FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/95 p. 4
  • Fanampiana ny Tanora Hisoroka Loza

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanampiana ny Tanora Hisoroka Loza
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Mitovitovy Aminy
  • Boky Manampy ny Tanora Hahatsiaro ny Mpamorona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Ry Tanora — Ampifalio ny Fon’i Jehovah
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • Fananana Fiainana Roa Sosona — Inona no Maha-ratsy Izany?
    Mifohaza!—1994
  • Mandehana Mendrika An’i Jehovah, ry Tanora
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
km 11/95 p. 4

Fanampiana ny Tanora Hisoroka Loza

1 I Jehovah dia maniry antsika hankafy ny fanomezany sarobidy, dia ny fiainana. Ho fikendrena izany, dia namela antsika hanana fahalalahana izy, ahazoantsika mikatsaka ireo fanirian’ny fontsika. Miaraka amin’izany fahalalahana hanao zavatra izany anefa, dia mihevitra antsika ara-drariny ho tompon’andraikitra amin’izay ataontsika i Jehovah. — Mpit. 11:9.

2 Noho isika tsy tanteraka sy mpanota, ahoana no ahafahantsika misoroka loza izay mety hahazo antsika ho vokatry ny fomba itondrantsika ny fiainantsika? (Mpit. 11:10, NW). Na dia tanora tsy ampy fanandraman-javatra aza ve dia afaka manalavitra loza? Soa ihany ho antsika fa eny ny valiny. Takatr’i Jehovah tsara ny ilantsika fitarihan-dalana, ary nanome torohevitra sy tari-dalana tamim-pitiavana izy, mba hanampiana na ny tanora na ny antitra, hamakivaky soa aman-tsara an’ireo zava-tsarotra mihamitombo izay manamarika izao andro farany izao. — Sal. 19:7; 119:9; 2 Tim. 3:1, NW.

3 Ny andraikitry ny ray aman-dreny: Rehefa mianjady ny fahasahiranana, ny tanora dia mila ray aman-dreny izay afaka ny ‘hanatanjaka ny tanana miraviravy, mba tsy hampipitsoka ny tongotry ny mandringa, fa ny mba hahasitrana azy kosa’. (Heb. 12:12, 13). Mba hanampiana ireo zanany hitoetra ao amin’ny lalana mitarika ho amin’ny fiainana, ireo ray aman-dreny dia tsy maintsy manitsy ny fisainan’ny zanany amin’ny fomba tsy tapaka. Izany dia mitaky faharetana sy fahaizana, miaraka amin’ny fitahiana tondraka avy amin’i Jehovah.

4 Tsy afaka ny hiaro tanteraka an’ireo zanany amin’ny fitaomana ratsy ireo ray aman-dreny. Ahoana anefa no azo anatanjahana ny sain’ny ankizy iray? Amin’ny ‘fitaizana azy amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo’. (Efes. 6:4). Ankoatra ny zavatra hafa, dia tafiditra amin’izany ny fianaram-pianakaviana, ny tari-dalana ara-panahy sy ara-pitondran-tena, ny asa mahasalama aorian’ny firavan’ny sekoly, ny fifehezana mifanentana, sy ny ohatra tsaran’ireo ray aman-dreny.

5 Ny boky Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra dia natao mba hanampiana ny tanora. Manampy an’ireo ray aman-dreny koa izy io mba hiara-manjohy hevitra amin’ny zanany momba ireo fari-pitsipika marina. Raha alatsaka tsikelikely ao an-tsaina sy ao am-pon’ny ankizy iray amin’ny fomba mandaitra ireo lalàn’Andriamanitra, dia afaka miasa ho toy ny fitaomana mifehy na manapaka. Ny fandinihan’ny fianakaviana ny fanazavana ao anatin’io boky io dia hanatanjaka ny tanora mba hisoroka loza.

6 Fanampiana ny tanora ao amin’ny faritanintsika: Mety hahita tanora maro isika ao amin’ny faritanintsika. Voavaly ao amin’io boky io ny fanontanian’izy ireo sasany, ka mandritra ny volana Novambra, dia hanasongadina ny boky Manontany ny Tanora isika eny amin’ny saha. Angamba ianao efa nanomana fomba fampiseho iray izay ho tianao hampiasaina. Na mety ho tianao ny hilaza zavatra toy izao manaraka izao:

◼ “Matetika isika dia mihevitra ny fahatanorana ho ny vanim-potoana sambatra indrindra eo amin’ny fiainantsika. Mampalahelo anefa fa mahita tanora maro tsy sambatra isika amin’izao andro izao. Tsy izany ve no izy? [Avelao ilay olona hamaly.] Ireo fari-pitsipika miovaova dia niteraka tontolo iray misafotofoto sy misy zava-manahirana maro izay miantraika eo amin’ny tanora sy manaisotra ny fahasambaran’izy ireo. Aiza no ahafahan’izy ireo mahita fitarihan-dalana azo itokiana? [Avelao ilay olona hiteny.] Mariho izay atoron’ny Baiboly ato amin’ny Salamo 119:9. [Vakio.] Ny Baiboly dia manasongadina ny andraikitry ny ray aman-dreny hampianatra izay mahitsy, ary avy eo dia manome izao toromarika izao ato amin’ny Ohabolana 1:8: [Vakio.] Mifanaraka amin’izany, ny boky Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra dia feno tari-dalana azo ampiharina mifototra amin’ny Baiboly, ary misy zavatra niainana tena nisy maro izay hanampy ny tanora hahita ny fomba ahafahany miatrika ny hoavy amim-pahombiazana sy ho sambatra amin’ny fanaovana izany.” [Asehoy ny lohatenin’ny toko maromaro mba hanairana ny fahalianany.] Avy eo dia atolory ilay boky.

7 Manondro ny Baiboly fa ny tanora dia mila mampiasa ny heriny ho amina tanjona feno fahendrena sy mendrika. Azo antoka fa io boky io dia hitarika olona maro ho amin’ilay loharanom-pahendrena tsy misy fetra — ny Baiboly. Fitaovana iray sarobidy re izany mba hitarihana ny tanora hanana fiainana feno ankehitriny, sy hoavy azo antoka! — Mpit. 12:1.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara