Manontany ny Mpamaky
Nisy Naneran-tany Tokoa ve ny Safodrano?
Efa 4 000 taona mahery izay ilay Safodrano tamin’ny andron’i Noa. Efa maty daholo àry izay nahita azy io, ka tsy misy afaka milaza amintsika izay nitranga. Misy boky mitantara an’io loza lehibe io anefa. Resahina ao fa difotry ny rano ny tendrombohitra avo indrindra tamin’izany.
Izao no voalazan’izy io: ‘Naharitra efa-polo andro tambonin’ny tany ny safo-drano. Ary nahery dia nahery indrindra ny rano teny ambonin’ny tany, ka voasarona ny tendrombohitra avo rehetra izay tambanin’ny lanitra rehetra. Dimy ambin’ny folo hakiho [6,5 metatra eo ho eo] no nihoaran’ny rano, ka voasarona ny tendrombohitra.’—Genesisy 7:17-20.
Mety hisy hilaza hoe: ‘Sao dia angano fotsiny izany, na somary nanitatra ilay nanoratra azy?’ Tsia! Mbola difotry ny rano izao ny ankamaroan’ny faritra eto an-tany. Ranomasina ny 71 isan-jato eo ho eo amin’ity tany ity. Mbola misy hatramin’izao àry ny rano tamin’ilay Safodrano. Ary raha miempo aza ireo vongan-dranomandry makadiry eran-tany, dia hisondrotra ny ranomasina, ka ho sarona ny tanàn-dehibe toa an’i New York sy Tokyo.
Nisy mpahay siansa nandinika ny nofon-tany any amin’ny faritra avaratrandrefan’i Etazonia, ka mino fa efa nisy safodrano nahery vaika 100 teo ho eo tany taloha. Voalaza fa nisy tamin’izy ireny namakivaky haingana be an’ilay toerana, satria 105 kilaometatra isan’ora ny fandehan’ny rano. Nahatratra 600 metatra ny haavony. Nisy mpahay siansa hafa koa nahita zavatra nitovitovy tamin’izany, ka lasa nino fa nety ho nisy safodrano tokoa naneran-tany.
Tsy misalasala toy izany kosa ny olona miaiky fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly. Mino izy ireo fa tena nisy safodrano naneran-tany. Hoy i Jesosy tamin’Andriamanitra: “Ny teninao no fahamarinana.” (Jaona 17:17) Nilaza ny apostoly Paoly fa sitrapon’Andriamanitra ny “hamonjena ny karazan’olona rehetra sy ny hananany fahalalana marina tsara ny fahamarinana.” (1 Timoty 2:3, 4) Ho sahin’i Paoly ve ny hampianatra hoe fahamarinana ny Baiboly, raha misy angano ao anatin’izy io?
Nino i Jesosy fa nisy ny Safodrano, ary tsy vitan’izay fa naneran-tany izy io. Nampitahainy tamin’ny zava-nitranga tamin’ny andron’i Noa ny zavatra hitranga mandritra ny fanatrehany sy ny fifaranan’ity tontolo ity. (Matio 24:37-39) Hoy koa ny apostoly Petera momba ilay Safodrano: “Tamin’ny alalan’ireo no nandravana ilay tontolo tamin’izany fotoana izany rehefa safotry ny rano.”—2 Petera 3:6.
Samy nanao fampitandremana ho antsika amin’izao andro farany izao i Petera sy Jesosy. Tsy hisy dikany izany raha tsy tena nisy i Noa sy ilay Safodrano. Mety tsy hino an’ilay fampitandremana ny olona, ka tsy ho tafavoaka velona amin’ilay loza lehibe kokoa noho ny Safodrano.—2 Petera 3:1-7.
Hoy Andriamanitra rehefa niresaka momba ny famindram-pony amin’ny vahoakany: “Toy ny nianianako fa tsy hanafotra ny tany intsony ilay ranon’i Noa, dia toy izany no ianianako fa tsy ho tezitra aminao na hiteny mafy anao intsony Aho.” Tena nisy ilay Safodrano matoa i Jehovah nianiana hoe tsy hamerina azy io intsony. Azo antoka izany, tsy misy hafa amin’ny hoe azo antoka fa hamindra fo amin’izay miantehitra aminy izy.—Isaia 54:9.