Valin’ny Fanontanianareo
◼ Nahoana no tokony hanara-maso ny zanany ny ray aman-dreny, rehefa any amin’ny Efitrano Fanjakana na any amin’ny fivoriambe? Ary inona no tokony hataon’ny anti-panahy raha mbola tsy manao izany ihany izy ireo?
Amin’ny fitondran-tenan’ny ankizy no tena ahitana ny fitaizana nomen’ny ray aman-dreniny azy. Hita amin’izany koa raha tena nanohina ny fony ny lalàna nomen’i Jehovah sy ny olona azy. (Ohab. 29:15) “Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy”, anisan’izany ny hazakazaka sy ny lalao. Tsy any amin’ny Efitrano Fanjakana, na any amin’ny fivoriambe anefa no fanaovana izany.—Mpit. 3:1.
Tsy mitovy ny ankizy, fa misy mipelipelika sy maditra kokoa, ary efa izay mihitsy no maha izy azy. Mety ho hitan’ny ray aman-dreny àry fa mila arahi-maso kokoa ny zanany sasany. Misy ankizy tsy voara-maso tsara anefa, ka mihazakazaka sy mandona olona ary manimba zavatra ao amin’ny Efitrano Fanjakana mihitsy aza. Tokony hotenenin’ny anti-panahy na ny olon-kafa izy ireny, na hoentiny any amin’ny ray aman-dreniny mba hahitsy. Tokony hanaiky an’izany fanampiana feno fitiavana izany ny ray aman-dreny, mba tsy hanala baraka azy ny fitondran-tenan-janany.
Inona no tokony hataon’ny anti-panahy raha mbola tsy manara-maso ny zanany ihany ny ray aman-dreny, na dia efa notoroana hevitra tamin-katsaram-panahy aza? Tsara raha miara-midinika amin’ilay fianakaviana ny anti-panahy vitsivitsy, any amin’ny toerana azo anaovana izany sy amin’ny fotoana mety. Hiresaka ny antony tokony hitondrana tena tsara any an-trano sy any amin’ny Efitrano Fanjakana izy ireo, ary koa ny toro lalan’ny Baiboly tafiditra amin’izany.