FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w07 1/10 p. 3-4
  • Mpanankarena Nanao Safidy Ratsy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mpanankarena Nanao Safidy Ratsy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Mitovitovy Aminy
  • Jesosy sy ilay filoha tanora nanan-karena
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • I Jesosy sy ny filoha tanora nanankarena iray
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Namaly ny Fanontanian’ny Tovolahy Iray Mpanankarena i Jesosy
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Ny Tiana Holazaina Tamin’ilay hoe: “Andao Hanara-Dia Ahy”
    “Andao Hanara-dia Ahy”
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
w07 1/10 p. 3-4

Mpanankarena Nanao Safidy Ratsy

NISY mpanankarena iray, nanao ny marina sy nankatò lalàna ary tia fivavahana. Nandohalika teo anatrehan’i Jesosy izy, ary nanontany hoe: “Mpampianatra tsara ô, inona no tsy maintsy ataoko mba handovako fiainana mandrakizay?”

Nilaza i Jesosy fa mila mankatò ny didin’Andriamanitra izy, raha te hahazo ny fiainana. Ireto avy izany: “Aza mamono olona. Aza manitsakitsa-bady. Aza mangalatra. Aza mijoro ho vavolombelona mandainga. Hajao ny rainao sy ny reninao. Ary tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” Didy lehibe ao amin’ny Lalàn’i Mosesy ireo. Hoy anefa ilay lehilahy: “Efa notandremako avokoa izany rehetra izany, ka inona no mbola tsy ampy amiko?”—Matio 19:16-20.

“Tia azy” i Jesosy, ka nijery azy sady nilaza hoe: “Zavatra iray monja no tsy ampy aminao: Mandehana amidio izay rehetra anananao ka omeo ny mahantra, dia hanana harena any an-danitra ianao, ary andao hanara-dia ahy.”—Marka 10:17-21.

Tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra lehibe ilay lehilahy. Inona àry no hataony? Hifikitra amin’ny fananany ve izy, sa hahafoy izany ka hanara-dia an’i Jesosy? Hikatsaka harena eto an-tany sa hihary harena any an-danitra? Sarotra tokoa ilay safidy. Mazava ho azy fa tena mpivavaka izy matoa nankatò ny Lalàna, sy nanontany hoe inona koa no tokony hataony mba hankasitrahan’Andriamanitra. Inona anefa no nataony? “Lasa tamin’alahelo izy, satria maro ny fananany.”—Marka 10:22.

Tsy nanao safidy tsara ilay lehilahy. Raha mba lasa mpanara-dia an’i Jesosy mantsy izy, dia ho nahazo fiainana mandrakizay, araka izay niriny! Tsy haintsika izay niafarany. Fantatsika kosa fa nandrava an’i Jerosalema sy Jodia ny tafika romanina, rehefa afaka 40 taona teo ho eo. Jiosy maro no namoy ny ainy sy ny harenany.

Tsy toa an’ilay mpanankarena kosa ny apostoly Petera sy ny mpianatra hafa, satria nanao safidy tsara. “Nahafoy ny zava-drehetra” izy ireo ary nanara-dia an’i Jesosy, ka nandray soa! Nilaza i Jesosy fa hahazo zavatra betsaka lavitra noho izay nafoiny izy ireo, ary handova ny fiainana mandrakizay. Nanao safidy tsara izy ireo, ka tsy nanenina mihitsy.—Matio 19:27-29.

Betsaka ny safidy tsy maintsy ataontsika rehetra, amin’ny zava-madinika na amin’ny zava-dehibe. Inona no torohevitr’i Jesosy momba izany? Hanaiky ny teniny ve ianao? Hahazo valisoa lehibe ianao raha mifidy ny hankatò azy. Ahoana àry no hahatonga antsika ho mpanara-dia an’i Jesosy, ary inona no soa horaisintsika amin’izany?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara