FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w01 15/1 p. 3
  • Nahoana Isika no Tokony Hamboly Hatsaran-toetra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana Isika no Tokony Hamboly Hatsaran-toetra?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Fomba Ahafahantsika Mamboly Hatsaran-toetra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Mikatsaka Hatsaran-toetra ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Ahoana no Ahafahantsika Manampy Hatsaran-toetra Amin’ny Finoantsika?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Ekeo ny Fampanantenan’Andriamanitra Amin’ny Fanehoana Finoana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
w01 15/1 p. 3

Nahoana Isika no Tokony Hamboly Hatsaran-toetra?

NIFINDRA monina vao haingana tany Etazonia ny lehilahy japoney iray efa zokinjokiny, atao hoe Kunihito.a Herinandro vitsivitsy taorian’ny nahatongavany, dia niatrika toe-javatra iray nety ho nanimba ny asany izy. Nitantara toy izao i Kunihito: “Rehefa nanontany ahy ny lehibeko raha afaka hiantsoroka andraikitra iray aho, dia tsy nisalasala mihitsy aho ny hanaiky ilay izy. Araka ny nitaizana ahy anefa dia hatsaran-toetra ny fiheveran-tena araka ny antonony, ka namaly aho hoe: ‘Tsy azoko antoka raha ho afaka hanao izany aho, nefa hiezaka hanao araka izay fara heriko aho.’ Tamin’ilay lehibeko, izay Amerikanina, dia toy ny hoe tsy ampy fahaizana sy fatokisan-tena aho. Rehefa fantatro izany, dia takatro fa nila nanao fanitsiana sasantsasany aho.”

Mpianatra faran’izay nahay ary vonona ny hanampy ny mpiara-mianatra taminy foana i Maria, izay mipetraka any New York. Mpiara-mianatra taminy i Juan, izay niangavy an’i Maria mba hanampy azy indraindray. Nanjary raiki-pitia taminy koa anefa ilay tovolahy, ka niezaka ny hampiaiky volana azy. Na dia naniry ny hadio fitondran-tena hatrany aza i Maria, dia babon’ny fanangolen’i Juan izy, ka tafalatsaka tao anatin’ny fahalotoam-pitondran-tena.

Tena zava-tsarotra ny maneho hatsaran-toetra eto amin’ity tontolo tsy mitovy kolontsaina sady ratsy fitondran-tena ity. Koa nahoana àry no tokony hamboly hatsaran-toetra isika? Satria mampifaly an’Andriamanitra ny fitondran-tena tsara, ary azo antoka fa maniry hahazo ny fankasitrahany ny ankamaroantsika.

Mampirisika ny mpamaky azy mba hamboly hatsaran-toetra ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra. Ohatra, nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Raha misy [hatsaran-toetra, NW ], ary raha misy dera, dia hevero izany.” (Filipiana 4:8). Ary mampirisika mafy antsika ny apostoly Petera mba hanao ‘ezaka amim-pahatsorana amin’ny fanampiana hatsaran-toetra ny finoantsika’. (2 Petera 1:5, NW ). Inona anefa no atao hoe hatsaran-toetra? Azo ampianarina any an-dakilasy ve izy io? Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika mamboly azy io?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Novana ny anarana sasany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara