny taratasiny ho an’ny Romanina. (Romana 16:5, 22, 23; Asan’ny Apostoly 16:14; Kolosiana 4:14). Ho an’izay rehetra ta hahalala misimisy kokoa momba ireny olona ireny, dia mampilendalenda fotsiny ireo fanazavana kely indray mihelatra ireo, noho ny hafohiny.
Naharay hafatra manokana izay voarakitra ao amin’ny Baiboly ankehitriny, ny hafa anisan’ny naman’i Paoly. Ao amin’ny taratasiny ho an’ny Kolosiana, ohatra, dia nananatra an’i Arkipo toy izao i Paoly: “Tandremo ny fanompoana izay noraisinao tao amin’ny Tompo mba hahatanterahanao izany.” (Kolosiana 4:17). Hita fa nisy tsy fifanarahana manokana tokony halamina teo amin’i Eodia sy i Syntyke. Koa nananatra azy mirahavavy mba “hiray saina ao amin’ny Tompo” àry i Paoly, tamin’ny alalan’ny “mpiara-miasa” iray tsy voatonona anarana, tao Filipy. (Filipiana 4:2, 3). Azo antoka fa torohevitra tsara ho antsika rehetra izany.
Fanohanana tamim-pahatokiana fony tany am-ponja
Tany am-ponja imbetsaka i Paoly. (2 Korintiana 11:23). Tamin’ireny fotoana ireny, dia tsy maintsy ho niezaka nanao izay rehetra azony natao ireo Kristianina teo an-toerana, raha nisy Kristianina tao, mba hahamaivana kokoa ny zavatra nozakain’i Paoly. Fony i Paoly natao am-ponja voalohany tany Roma, dia navela hanofa trano azy manokana izy nandritra ny roa taona, ka azon’ireo namany notsidihina. (Asan’ny Apostoly 28:30). Nandritra io fotoana io no nanoratany taratasy ho an’ireo kôngregasiôna tany Efesosy, sy Filipy, sy Kolosia, ary ho an’i Filemona. Milaza amintsika zavatra betsaka momba ireo olona akaiky an’i Paoly nandritra ny nitanana azy, ireo loharanon-kevitra ireo.
Ohatra, manjary fantatsika fa i Onesimosy, izay mpanompo nandositra an’i Filemona tompony, dia tafahoana tamin’i Paoly tany Roma, sahala amin’i Tykiko, izay hanaraka an’i Onesimosy tamin’ilay diany hiverina tany amin’ilay tompony. (Kolosiana 4:7-9). Teo ihany koa i Epafrodito, izay avy tany Filipy no nanao dia lavitra be mba hitondra fanomezana avy tamin’ny kôngregasiônany, ary narary avy eo. (Filipiana 2:25; 4:18). Niara-niasa akaiky tamin’i Paoly tao Roma i Aristarko sy i Marka ary i Jesosy izay antsoina hoe Josto. Nilaza toy izao momba azy ireo i Paoly: “Ireo ihany no mpiara-miasa amiko hampandroso ny fanjakan’Andriamanitra sady tonga fampiononana ahy.” (Kolosiana 4:10, 11). Ankoatra ireo olona nahatoky rehetra ireo, dia teo koa i Timoty sy i Lioka izay fantatra kokoa, ary i Demasy izay nandao an’i Paoly, tatỳ aoriana, noho izy tia an’izao tontolo izao. — Kolosiana 1:1; 4:14; 2 Timoty 4:10; Filemona 24.
Tany Roma, teo anilan’i Paoly, izy ireo, na dia toa tsy nisy avy tao Roma aza. Ny hanampy azy fotsiny nandritra ny fotoana nampidirana azy am-ponja angamba no nandehanan’ny sasany tany. Tsy isalasalana fa nandeha nikarakara zavatra ho an’i Paoly ny sasany, ny hafa nasaina namita iraka tany an-tany lavitra, ary nisy kosa nanoratra taratasy notononin’i Paoly. Izany ka porofo mampiaiky fa mafy ny fifikirana sy ny tsy fivadihana nasehon’izy rehetra ireo tamin’i Paoly sy ny asan’Andriamanitra!
Hitantsika avy amin’ireo teny famaranana ao amin’ny sasany amin’ireo taratasin’i Paoly fa rahalahy sy anabavy kristianina maro be, izay betsaka lavitra noho ireo anarana vitsy fantatsika, no azo inoana fa nanotrona an’i Paoly. Tamin’ny fotoana samy hafa, dia nanoratra toy izao izy: “Ny olona masina rehetra manao veloma anareo”, sy hoe “manao veloma anao izay rehetra atỳ amiko”. — 2 Korintiana 13:13; Titosy 3:15; Filipiana 4:22.
Nandritra ilay fotoan-tsarotra nampidirana am-ponja an’i Paoly fanindroany tany Roma, fony nananontanona azy ny fahafatesana ho maritiora, dia mbola tena tao an-tsain’i Paoly ireo mpiara-miasa taminy. Mbola niasa foana i Paoly, nanara-maso sy nandrindra ny asan’ny sasany tamin’izy ireny, fara faharatsiny. Nasaina namita iraka i Titosy sy i Tykiko, lasa tany Galatia i Kreska, nijanona tany Korinto i Erasto, navela tany Mileto i Trofimo noho ny aretina nahazo azy, kanefa ho avy tany aminy i Marka sy i Timoty. I Lioka kosa dia teo anilan’i Paoly, ary rehefa nanoratra ny taratasiny faharoa ho an’i Timoty ilay apostoly, dia nisy mpino hafa maromaro teo, anisan’izany i Eobolo, i Poda, i Lino, ary i Klaodia, izay samy nandefa ny firarian-tsoany. Tsy isalasalana fa nanao izay azony natao mba hanampiana an’i Paoly izy ireo. Tamin’io fotoana io ihany, dia nandefa firarian-tsoa ho an’i Prisila sy i Akoila ary ny ankohonan’i Onesiforosy ny tenan’i Paoly. Mampalahelo anefa fa, tao anatin’izany fotoan-tsarotra izany, dia nandao azy i Demasy, ary nanisy ratsy azy i Aleksandro, eny, maro ny ratsy nataony taminy. — 2 Timoty 4:9-21.
“Mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay”
Nahalana i Paoly vao irery nandritra ny asa fitoriany. “Ny sary tonga ao an-tsaina”, hoy ilay mpivaofy teny atao hoe E. Earle Ellis, “dia ny an’ny misionera iray nanana mpiara-miasa maro be. Eny tokoa, nahalana i Paoly no mba hita ho tsy nisy olona niaraka taminy.” Teo ambany fitarihan’ny fanahy masin’Andriamanitra, dia sady afaka nampiasa olona maro i Paoly no afaka nandamina ezaka manokana teo amin’ny asa misionera, izay hita fa nandaitra. Mpiara-miasa akaiky, mpanampy vonjimaika, olona hentitra sasany, sy mpanompo maro be nanetry tena, no nanotrona an’i Paoly. Tsy mpiara-miasa fotsiny anefa izy ireny. Na nanao ahoana na nanao ahoana fiaraha-miasa nisy teo amin’izy ireo sy i Paoly, na ny fifaneraseran’izy ireo taminy, dia hita miharihary ilay fatoram-pitiavana kristianina sy fisakaizana manokana.
Nanana izay nantsoina hoe “fahaiza-maka olona ho namana” i Paoly. Nanao zavatra betsaka izy mba hitondrana ny vaovao tsara tany amin’ireo firenena, nefa tsy niezaka nanao izany irery izy. Niara-niasa tamin’ilay kôngregasiôna kristianina voalamina izy no sady nampiasa azy io tamin’ny fomba feno. Tsy nitady voninahitra ho an’ny tenany noho ny vokatra azony i Paoly fa nanaiky tamim-panetren-tena kosa fa mpanompo ny tenany ary Andriamanitra no tokony homena ny voninahitra rehetra, satria izy no nampisy ilay fitomboana. — 1 Korintiana 3:5-7; 9:16; Filipiana 1:1.
Samy hafa amin’ny androntsika ny andro niainan’i Paoly. Na izany aza anefa, dia tsy tokony hisy olona eo anivon’ny kôngregasiôna kristianina amin’izao andro izao hihevitra fa afaka ny hahaleo tena izy na mila ny mahaleo tena. Tokony hiara-miasa foana amin’ny fandaminan’Andriamanitra sy ny kôngregasiônantsika eo an-toerana ary ireo mpiray finoana amintsika, kosa isika. Mila ny fanampian’izy ireo sy ny fanohanany ary ny fankaherezany isika, na amin’ny mora na amin’ny sarotra. Manana tombontsoa sarobidy isika, noho isika anisan’ireo ‘rahalahy rehetra eran’izao tontolo izao’. (1 Petera 5:9). Raha mifarimbona sy miara-miasa amim-pahatokiana sy amim-pitiavana amin’izy rehetra ireny isika, dia ho afaka hilaza koa sahala amin’i Paoly, manao hoe: “Mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay”. — 1 Korintiana 3:9.
[Sary, pejy 31]
APOLOSY
ARISTARKO
BARNABASY
LYDIA
ONESIFOROSY
TERTIO
TYKIKO