FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w05 1/8 p. 31
  • Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny Mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Mitovitovy Aminy
  • Mitadiava An’i Jehovah Alohan’ny Andro Fahatezerany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Mitadiava An’i Jehovah Dieny Mbola Tsy Tonga ny Andro Fahatezerany
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2017
  • Iza no ho Afa-mandositra Ilay “Andro Fahoriana”?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-36 — Zefania
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
w05 1/8 p. 31

Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy azo antoka ve ny hahazoan’ny mpanompon’Andriamanitra fiainana mandrakizay, raha jerena ilay teny hoe “angamba” ao amin’ny Zefania 2:3?

Izao no lazain’io andininy io: “Mitadiava an’i Jehovah, hianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany, izay efa nanaraka ny fitsipiny: Tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana; angamba ho voafina hianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.” Nahoana no lazainy hoe “angamba”?

Hataon’i Jehovah ahoana ireo tsy mivadika aminy, rehefa tonga ny Hara-magedona? Tadidintsika angamba hoe inona no lazain’ny Baiboly, momba izay hataon’Andriamanitra ho an’ireo mpanompony maty alohan’io fotoam-pitsarana io. Hatsangana ho any an-danitra ny sasany, ary hanana vatana ara-panahy sy tsy ho faty intsony. Ny hafa kosa hatsangana mba hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany. (Jaona 5:28, 29; 1 Korintianina 15:53, 54) Hotsaroan’i Jehovah sy hovaliany soa ny mpanompony maty alohan’ny Hara-magedona, ka tsy nivadika taminy. Azo antoka àry fa hataony toy izany koa ireo mpanompony mbola velona amin’io andro fahatezerany io.

Mampahery antsika koa ny teny nampanoratin’Andriamanitra ny apostoly Petera hoe: ‘Niaro an’i Noa, mpitory ny fahamarinana, sy ireo fito hafa [Andriamanitra], fony izy nahatonga safodrano teo amin’ny tontolon’ny olona tsy natahotra an’Andriamanitra. Nomelohin’Andriamanitra ny tanànan’i Sodoma sy Gomora rehefa nataony lasa lavenona, [ary] nafahany i Lota olo-marina. Araka izany rehetra izany, dia hain’i Jehovah ny manafaka amin’ny fitsapana, ny olona mahafoy tena ho an’Andriamanitra. Hainy koa anefa ny mitahiry ny olona tsy marina ho amin’ny andro fitsarana mba horinganina.’ (2 Petera 2:5-9) Nandringana ny ratsy fanahy i Jehovah taloha, nefa niaro an’i Noa sy Lota, mpanompony nahatoky. Hanafaka an’ireo mahafoy tena ho azy koa izy, rehefa handringana ny ratsy fanahy amin’ny Hara-magedona. Hisy “vahoaka be” ho tafavoaka velona amin’izany, ary olo-marina izy ireo.—Apokalypsy 7:9, 14.

Ilay “angamba” ao amin’ny Zefania 2:3 àry, dia toa tsy mampiseho fa mampisalasala raha ho vitan’Andriamanitra na tsia, ny hiaro ireo olona ankasitrahany. Angamba ho voaro amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah kosa ilay olona, rehefa manomboka mitady ny fahamarinana sy ny fandeferana. Raha manohy manao izany anefa izy vao tena ho voaro.—Zefania 2:3.

[Sary, pejy 31]

‘Hain’i Jehovah ny manafaka amin’ny fitsapana, ny olona mahafoy tena ho azy’

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara