FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/93 p. 6
  • Fiverenana Mitsidika Tsotra Sady Mandaitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fiverenana Mitsidika Tsotra Sady Mandaitra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • Mitovitovy Aminy
  • Kolokoloy ny Fahalianana Amin’ny Fanaovana Fiverenana Mitsidika Mandaitra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • Ampiasao ny boky Fanjohian-kevitra any amin’ireo fiverenana mitsidika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Ampiasao ny Boky Hiaina Mandrakizay Any Amin’ireo Fiverenana Mitsidika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Misikìna Fahasahiana mba Hanao Fiverenana Mitsidika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
km 4/93 p. 6

Fiverenana Mitsidika Tsotra Sady Mandaitra

1 Moa ve ianao manao fiverenana mitsidika tsy tapaka? Sa hitanao ho sarotra izany amin’ny ankapobeny noho ny tsy fahafantaranao izay holazaina? Tsy mila ny hatahotra ianao. Misy zavatra telo afaka manampy anao mba hahomby amin’izany: 1) fiomanana tsara; 2) fahaizana miresaka momba ny hevitra iray na roa mifandray amin’ny foto-kevitra ara-baiboly tsotra vitsivitsy; ary 3) fahavononana hihaino ny fomba fihevitr’ilay tompon-trano.

2 Rehefa miomana hanao fiverenana mitsidika ianao, dia diniho izay foto-kevitra hety horesahina amin’ilay tompon-trano. Moa ve izy mbola mpianatra? Mpianatra maro no hanana fotoana malalaka fanampiny mba hiresahana momba ny foto-kevitra ara-baiboly amin’ity volana ity, satria hahazo fialan-tsasatra amin’ny fianarany izy ireo. Azo inoana fa hahita sasany aminy izay hanokatra ny sainy ho amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana ianao. Moa ve ianao namela fanontaniana tamin’ny faran’ny fitsidihanao farany, sa nampiseho fahalianana tamin’ny foto-kevitra manokana iray ilay tompon-trano? Jereo indray ireo fanamarihana noraisinao an-tsoratra, ary ampiasao ny boky Fanjohian-kevitra mba hahitana ilay fanazavana hilainao mba hanaovana fiverenana mitsidika mandaitra. Rehefa manao ilay fitsidihana ianao, dia misehoa ho feno hafanam-po sy fisakaizana. Arahabao amin’ny anarany ilay tompon-trano.

3 Raha nametraka Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! tamin’ilay tompon-trano ianao, dia ho afaka hampiorina ilay fiverenana mitsidika hataonao amin’ny hevitra tsotra iray na roa nofidinao avy tao amin’ny gazety iray. Raha nametraka taratasy mivalona iray ianao tamin’ny fitsidihana voalohany, dia azonao atao, na ny hanazava ilay taratasy mivalona, na ny hanohy ilay resaka amin’ny firesahana momba ny hevitra mifanentana iray ao amin’ny gazety na bokikely iray.

4 Raha nametraka ilay hoe “Manantena Inona ny Olon-tiana Nodimandry?” ianao, dia azonao atao ny manomboka ilay resaka amin’izao teny fohy izao:

◼ “Tamin’ny fiafaran’ny resaka farany nataontsika, dia namela taratasy mivalona iray mitondra ny lohateny hoe Manantena Inona ny Olon-tiana Nodimandry? taminao aho. Ny fehintsoratra fahatelo dia misy izao fanontaniana mahaliana izao: ‘Nahoana moa no maty ny olona? Aiza moa ny maty? Ary inona no manome toky antsika fa ho velona indray izy ireny?’ Ilay lohatenikely manaraka hoe ‘Ny fahafatesana sy izay miseho rehefa maty isika’, dia mamaly ny fanontaniana tsirairay avy amin’izy ireo. Mbola manana iray amin’io taratasy mivalona io aho ato. Mariho ange izay lazainy eto amin’ny fehintsoratra fahefatra e.” Avy eo, rehefa manaraka ilay tompon-trano, dia vakio ilay fehintsoratra, anisan’izany ireo andinin-teny roa, ary anontanio an’ilay tompon-trano izay fomba fiheviny. Henoy amim-pitandremana izay lazainy, ary ampifandraiso amin’izay lazainao manaraka.

5 Mandritra ilay fifampiresahana, dia mety hilaza fomba fihevitra sasantsasany izay tsy marina ilay tompon-trano. Tsy ilaina ny hanoherana izay rehetra lazainy. Mifikira kosa amin’ilay foto-kevitra resahina. Izay hevitra tsy araka ny Baiboly rehetra mety hananany dia azo ahitsy amin’ny fiverenana mitsidika manaraka.

6 Aza hadinoina na oviana na oviana ny hanolokolo izay fahalianana rehetra hita amin’ny fanaovana fiverenana mitsidika tsotra nefa mandaitra mandritra ny volana Aprily.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara