FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w04 15/8 p. 30-31
  • Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny Mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Mitovitovy Aminy
  • “Tsy Hisy Hamoy ny Ainareo Ianareo”
    ‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
  • Malta
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Nandeha Sambo Nankany Roma i Paoly
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2019
  • Kaoda
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
w04 15/8 p. 30-31

Fanontanian’ny Mpamaky

Misy milaza fa tsy tany amin’ny nosy Malta, any atsimon’i Sisila, i Paoly no vaky sambo, fa tany amin’ny nosy hafa. Taiza izy no vaky sambo?

Vao haingana tokoa no nisy nilaza fa tsy tany amin’ny nosin’i Malta ny apostoly Paoly no vaky sambo, fa tany Céphalonie (na Kefallinía), any akaikin’i Corfou, nosin’ny Ranomasina Ionianina any amoron-tsiraka andrefan’i Gresy, no nisy azy io. Voafonja i Paoly tamin’izay, ary milaza amintsika ny Tenin’Andriamanitra fa niala avy tany Kaisaria izy sy ireo namany, nentin’i Jolio mpitari-tafika romanina sy ny miaramila hafa. Nandeha sambo nankany Sidona sy Myra izy ireo, araka ny hitantsika eo amin’ny sarintany. Nifindra nankao amin’ny sambo mpitondra voa madinika avy any Aleksandria, any Ejipta, izy ireo, ary nizotra niankandrefana nankany Kinido. Tsy vitan’izy ireo ny nanaraka ilay lalana nokasainy harahina ho any Roma, rehefa avy namakivaky ny Ranomasina Egée mandalo ny tendron’i Gresy. Nisy rivo-mahery nanery azy ireo hianatsimo manaraka ny morontsirak’i Kreta, satria tany no mba tsy azon-drivotra. Nijanona teo amin’ny toerana atao hoe Seranana Kanto izy ireo. ‘Nopaohin’ny rivo-mahery atao hoe Eorakylona’ ilay sambo, raha vao niondrana avy teo Kreta. “Natopatopan’ny ranomasina” hatramin’ny alina fahefatra ambin’ny folo ilay sambo navesatry ny voa madinika. Vaky sambo teo amin’ilay nosy antsoina amin’ny teny grika hoe Me·liʹte ihany izy ireo tamin’ny farany, nefa tsy nisy maty ireo olona 276.—Asan’ny Apostoly 27:1–28:1.

Samy manana ny heviny ny olona tao anatin’ireo taona maro lasa, momba ny hoe iza io nosy Me·liʹte io. Misy mihevitra fa ny nosy Melite Illyrica any amin’ny Ranomasina Adriatika, any akaikin’i Kroasia izy io, ary i Mljet no iantsoana azy ankehitriny. Toa tsy izany anefa no izy, satria toa somary mifanalavitra ihany ny faritra andrefan’i Mljet sy ireo toerana hafa nalehan’i Paoly, dia i Syrakosa, Sisila, ary ny morontsiraka andrefan’i Italia.—Asan’ny Apostoly 28:11-13.

Nanatsoaka hevitra ny ankamaroan’ny mpandika teny fa ilay Me·liʹte resahina eo dia manondro ny nosy Melite Africanus, antsoina ankehitriny hoe Malta. I Seranana Kanto, any Kreta, no seranana farany niantsonan’ilay sambo nitondra an’i Paoly. Noteren’ny tafio-drivotra hitodi-doha ho any Kaoda avy eo ilay sambo, ary nentin’ny rivotra nandritra ny andro maromaro. Ara-dalàna tanteraka àry raha nandeha lavitra kokoa tany andrefana ilay sambo nentin’ny rivotra, ka tonga hatrany Malta.

Nandinika ny amin’ilay rivotra mahery sy “ny zotra[ny] ary ny tosika” naterak’izy io, i Conybeare sy Howson tao amin’ilay bokiny hoe Ny Fiainan’i Md. Paoly sy Ireo Epistiliny. Hoy izy ireo: “Latsaka kelin’ny [770 kilaometatra] ny elanelan’i Klaoda [na Kaoda] sy Malta. Mahatalanjona loatra ilay fifanandrifian-javatra, ka toa tsy azo inoana velively hoe toerana hafa ankoatra an’i Malta no [niantsonan’ireo] tantsambo, tamin’ny alina fahefatra ambin’ny folo. Azo inoana kokoa fa i Malta io nosy io, rehefa jerena ireo porofo.”

Ilay sambo vaky tany Malta hita eto amin’ny sarintany no mifanaraka amin’ny fitantaran’ny Baiboly, na dia nisy nanondro toerana hafa aza.

[Sarintany/Sary, pejy 31]

(Jereo ny gazety)

Jerosalema

Kaisaria

Sidona

Myra

Kinido

KRETA

KAODA

MALTA

SISILA

Syrakosa

Roma

MLJET

GRESY

CÉPHALONIE

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara