Diso Fandray ny Hevitrao ve ny Hafa?
SAHIRAN-TSAINA i Antonio. Tsy hita akory izay antony, fa tampoka teo dia nanjary tsy sariaka taminy i Leonardo, namany tsy foiny.a Tsy novaliana ny fiarahaban’i Antonio tamin’ny fotoana samihafa, ary rehefa tafaraka izy roa lahy dia toa nanjary nisy rindrina nampisaraka azy. Nanomboka natahotra i Antonio sao diso fandray ny zavatra nataony na nolazainy ilay namany. Fa inona anefa?
Mpitranga matetika ny tsy fahazoan-kevitra. Maro no tsy dia manao ahoana loatra ka mora alamina. Misy kosa faran’izay mahakivy, indrindra fa rehefa misy hevi-diso tsy mety afaka na dia efa atao aza ny ezaka rehetra mba hampisava azy. Nahoana no mitranga ny tsy fahazoan-kevitra? Inona no fiantraikany eo amin’ireo voakasik’izany? Inona no azonao atao raha diso fandray ny zavatra ataonao ny hafa? Tena zava-dehibe tokoa ve izay heverin’ny hafa momba anao?
Zava-misy tsy azo ihodivirana
Na ho ela na ho haingana, dia tsy maintsy hisy handika vilana ny tenintsika na ny ataontsika, satria tsy misy olon-kafa afaka mamaky ny eritreritsika sy izay ao an-tsaintsika. Maro be ny toe-javatra mety hampisy tsy fahazoan-kevitra. Indraindray, dia tsy voazavantsika tsara sy marina tsara fotsiny ny hevitsika. Mety ho sarotra amin’ny hafa koa ny mihaino tsara ny tenintsika noho ny tabataba eo amin’ny manodidina na noho ny fanelingelenana hafa.
Misy koa fahazarana sy fihetsika sasany mora adika vilana. Ny olona iray saro-kenatra, ohatra, dia mety hotsaraina vilana ho tsy sariaka, na mihatakataka, na miavonavona. Noho ny zavatra niainan’ny olona iray tamin’ny lasa, dia mety hatosiky ny fihetseham-po fa tsy ny fisainana ny fihetsiny manoloana toe-javatra sasany. Noho ny tsy fitoviana eo amin’ny lafiny kolontsaina sy fitenenana dia tsy mandeha ho azy ny fifankahazoan-kevitra. Manampy trotraka izany ny tsaho sy ny fosafosa, hany ka tsy tokony hahagaga antsika raha tsy mitovy amin’ilay nikasana azy tany am-boalohany indraindray no andikana ireo zavatra nolazaina na natao. Mazava ho azy fa izany rehetra izany dia tsy mampionona firy ny olona izay mihevitra fa nadika vilana ny zavatra tao an-tsainy.
Tsy nanana sain-dratsy mihitsy, ohatra, i Anna fony izy nilaza fa be mpitia ny namany iray, izay tsy teo tamin’izay. Nisy namerina ny teniny, saingy tsy nanambara ny toe-javatra nilazany izany. Koa taitra sy nangaihay àry i Anna rehefa niampanga azy tamin-katezerana teo imason’ny olona maro ilay namany hoe nialona ny fiahiana manokana azony tamin’ny lehilahy iray namany, hono, i Anna. Nadika vilana tanteraka ny tenin’i Anna, ka tsy nisy vokany ny ezaka rehetra nataony mba hanomezana toky ilay namany fa tsy nikasa hanisy ratsy izy. Niteraka alahelo be izany toe-javatra izany, ary ela be vao afaka nanitsy tanteraka ilay tsy fahazoan-kevitra i Anna.
Matetika no miankina amin’ny fomba fiheveran’ny hafa hoe izao no ao an-tsainao no hitsarany anao. Koa ara-dalàna raha sosotra ianao rehefa misy mandika vilana ny antony manosika anao hanao zavatra. Mety ho tafintohina ianao, ka hihevitra fa tsy misy mihitsy antony tokony hahatonga ny olona ho diso fandray ny hevitrao. Aminao ny fitsarana toy izany dia fitsarana miangatra, feno fanakianana, na diso tanteraka, ary faran’izay mandratra fo ilay izy raha olona hajainao no manao ilay fitsarana tsy ara-drariny.
Na dia mety hanorisory anao aza ny fomba itsaran’ny olona anao, dia tsara hohajaina ihany ny fihevitry ny hafa. Tsy fomba kristianina mantsy ny tsy miraharaha izay heverin’ny hafa, ary tsy irintsika hisy vokany ratsy eo amin’ny hafa mihitsy ny tenintsika, na ny ataontsika. (Matio 7:12; 1 Korintiana 8:12). Koa mety hilaina àry indraindray ny hiezahanao hanitsy ny fiheverana diso ananan’ny olona iray momba anao. Vao mainka hanimba zavatra anefa ny filana sitraka tafahoatra, satria mahatonga anao hahatsiaro tena ho tsy misy vidiny, na ho voailikilika. Raha dinihina tokoa anie, dia tsy miankina amin’izay heverin’ny hafa ny tena hasarobidinao e!
Etsy an-danin’izany anefa, dia mety hiaiky ianao fa marim-pototra ilay fanakianana anao. Mety hampahory koa izany, kanefa raha vonona hiaiky amim-pahatsorana ny tsy fahalavorarianao ianao, dia mety hahasoa anao sy hanosika anao hanao ireo fiovana ilaina ny zavatra toy izany.
Voka-dratsy
Mety hisy vokany ratsy be ny tsy fahazoan-kevitra, nefa tsy voatery ho toy izany foana. Raha mandre lehilahy iray miteny mafy, ohatra, ianao ao amin’ny hotely fisakafoana, dia mety hanatsoaka hevitra fa, na be resaka izy io, na tia misehoseho. Mety ho diso hevitra ianao. Mety ho somary marenindrenina ilay olona iresahany. Na mety ho toa mahasosotra ny mpivarotra iray, kanefa angamba izy mahatsiaro ho tsy tsaratsara. Na dia misy vokany tsy mahafinaritra aza ny tsy fahazoan-kevitra toy izany, dia azo inoana fa tsy hiteraka vokany ratsy be na maharitra. Indraindray anefa, dia mety hitera-doza ny tsy fahazoan-kevitra. Diniho ange ireto zava-nitranga roa teo amin’ny tantaran’ny Isiraely fahiny ireto e!
Rehefa maty i Nahasy, mpanjakan’ny Amonita, dia nandefa iraka i Davida mba hitsapa alahelo an’i Hanona, zanany lahy izay nanomboka nanjaka ho solon-drainy. Nadika vilana ho fahavalo hisafo ny tanin’ny Amonita anefa ireo mpamangy, ka nahatonga an’i Hanona hampietry ireo iraka aloha, ary avy eo dia hiady tamin’ny Isiraely. Olona 47 000, fara fahakeliny, no maty vokatr’izany, ka fandikana vilana ny fikasana tsara no anton’izany rehetra izany.—1 Tantara 19:1-19.
Tsy nitovy tamin’izany mihitsy ny nandaminana tsy fahazoan-kevitra hafa iray, tany am-piandohan’ny tantaran’ny Isiraely. Nanorina alitara nibaribary be teo anilan’ny Ony Jordana, ny fokon’i Robena sy i Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase. Noheverin’ny sisa tamin’ny Isiraely ho fanaovan-javatra nampiseho tsy fahatokiana izany, ho fikomiana tamin’i Jehovah. Koa nivondrona àry izy ireo mba hiara-manafika. Talohan’ny nanaovan-javatra henjana anefa, dia nandefa iraka ireo Isiraelita hafa ireo mba hilaza ny fahatafintohinany noho ilay toa fanaovan-javatra nampiseho fivadihana. Tsara ny nanaovan’izy ireo izany satria namaly ireo nanorina ilay alitara fa tsy nikasa hiala tamin’ny fanompoam-pivavahana madio mihitsy izy ireo. Nifanohitra tamin’izany aza fa natao ho tsangambato vavolombelon’ny fahatokiany teo anatrehan’i Jehovah ilay alitara. Nety ho niteraka ra nandriaka io tsy fahazoan-kevitra io, saingy voasoroka izany vokany mahatsiravina izany noho ny fahendrena.—Josoa 22:10-34.
Hazavao amim-pitiavana ny toe-javatra
Ahazoana fianarana ny fampitahana ireo fitantarana ireo. Miharihary fa fahendrena ny manazava ilay zavatra mampiady hevitra. Tamin’ilay zava-nitranga voaresaka farany teo, iza moa no mahalala hoe aina firy no voatsimbina, satria fotsiny nifampiresaka ny andaniny roa? Raha tsy mazava tsara aminao ny tena tao an-tsain’ny hafa, dia tsy ain’olona akory no hotandindomin-doza, amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, fa mety ho fisakaizana. Koa raha heverinao fa nisy nanao zavatra tsy nety taminao, moa ve azonao antoka fa takatrao tsara araka ny tena izy ilay toe-javatra, sa ianao mandika vilana azy io? Inona no antony nanosika ilay olona? Anontanio izy. Mihevitra ve ianao fa diso fandray ny hevitrao ny hafa? Resaho izany. Aza avela hanakana anao ny avonavona.
Misy fandrisihana tsara dia tsara nomen’i Jesosy mba handaminana ireo tsy fahazoan-kevitra: “Ary amin’izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin’ny alitara hianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, dia avelao eo anoloan’ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin’ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.” (Matio 5:23, 24). Koa ny zavatra tsara hatao àry, dia ny manatona ilay olona mitokana, fa tsy mampiditra olon-kafa. Vao mainka hiharatsy ny toe-javatra raha mandre voalohany ny fitarainanao avy amin’olon-kafa ilay nanafintohina. (Ohabolana 17:9). Ny handrindra fihavanana amim-pitiavana no tokony ho tanjonao. Aoka ianao ho tony tsara eo am-panazavana ilay olana amin’ny teny tsotra sy mazava ary teny tsy miampanga. Hazavao ny fihetseham-po tsapanao vokatr’ilay toe-javatra. Avy eo dia henoy amin’ny saina tsy miangatra ny fomba fihevitr’ilay olona. Aza tonga dia eritreretina hoe ratsy loha izy. Meteza hanaisotra ny ahiahinao, satria tsy fantatrao avokoa ny zava-drehetra tafiditra. Tadidio fa “mino ny zavatra rehetra” ny fitiavana.—1 Korintiana 13:7.
Mazava ho azy fa mety mbola hisy ihany fihetseham-po voaratra na voka-dratsy tsy afaka, na dia rehefa voazava aza ny tsy fahazoan-kevitra. Inona no azo atao? Rehefa tena ilaina izany, dia tena mety tokoa ny miala tsiny amim-pahatsorana, sy manao izay zavatra hafa azo atao mba hanitsiana ny toe-javatra. Amin’izany rehetra izany, dia tsara raha manaraka izao torohevitra ara-tsindrimandry izao ilay andaniny voadona: “Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin’ny fahatanterahana izany.”—Kolosiana 3:13, 14; 1 Petera 4:8.
Raha mbola tsy lavorary koa isika, dia hisy foana ny tsy fahazoan-kevitra sy ny fihetseham-po voaratra. Na iza na iza dia mety hanao fahadisoana, na hanao teny toa tsy voalanjalanja na henjana. Izao no lazain’ny Baiboly : “Fa tafintohina amin’ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin’ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa.” (Jakoba 3:2). Koa satria fantatr’i Jehovah Andriamanitra tsara izany, dia nomeny izao toromarika izao isika: “Aoka tsy halaky tezitra ny fanahinao; fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran’ny adala. Aza mihainohaino ny teny rehetra tenenina, fandrao handre ny mpanomponao manozona anao hianao; fa fantatry ny fonao fa na dia ny tenanao aza dia mba efa nanozona ny sasany matetika ihany koa.”—Mpitoriteny 7:9, 21, 22.
“Jehovah ihany no Mpandanja ny fo”
Ahoana raha toa ny olona iray ka tsy laitra ahitsy mihitsy amin’ny heviny diso momba anao? Aza manary toky. Manohiza mamboly sy mampiseho toetra kristianina araka izay fara herinao. Angataho i Jehovah mba hanampy anao hanatsara izay lafiny ilainao hihatsarana. Tsy ny olon-kafa akory amin’ny farany no hamaritra ny tena hasarobidinao. I Jehovah irery ihany no afaka ‘mandanja ny fo’ amin’ny fomba marina. (Ohabolana 21:2). Na i Jesosy aza dia tsy tian’ny olona sy nataony tsinontsinona, kanefa tsy nampiova ny fiheveran’i Jehovah momba azy izany. (Isaia 53:3). Na misy aza olona mety ho diso fitsara anao, dia afaka ‘mandoatra ny fonao’ eo anatrehan’i Jehovah ianao, ka matoky fa mahazo ny fihevitrao izy satria “tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo”. (Salamo 62:8; 1 Samoela 16:7). Raha mikiry manao ny tsara ianao, dia hahatakatra ny fahadisoany sy hiova hevitra ihany amin’ny farany ireo nanana fiheverana ratsy momba anao.—Galatiana 6:9; 2 Timoty 2:15.
Tadidinao ve i Antonio, ilay voalaza terỳ am-piandohan’ny lahatsoratra? Nisikina herim-po izy mba hanarahana ny torohevitry ny Soratra Masina, ka niresaka tamin’i Leonardo namany. Nanontaniany hoe inona no nataony ka nahasosotra ilay sakaizany. Inona no vokatr’izany? Zendana i Leonardo. Novaliany fa tsy nisy zavatra nahasosotra azy nataon’i Antonio, ary nomeny toky i Antonio fa tsy nanao fanahy iniana ny hanova fihetsika teo anatrehany izy. Angamba lasam-borona fotsiny izy matoa toa tsy sariaka. Niala tsiny i Leonardo fa nandratra tsy fidiny ny fihetseham-pon’ilay namany, ary nisaotra azy izy satria nampahafantatra ilay toe-javatra. Nolazainy koa fa hitandrina kokoa izy amin’ny hoavy mba tsy hanao izay hahatonga ny hafa hieritreritra toy izany. Nisava tsotra izao ny fihenjanana rehetra, ary lasa mpinamana akaiky toy ny taloha indray izy roa lahy.
Tsy mahafinaritra mihitsy ny mahatsapa fa diso fandray ny hevitrao ny hafa. Raha manao izay rehetra azonao atao anefa ianao mba hanazavana ny toe-javatra sy mba hampiharana ireo foto-pitsipika araka ny Soratra Masina momba ny fitiavana sy ny famelan-keloka, dia azo inoana tokoa fa hahita vokatra tsara toy izany ianao.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Nosoloana ny anarana sasany ato amin’ity lahatsoratra ity.
[Sary, pejy 23]
Mitondra vokatra tsara ny fanazavana ny toe-javatra amim-pitiavana sy famelan-keloka