FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w01 1/5 p. 19
  • Voadio ny Anaran’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Voadio ny Anaran’Andriamanitra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no Ahafahako Mifandray Tsara Amin’ny Mpampianatra Ahy?
    Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra
  • Inona no Azoko Atao mba Hifandraisana Tsara Amin’ny Mpampianatra Anay?
    Manontany ny Tanora
  • Inona no Hataoko fa Tsy Tiako ny Mpampianatra Anay?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Voalohany
  • Mihoatra Noho Izay Nantenainy no Vitany
    Mifohaza!—2003
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
w01 1/5 p. 19

Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana

Voadio ny Anaran’Andriamanitra

HOY ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra: “Aoka ho tsara ny fitondrantenanareo eo amin’ny jentilisa, mba hankalazany an’Andriamanitra amin’ny andro famangiana noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo, dia izay anendrikendrehany anareo ho mpanao ratsy.” (1 Petera 2:12) Noho izany, dia miezaka mafy mba ho tsara fitondran-tena hatrany ny Kristianina marina, mba tsy hanala baraka ny anaran’i Jehovah.

Nisy nangalatra tao an-tranony ny radion’ny mpampianatra iray tany Senanga, faritra mitokana iray any Zambia. Nolazain’ilay lehilahy fa ny Vavolombelon’i Jehovah no nangalatra an’ilay izy, satria nitory tao amin’io faritra io izy ireo. Nandeha tany amin’ny polisy izy, ka nilaza fa ny Vavolombelona no nangalatra ny radiony. Nampiseho taratasy mivalona iray, hitany teo amin’ny gorodona, izy, mba hanaporofoana fa nankao an-tranony ny Vavolombelona. Tsy nety nino azy anefa ny polisy. Nasain’izy ireo nanadihady tsara kokoa izy.

Nasain’ny fitambaran’ny anti-panahy nandeha niresaka tamin’ilay mpampianatra ireo Vavolombelona nitory tao amin’ilay faritra nipetrahany tamin’iny andro iny. Nandeha niresaka taminy ny rahalahy sasany, ka nanazava taminy fa naniry hanadio ny anaran’i Jehovah izy ireo. Nandritra ilay resaka nataony, dia nilaza tamin’ilay mpampianatra izy ireo fa nahita tovolahy iray tao an-tranony, ka nanome azy taratasy mivalona iray. Fantatr’ilay mpampianatra io lehilahy io, rehefa nolazalazain’izy ireo taminy ny endriny. Mpiara-mivavaka ry zareo, raha ny marina. Niresaka tamin’ilay tovolahy ilay mpampianatra, nefa nolaviny ny fiampangana azy. Avy eo, dia niresaka tamin’ny ray aman-drenin’ilay tovolahy ilay mpampianatra, ary nody. Tsy ampy adiny iray akory, dia namerina ilay radio nangalarina ny renin’ilay tovolahy.

Nanenina ilay mpampianatra, ka nanatona ny fitambaran’ny anti-panahy, ary nangata-pamelana noho izy nanendrikendrika. Neken’ny anti-panahy ny fialan-tsiny nataony, nefa nangatahan’izy ireo ny hampahafantarana amin’ny besinimaro ny vokatry ny famotopotorana, mba ho fantatry ny rehetra fa tsy meloka ny Vavolombelona. Nisy filazana natao tany amin’ilay sekoly, hany ka voadio ny anaran’i Jehovah. Afaka manohy mitory amin-kalalahana ao amin’io faritra io ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sarintany/Sary, pejy 19]

(Jereo ny gazety)

AFRIKA

Zambia

[Sary nahazoan-dalana]

Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara