FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w99 15/7 p. 24-25
  • Filipo — Mpitory ny Filazantsara Be Zotom-po

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Filipo — Mpitory ny Filazantsara Be Zotom-po
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nanokatra faritany vaovao
  • Tombontsoa fanampiny azon’i Filipo
  • Filipo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Torio “ny Vaovao Tsara Momba An’i Jesosy”
    ‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
  • Ahoana no hahazoana ny hevitry ny Baiboly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Aoka Ianao Haneho ny Toe-tsain’ny Mpisava Lalana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
w99 15/7 p. 24-25

Filipo — Mpitory ny Filazantsara Be Zotom-po

NY SORATRA MASINA dia mirakitra fitantarana maro momba ny lehilahy sy vehivavy izay nanana finoana mendri-kotahafina. Diniho ny amin’i Filipo, misionera kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Tsy apostoly izy, kanefa nampiasaina be dia be teo amin’ny fampielezana ny hafatra momba ilay Fanjakana. Raha ny marina, dia nanjary fantatra ho “ilay mpitory ny filazantsara” i Filipo. (Asan’ny Apostoly 21:8, NW ). Nahoana i Filipo no nantsoina toy izany? Ary inona no azontsika ianarana avy aminy?

Hita ao amin’ny firaketana an-tsoratry ny Baiboly i Filipo, tsy ela taorian’ny Pentekosta 33 am.f.i. Tamin’izay fotoana izay, ny Jiosy niteny grika dia nanomboka nimonomonona tamin’ny Jiosy niteny hebreo, tamin’ny filazana fa natao tsirambina ny mpitondratena teo aminy, teo amin’ny fizaran-tsakafo isan’andro. Mba hiatrehana ilay raharaha, dia nanendry ‘fito lahy voamarina fa tsara’ ny apostoly. Anisan’ny voafidy i Filipo. — Asan’ny Apostoly 6:1-6, NW.

“Voamarina fa tsara” ireo fito lahy ireo. Ny fandikan-teny malagasy dia milaza fa “tsara laza” izy ireo. Eny, tamin’ny fotoana nanendrena azy, dia efa fantatra ho lehilahy araka ny fanahy izy ireo, ary nanana fahaiza-misaina niseho teo amin’ny asany. Toy izany koa ny amin’ireo mpiandraikitra kristianina amin’izao andro izao. Tsy atao maimaika ny fanendrena ireny lehilahy ireny. (1 Timoty 5:22). Tsy maintsy ‘tsara laza amin’izay eny ivelany’ izy, ary tokony ho fantatr’ireo Kristianina hafa ny fahalalany ny antonony sy ny fananany saina mahay mitsara zavatra. — 1 Timoty 3:2, 3, 7; Filipiana 4:5.

Hita fa niantsoroka tsara ny asa nanendrena azy tao Jerosalema, i Filipo. Vetivety foana anefa dia nirongatra ny fanenjehana mafy ka niparitaka ireo mpanara-dia an’i Kristy. Nandao ilay tanàna toy ny nataon’ny hafa koa i Filipo, kanefa tsy nifarana teo ny fanompoany. Tsy ela izy dia be natao teo amin’ny fitoriana tany amin’ny faritany vaovao iray, dia i Samaria. — Asan’ny Apostoly 8:1-5.

Nanokatra faritany vaovao

Efa nambaran’i Jesosy mialoha fa hitory “any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany” ny mpianany. (Asan’ny Apostoly 1:8). Nandray anjara tamin’ny fanatanterahana izany teny izany i Filipo, tamin’ny fitoriana tany Samaria. Tamin’ny ankapobeny, dia nohamavoin’ny Jiosy ny Samaritanina. Tsy nitsara an-tendrony an’ireny olona ireny anefa i Filipo, hany ka notahina ny tsy fizahan-tavan’olona nasehony. Eny tokoa, Samaritanina maro no natao batisa, anisan’izany i Simona, mpanao majika taloha. — Asan’ny Apostoly 8:6-13.

Rehefa nandeha ny fotoana, dia notarihin’ny anjelin’i Jehovah i Filipo, mba handeha tamin’ny lalana tany an’efitra, avy tao Jerosalema nankany Gaza. Teo no nahatsinjovan’i Filipo kalesy iray nitondra tandapa etiopianina iray, izay namaky teny mafy avy tao amin’ny faminanian’i Isaia. Nihazakazaka teo anilan’ilay kalesy i Filipo ary nanombo-dresaka. Na dia proselyta izay nanana fahalalana sasantsasany momba an’Andriamanitra sy ny Soratra Masina aza ilay Etiopianina, dia niaiky tamim-panetren-tena izy fa nila fanampiana mba hahatakarana ny hevitr’izay novakiny. Noho izany, dia nasainy hiakatra teo amin’ny kalesy i Filipo, ary niara-nipetraka taminy. Rehefa vita ny fanambarana, dia tonga teo amin’ny rano izy ireo. “Inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa?”, hoy ny fanontanian’ilay Etiopianina. Avy hatrany dia nataon’i Filipo batisa izy, ary faly nanohy ny diany. Azo inoana fa nampiely ny vaovao tsara io mpianatra vaovao io, rehefa tafaverina tany an-tanindrazany. — Asan’ny Apostoly 8:26-39.

Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fanompoan’i Filipo teo amin’ny Samaritanina sy teo amin’ilay tandapa etiopianina? Aoka isika tsy hihevitra na oviana na oviana fa ny olona avy amin’ny firenena, na firazanana, na saranga ara-tsosialy sasany, dia tsy ho liana amin’ny vaovao tsara. Tokony hanambara ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’ny “olona rehetra” kosa aza isika. (1 Korintiana 9:19-23). Raha vonona hitory amin’ny rehetra isika, dia azon’i Jehovah ampiasaina isika eo amin’ny asa ‘fanaovana mpianatra ny firenena rehetra’, alohan’ny hahatongavan’ny faran’ity fandehan-javatra ratsy ity. — Matio 28:19, 20.

Tombontsoa fanampiny azon’i Filipo

Rehefa avy nitory tamin’ilay tandapa etiopianina i Filipo, dia nanao fanambarana tany Azota, ary “nitory ny filazantsara tany amin’ny tanàna rehetra izay nalehany ambara-pahatongany tany Kaisaria”. (Asan’ny Apostoly 8:40). Nisy mponina jentilisa maro be tao amin’ireo tanàna roa ireo, tamin’ny taonjato voalohany. Teny an-dalana nianavaratra nankany Kaisaria, dia azo inoana fa nitory tao amin’ireo tanàna nalaza be Jiosy toa an’i Lyda sy i Jopa, i Filipo. Angamba izany no antony nahitana mpianatra tany amin’ireny faritra ireny, tatỳ aoriana. — Asan’ny Apostoly 9:32-43.

Roapolo taona teo ho eo tatỳ aoriana no nisy firesahana farany momba an’i Filipo. Tamin’ny faran’ny dia misionera fahatelo nataon’i Paoly, dia niala tamin’ny sambo tao Tolemaia izy. “Nony ampitso”, hoy i Lioka, mpiara-dia tamin’i Paoly, “dia niala teo izahay ka tonga tany Kaisaria ary niditra tao an-tranon’i Filipo [ilay mpitory ny filazantsara, NW ]”. Tamin’io fotoana io, dia nanana “zanakavavy virijina efatra izay naminany”, i Filipo. — Asan’ny Apostoly 21:8, 9.

Toa nanorim-ponenana tany Kaisaria i Filipo. Tsy very anefa ny toe-tsain’ny misionera nananany, satria nantsoin’i Lioka hoe “ilay mpitory ny filazantsara” izy. Milaza olona iray izay mandao ny tranony mba hitory ny vaovao tsara any amin’ny faritra mbola tsy voasa io teny io matetika. Ilay zava-misy hoe nanan-janakavavy efatra naminany i Filipo, dia toa manondro fa nanara-dia ny rainy be zotom-po izy ireo.

Tokony hotadidin’ireo ray aman-dreny kristianina amin’izao andro izao, fa ny zanany no mpianany sarobidy indrindra. Na dia voatery namoy tombontsoa teôkratika sasany aza ireny ray aman-dreny ireny noho ny andraikitra ara-pianakaviana, dia mbola azon’izy ireo atao ny mitoetra ho mpanompon’Andriamanitra amin’ny fony manontolo sy ho ray aman-dreny fakan-tahaka toa an’i Filipo. — Efesiana 6:4.

Ho an-dry Filipo mianakavy, dia fahafahana tsara dia tsara hanehoana fahaiza-mampiantrano vahiny ny fitsidihan’i Paoly sy ireo namany. Alao sary an-tsaina ange ny fifampaherezana tamin’izany e! Tamin’io fotoana io angamba no nanangonan’i Lioka ireo tsipiriany momba ny asa vitan’i Filipo, izay nampidirina tao amin’ny Asan’ny Apostoly toko faha-6 sy faha-8, tatỳ aoriana.

Nampiasain’i Jehovah Andriamanitra be dia be i Filipo mba hampandroso ny tombontsoan’ilay Fanjakana. Ny zotom-pony no nanampy azy hampiely ny vaovao tsara tany amin’ny faritany vaovao sy hampitombo rivo-piainana ara-panahy mahasoa tao an-tokantranony. Irinao ve ny hankafy tombontsoa sy fitahiana mitovy amin’izany? Raha izany no izy, dia ho tsara ny hanahafanao ny toetra nasehon’i Filipo, ilay mpitory ny filazantsara.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara