FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/94 p. 3-4
  • Manompoa an’i Jehovah, Tsy Misy Fanelingelenana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manompoa an’i Jehovah, Tsy Misy Fanelingelenana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
  • Mitovitovy Aminy
  • Mifantoha Amin’ny Fanompoana An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Moa ve Isika Mitoetra ho Mifoha ka Manalavitra Fanelingelenana?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • ‘Miomàna Ianareo’
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • ‘Aza Mitsahatra Mikatsaka Voalohany Indrindra ny Fanjakana’
    Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
km 4/94 p. 3-4

Manompoa an’i Jehovah, Tsy Misy Fanelingelenana

1 “Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny.” (Sal. 144:15). Mbola marina ve ireo tenin’i Davida Mpanjaka ireo na dia mandritra izao andro feno faharatsiana izao aza? (Efes. 5:16). Eny! Mbola mahita fifaliana foana ny Kristiana eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Tsy mora mandrakariva ny zavatra ho antsika. Manao izay hahitantsika fahasahiranana i Satana mandritra izao “fotoan-tsarotra” izao, kanefa tsy rera-po isika. (2 Tim. 3:1, 2, NW). Ny toe-piainana miharatsy dia porofo fanampiny fa akaiky ny fotoana hanafoanan’ny Fanjakan’Andriamanitra an’itỳ tontolo tranainy mihalo itỳ sy hanoloany azy io amin’ny tontolo vaovao madio iray. (2 Pet. 3:13). Ny fahamaizinan’itỳ tontolo itỳ akory tsy mampitsilopilopy na mamono ny lelafon’ny fanantenana mahasambatra ananantsika; ny fanantenantsika ilay Fanjakana kosa dia mihamamirapiratra manjelatra hatrany. Moa ve ianao tsy faly manompo an’i Jehovah amin’ny maha-mpanazava eo amin’itỳ tontolo maizina itỳ? — Fil. 2:15, NW.

2 Amin’ny maha-isam-batan’olona, dia tsy maintsy mandinika tsy tapaka ny fomba anompoantsika an’i Jehovah isika. Nahoana? Satria i Satana dia Mpanelingelina lehibe. Ny rakibolana iray dia mandika ny hoe “manelingelina” ho “mampivily”, “misarika na mitarika (toy ny sain’ny olona iray, ohatra) ho amin-java-kendrena hafa na ho amin’ny zotra hafa, amin’ny fotoana iray ihany”, ary “mahatonga na mampifangaro fihetseham-po na antony manosika mifanipaka”. Hatramin’ny nanjerana azy tetỳ an-tany, i Satana dia nahomby tamin’ny ‘famitahana’ ny taranak’olombelona. Mampiasa hafetsifetsena maro izy mba hampiodinana ny sain’ny olona tsy ho amin’ireo tena raharaha iadian-kevitra amin’izao androntsika izao. (Apok. 12:9). Na dia nilofo teo amin’ny fitoriana ilay Fanjakana aza ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ireo zato taona lasa, olona firy no mahafantatra tsara ireo raharaha lehibe indrindra momba ny fanamasinana ny anaran’Andriamanitra sy ny fanamarinana ny fiandrianany amin’ny alalan’ny Fanjakan’Andriamanitra? Vitsy ihany. (1 Jaona 5:19). Raha afaka nanelingelina olona an’arivo tapitrisany maro teto amin’itỳ tany itỳ i Satana, ilay loza eo mandrakariva dia ny fahafahany manelingelina antsika na mambabo ny saintsika mba hialantsika amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Mampalahelo fa voan’ny fanelingelenan’i Satana ny sasany tamin’ireo rahalahintsika. Namela ny sainy ho voasarika ho any amin’ny zotra samihafa izy ireo. Ahitana ny karazana fanelingelenana rehetra amin’izao andro izao. Aoka isika handinika vitsy monja amin’izy ireny.

3 Zava-manahirana ara-toe-karena sy fitiavana zavatra ara-nofo: Any amin’ny ankamaroan’ny firenena eto an-tany, dia miteraka fanahiana ny fidangan’ny vidim-piainana sy ny tsy fisian’asa. Marina fa tsy maintsy manome sakafo sy fitafiana ary fialofana ho an’ny tenantsika sy ny fianakaviantsika isika. Nefa raha mamela ny tenantsika hanjary hanahy tafahoatra ny amin’izay ilaina eo amin’ny fiainana isika, dia hifehy ny saintsika izany fanahiana izany. Ny fahavelomantsika ara-batana no mety hanjary ho ny zavatra lehibe indrindra eo amin’ny fiainana noho ny fanomezana fanohanana ny raharaha momba ilay Fanjakana. Nanome torohevitra momba izany ny apostoly Paoly ao amin’ny Hebreo 13:5, 6. Manome antoka antsika i Jesosy Kristy fa izay mikatsaka ilay Fanjakana voalohany indrindra dia tsy voatery ho be fanahiana; manome izay tena ilaintsika i Jehovah. (Matio 6:25-34). Ireo mpisava lalana sy mpanompo manontolo andro hafa manerana izao tontolo izao dia afaka manamafy fa marina izany.

4 Mampandroso ny fitiavana zavatra ara-nofo ny tontolon’i Satana. Ny fahazoana fananana betsaka kokoa na ny fiarovana azy ireny no hery mitarika eo amin’ny fiainan’ny olona an-tapitrisany maro. Efa nisy koa ny fanelingelenana mitovy amin’izany tamin’ny andron’i Jesosy. Nanontany an’i Jesosy ny mpanapaka tanora mpanankarena iray ny amin’izay nilainy hatao mba handovana ny fiainana mandrakizay. Namaly i Jesosy hoe: “Raha tia ho tanteraka [na feno] hianao, mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra hianao; ary avia hanaraka Ahy.” (Matio 19:16-23). Toa hita fa ny fananany ara-nofo be dia be no nanelingelina an’io tovolahy io tsy hanompo an’Andriamanitra tamin’ny fanahiny manontolo. Voavily tany amin’ny hareny ny fony. Fantatr’i Jesosy fa handray soa io tovolahy io raha nanafa-tena tamin’izany fanelingelenana izany. Nisakana azy tsy ho feno teo amin’ny fanolorany tena ho an’Andriamanitra izany. Ahoana ny aminao? Moa ve ianao mahita ny tenanao mandany fotoana be kokoa amin’ny asa ivelan’ny fivavahana mba hitanana fotsiny fomba fiaina izay nanjary nahazatra anao? Misy akony eo amin’ny fanompoanao an’i Jehovah ve izany? Moa ve ny fanananao ara-nofo mibahana ny tombontsoan’ilay Fanjakana? (Mato 6:24). Afaka manatsotra ny fiainanao ve ianao mba hanokanana fotoana betsaka kokoa ho an’ny tombontsoa ara-panahy?

5 Raharaha mahazatra eo amin’ny fiainana andavanandro: Raha tsy mitandrina isika, dia mety hanjary ho revo tanteraka amin’ireo raharaha mahazatra eo amin’ny fiainana, hany ka hanomboka hanao tsirambina ireo asa ara-panahy. Tadidio ireo olona tamin’ny andron’i Noa. Variana aoka izany tamin’ny raharaha ara-tsosialy izy ireo, nihinana sy nisotro, nampaka-bady sy nampanambady ny zanany, hany ka tsy niraharaha ny hafatra fampitandreman’i Noa momba ny Safodrano efa nitatao. Talohan’ny nahatsapan’izy ireo izany, dia tonga ny Safodrano ary nanafoana azy rehetra. Nidika ho fandringanana ho azy ireo ny fanekena ho voahelingelina. Nilaza i Jesosy hoe: “Dia ho tahaka izany koa ny fihavian’ny Zanak’olona.” (Matio 24:37-39). Raha ny marina, ny ankamaroan’ny olona amin’izao andro izao dia revo loatra amin’ny fiainan’izy ireo manokana ka tsy mihaino ny hafatra fampitandremana entintsika any aminy. Mampiseho tsy firaikana mampalahelo amin’ny zavatra ara-panahy izy ireny.

6 Moa ve ny fiainanao manjary tototry ny raharaha ara-tsosialy ka miha-tsy mahazo fiheverana ireo raharaha ara-panahy? Indray mandeha i Jesosy dia nasaina hivahiny tao amin’ny tranon-dry Marta sy Maria. Nihaino tamim-pitandremana izay nolazainy i Maria. Tetsy an-danin’izany kosa, i Marta dia “voahelingelin’ny fisahanana adidy maro”. Nanana fanahiana tafahoatra ny ho mpandray vahiny mahay i Marta. Tsy nahatakatra tsara ny nilana hakana fotoana hihainoana an’i Jesosy izy. Nampahatsiahy an’i Marta tamin-katsaram-panahy izy fa tsy nilaina ny sakafo be pitsipitsiny; tokony ho nomena fiheverana misimisy kokoa ireo raharaha ara-panahy. Mila ny mampihatra izany torohevitra izany ve ianao? (Lioka 10:38-42, NW). Nampitandrina koa i Jesosy fa tsy maintsy mitandrina ny tenantsika isika mba tsy hihinana tafahoatra sy hisotro tafahoatra, ka hanadonto ny fahatsapantsika zavatra. Amin’izao fotoan-tsarotra amin’ny tantaran’ny olombelona izao, dia ilaintsika ny miambina tanteraka. — Lioka 21:34-36, NW.

7 Fikatsahana fahafinaretana: Anisan’ireo fanelingelenana lehibe indrindra ampiasain’ny Devoly mba hampiviliana ny saintsika tsy ho amin’ny raharaha momba ilay Fanjakana ny fikatsahana fahafinaretana. An-tapitrisany maro ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana no nametraka ny fahafinaretana eo amin’ny toeran’Andriamanitra. Aleon’izy ireo ampifalifalin’ny fandaniana andro sasany toy izay haneho tena fahalianana amin’ny Tenin’Andriamanitra. (2 Tim. 3:4). Mazava ho azy fa tsy ratsy amin’izao fotsiny ny fialam-boly mahasoa sy ny fanalana andro. Kanefa ny fandaniana fotoana tafahoatra isan-kerinandro amin’ny zavatra toy ny televiziona, sinema, video, fanatanjahan-tena, famakiana zavatra tsy ara-pivavahana, na zavatra ankafizina manokana, dia mety hamela ny fo mpamitaka iray hitombo sy hampiala antsika amin’i Jehovah. (Jer. 17:9; Heb. 3:12). Ahoana no ahafahan’izany hitranga? Mandritra ireo fivoriana kristiana, dia mety ho hitanao fa miriorio ny sainao; mety tsy ho andrinao mihitsy aza izay hifaranan’ny fivoriana mba hahafahanao hiverina amin’ny fikatsahana fahafinaretana. Tsy ho ela ianao dia hahita ny tenanao mitady antony hijanonana any an-trano fa tsy hamonjy fivoriana na handray anjara amin’ny asa fitoriana. Izao no fotoana hamantarana mazava tsara raha nanjary fanelingelenana teo amin’ny fiainanao izany fikatsahan-javatra izany na tsia. (Lioka 8:14). Tsy ho azo nampiasaina tsaratsara kokoa mba hitomboana ara-panahy ve ny sasany tamin’ireny ora sarobidy lany tamin’ny fialam-boly ireny?

8 Raharaha momba ny lafin-javatra mandany fotoana: Ny sasany dia nanjary revo tamin’ny fiezahana handamina ireo zava-manahirana iombonana eo amin’ny fiaraha-monina maoderina. Ilain’ny Kristiana ny mitandrina mba tsy ho tafiditra amin’ireo ady hevitra tsy misy farany eo amin’izao tontolo izao, mikasika ny raharaha ara-tsosialy na ireo ady tsy misy vokany ataony hanitsiana ny tsy rariny. (Jaona 17:16). Ireo rehetra ireo dia anisan’ny tetika ataon’i Satana mba hampiviliana ny saina tsy hifantoka amin’ny torohevitry ny Baiboly sy ny fahamarinana fototra fa tsy misy afa-tsy vahaolana maharitra tokana ihany — ny Fanjakan’Andriamanitra. Raha niharan’ny fahavoazana manokana na ny tsy rariny isika, dia tsy maintsy mitandrina mba tsy hanjary ho mpamaly faty na hikorontana ara-pihetseham-po, ka hanadino hoe iza isika — Vavolombelon’i Jehovah. Ambonin’ny zavatra rehetra, dia i Jehovah no nasian-dratsy, ary ny anarany no tsy maintsy hamasinintsika. — Isaia 43:10-12; Matio 6:9.

9 Na dia maniry hitana fahasalamana tsara amin’ny fetrany sasany aza ny rehetra, ny fifantohana tafahoatra amin’ireo toa tsangan-kevitra tsy misy farany sy fanafody atolotra dia mety hahatonga ny olona iray ho adalan’ny raharaha momba ny fahasalamana. Misy olona maro manohana karazany maro amin’ny fitandremana ara-tsakafo, fanarahana fitsaboana, ary amin’ny fomba fitsaboana ho an’ny zava-manahirana ara-batana sy ara-pihetseham-po, izay mifanipaka ny maro aminy. Izay ataon’ny olona iray eo amin’ny raharaha momba ny fahasalamana dia fanapahan-kevitra manokana, raha mbola tsy mifanipaka amin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly koa izany. Aoka isika hitana mandrakariva ny fitokiantsika feno amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ho ny tena fanafodin’ny aretin’ny taranak’olombelona. — Isaia 33:24; Apok. 21:3, 4.

10 Aoka ianao hiorina tsara, tsy hiova: Arakaraka ny anatonan’ny farany, dia mampitombo ny fiezahany hanelingelina anao hiala amin’ny fanompoana an’i Jehovah i Satana: “Tohero izy, ka miorena tsara amin’ny finoana hianareo”. (1 Pet. 5:9). Ahoana izany? Tsy maintsy mamahan-tena amin’ireo hevitr’Andriamanitra ianao. (Matio 4:4). Aza mamela ireo fanelingelenana eo amin’izao tontolo izao haka aminao sy ny fianakavianao ny fotoana ilainareo hieritreretana sy hisaintsainana amim-pahanginana ny Tenin’Andriamanitra. Eo amin’ny fiarahan’ny fianakaviana misakafo, dia miaraha miresaka fanandraman-javatra mampahery sy raharaha ara-panahy hafa. Mihazòna fandaharam-potoana tsy miova hanaovana fianarana manokana sy hanomanana ireo fivoriana.

11 Rehefa mandrahona ny tsy hampilamina ny sainao ireo fanahiana, dia apetraho amin’i Jehovah ao amin’ny vavaka ny entanao. Mahazoa antoka fa mikarakara anao izy. (1 Pet. 5:7). Aoka ny fiadanan’Andriamanitra hiambina ny fonao sy ny herin-tsainao. (Fil. 4:6, 7, NW). Aza mamela ireo fanelingelenana hampanjavozavo ny fahitanao ara-panahy. Tazòny ho eo anoloanao hatrany i Jehovah, toy ny nataon’i Jesosy. (Asa. 2:25). Tazòny hifantoka mahitsy amin’ny tanjonao hatrany ny fahitanao, araka ny ampirisihan’ny Ohabolana 4:25-27 antsika hoe: “Aoka ny masonao hijery mahitsy, ary ny hodimasonao hibanjina eo anoloanao. Ataovy marina ny alehan’ny tongotrao, dia ho voalamina ny alehanao rehetra; aza mivily na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia”.

12 Amim-pahatokiana dia atreho ny fivoriana rehetra, ary fehezo ny tenanao mba hitandremanao ny toromarika avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. (Heb. 2:1; 10:24, 25). Ary, toy izay hikatsaka ireo fahafinaretana atolotr’itỳ tontolo mihasimba itỳ, dia ataovy zava-kendrenao ny hihazona ny fanompoanao hamokatra. Izany no mitondra fifaliana sy fahafaham-po maharitra. (1 Tes. 2:19, 20). Farany, aza mamela na inona na inona, na iza na iza, hanelingelina anao hiala amin’ny fanompoana masina ataonao. “Miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.” — 1 Kor. 15:58.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara