FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w01 15/9 p. 28
  • Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny Mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Fanompoam-pivavahan’iza no Eken’Andriamanitra?
    Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Fanahy Masina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mivavaka Amin’ny Fanahy sy ny Fahamarinana ny Kristianina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Nahoana Isika no Tokony Hanaiky ny Tari-dalan’ny Fanahy Masina?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
w01 15/9 p. 28

Fanontanian’ny Mpamaky

Inona no dikan’ny hoe mivavaka amin’i Jehovah “amin’ny fanahy”?

Nitory tamin’ny vehivavy samaritanina iray nantsaka teo amin’ny fantsakan’i Jakoba, akaikin’ny tanànan’i Sykara, i Jesosy Kristy, ka nilaza taminy hoe: “Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.” (Jaona 4:24) Tsy maintsy atao ‘amin’ny fahamarinana’ ny fivavahana marina, izany hoe tsy maintsy ampifanarahina amin’izay lazain’i Jehovah Andriamanitra momba ny tenany sy ny fikasany, ao amin’ny Baiboly. Tsy maintsy mivavaka amin’Andriamanitra amin’ny fanahy koa isika, izany hoe tokony ho be zotom-po sy hatosiky ny fo feno fitiavana sy finoana. (Titosy 2:14) Asehon’ny teny manodidina anefa, fa tsy ny toe-tsaina entintsika manompo an’i Jehovah ihany no tafiditra amin’ny ataon’i Jesosy hoe ‘mivavaka amin’Andriamanitra amin’ny fanahy.’

Tsy ny hafanam-po amin’ny fivavahana akory no noresahin’i Jesosy tamin’ilay vehivavy teo am-pantsakana. Mety hazoto sy hafana fo amin’ny fivavahan-diso koa mantsy ny olona. Nilaza kosa i Jesosy fa tsy any an-tendrombohitr’i Samaria na ao amin’ny tempolin’i Jerosalema, izay samy toerana hita maso, no hivavahana amin’ny Ray. Nanoro fomba fivavahana vaovao izy, dia fivavahana mifanaraka amin’ny tena toetran’Andriamanitra. (Jaona 4:21) Hoy izy: “Andriamanitra dia fanahy.” (Jaona 4:24) Sady tsy hita maso ilay Andriamanitra marina no tsy azo tsapain-tanana. Tsy tempoly na tendrombohitra ara-bakiteny no zava-dehibe indrindra, rehefa mivavaka aminy. Lafiny tsy hita maso amin’ny fivavahana amin’Andriamanitra àry no noresahin’i Jesosy.

Sady atao amin’ny fahamarinana ny fivavahana eken’Andriamanitra, no tsy maintsy ampifanarahina amin’ny tari-dalan’ny fanahy masina, dia ilay hery tsy hita maso ampiasain’Andriamanitra. “Ny Fanahy [Masina] mamantatra ny zavatra rehetra”, hoy ny apostoly Paoly, “na dia ny saina lalina izay an’Andriamanitra aza.” Hoy koa izy: “Isika tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao, fa ny Fanahy Izay avy amin’Andriamanitra, mba ho fantatsika izay zavatra nomen’Andriamanitra antsika.” (1 Korintiana 2:8-12) Tsy maintsy mahazo ny fanahin’Andriamanitra sy tarihin’izy io isika, raha tiantsika heken’Andriamanitra ny fivavahantsika. Tokony hampifanaraka ny toe-tsaintsika amin’ny an’Andriamanitra koa isika, amin’ny alalan’ny fianarana sy ny fampiharana ny Teniny.

[Sary, pejy 28]

Mivavaha amin’Andriamanitra “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara