FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w99 1/11 p. 28-29
  • Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny Mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Mitovitovy Aminy
  • Fananganan-tsaina, Fifidianana, ary Fanompoana Sivily
    “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
  • Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Tsy Manao Politika?
    Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • “Tsy Naman’izao Tontolo Izao”
    Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • “Tsy Anisan’Izao Tontolo Izao Izy”
    Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
w99 1/11 p. 28-29

Fanontanian’ny Mpamaky

Ahoana no fiheveran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fanaovana latsa-bato na fifidianana?

Misy foto-pitsipika mazava voalaza ao amin’ny Baiboly, izay mahatonga ny mpanompon’Andriamanitra ho afaka hanana fomba fijery mety, mahakasika io raharaha io. Na izany aza, dia toa tsy misy foto-pitsipika manohitra ny fanaovana latsa-bato. Afaka manao latsa-bato, ohatra, ireo olona anisan’ny filan-kevi-pitantanan’ny fikambanana iray mba handraisana fanapahan-kevitra izay mahakasika ny fikambanan’izy ireo, ary tsy misy antony tsy tokony hanaovan’izy ireo izany latsa-bato izany. Matetika ny kôngregasiônan’ny Vavolombelon’i Jehovah no manao latsa-bato amin’ny alalan’ny tsangan-tanana mba handraisana fanapahan-kevitra rehefa mifidy ireo fotoana hanaovana ny fivoriany, sy rehefa manapaka ny amin’izay hampiasana ny volan’ny kôngregasiôna.

Ahoana anefa ny amin’ny latsa-bato mandritra ireo fifidianana ara-politika? Mazava ho azy fa any amin’ny tany demokratika sasany, dia ny 50 isan-jaton’ny mponina mihitsy no tsy mandeha mandatsa-bato amin’ny andro fifidianana. Raha ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia sady tsy misalovana amin’ny zon’ny hafa handatsa-bato izy ireo, no tsy manao zavatra na inona na inona mba hanoherana fifidianana ara-politika. Manaja sy miara-miasa amin’ireo manam-pahefana voafidy ara-dalàna amin’ny fifidianana toy ireny, izy ireo. (Romana 13:1-7). Raha ny amin’ny hoe handatsa-bato ho an’ny olona iray nilatsaka hofidina ve izy ireo sa tsia, dia anjaran’ny Vavolombelon’i Jehovah tsirairay ny mandray fanapahan-kevitra miorina amin’ny feon’ny fieritreretany voataizan’ny Baiboly sy miorina amin’ny fahatakarany ny andraikiny eo anatrehan’Andriamanitra sy ny Firenena. (Matio 22:21; 1 Petera 3:16). Mandinika anton-javatra maromaro ny Vavolombelona rehefa manao izany fanapahan-kevitra manokana izany.

Voalohany aloha, dia hoy i Jesosy Kristy mahakasika ireo mpanara-dia azy: “Tsy naman’izao tontolo izao [izy ireo], tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao.” (Jaona 17:14). Mihevitra io foto-pitsipika io ho zava-dehibe ny Vavolombelon’i Jehovah. Noho izy ireo “tsy naman’izao tontolo izao”, dia tsy momba ny atsy na ny aroa izy ireo eo amin’ny raharaha ara-politikan’izao tontolo izao. — Jaona 18:36.

Faharoa, dia nilaza ny tenany ho “ambasadôra” nisolo tena an’i Kristy teo anivon’ny olona tamin’ny androny, ny apostoly Paoly. (Efesiana 6:20, fanamarihana ambany pejy; 2 Korintiana 5:20, f.a.p.). Mino ny Vavolombelon’i Jehovah fa amin’izao fotoana izao i Kristy Jesosy dia efa Mpanjaka nomena fiandrianana ao amin’ilay Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra, ary tsy maintsy manambara izany amin’ireo firenena izy ireo, toy ny ambasadaoro. (Matio 24:14; Apokalypsy 11:15). Antenaina tsy homba ny atsy na ny aroa ny ambasadaoro, no sady antenaina tsy hitsabaka amin’ireo raharahan-tokantranon’ireo firenena andefasana azy. Koa satria solontenan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra ny Vavolombelon’i Jehovah, dia mahatsiaro tena ho manana adidy toy izany koa izy ireo, ka tsy mitsabaka amin’ny politikan’ireo firenena misy azy.

Anton-javatra fahatelo tokony hodinihina ny hoe mety ho lasa tompon’andraikitra amin’izay ataon’ilay olona fidiny ho amin’ny toeram-pahefana iray, ireo mandray anjara amin’ilay latsa-bato. (Ampitahao amin’ny 1 Timoty 5:22.) Tsy maintsy mandinika amim-pitandremana ny Kristianina raha te hiantsoroka izany andraikitra izany izy ireo, na tsia.

Fahefatra, dia sarobidy loatra amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny firaisan-tsainy kristianina. (Kolosiana 3:14). Rehefa mitsabaka amin’ny politika ny fivavahana, dia matetika izany no miteraka fisaraham-bazana eo anivon’ireo mpikambana ao aminy. Ho fanahafana an’i Jesosy Kristy, dia tsy mitsabaka amin’ny politika ny Vavolombelon’i Jehovah, ka amin’izany izy ireo dia mitandro ny firaisan-tsainy kristianina. — Matio 12:25; Jaona 6:15; 18:36, 37.

Ny fahadimy sady farany dia izao: Ny tsy fanaovan’ny Vavolombelon’i Jehovah politika dia manome azy ireo fahafahana hiteny amin-kalalahana rehefa mitondra ilay hafatra lehibe momba ilay Fanjakana any amin’olona avy amin’ny firehana politika rehetra. — Hebreo 10:35.

Noho ireo foto-pitsipika araka ny Soratra Masina voasoritra etsy ambony, dia manapa-kevitra manokana ny tsy handatsa-bato amin’ny fifidianana ara-politika ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany maro, ary manohana ny fahalalahan’izy ireo hanao izany fanapahan-kevitra izany ny lalàna ao amin’ilay tany. Ahoana anefa raha toa ny lalàna ka mitaky amin’ny olom-pirenena mba handatsa-bato? Amin’ny toy izany, dia ny Vavolombelona tsirairay no manana andraikitra hanapa-kevitra mahakasika izay fomba hiatrehany ilay toe-javatra, ka handray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny feon’ny fieritreretany sy miorina amin’ny Baiboly. Raha manapa-kevitra ny hankao amin’ny trano fisainana any amin’ny biraom-pifidianana ny olona iray, dia fanapahan-keviny izany. Raharahan’izy sy ilay Mpamorona azy izay ataony ao amin’ny trano fisainana.

Hoy Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Novambra 1950 (anglisy), eo amin’ny pejy faha-445 sy 446: “Any amin’ny tany izay aneren’i Kaisara ny olom-pirenena handatsa-bato (...) dia afaka mankany amin’ny biraom-pifidianana sy miditra ao amin’ny trano fisainana [ny Vavolombelona]. Ao izy ireo no asaina hifidy ny vatony na hanoratra izay hiandaniany. Afaka manao izay tiany hatao amin’ny vatony ny mpifidy. Eo anatrehan’Andriamanitra àry, dia ao no tsy maintsy anaovan’ireo vavolombelony zavatra mifanaraka amin’ny didin’Andriamanitra sy araka ny finoan’izy ireo. Tsy andraikitsika ny mibaiko azy ireo ny amin’izay tokony hataony amin’ilay vato.”

Ahoana raha manizingizina ny handehanan’ny vehivavy kristianina iray hifidy ny vadiny tsy mpino? Tokony hanaiky ny vadiny izy, tsy misy hafa amin’ny tokony haneken’ny Kristianina ny fahefana lehibe. (Efesiana 5:22; 1 Petera 2:13-17). Raha mankato ny vadiny izy ka mankany amin’ny trano fisainana, dia fanapahan-keviny manokana izany. Tsy misy olona tokony hanakiana azy amin’izany. Ampitahao amin’ny Romana 14:4.

Ahoana raha toa ka tsy andidian’ny lalàna ao amin’ny tany iray ny fandehanana mandatsa-bato, fa ankahalaina kosa ireo tsy mandeha mifidy — angamba izy ireo mety hahita loza eo amin’ny lafiny ara-batana? Na, ahoana raha toa ka tsy teren’ny lalàna handatsa-bato ny olona, kanefa misy fomba hanasaziana azy mafy raha tsy mandeha mifidy izy? Amin’ireo toe-javatra ireo sy ny mitovy aminy, dia tsy maintsy manao ny fanapahan-keviny manokana ny Kristianina isam-batan’olona. “Samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra.” — Galatiana 6:5.

Mety hisy olona ho tafintohina rehefa mahita fa, mandritra ny fifidianana iray ao amin’ny fireneny, dia misy Vavolombelon’i Jehovah sasany mankany amin’ny birao fandatsaham-bato ary ny sasany tsy mankany. Mety hilaza izy ireo hoe: ‘Mifanipaka an-toerana ny Vavolombelon’i Jehovah.’ Tokony ho takatry ny olona anefa fa, amin’ny raharaha toy izany izay miankina amin’ny feon’ny fieritreretan’ny isam-batan’olona, dia ny Kristianina tsirairay no tsy maintsy mandray ny fanapahan-keviny manokana eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra. — Romana 14:12.

Na inona na inona fanapahan-kevitra manokana raisin’ny Vavolombelon’i Jehovah isam-batan’olona, eo anoloan’ny toe-javatra samy hafa, dia mitandrina izy ireo mba hihazona ny fahafahany hiteny an-kalalahana sy ny tsy fombany ny atsy na ny aroa. Amin’ny zava-drehetra, dia miantehitra amin’i Jehovah Andriamanitra izy ireo mba hanatanjaka azy sy hanome fahendrena azy ary hanampy azy tsy hampandefitra ny finoany, na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana. Asehon’izy ireo amin’izany fa matoky izao tenin’ny mpanao salamo izao izy ireo: “Harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao; ary noho ny anaranao no hitondranao sy ny hitarihanao ahy.” — Salamo 31:3.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara