Fampiasana Tsara Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!
1 Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! no gazety sarobidy indrindra sy mahasoa indrindra azon’ny olona vakina amin’izao andro izao. Nahoana? Satria ireo fahamarinana ara-panahy raketiny dia afaka mitondra vokatra maharitra ho amin’ny tsara eo amin’ny fiainan’ny olona. Kanefa maro no tsy mahatsapa amin’ny fomba feno fa mila zavatra ara-panahy ny tenany, na tsy mahafantatra hoe aiza no tokony hitodihany mba hanomezana fahafaham-po azy ireo. Tombontsoantsika ny manahaka ny apostoly Paoly amin’ny fanampiana ny olona hampihiratra ny masony amin’ny heviny ara-panahy. — Matio 5:3, NW; Asa. 26:18, NW.
2 Manàna fihetsika manorina ary miomàna tsara: Azo inoana fa misy olona toy ny ondry ao amin’ny faritaninao izay hanaiky ny fahamarinana. Ny sasany aminy dia mety hila fampirisihana amin-katsaram-panahy fotsiny mba hamaky ireo gazety. Noho izany, dia manàna fihetsika manorina sy mahay mandresy lahatra rehefa manolotra Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! Manàna gazety maromaro any aminao ary mahaiza manararaotra ny fahafahana rehetra mba hizarana azy ireo, na dia rehefa manasongadina zavatra vita an-tsoratra hafa aza ianao.
3 Inona no mety hanampy antsika hahita vokatra tsara kokoa rehefa mizara gazety? Voalohany aloha, dia tsy maintsy mankasitraka marina ny hasarobidiny ny tenantsika manokana. Tokony ho fantatsika tsara ireo lahatsoratra ao amin’ireo gazety atolotsika. Izany dia hampitombo ny fatokian-tenantsika sy ny faniriantsika hanolotra azy ireo. Hazòny ao an-tsaina izany hevitra izany rehefa mamaky azy ireo amin’ny voalohany ianao. Aoka ianao ho mailaka hifantina ireo hevitra azo asongadina eny amin’ny fanompoana. Manontania tena hoe: ‘Iza no tena ho voasinton’itỳ lahatsoratra itỳ? Hankasitraka azy io ve ny mpikarakara tokantrano, ny tanora, na angamba ny mpandraharaha? Hanitikitika ny sain’ny mpianatra, ny olona manambady, ny olona manahy ny amin’ny tontolo iainana, ve itỳ hevitra itỳ?’ Mba hahitana vokatra marina, dia tokony ho afaka hampirisika ny olona handray ireo gazety isika amin’ny fiankinana amin’ny fahalalantsika sy ny fankafizantsika ireo lahatsoratra ao aminy izay tonga amin’ny fotoana ilana azy.
4 Ampiasao tsara ireo nomerao tranainy: Tadidio fa Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! dia tsy very lanja, na dia tsy voapetraka ao anatin’ny volana iray na roa aorian’ny daty nivoahany aza izy rehetra. Ny fanazavana raketiny dia tsy manjary mihem-bidy noho ny fandehan’ny fotoana, ary tsy tokony hisalasala ny hanolotra ireo nomerao tranainy isika raha mbola tsara izy ireny. Ny famelana ireo gazety tranainy hiangona sy ny tsy fampiasana azy ireo mihitsy dia mampiseho tsy fananana fankasitrahana ireo fitaovana sarobidy ireo. Ny gazety tsirairay dia mirakitra fahamarinana izay afaka mamoha ny fahalianan’ny olona amin’ny zavatra ara-panahy sy manome fahafaham-po izany. Tsy ho tsaratsara kokoa noho ny fanilihana an’ireo nomerao tranainy sy ny fanadinoana azy ireny ve ny fanaovana ezaka manokana mba hametrahana azy eny an-tanan’ireo olona liana na, fara faharatsiny, mba hamelana azy amin’ny toerana tsy talaky maso rehefa tsy tratra ao an-trano ny olona?
5 Ny gazety Mifohaza! dia nanampy olona maro izay tsy nirona ho amin’ny zavatra ara-panahy tany am-boalohany mba hahatsapa fa mila zavatra ara-panahy ny tenany. Ny Tilikambo Fiambenana kosa dia fitaovana fototra eo amin’ny fandaharam-pamahanana ny vahoakan’i Jehovah amin’ny hanina ara-panahy. Mifameno tsara ireo gazety roa ireo, ary mandray anjara tena lehibe mba hitoriana ny vaovao tsara.
6 Eo am-pahaizantsika manararaotra ny fahafahana rehetra mba hametraka gazety, dia afaka matoky tanteraka isika fa mandaitra izy ireo raha ny amin’ny fanomezana fahafaham-po ireo olona toy ny ondry amin’izay zavatra ilainy ara-panahy. Maniry hihazona fihetsika manorina isika, hiomana tsara ary handray anjara tsy tapaka amin’ny fanompoana. Amin’ny maha-mpitory ny vaovao tsara antsika, dia enga anie isika rehetra hampiasa tsara tsy tapaka ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!