FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/92 p. 1-5
  • Ny fankasitrahanao ny fahafatesan’i Kristy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny fankasitrahanao ny fahafatesan’i Kristy
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana Isika no Mankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Ankasitraho Izay Nataon’i Jehovah sy Jesosy ho Anao
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Tahin’i Jehovah ny Ezaka Ataontsika Hanatrehana Fahatsiarovana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
  • Valin’ny Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
km 4/92 p. 1-5

Ny fankasitrahanao ny fahafatesan’i Kristy

1 “Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.” (Matio 20:28). Tsy misy olon-kafa mihitsy teto an-tany afaka hanao izay nataon’i Jesosy Kristy ho an’ny taranak’olombelona. Tamin’ny alalan’ny fomba fiaina narahiny sy ny fahafatesany tamin’ny farany teo amin’ny hazo fijaliana, dia notarihina ho eo amin’ny lalana hahazoana ny fanomezana lehibe indrindra mety ho azon’iza na iza, izany hoe ny fiainana mandrakizay, isika. Kanefa, ny ankamaroan’ny olona dia tsy mankasitraka firy izay nataon’i Kristy.

2 Diniho ny fifanenan’i Jesosy tamin’ny boka folo. Rehefa nahita an’i Jesosy izy ireo dia niantso tamin’ny feo avo hoe: “Ry Jesosy Tompo ô, mamindrà fo aminay.” (Lioka 17:13). Tena namindra fo tamin’izy ireo tokoa izy, ka nanome toromarika azy ireo, nifanaraka tamin’ny Lalàna, mba handeha hilaza tamin’ireo mpisorona. Teny an-dalana ho any, dia samy sitrana avokoa ireo boka folo lahy.

3 Iray tamin’izy ireo ihany anefa no niverina tany amin’i Jesosy mba haneho ny fisaorany. Ary ireo sivy hafa? Nanohy ny lalany izy ireo tsy nisy fieritreretana ny hisaotra ilay nanisy soa azy. (Lioka 17:15-17). Mitovy amin’iza amin’izy ireo isika? Tiantsika ny hitovy amin’ilay lehilahy niverina. Nanana ny tena fankasitrahana marina izy. Izany ve no tsapantsika momba ny fahafatesan’i Kristy?

4 Aoka isika hampiseho ny fankasitrahantsika: Isan-taona ny Fikambanana dia manoro hevitra ny hamakiana andinin-teny voafaritra tsara ao amin’ny Baiboly mandritra ny herinandro mialoha ny datin’ny Fahatsiarovana. Hita eo amin’ny datin’ny faha-12 ka hatramin’ny faha-17 Aprily ao amin’ny Calendrier des Témoins des Jéhovah 1992 izany famakian-teny anoroana hevitra izany. Afaka mampiseho ny fankasitrahantsika isika amin’ny famakiana sy amin’ny fisaintsainana momba ireny fisehoan-javatra ireny izay nitranga tamin’ny fiainan’i Jesosy talohan’ny nahafatesany indrindra.

5 Mifandray amin’ny fankasitrahantsika ny Fahatsiarovana ny asa ataontsika eo amin’ny fanompoana. Ho tian’ireo loholona ny hanao fandaharana voalamina tsara mba hahafahan’ireo mpitory maharitra sy mpitory tsotra hanao fandaharam-potoana mba hampitomboana ny asa fanompoany mandritra ny volana Aprily.

6 Io mazàna dia volana andraisan’ny an’aliny maro anjara amin’ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy. Tamin’ny Aprily tamin’ny herintaona, dia nisy 212 teto Madagasikara ireo nanao izany. Afaka manao izany ve ianao amin’ity Aprily ity? Raha tsy afaka manao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy ianao, dia manaova fandaharam-potoana mba hampitomboana ny fandraisanao anjara amin’ny asa fitoriana, arakaraka ny amelan’ny toe-javatra anao hanao izany.

7 Manorena fankasitrahana ao amin’ny hafa: Isan-taona, amin’ny fankalazana ny Fahatsiarovana, dia misy olona liana maro miara-mivory amintsika. Ohatra, tamin’ireo 10 650 158 nanatrika ny Fahatsiarovana naneran-tany tamin’ny Martsa tamin’ny herintaona, dia maherin’ny 6 370 000 no olona liana. Izany dia mampiseho ny fisian’ny fahafahana lehibe ho amin’ny fitomboana ao anatin’ny fandaminana.

8 Tokony hampiasa ireo taratasy fanasana nataon’ny Fikambanana pirinty isika ary hanao fandaharana mba hisian’ny fitaterana ho an’ireo mianatra Baiboly sy olona liana, rehefa ilaina izany. Aoka ianao ho feno risi-po sy hafanam-po rehefa manasa azy ireny.

9 Ampio izy ireny hahita ny antony nanorenana ny Fahatsiarovana, ny hoe iza no mandray ireo marika ary izay asehon’ireo marika. (1 Kor. 11:23-26). Hazavao koa ny fanantenan’ireo izay mandray ireo marika sy ny an’ireo mpitazana izay tsy mandray izany. (Jaona 10:16; Apok. 14:3, 4). Izany dia hanampy ireo olona liana hahatakatra fa ny rehetra dia mila ‘maneho finoana’ avokoa, ary koa fa ny fanatrehana ny Fahatsiarovana ny fahafatesan’i Kristy indray mandeha isan-taona fotsiny dia tsy ampy. — Jaona 3:16, NW.

10 Tena fisehoan-javatra manokana tokoa ny Fahatsiarovana ny fahafatesan’i Kristy. Amin’ny fiomanantsika amin’ny fomba lalina ho amin’izany, dia mampiseho isika fa tena mankasitraka marina izay rehetra nataon’Andriamanitra sy i Kristy ho antsika. Ny fanorenantsika fankasitrahana io andro lehibe io ao amin’ireo miara-mianatra ny Baiboly amintsika sy ireo olona liana hafa dia hanampy azy ireo koa mba haneho finoana ny fandaharana ho amin’ny fanavotana nataon’i Jehovah tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara