FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 7/93 p. 2
  • Vaovao Teokratika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Vaovao Teokratika
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • Mitovitovy Aminy
  • Vaovao Teokratika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
  • Vaovao Teokratika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Vaovao Teokratika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Vaovao Teokratika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
km 7/93 p. 2

Vaovao Teokratika

Arzantina: Nisy tampon’isa vaovao tamin’ny mpitory 98 601 tratra tamin’ny Febroary. Nandritra io volana io ihany, dia mpianatra vaovao 507 no natao batisa.

Bénin: Mpitory 2 967, izay tampon’isa vaovao, no namerina filazana asa tamin’ny Febroary. Rehefa atao ny fampitahana amin’ny asa tamin’ny taon-dasa, dia nitombo 13,8 isan-jato ny isan’ny mpitory, 6,1 isan-jato ny isan’ny ora, 40,6 isan-jato ny isan’ny gazety voapetraka ary 25,1 isan-jato ny isan’ny fampianarana Baiboly.

Ekoatera: Ireo mpitory 23 176 namerina filazana asa tamin’ny Febroary dia nitarika fampianarana Baiboly tany an-tokantrano 42 219. Izany dia mampiseho fitomboana 2 180 teo amin’ny isan’ny mpitory ary 3 183 teo amin’ny isan’ny fampianarana Baiboly, raha oharina amin’ny Febroary tamin’ny taon-dasa.

Irlandy: Tratra tamin’ny Febroary teo ny tampon’isa faha-59 nisesy teo amin’ny isan’ny mpitory izay nisy 4 093. Tsinjo sahady ny fitomboana amin’ny hoavy, satria nisy tampon’isa vaovao tamin’ny fampianarana Baiboly 2 682 notarihina.

Peroa: Ireo mpitory 43 366 tany Peroa dia nanao fiverenana mitsidika 369 437 sy fampianarana Baiboly tany an-tokantrano 68 090 tamin’ny Febroary. Notokanana ny Efitrano Fanaovana Fivoriambe vaovao iray vao vita ao Lima, ka 21 240 no nanatrika izany.

Tahiti: Nisy fitomboana 13 isan-jato tratra tamin’ny Febroary, tamin’ny mpitory 1 604 namerina filazana asa. Izany no tampon’isa faha-64 nisesy tamin’ny mpitory tany Tahiti.

Zaïre: Na dia eo aza ny fikorontanana ara-toe-karena sy ara-politika any amin’io tany io, ireo rahalahy dia nilaza fa nisy tampon’isa vaovao tamin’ny mpitory 71 098 tamin’ny Febroary. Izany dia fitomboana 9 isan-jato raha oharina amin’ny antsalany tamin’ny taon-dasa. Mandany 16,8 ora amin’ny antsalany eo amin’ny asa fanompoana ireo mpitory. I Zaïre izao dia manana mpisava lalana maharitra maherin’ny 6 000.

I Aruba, i Guadeloupe, i Martinique, i Saint-Christophe ary ireo Iles Vierges Amerikana, izay samy any amin’ny faritr’i Caraïbes avokoa, dia nilaza fa nahatratra tampon’isa vaovao tamin’ny mpitory izy ireo tamin’ny Febroary.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara