FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w03 1/8 p. 14-19
  • Manahafa An’ilay Andriamanitry ny Fahamarinana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manahafa An’ilay Andriamanitry ny Fahamarinana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mahafantatra ny marina ny mpanompon’i Jehovah
  • Milaza ny marina ny mpanompon’i Jehovah
  • Manambara ny fahamarinana ny mpanompon’i Jehovah
  • Manaova hatrany ny marina
  • Jehovah, Ilay Andriamanitry ny Fahamarinana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Mbola Zava-dehibe ve ny Marina?
    Foto-kevitra Hafa
  • Milazà ny Marina Amin’ny Namanareo Avy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Mivavaka Amin’ny Fanahy sy ny Fahamarinana ny Kristianina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
w03 1/8 p. 14-19

Manahafa An’ilay Andriamanitry ny Fahamarinana

“Aoka hanahaka an’Andriamanitra hianareo tahaka ny zanaka malala.”​—EFESIANA 5:1.

1. Inona no hevitry ny olona sasany momba ny fahamarinana, ary nahoana no diso hevitra izy ireo?

“INONA no marina?” (Jaona 18:38) Io fanontaniana somary maneso io no napetrak’i Pontio Pilato, efa ho 2000 taona lasa izay. Toa te hilaza izy fa saro-takarina loatra ny fahamarinana, ka tsy tokony hokatsahina. Maro no mihevitra toy izany ankehitriny. Misalasala ny amin’ny atao hoe fahamarinana ny olona. Efa nahare olona niteny angamba ianao hoe ny tsirairay no mamaritra izay atao hoe marina, na hoe tsy misy izany tena fahamarinana izany, na miovaova foana izy io. Diso anefa izany fomba fihevitra izany. Ny tena zava-kendren’ny fikarohana sy ny fianarana dia ny hahafantatra ny zava-misy, na ny marina momba ny tontolo iainantsika. Tsy miankina amin’ny tsirairay ny atao hoe fahamarinana. Ireto misy ohatra: na mety maty ny fanahy, na tsy mety maty. Na misy i Satana, na tsy misy. Na manan-java-kendrena ny fiainana, na tsy manana. Tsy maintsy ny iray amin’ireo ihany no marina, fa ny iray kosa diso. Tsy mety hoe samy marina izy roa.

2. Amin’ny heviny ahoana i Jehovah no Andriamanitry ny fahamarinana, ary inona avy no fanontaniana hodinihintsika?

2 Nodinihintsika tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha fa Andriamanitry ny fahamarinana i Jehovah. Mahafantatra ny marina momba ny zava-drehetra izy. Milaza ny marina foana izy, fa tsy toa an’i Satana Devoly, ilay fahavalony mpamitaka. Ankoatra izany, dia mampiharihary fahamarinana maro be amin’ny olona izy. Nampirisika ny Kristianina ny apostoly Paoly hoe: “Aoka hanahaka an’Andriamanitra hianareo tahaka ny zanaka malala.” (Efesiana 5:1) Ahoana àry no hanahafantsika Vavolombelon’i Jehovah azy, ka hilaza sy hanao ny marina eo amin’ny fiainantsika? Nahoana izany no zava-dehibe? Ary inona no antoka ananantsika fa ankasitrahan’i Jehovah ireo manao hatrany ny marina? Handinika izany isika izao.

3, 4. Inona no nolazain’ny apostoly Paoly sy Petera fa hitranga mandritra ny ‘andro farany’?

3 Tena betsaka ny lainga ara-pivavahana ankehitriny. Maro no miseho ho mpivavaka be amin’izao ‘andro farany’ izao, nefa tsy misy heriny eo amin’ny fiainany akory ny maha mpivavaka azy. Nahazo herin’ny fanahy masina ny apostoly Paoly mba hilaza izany mialoha. Misy koa ny manohitra ny fahamarinana, satria “maloto saina.” Ankoatra izany, ‘ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky dia mandroso miharatsiratsy kokoa sady mamitaka no fitahina.’ Na dia mianatra foana aza ireny olona ireny, dia tsy mahazo “ny fahalalana ny marina” mihitsy.​—2 Timoty 3:1, 5, 7, 8, 13.

4 Nahazo herin’ny fanahy masina koa ny apostoly Petera mba hanoratra momba ny andro farany. Araka ny efa nambarany mialoha, dia tsy vitan’ny hoe mandà ny fahamarinana ny olona, fa maneso ny Tenin’Andriamanitra sy ireo mitory ny fahamarinana raketin’izy io koa. “Minia” tsy mahalala ireo mpaneso ireo fa safotry ny rano tokoa ny tany tamin’ny andron’i Noa, ary mbola hisy andro fitsarana toy izany amin’ny hoavy. Hampidi-doza ho azy ireo izany hevi-disony izany, rehefa ho avy ny fotoana handringanan’Andriamanitra ny ratsy fanahy.​—2 Petera 3:3-7.

Mahafantatra ny marina ny mpanompon’i Jehovah

5. Inona no nambaran’i Daniela fa hitranga amin’ny “andro farany”, ary ahoana no nahatanterahan’izany faminaniana izany?

5 Rehefa nilazalaza ny “andro farany” ny mpaminany Daniela, dia hafa mihitsy ny zavatra nambarany momba ny vahoakan’Andriamanitra. Harisika amin’ny fahamarinana indray izy ireo. Hoy i Daniela: “Maro no hazoto mandinika, ka hitombo ny fahalalana.” (Daniela 12:4) Tsy very hevitra na nohajambain’ilay Mpamitaka raindahiny ny vahoakan’i Jehovah. Nahazo ny tena fahalalana izy ireo, satria nazoto nandinika ny Baiboly. Nanome fahazavana ara-panahy ny mpianany i Jesosy, tamin’ny taonjato voalohany. “Nanokatra ny sain’ireo Izy hahalala ny Soratra Masina.” (Lioka 24:45) Manao toy izany koa i Jehovah ankehitriny. Mampiasa ny Teniny sy ny fanahiny ary ny fandaminany izy, mba hanampiana olona an-tapitrisa eran-tany hahatakatra izay efa fantany, dia ny fahamarinana.

6. Inona avy no fahamarinana ara-baiboly takatry ny vahoakan’Andriamanitra?

6 Maro be ny zavatra takatsika, izay tsy ho fantatsika raha tsy vahoakan’Andriamanitra isika. Fantatsika ny valin’ireo fanontaniana nampiady saina ny olon-kendrin’ity tontolo ity nandritra ny an’arivo taona. Haintsika, ohatra, hoe nahoana no misy ny fijaliana, nahoana ny olona no maty, ary nahoana no tsy vitan’ny olombelona ny hitondra fiadanana sy firaisan-tsaina eto an-tany. Nampahafantarina antsika mialoha koa ny hoavy, izany hoe hifehy ny tany lasa paradisa ny Fanjakan’Andriamanitra, ary ho lasa lavorary ny olona, sady hiaina mandrakizay. Manjary mahafantatra an’i Jehovah, ilay Tompo Fara Tampony isika. Nianarantsika ireo toetrany mahafinaritra, sy izay tsy maintsy ataontsika mba hotahiny. Haintsika ny manavaka hoe inona no tsy marina, satria fantatsika ny fahamarinana. Voaro amin’ny fanaovan-javatra tsy mahasoa koa isika rehefa mampihatra ny fahamarinana, sady afaka mankafy ny fiainana, ary manana fanantenana faran’izay tsara ny amin’ny hoavy.

7. Natao ho an’iza ireo fahamarinana ara-baiboly, fa tsy ho an’iza?

7 Takatrao ve ny fahamarinana ara-baiboly? Raha izany no izy, dia nahazo fitahiana lehibe tokoa ianao. Rehefa manoratra boky ny olona, dia matetika no ataony izay hahatonga ilay izy hahasarika karazan’olona voafaritra tsara. Misy, ohatra, ny boky natao ho an’ny olona nahita fianarana ambony, ho an’ny ankizy, na ho an’ny manam-pahaizana manokana. Na dia afaka mahazo Baiboly mora foana aza ny rehetra, dia misy karazan’olona natao hahazo ny heviny sy hankafy azy io. Nataon’i Jehovah ho an’ny manetry tena sy ny mpandefitra amin’ny tany izy io. Afaka mahatakatra ny hevitry ny Baiboly ny olona toy izany, na inona na inona fianarana vitany, kolontsainy, fari-piainany na fiaviany. (1 Timoty 2:3, 4) Tsy avela hahatakatra izany kosa ireo tsy manana toe-po tsara, na dia marani-tsaina sy nahita fianarana toy inona aza. Tsy ho azon’ny olona mieboebo sy miavonavona ny fahamarinana sarobidy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. (Matio 13:11-15; Lioka 10:21; Asan’ny Apostoly 13:48) Andriamanitra ihany no mahavita boky toy izany.

Milaza ny marina ny mpanompon’i Jehovah

8. Nahoana no i Jesosy mihitsy no fahamarinana?

8 Milaza ny marina toa an’i Jehovah, ireo Vavolombelony mahatoky. Nanamafy ny fahamarinana i Jesosy Kristy, ilay Vavolombelon’i Jehovah niavaka indrindra. Nanao izany izy tamin’ny alalan’ny fampianarany sy ny fomba fiainany ary ny fahafatesany. Niaro ny fahamarinan’ny tenin’i Jehovah sy ny fampanantenany izy. Noho izany, dia izy mihitsy no fahamarinana, araka ny nolazainy.​—Jaona 14:6; Apokalypsy 3:14; 19:10.

9. Inona no lazain’ny Soratra Masina momba ny filazana ny marina?

9 “Feno fahasoavana sy fahamarinana” i Jesosy, ary “tsy nisy fitaka teo am-bavany.” (Jaona 1:14; Isaia 53:9) Manaraka ny ohatr’i Jesosy ny tena Kristianina, ka milaza ny marina amin’ny hafa koa. Nanoro hevitra ny mpiray finoana taminy i Paoly hoe: “Samia milaza ny marina amin’ny namany avy hianareo rehetra; fa samy isan’ny momba ny tenan’ny namantsika avokoa isika.” (Efesiana 4:25) Nanoratra toy izao koa i Zakaria mpaminany: “Samia miteny marina amin’ny namany avy hianareo.” (Zakaria 8:16) Milaza ny marina ny Kristianina, satria te hampifaly an’Andriamanitra. Milaza ny marina i Jehovah ary fantany ny voka-dratsin’ny lainga. Ara-drariny àry raha mitaky ny hilazan’ny mpanompony ny marina izy.

10. Nahoana ny olona no mandainga, ary inona no voka-dratsin’izany?

10 Mihevitra ny olona maro fa mety ny mandainga mba hahazoana tombony. Ao ny mandainga mba tsy ho voasazy, mba hahazoana tombontsoa, na mba hoderain’ny hafa. Ratsy anefa ny zatra mandainga, sady tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny mpandainga. (Apokalypsy 21:8, 27; 22:15) Mino izay lazaintsika sy matoky antsika ny olona, rehefa fantany fa milaza ny marina foana isika. Raha vao tratra mandainga indray mandeha fotsiny anefa isika, dia mety tsy hatoky izay rehetra holazaintsika izy ireo. Hoy ny ohabolana afrikanina iray: “Fahamarinana arivo tsy mahaleo lainga iray.” Hoy koa ny ohabolana iray hafa: “Tsy hisy hino ny mpandainga, na dia milaza ny marina aza izy.”

11. Nahoana no tsy ampy fotsiny ny milaza ny marina?

11 Tsy ampy fotsiny anefa ny milaza ny marina. Tokony ho fomba fiaina mihitsy ny fahamarinana. Izany no tokony hahalalan’ny olona antsika. Tsy vitan’ny hoe mampahafantatra ny fahamarinana amin’ny tenintsika fotsiny isika, fa amin’ny ataontsika koa. Nanontany ny apostoly Paoly hoe: “Moa hianao izay mampianatra ny sasany, tsy mba mampianatra ny tenanao koa va? Hianao izay mitory hoe: Aza mangalatra, mba mangalatra ihany va hianao? Hianao izay manao hoe: Aza mijangajanga, mba mijangajanga ihany va hianao?” (Romana 2:21, 22) Tsy maintsy manao ny marina foana isika, raha te hampita ny fahamarinana amin’ny olona. Tena mety handray tsara ny fampianarantsika izy ireo, rehefa fantany fa mpanao ny marina isika.

12, 13. Inona no nosoratan’ny ankizy iray momba ny filazana ny marina, ary nahoana izy no manana fitsipi-pitondran-tena ambony?

12 Takatr’ireo tanora mpanompon’i Jehovah koa fa zava-dehibe ny milaza ny marina. Izao, ohatra, no nosoratan’i Jenny, tao amin’ny lahatsoratra nasain’ny mpampianatra noforoniny, tamin’izy 13 taona: “Tena sarobidy amiko ny manao ny marina. Mampalahelo anefa fa vitsy no tena manao izany ankehitriny. Izaho kosa mivoady fa hanao ny marina foana eo amin’ny fiainako. Hilaza ny marina foana koa aho, na dia tsy hitondra soa eo no ho eo ho ahy na ho an’ny namako aza izany. Ataoko azo antoka tsara fa olona milaza sy manao ny marina ny namako.”

13 Rehefa niresaka an’io lahatsoratra io ny mpampianatra an’i Jenny, dia hoy izy: “Mbola kely ianao, nefa efa hentitra tsara sahady amin’ny fitsipika arahinao momba ny fitondran-tena. Fantatro fa tsy hiala amin’izany mihitsy ianao, satria tena tapa-kevitra.” Inona no nahatonga an’io ankizivavy Vavolombelon’i Jehovah io ho tapa-kevitra toy izany? Teo am-piandohan’ilay lahatsoratra, dia nilaza i Jenny fa ny fivavahany no “mamaritra ny fitsipika arahiny eo amin’ny [fiainany].” Fito taona izay no lasa hatramin’ny nanoratan’i Jenny io lahatsoratra io. Marina ny vinavinan’ilay mpampianatra, satria mbola manaraka fitsipi-pitondran-tena ambony hatrany izy.

Manambara ny fahamarinana ny mpanompon’i Jehovah

14. Nahoana ny mpanompon’Andriamanitra no tena manana andraikitra lehibe hiaro ny fahamarinana?

14 Mazava ho azy fa mety hisy olona milaza ny marina, sy miezaka hanao ny marina, ankoatra ny Vavolombelon’i Jehovah. Isika mpanompon’Andriamanitra anefa, no tena manana andraikitra lehibe hiaro ny fahamarinana. Isika no nanankinana ireo fahamarinana ara-baiboly, izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. Adidintsika àry ny mampita izany fahalalana izany amin’ny olon-kafa. Hoy i Jesosy: “Izay nomena be, dia be no hotadiavina aminy.” (Lioka 12:48) Tena ‘be tokoa no tadiavina’ amin’ireo nomena ny fahalalana sarobidy momba an’Andriamanitra.

15. Inona no mahafaly anao rehefa mampita ny fahamarinana ara-baiboly?

15 Mahasambatra ny mampita ny fahamarinana ara-baiboly. Mitory ny vaovao tsara isika, toa an’ireo mpianatr’i Jesosy voalohany. Mitory an’io hafatra mitondra fanantenana sy mampahery io amin’ireo ‘nampahantraina sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry’ isika, ary amin’ireo very hevitra sy nohajambain’ny “fampianaran’ny demonia.” (Matio 9:36; 1 Timoty 4:1) Hoy ny apostoly Jaona: “Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.” (3 Jaona 4) Tena nahafaly an’i Jaona ny tsy fivadihan’ny ‘zanany’, na angamba ireo olona nampahafantariny ny fahamarinana. Faly koa isika rehefa mahita ny olona mankasitraka ny Tenin’Andriamanitra.

16, 17. a) Nahoana no tsy ny rehetra no manaiky ny fahamarinana? b) Inona no fifaliana tsapanao rehefa mitory ny fahamarinana ara-baiboly ianao?

16 Ekena aloha fa tsy ny rehetra no hanaiky ny fahamarinana. Nilaza ny marina momba an’Andriamanitra i Jesosy, na dia tsy be mpitia aza izany. Hoy izy tamin’ireo Jiosy nanohitra azy: “Nahoana hianareo no tsy mino Ahy? Izay avy amin’Andriamanitra dia mihaino ny tenin’Andriamanitra; izany no tsy ihainoanareo, satria tsy mba avy amin’Andriamanitra hianareo.”​—Jaona 8:46, 47.

17 Toa an’i Jesosy, dia tsy miahotra isika milaza ireo fahamarinana sarobidy momba an’i Jehovah. Tsy manantena isika hoe hanaiky izay lazaintsika ny rehetra, satria tsy ny rehetra no nanaiky izay nolazain’i Jesosy. Na izany aza dia faly isika, satria manao ny tsara. Tian’i Jehovah hambara amin’ny olombelona ny fahamarinana, satria be hatsaram-panahy miharo fitiavana izy. Lasa mpitondra fahazavana eto amin’ity tontolo maizina ity ny Kristianina, noho izy ireo manana ny fahamarinana. Manampy ny hafa hankalaza ilay Raintsika any an-danitra isika, rehefa mampamirapiratra ny fahazavan’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny tenintsika sy ny ataontsika. (Matio 5:14, 16) Ampahafantarintsika amin’ny rehetra fa mandà ny fitak’i Satana isika, ary miaro ny Tenin’Andriamanitra, izay madio sy tsy misy fangarony. Afaka mitondra ny tena fahafahana ho an’izay manaiky azy, ny fahamarinana fantatsika sy ambarantsika.​—Jaona 8:32.

Manaova hatrany ny marina

18. Nahoana i Jesosy no nankasitraka an’i Natanaela, ary ahoana no nampisehoany izany?

18 Tia sy nilaza ny marina i Jesosy. Nankasitraka ireo nanao ny marina izy, nandritra ny fanompoany tetỳ an-tany. Hoy izy momba an’i Natanaela: “Indro ny tena Isiraelita tsy misy fitaka.” (Jaona 1:47) Voafidy ho anisan’ireo apostoly 12 i Natanaela avy eo, izay azo inoana fa nantsoina koa hoe Bartolomeo. (Matio 10:2-4) Voninahitra lehibe tokoa re izany!

19-21. Ahoana no nitahiana ilay lehilahy jamba taloha, noho izy sahy nilaza ny marina?

19 Miresaka ny amin’ny olona marina hafa iray notahin’i Jesosy, ny toko iray manontolo ao amin’ny bokin’i Jaona. Tsy fantatsika ny anaran’io lehilahy io. Ny fantatsika dia hoe mpangataka izy, ary jamba hatry ny fony vao teraka. Gaga ny olona rehefa nampahiratin’i Jesosy izy. Ren’ny Fariseo, mpankahala ny fahamarinana, ny vaovao momba io fanasitranana mahagaga io. Talohan’izay, dia efa nifanaraka izy ireo fa horoahina avy ao amin’ny synagoga, izay mino an’i Jesosy. Nahafantatra ny tetik’izy ireo ny ray aman-drenin’ilay jamba taloha, ka natahotra. Nandainga tamin’ny Fariseo àry izy mivady, ka nilaza fa tsy fantany hoe ahoana sy iza no nampahiratra ny zanany.​—Jaona 9:1-23.

20 Nampanantsoina teo anatrehan’ny Fariseo indray ilay lehilahy sitrana. Sahy nilaza ny marina izy, fa tsy niraharaha izay ho vokany. Nohazavainy ny fomba nampahiratra azy, ary nolazainy fa i Jesosy no nanao izany. Gaga izy rehefa tsy nino ireo olona ambony sy nahita fianarana ireo, fa avy amin’Andriamanitra i Jesosy. Tsy natahotra àry izy nampirisika azy ireo hanaiky izay efa mibaribary: “Raha tsy avy amin’Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy mahefa na inona na inona Izy.” Tsy nahita havaly ny Fariseo, ka niampanga azy ho mpamingavinga ary nandroaka azy.​—Jaona 9:24-34.

21 Niahy an’ilay lehilahy jamba taloha i Jesosy, ka lasa nitady azy rehefa nahafantatra izay nitranga. Nanatanjaka ny finoany izy ary nilaza mazava taminy fa izy no Mesia. Notahina tokoa io lehilahy io noho izy nilaza ny marina! Azo antoka àry fa tena ankasitrahan’Andriamanitra ireo milaza ny marina.​—Jaona 9:35-37.

22. Nahoana isika no tokony hanao hatrany ny marina?

22 Tokony hoheverintsika ho zava-dehibe ny fanaovana ny marina. Tena ilaina izany mba hifandraisana tsara hatrany amin’ny olona sy amin’Andriamanitra. Ny olona manao ny marina dia tsotra, tsy mihatsaravelatsihy, mora hatonina, ary mendri-pitokisana. Ankasitrahan’i Jehovah izay manao izany. (Salamo 15:1, 2) Ny olona tsy manao ny marina kosa dia mamitaka, tsy azo itokisana, ary mihatsaravelatsihy. Tsy ankasitrahan’i Jehovah izay manao izany. (Ohabolana 6:16-19) Aoka àry isika ho tapa-kevitra ny hanao hatrany ny marina. Tsy maintsy mahafantatra ny marina, sy milaza ny marina, ary miaina mifanaraka amin’izany tokoa isika, mba hanahafana ilay Andriamanitry ny fahamarinana.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana isika no velom-pankasitrahana noho isika mahalala ny fahamarinana?

• Ahoana no ilazantsika ny marina, toa an’i Jehovah?

• Inona avy no soa raisintsika, rehefa mampita ny fahamarinana ara-baiboly isika?

• Nahoana no zava-dehibe ny manao hatrany ny marina?

[Sary, pejy 17]

Mazoto milaza ny fahamarinana ara-baiboly ireo Kristianina nanankinana izany

[Sary, pejy 18]

Nahazo fitahiana be ilay lehilahy jamba nositranin’i Jesosy, satria nilaza ny marina

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara