Valin’ireo Fanontanianareo
◼ Fomba fandaminan-javatra inona no tokony harahina rehefa manolotra fanapahan-kevitra (résolution) holanin’ny kongregasiona?
Ny kolejin’ny loholona eo an-toerana dia manapa-kevitra momba ny raharaha maro mahakasika ny kongregasiona. Rehefa mandray fanapahan-kevitra ireny loholona tompon’andraikitra ireny, dia tarihin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly sy ireo fanipazan-kevitra sy toromarika omen’ny Fikambanana. Misy fanapahan-kevitra sasany anefa izay andraisan’ny kongregasiona anjara, ka mitaky ny handanian’ny mpikambana ao aminy azy ireo. Anisan’izany ny fitadiavana toerana hanaovana fivoriana tsara kokoa, ny fividianana tany, ny fanavaozana na fanorenana Efitrano Fanjakana, ny fandefasana fanomezana ho an’ny Fikambanana mba hampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana, sy ny hafa toy izany. Ireo fandaniana mahazatra dia tsy mitaky ny hanolorana fanapahan-kevitra holanin’ny kongregasiona, fa ny fandaniana lehibe na tsy mahazatra rehetra dia tokony hahazo ny faneken’ny kongregasiona amin’ny fandaniana ilay fanapahan-kevitra.
Amin’ny fomba ahoana no hanomanana sy hanolorana ireo fanapahan-kevitra holanina? Mandinika ilay raharaha amin’ny fomba lalina ny kolejin’ny loholona, amin’ny fiheverana izay hahasoa indrindra ny kongregasiona sy ny asa ho an’ilay Fanjakana. Rehefa tonga amin’ny fifanarahana izy ireo, ny loholona iray, angamba ny mpikambana iray amin’ny komitin’asan’ny kongregasiona, dia hanomana fanapahan-kevitra an-tsoratra iray hatolotra holanina izay hanambara mazava ny hevitra naroson’ireo loholona. Mandritra ny Fivoriana Momba ny Asa iray, dia hodinihina ireo hevi-dehibe rehetra mifandray amin’ilay raharaha sy ilay fanapahan-kevitra atolotra holanina. Ilay loholona mitari-draharaha dia hanome fahafahana ho an’ny mpikambana amin’ny kongregasiona mba hanao fanontaniana raha misy zavatra tsy mazava. Raha fanapahan-kevitra lehibe ilay izy, dia azon’ireo loholona atao ny mamela herinandro eo ho eo mba handinihan’ny kongregasiona izany tsara, alohan’ny hilazany ny heviny. Raha maniry ny handany ilay fanapahan-kevitra araka ny anolorana azy sy tsy misy fiadian-kevitra ny kongregasiona, ilay mpitari-draharaha dia hampanao tsangan-tanana, amin’ireo izay mankasitraka ary avy eo, amin’izay mety tsy hankasitraka ilay fanapahan-kevitra. Raha manaiky ilay fanoloran-kevitra ny ankamaroan’ireo mpitory nanolo-tena sy vita batisa, dia azon’ireo loholona tanterahina izay nekena.
Amin’ny toe-javatra tsy anoheran’ny lalàna izany, ny mpitory nanolo-tena sy vita batisa rehetra dia homena lalana hilaza ny heviny momba ireo raharaha atolotra holanina.
Rehefa raharaha momba ny fikambanana ara-dalàna, ny fisamboram-bola ho an’ny Efitrano Fanjakana, sy ny hafa toy izany no dinihina, dia mety hilaina ny fampiasana fomba fandaminan-javatra ara-dalàna mba hanarahana ireo fepetra takin’ny lalàna sy ny fitsipi-pitondrana fikambanana. Ohatra, indraindray dia ilaina ny mandray an-tsoratra ny anaran’ilay rahalahy nanolotra ny hisian’ilay fanapahan-kevitra holanina sy ny anaran’ilay rahalahy nanohana izany fanolorana izany, ary koa hoe firy no nanaiky sy nanda izany. Raha tsy takina mivantana ny fomba fandaminan-javatra ara-dalàna toy izany, dia ho ampy fotsiny ny fangatahana ny kongregasiona hilaza ny heviny momba ilay raharaha rehefa nandinika izany izy ireo. Amin’ny toe-javatra rehetra, ireo fanapahan-kevitra an-tsoratra izay nolanina dia tokony hosoniavin’ireo loholona tompon’andraikitra ary hasiany daty, alohan’ny hampirimana azy ireny ao amin’ny antontan-taratasin’ny kongregasiona.