Vaovao Teokratika
Bosnie-Herzégovine: Nisy entana fanampiana sasany noraisina avy tamin’ireo rahalahy any Aotrisy sy Croatie. Mpitory maro be anefa no nandositra an’izany faritra rotidrotiky ny ady izany.
Fidji: Ireo fandaharana tamin’ny fivoriambe manokana dia natrehin’ny olona 3 890, izany hoe avo roa heny mahery noho ny isan’ny mpitory 1 404 namerina filazana asa tamin’ny Septambra.
Japana: Tampon’isa vaovao tamin’ny mpitory 172 512 tamin’ny Septambra.
La Réunion: Ny tampon’isa vaovao tamin’ny mpitory 2 113 tamin’ny Septambra dia nahitana tampon’isa vaovao tamin’ny fiverenana mitsidika sy fampianarana Baiboly koa.
Niger: Faly ireo rahalahy nanomboka ny taom-piasana vaovao tamin’ny tampon’isa vaovao amin’ny mpitory 169 sy fiverenanana mitsidika 3 252.
Swaziland: Tratra ny tampon’isa vaovao tamin’ny mpitory 1 543 tamin’ny Septambra, ary nahavita antsalan’ora 13,8 ireo mpitorin’ny kongregasiona teny amin’ny asa fanompoana.